FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 5/10 p. 24-25
  • Sambatra na dia Manan-takaitra Aza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sambatra na dia Manan-takaitra Aza
  • Mifohaza!—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Niova be ny fomba fisainako
  • Afaka Manampy Olona Aho na dia Jamba Aza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Feno Fankasitrahana ny Fanohanana Azo Antoka Omen’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Nomen’i Jehovah Mihoatra An’izay Mendrika Ahy Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 5/10 p. 24-25

Sambatra na dia Manan-takaitra Aza

Notantarain’i José Godofredo Várguez

Salama tsara aho tamin’izaho vao teraka sy rehefa nihalehibe. Nanomboka niasa aho tamin’izaho 17 taona, ary mpanao sodiora no asako. Nanao sodiora teny amin’ny toerana avo, akaikin’ny tariby misy herinaratra mahafaty, aho roa taona tatỳ aoriana. Nanomboka avy ny orana tamin’izay. Natsipin’ny herinaratra aho ka nianjera avy teny amin’ny 14 metatra, ary tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo volana. Ny lohako sisa no afa-nihetsika, taorian’izay, satria lasa nalemy aho. Tena kivy ratsy aho!

TEZITRA tamin’Andriamanitra aho tamin’ny voalohany, ary nanontany azy hoe nahoana no mbola avelany ho velona. Saika hamono tena aho. Nitady fampiononana tany amin’ny fivavahana maro aho, saingy tsy afa-po, sady tsy voavaly ny fanontaniako momba an’Andriamanitra. Izy ireo aza tsy nampirisika ny olona hampihatra ny fampianarana sy ny fitsipiky ny Baiboly! Maty i Neny tamin’ny 1981, ary lasa nisotro toaka sy niloka aho. Nihevitra aho fa hitsetra ahy Andriamanitra ka hamela ny heloko raha mamo aho. Ratsy fitondran-tena koa aho satria niara-nipetraka tamin’ny vehivavy tsy vadiko.

Niova be ny fomba fisainako

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tamin’izaho 37 taona. Nilaza foana i Neny fa io no fivavahana ratsy indrindra, satria izany no nolazain’ny olona. Nampandrosoiko anefa izy ireo, satria tiako hoporofoina hoe diso ny fivavahany. Nihevitra koa aho fa mahay Baiboly be. Gaga aho fa hay zara raha nahay Baiboly! Zendana koa aho nahita ny fahaizan’izy ireo nampiasa Baiboly mba hamaliana ny fanontaniako rehetra. Tsy ela aho dia niaiky fa nahita ny fahamarinana.

Nampalahelo fa tsy tian’ilay vehivavy namako ny zavatra vao nianarako, ka nisaraka izahay. Nanohy nanova ny fomba fiainako aho ary nanitsy ny fisainako hifanaraka amin’ny Baiboly. Nanova ny fomba fisainako sy ny toe-poko ilay loza nanjo ahy, kanefa afaka nanitsy izany aho noho ny fanampian’Andriamanitra. Tena niova aho, ary faly be nitory ny vaovao tsara manontolo andro, efa 20 taona izay. Maro no mieritreritra hoe ahoana no hahavitako izany nefa aho manan-takaitra. Tsy irery aho fa miara-mipetraka amin’i Ubaldo zandriko lahy, izay sembana ara-tsaina. Nanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa izy, ary manompo an’i Jehovah izahay.

Miara-miasa tsara izahay roa lahy ary mifampiahy. Manosika ny sezako sy mandondòna varavarana i Ubaldo rehefa mitory izahay. Izy no mamadika Baiboly sy manolotra boky na gazety, ary izaho no miresaka amin’ny olona. Mikarakara ahy koa izy. Izaho kosa mivarotra zavatra fanatsarana tarehy mba hivelomanay. Manampy anay koa ny Vavolombelona mpiara-mivavaka aminay, ka mahandro sy manao raharaha ary mitondra any amin’ny dokotera. Tena ankasitrahanay sy Ubaldo izany!

Anti-panahy eo anivon’ny fiangonanay aho, ary tombontsoa ho ahy izany. Vonona hanampy ahy hikaroka foto-kevitra ara-baiboly foana ireo rahalahy. Ny vavako no hihazonako ny pensilihazo rehefa te hanipika hevi-dehibe ao amin’ny boky fianarana aho.

Manontany ahy ny olona raha sambatra aho, ka valiako amin’ny fo manontolo hoe eny. Nahoana moa aho no tsy ho sambatra? Lasa tena misy dikany ny fiainako. Tsy andriko koa ny hahatongavan’ilay paradisa eto an-tany ka ho salama tanteraka ny olona, araka ny ampanantenain’Andriamanitra ny mpanompony tsy mivadika.—Isaia 35:5, 6; Lioka 23:43.

[Sary, pejy 24]

I José tamin’izy 18 taona, herintaona talohan’ilay loza

[Sary, pejy 25]

Miara-miasa tsara izahay sy Ubaldo rehefa mitory eto Meksika

[Sary, pejy 25]

Vavolombelona mamadika ny Baiboliko, rehefa mandaha-teny ao amin’ny Efitrano Fanjakana aho

[Sary, pejy 25]

Mahandro sakafo sy manao raharaha ny mpiara-mivavaka aminay

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara