FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/13 p. 14-15
  • Zheng He

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zheng He
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • POLITIKA SY VAROTRA
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2013
  • Ny Tanora sy ny Internet
    Mifohaza!—2007
  • Nisy Vokany teo Amin’ny Tantara ny Toetrandro
    Mifohaza!—2011
  • Nivezivezy ny “Sambon’i Kitima”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 9/13 p. 14-15

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Zheng He

“Efa nitety ranomasimbe maherin’ny 100 000 lia izahay, ary nahatazana toerana mbola tsy fahitanay mihitsy. ... Toy ny rahona ireo sambolainay rehefa jerena lavitra, nefa ny fandehany (miriotra mafy) hoatran’ny kintana sady tsy mijanona mihitsy na andro na alina. Nahita onja avo be hoatran’ny tendrombohitra manakatra ny lanitra izahay. Namakivaky an’ireny onja be ireny izahay, ka toy ny nandalo toerana feno olona nifamezivezy.”—Tenin’i Zheng He tamin’ny taonjato faha-15, hita ao Changle, any Chine.

BETSAKA ny zavatra mampiavaka an’i Chine. Izy, ohatra, no firenena be mponina sady midadasika indrindra. Ny Rindrim-ben’i Chine koa no anisan’ny lehibe indrindra tamin’izay zavatra naorina teto an-tany. Ankoatra izany, dia nahavita sambo lehibe sady maro be ireo mpanjaka atao hoe Yongle sy Xuande. (Samy anisan’ny tarana-mpanjaka atao hoe Ming izy ireo.) Tsy nisy nahavita sambo maro be toa azy ireo nandritra ny 500 taona taorian’izay. Amiraly silamo avy any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Chine no nifehy an’ireo sambo ireo. Zheng He no anarany.

POLITIKA SY VAROTRA

Fa inona no tanjon’ireny dia an-dranomasina ireny? Araka ny tenin’i Zheng He, dia “te hanao soa amin’ny olona any amin’ny firenen-kafa” i Chine, sady ‘te hanaporofo fa afaka mivoatra be ny faritra iray raha manaraka ny kolontsaina sinoa. Lasa nanaiky ny fanjakana sinoa àry ireo firenena any amin’ny faravodilanitra ka hatrany amin’ny faran’ny tany. Nisy vahiny be dia be aza tonga tao an-dapan’ny mpanjaka, mba hanatitra fanomezana sy zava-tsarobidy.’

Seranan-tsambo sasany nandalovan-dry Zheng He

Maro no niady hevitra hoe inona marina no tanjon’ireo mpanjaka Ming rehefa naniraka an’i Zheng He. Misy mieritreritra hoe nirahina mba hampiely ny kolontsaina sinoa fotsiny izy, sady mba hampifandray tsara an’i Chine amin’ny firenen-kafa. Ao kosa ireo mihevitra fa karazana fanjanahana no tena tanjony. Nampian’i Zheng He sy nomeny zavatra be dia be tokoa aloha izay mpitondra fanjakana nandray tsara azy. Notafihiny sy nogadrainy kosa anefa izay tsy nety nanome voninahitra ny mpanjaka Ming ka tsy nanolotra fanomezana. Mpitondra fanjakana maro avy any amin’ny Oseana Indianina àry no nandefa ambasadaoro, mba hanome voninahitra ny mpanjaka sinoa.

Nitondra zavatra isan-karazany sady tsy nisy mpanana ry Zheng He mba hamidy na hatakalo, ohatra hoe karazana verinia, bakoly, ary landy nataon’ny mpanao asa tanan’ny mpanjaka Ming. Nahatondra zavatra be dia be koa anefa ry zareo rehefa nody, anisan’izany ny vatosoa, ivoara, zava-manitra, hazo sarobidy, ary zavatra hafa tian’ny Sinoa. Nitondra zirafy mihitsy aza izy ireo indray mandeha, ka nivanàka daholo ny olona ary nihorakoraka mihitsy! Hitan’ny firenena hafa tamin’ireny dia ireny fa efa nandroso be ny Sinoa tamin’ny taonjato faha-15.

Tsy nitohy anefa ireny dia ireny. Afaka taona vitsivitsy mantsy, dia tsy nifandray tamin’ny tany ivelany intsony i Chine, na tamin’ny varotra izany na zavatra hafa. Nihevitra ny mpanjaka vaovao sy ny mpanolo-tsainy fa mahavita tena i Chine ka tsy mila ny hafa intsony. Nosakanan’izy ireo avokoa ny kolontsaina vahiny. Nopotehiny mihitsy aza ireo sambon’i Zheng He sy izay nisy ifandraisany tamin’ny dia nataony. Nataon’izy ireo toy ny tsy nisy ireny tantara ireny. Vao haingana àry ny Sinoa sy ny olon-kafa vao nahalala an’ireo dia niavaka nataon-dry Zheng He sy ireo sambo nentiny.

a Refy sinoa ny hoe li. Niovaova foana ny halavan’izy io tao anatin’ny taonjato maro. Tokotokony ho antsasaka kilaometatra ny iray li tamin’ny andron’i Zheng He.

TSARA HO FANTATRA

  • Nahavita dia an-dranomasina fito tena niavaka i Zheng He sy ireo niaraka taminy, teo anelanelan’ny taona 1405 sy 1433.

  • Sambo maherin’ny 200 no niaraka, ka anisan’izany ny sambo mpitondra entana, rano, soavaly, sy ny sisa, ary ny sambo mpiady. Olona 27 000 mahery no nandeha, ka tao ny tantsambo, manam-pahefana, miaramila, mpivarotra, ary mpikojakoja sambo.

  • Tamin’ny Ady Lehibe I indray vao nisy firenena nitondra sambo be dia be indray miaraka, hoatran’ny an’i Zheng He. Nandalo tany Azia Atsinanana ireo sambo ireo ka nanaraka ny Oseana Indianina, ary tonga hatrany Afrika Atsinanana.

  • Samy nanoratra tatitra momba an’ireo dia an-dranomasina nataony niaraka tamin’i Zheng He ny mpiara-miasa taminy anankitelo.

Firy ny Sambon’i Zheng He ary Hoatran’ny Ahoana ny Habeny?

Rehefa jerena ny tantaran’ny mpanjaka Ming, dia voalaza fa lehibe tokoa ny sambon’i Zheng He satria 136 metatra ny halavany ary 56 metatra ny sakany. Milaza anefa ny manam-pahaizana fa hoatran’ny tsy mitombina izany sady sarotra porofoina, satria mora rendrika ny sambo hazo raha vao mihoatra ny 90 metatra ny halavany.

Hoy ny lahatsoratra iray: ‘Rehefa tena halalinina dia hita fa nanitatra be ireo olona nilaza ny hangezan’ireo sambo. Mety tsy hisy sambo 135 metatra mihitsy tamin’izany, fa mba 60 na 75 metatra fara fahalavany.’ Na izany aza, dia efa tena miavaka izany sambo mirefy 60 metatra mahery izany tamin’ny taonjato faha-15. Nanana sambo 62 tamin’ireny anefa i Zheng He!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara