FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 12/12 p. 16-18
  • Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Lehilahy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Lehilahy?
  • Mifohaza!—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Aoka Hiseho ny Fandrosoanao’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Inona no Hanampy ny Ray Hifandray Tsara Amin’ny Zanany Lahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Mpinamana Fotsiny ve Izahay?—Fizarana 2
    Mifohaza!—2012
  • Mety Amiko ve Izy?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
Hijery Hafa
Mifohaza!—2012
g 12/12 p. 16-18

Manontany ny Tanora Hoe...

Hoatran’ny Ahoana ny Atao hoe Tena Lehilahy?

“Maty i Dada tamin’izaho telo taona. Mitsiriritra ny ankizy manana dada aho indraindray. Toa matoky tena kokoa noho izaho ry zareo.”—Andry.a

“Tsy nifandray firy izahay sy Dada. Izaho irery no tsy maintsy namantatra ny atao hoe tena lehilahy.”—Jao.

TOY izany koa ve ianao? Misy antony atahoranao ve hoe tsy ho tena lehilahy mihitsy ianao? Aza kivy raha izany no tsapanao!

Hiresaka olana roa fahita isika izao ary hojerentsika hoe inona ny vahaolana.

OLANA 1: Hevi-diso ananan’ny olona momba ny lehilahy

Izay lazain’ny olona:

  • Ny tena lehilahy tsy mba mitomany izany fa mafy toto.

  • Tsy mila toroana izay tokony hataony izy.

  • Ambony noho ny vehivavy ny lehilahy.

Fomba fijery hafa: Ny mifanohitra amin’ny zaza ny hoe lehilahy fa tsy ny mifanohitra amin’ny vehivavy. Tena lehilahy ianao rehefa ialanao ny toetran-jaza. Hoy ny apostoly Paoly: “Fony aho zaza, dia niteny toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Fa amin’izao izaho efa olon-dehibe izao, dia nesoriko ny toetran-jaza.” (1 Korintianina 13:11) Tena lehilahy sy matotra ianao rehefa tsy miteny na misaina na manao zavatra toy ny zaza intsony.b

Andramo izao: Soraty amin’ny taratasy ny valin’ireto fanontaniana ireto:

  1. Eo amin’ny resaka inona aho no hita hoe efa tsy “zaza” intsony?

  2. Inona no mbola mila iezahako?

Andinin-teny hovakina: Lioka 7:36-50. Jereo hoe ahoana no nanaporofoan’i Jesosy fa tena lehilahy izy rehefa 1) niaro ny rariny sy 2) nanaja ny hafa, anisan’izany ny vehivavy.

“Mana-namana atao hoe Rivo aho. Mahafinaritra ahy izy satria matanjaka tsara sy tsy mora kivy, ary manam-pinoana be. Tsara fanahy anefa izy. Hitako àry fa ny tena lehilahy dia tsy manambanimbany ny hafa mba hanasongadinana ny tenany.”—Jao.

OLANA 2: Tsy manana ray tsara hotahafina

Izay lazain’ny olona:

  • Tsy ho hainao mihitsy ny atao hoe tena lehilahy raha tsy miara-mipetraka amin’ny rainao ianao.

  • Tsy maintsy hanahaka ny rainao ianao, raha tsy ohatra tsara izy.

Fomba fijery hafa: Tsy voatery hanjombona ny hoavinao raha tsy nahafinaritra ny fahazazanao. Afaka manarina ny toe-javatra misy anao ianao. (2 Korintianina 10:4) Araho ilay torohevitr’i Davida Mpanjaka ho an’i Solomona zanany hoe: “Mahereza ianao ary misehoa ho lehilahy.”—1 Mpanjaka 2:2.

Marina fa mety ho sarotra ilay hoe tsy raharahain’ny rainao ianao na tsy manana ray mihitsy. Hoy i Andry, ilay voaresaka terỳ aloha: “Voa mafy ny ankizy tsy mahalala ny rainy. Efa 25 taona aho izao, nefa hoatran’ny hoe izao aho vao mianatra ny zavatra efa tokony ho haiko tamin’ny mbola kely.” Inona no azonao atao raha hoatran’izany koa ianao?

Andramo izao: Mitadiava olona hanoro hevitra, ohatra hoe lehilahy tsara hotahafina.c Anontanio azy ny toetra tokony hananan’ny tena lehilahy sy ny azonao atao mba hananana an’ireo toetra ireo.—Ohabolana 1:5.

Andinin-teny hovakina: Ohabolana toko 1-9. Misy torohevitry ny raim-pianakaviana ao ka fantaro hoe inona no hanampy ny ankizilahy ho hendry sy ho lasa lehilahy matotra.

“Hitako hoe tsy very maina ny fiezahako ho tena lehilahy. Tiako aloha raha mba nifandray tsara tamiko i Dada. Matoky anefa aho fa tsy voatery hanjombona ny hoaviko.”—Jao.

Aorian’ny Mifohaza! Desambra 2012, dia

a Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

b Jereo ilay efajoro hoe “Ny Zaza sy ny Lehilahy.”

c Mety ho mpanoro hevitra tsara ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana kristianina.

Ian: Tsy mitomban-dahy fotsiny ny tena lehilahy, fa vonona hiasa mafy sy hifehy ny fihetseham-pony ary hahay handray andraikitra.

NY ZAZA SY NY LEHILAHY

Matetika ny ankizy no...

  • tsy mahalala fomba.

  • tia tena.

  • be lalao.

  • baikoin’ny fihetseham-pony.

Ny tena lehilahy kosa miezaka...

  • hahalala fomba.—Romanina 12:10.

  • hahafoy tena.—1 Korintianina 10:24.

  • handray andraikitra.—Galatianina 6:5.

  • hifehy ny fihetseham-pony.—Ohabolana 16:32.

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Inona no atao hoe tena lehilahy? Mba matotra ihany ve ny fahitanareo ahy?

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

HO AN’NY RAY:

Arakaraka ny modely omenao no ho fiheveran’ny zanakao lahy ny atao hoe tena lehilahy. Mampianatra azy hanaja vehivavy ianao raha manaja ny vadinao. Mampianatra azy hiasa mafy sy hahay handray andraikitra koa ianao raha miasa mafy hamelomana ny ankohonanao, na dia voatery hanao asa ambany sy mandreraka aza.—1 Timoty 5:8.

Tsy nifandray tsara angamba ianao sy ny rainao. Angamba izy tsy nifandray tsara tamin’ny rainy koa. Tadidio anefa fa afaka mifandray tsara amin’ny zanakao ianao. Hararaoty izany! Miezaha hifandray am-po amin’ny zanakao.d Aoka ianao ho modely, dia mety ho lasa tena lehilahy izy rehefa lehibe. Ho faly erỳ ianao amin’izay hilaza hoe zanakao izy.—Ohabolana 23:24.

HO AN’NY RENY:

Ahoana no hanampianao ny zanakao ho lasa tena lehilahy? Aza ampitahaina amin’ny vadinao izy rehefa misy tsy mety ataony. Mety hahateny toy izao ianao raha mampahatsiahy anao an’izay nataon’ny vadinao ny zavatra tsy mety ataony: “Tena mitovy amin’ny dadanao mihitsy ianao ity!” Marina fa tokony hanitsy ny zanakao ianao. Tadidio anefa fa tsy hanampy ny zanakao ho lasa tena lehilahy ianao raha hita amin’ny teninao na ny ataonao hoe tsy mety daholo izay rehetra ataon’ny vadinao.

Ampio ny vadinao eo amin’ny fitaizana ny zanakareo lahy. Avelao hiara-manao zavatra izy mianaka. Resaho foana izay toetra tsaran’ny vadinao sy ny zavatra tsara ataony, isaky ny afaka manao izany ianao. Miasa mafy ve izy mba hamelomana ny ankohonany? Manokana fotoana iarahana amin-janany ve izy? Manaja ny hafa ve izy? Resaho amin’ny zanakao hoe tena ankasitrahanao izany. Manampy ny zanakao lahy hanahaka ny toetra tsaran’ny rainy izany.

d Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hanampy ny Ray Hifandray Tsara Amin’ny Zanany Lahy?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2011, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara