FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/08 p. 29
  • “Misaotra fa Tena Tia Olona Ianareo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Misaotra fa Tena Tia Olona Ianareo”
  • Mifohaza!—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahafoy Tena Izy Ireo: Rosia
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Miaro ny Lazany Ilay Vahoaka Tia Fihavanana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia
    Mifohaza!—1997
  • Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1998
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—2008
g 8/08 p. 29

“Misaotra fa Tena Tia Olona Ianareo”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ROSIA

◼ Nanao fivoriana kristianina tao amin’ny sekoly iray ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tchita, tanàna any amin’ny faritra atsinanan’i Siberia, talohan’ny nahazoany Efitrano Fanjakana vaovao. Nanoratra taratasy fankasitrahana ho azy ireo ny talen’ilay sekoly, satria nodiovin’izy ireo foana ilay efitrano sady namboariny, ary tsara fanahy sy nahalala fomba izy ireo.

Izao no ampahany tamin’ilay taratasy: “Misaotra fa tena tia olona ianareo. Miharihary amin’izay rehetra mihaona aminareo izany. Misaotra koa noho ny fampianarana Baiboly sy ny asa soa ataonareo. Tsy hohadinoinay mihitsy ny zavatra nianaranay taminareo nandritra ireo taona niarahantsika niasa. Hita fa tsara fitondran-tena, mendri-pitokisana, tsara fanahy, ary manao tsara ny asany ny olona mino an’Andriamanitra. Tena tia manatratra tanjona koa izy ireo, ary manana finoana sy zava-kendrena eo amin’ny fiainana.” Mankasitraka an’ireo teny ireo ny Vavolombelon’i Jehovah.

◼ Nisy lanonana iray nalamin’ny tompon’andraiki-panjakana tao amin’ny faritr’i Saint-Pétersbourg, tany amin’ny 5 500 kilaometatra eo ho eo any andrefan’i Tchita. Voasa tamin’izany ny solontena iray avy ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Nahoana? Rehefa mitsonika ny lanezy isan-taona, dia manadio lalana 60 kilaometatra eo akaikikaikin’ny biraon’ny sampana, ny Vavolombelona eo an-toerana. Naneho ny fankasitrahany an’izany asa soa ho an’ny fiaraha-monina izany ny tompon’andraikitra iray, ka nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ilay solontenan’ny biraon’ny sampana. Nitehaka mafy ny mpanatrika. Nisy tompon’andraikitra iray nandiso ny fanononana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah tao amin’ny lahateniny. Nahagaga fa nisy mpanatrika maromaro tsy Vavolombelona nanitsy izany avy hatrany. Hita fa fantatr’izy ireo tsara ny anaran’Andriamanitra sy ny olona mitondra azy io.

Ny fitoriana ampahibemaso ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia no tena mahatonga izany. Miisa 150 000 eo ho eo izao izy ireo any. Inona no tanjony? Ny hampiseho hatrany fa “tena tia olona” izy ireo. Toriny amin’izay maniry hihaino àry ny hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly.—Matio 22:39.

[Sary, pejy 29]

Nahazo Mari-pankasitrahana ny biraon’ny sampan’i Rosia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara