FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 2/10 p. 3
  • “Aoka Izay!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aoka Izay!”
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fisaraham-panambadiana: Inona marina no lazain’ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Manaiky ny fisaraham-panambadiana sa tsia?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Haharitra Ihany ve ny Fanambadianareo?
    Mifohaza!—2006
  • Iharam-pamelezana ny fanambadiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 2/10 p. 3

“Aoka Izay!”

Simba be ilay trano, ary hita hoe tsy nisy nikarakara. Namely azy io imbetsaka ny rivotra sy ny oram-baratra, nandritra ny taona maro. Toa tsy ho ela ilay izy dia hirodana.

TOY izany no mitranga amin’ny tokantrano maro. Tsapanao ve hoe efa miharava koa ny tokantranonao? Raha izany no izy, dia fantaro fa miatrika olana ny mpivady rehetra. Na ny Baiboly aza milaza fa “hanam-pahoriana” ireo manambady.—1 Korintianina 7:28.

Manamarina izany ny mpikaroka sasany, izay milaza fa ny fanambadiana no “fifanekena mampidi-doza indrindra, nefa be mpanao indrindra eo amin’ny fiaraha-monina.” Hoy koa izy ireo: “Tena faly sy mifanome toky erỳ izy mivady amin’ny voalohany. Mety hiteraka fahasorenana sy fijaliana be mandritra ny androm-piainany anefa ny fanambadiany.”

Manao ahoana ny tokantranonao? Fahita ao ve ny iray na ny sasany amin’ireto?

  • Ady lava

  • Teny maharary

  • Fanitsakitsahana

  • Lonilony

Raha misedra olana ny tokantranonao ka atahorana ho rava, inona no azonao atao? Vahaolana ve ny misaraka?

‘LASA FANAO’

Niakatra be ny salanisan’ny fisaraham-panambadiana, any amin’ny tany sasany. Tsy dia fahita tany Etazonia, ohatra, izany nandritra ny taona maro. Milaza i Barbara Whitehead, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fisaraham-panambadiana (anglisy), fa “niakatra be ny tahan’ny fisaraham-panambadiana” tao amin’io tany io, taorian’ny 1960. Hoy izy: “Lasa avo roa heny izany tao anatin’ny folo taona, ary mbola nihaniakatra foana. Nahatratra ny salanisa ambony indrindra atỳ amin’ny tany mandroso izy io, taoriana kelin’ny 1980. Lasa fanaon’ny Amerikanina àry ny misara-panambadiana, tao anatin’ny 30 taona.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara