FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/08 p. 24-25
  • Lamasinina Tsy Misy Kodiarana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lamasinina Tsy Misy Kodiarana
  • Mifohaza!—2008
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no mampiavaka ny maglev?
  • Afaka 120 Taona Mahery vao Tonga
    Mifohaza!—2008
  • Ny Vavan’ny Vintsy
    Mifohaza!—2010
  • Bara Vy Mamakivaky An’i Kanada
    Mifohaza!—2010
  • Tsapanao ve hoe Ilaina ny Mampiofana ny Hafa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 11/08 p. 24-25

Lamasinina Tsy Misy Kodiarana

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY HONG KONG

MISY lamasinina hafakely any Shangaï, eto Chine. Vao mitazana an’ilay izy fotsiny ny olona, dia efa mahita izany. Mahitsy be ny vatany mba hahatohitra rivotra. Vaovao be koa ilay izy ka manjelanjelatra erỳ. Ary tena arifomba ny gara fijanonany. Vao mainka variana ny olona rehefa ao anatiny. Zara raha heno mantsy ny feony, ary misosa tsara ilay izy. Tsy izay ihany fa io no lamasinina mpitatitra olona haingam-pandeha indrindra eran-tany, satria mahavita 430 kilaometatra mahery isan’ora. Valo minitra monja no anaovany an’i Shangaï hatrany Pudong, nefa 30 kilaometatra ny elanelan’ireo. Mbola misy mampiavaka an’io lamasinina io anefa. Tsy misy kodiarana ilay izy!

Tsy mitehi-tany mantsy izy io, fa andriamby no ao ambaniny ka iny no mampandeha azy. Tsy misy mpamily koa izy io. Efa misy ordinatera kosa ao anatiny, mijery tsy tapaka ny toerana misy azy, ka mampahafantatra izany any amin’ny foibe mpanara-maso azy. Ny teknisianina any indray no manara-maso akaiky ny dian’ilay lamasinina amin’ny alalan’ny ordinatera. Maglev no anaran’io karazana lamasinina io. Ilay any Shangaï ihany hatramin’izao no ampiasaina hitaterana olona.

Inona no mampiavaka ny maglev?

Nanahirana be ny nanao an’io lamasinina io sy ny lalany. Tokony hitovy foana, ohatra, ny elanelan’ny fanambaniny sy ilay lalany. Malemy anefa ny tany any Shangaï, ka voatery nasiana fitaovana manokana tao ambanin’ilay lalana, mba hampiakarana azy, raha sendra miletsy ilay izy. Tsy maintsy nasiana elanelany koa ny faritra afovoan’ilay lalana, satria vita amin’ny simenitra. Mitatra na mihena mantsy izy ireny, arakaraka ny hafanana.

Misy lafiny maro maha tsara ny maglev anefa. Tsy mandre feona kodiarana na maotera ianao, ary tsy mamoaka setroka ilay izy. Tsy dia mila fikojakojana ny fitaovana ao aminy sy ny lalany. Tsy dia mandany angovo koa ilay izy, raha oharina amin’ny fiarakodia sy fiaramanidina. Mbola avo telo heny ny angovo lanin’ny fiarakodia, raha mandeha 30 kilaometatra, ary avo dimy heny kosa ny an’ny fiaramanidina. Mbola kely aza ny angovo ilaina hampandehanana ny maglev, noho ny angovo lany amin’ny fampangatsiahan-drivotra ao aminy! Tsy mila amboarina be koa ny toerana andalovany. Mahavita miaka-piakarana avo be mantsy izy sady afaka mandeha amin’ny fiolahana tery kely.

Betsaka tokoa àry ny soa azo avy amin’ny maglev. Mahagaga anefa fa mbola tsy nanao hafa ny Sinoa. Mandany vola be mantsy ilay izy. Efa saika hanao maglev mampitohy an’i Shangaï sy Beijing ry zareo, saingy najanona kely ilay izy. Avo roa heny mantsy ny vola ho lany amin’izany raha oharina amin’izay ho lany amin’ny lamasinina hafa. Tsy afaka mandeha amin’ny lalamby tsotra rahateo ny maglev.

Teknolojia alemà no nampiasaina tamin’ilay maglev sinoa. Mbola mitady fomba hanatsarana an’io karazana lamasinina io i Alemaina sy Japon ary ny tany hafa. Nahavita maglev vaovao i Japon, tamin’ny Desambra 2003, saingy andrana ihany ilay izy. Io no haingam-pandeha indrindra eran-tany, satria nahavita 581 kilaometatra isan’ora. Mbola hafa anefa ilay any Shangaï, satria io ihany no ampiasaina hitaterana olona.

Rehefa miverina mankany Shangaï ilay maglev, dia any amin’ilay fitaovana manondro ny hafainganam-pandeha foana ny mason’ny olona ao anatiny. May erỳ izy ireo hahita ny hafainganam-pandeha ambony indrindra. Variana loatra mijery any ry zareo amin’ny voalohany, ka tsy mahita ny any ivelany. Mandeha fanindroany àry izy. Mandalo haingana be izay jereny any ivelany, ka izay vao azony hoe nahoana ilay lamasinina no antsoina hoe “fiaramanidina tsy misy elatra.”

[Efajoro/Kisary, pejy 24]

INONA NO MAMPANDEHA NY MAGLEV?

1) Misy andriamby nasiana herinaratra ao ambanin’ilay maglev, ary manaraka ny sisiny roa izy ireo. 2) Misy andriamby koa ao ambanin’ny lalany. Ireo no manainga ilay maglev, ka mahatonga azy tsy hitehika amin’ilay lalana. Tsy maintsy iray santimetatra eo ho eo ny elanelany amin’ny lalany. 3) Andriamby hafa kosa no misakana azy tsy hiala amin’izy io. 4) Misy fitaovana nasiana herinaratra ao amin’ilay lalana, ka mamoaka herin’andriamby. Ireo no mampandeha an’ilay maglev.

5) Miezaka mitsitsy herinaratra ilay foibe mpanara-maso, ka tsy ilay lalana manontolo no asiany herinaratra, fa izay andalovan’ilay maglev ihany. Mila herinaratra betsaka kosa izy io, rehefa tsy maintsy mandeha mafy kokoa na miaka-piakarana. Ary ahoana rehefa hijanona ilay izy na hiverina? Ilay herin’andriamby ao amin’ilay lalana ihany no mampiverina azy.

MAMPIDI-DOZA SA TSIA?

6) Miforitra mankao ambanin’ilay lalana ny sisiny roa amin’ilay maglev. Tsy atahorana mihitsy hiala amin’ilay lalana àry izy io. Tsy mila fehikibo miaro amin’ny loza ny olona ao anatiny ary afaka mivezivezy, na mandeha mafy be aza ilay izy. Ary ahoana raha tapaka ny herinaratra? Misy fitaovana afaka mampijanona azy ao anatiny, ary mandeha bateria izy io. Mihena folo kilaometatra isan’ora amin’izay ny hafainganam-pandehan’ilay maglev. Mikorisa moramora amin’ilay lalana ilay izy avy eo, ary mijanona.

Mampidi-doza ve ny hery avoakan’ireo andriamby, ohatra hoe ho an’ny mpandeha nasiana fitaovana vy mandrindra ny fitempon’ny fo? Hita tamin’ny fandinihana natao fa tsy mampidi-doza ilay izy. Tsy dia mahery rahateo ny herin’andriamby avoakan’ny maglev, raha oharina amin’ny an’ny lamasinina hafa.

[Sary, pejy 24, 25]

Mahavita 430 kilaometatra mahery isan’ora ny maglev!

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Pejy 24 sy 25: Sary sy kisary rehetra: © Fritz Stoiber Productions/Courtesy Transrapid International GmbH & Co. KG

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara