FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g03 8/7 p. 26-27
  • Natao ho An’ny Kristianina ve ny Hipnotisma?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Natao ho An’ny Kristianina ve ny Hipnotisma?
  • Mifohaza!—2003
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mifandray ve ny hipnotisma sy ny asan’ny maizina?
  • Ny vokany eo amin’ny fitondran-tena
  • Fanantenana fahasalamana tonga lafatra
  • Ny spiritisma: nahoana no mitombo toy izao ny fahaliamana aminy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Afaka Mifehy ny Olombelona ve ny Devoly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Tsy Mampaninona ve ny hoe Liana Amin’ny Zavatra Mifandray Amin’ny Herin’ny Maizina?
    Manontany ny Tanora
Mifohaza!—2003
g03 8/7 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Natao ho An’ny Kristianina ve ny Hipnotisma?

“Aoka tsy hisy eo aminao izay mampandeha ny zanani-lahy na ny zanani-vavy hamaky ny afo, na mpanao fankatovana, na mpanandro, na mpanao sikidy, na mpanana ody, na manao ho masimbava, na mpanadina amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra, na mpanao hatsarana, na mpanontany amin’ny maty.”—DEOTERONOMIA 18:10, 11.

MITERAKA adihevitra be ny hipnotisma.a Na ny manam-pahaizana momba azy io aza dia mihevitra fa sarotra ny manazava momba azy. Mazàna ny olona iharan’ny hipnotisma no toy ny ao anaty torimaso lalina, ary tsy mahafehy ny vatany sy ny sainy. Mahaliana ny olona kokoa anefa ny mahafantatra izay azon’ny hipnotisma atao, noho ny mahafantatra hoe inona izy io.

Lasa mahazatra ny dokotera any amin’ny tany sasany ny mampirisika ny olona hitsabo tena amin’ny alalan’ny hipnotisma. Izao, ohatra, no lazain’ny boky Psikolojia Ankehitriny (anglisy): “Mahasitrana aretin’andoha ny hipnotisma, ary afaka manamora fiterahana, na manampy ny olona hiala amin’ny sigara. Mahasolo ny fanafody fanatoranana koa izy io, ary manatsara ny fahazarana mianatra, nefa tsy misy voka-dratsiny.” Maro kosa, etsy an-danin’izany, no mampifandray azy io amin’ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy sy ny asan’ny maizina.

Ahoana no fiheveran’ny Baiboly? Mazava ho azy fa tsy boky momba ny fahasalamana ny Baiboly, ary tsy miresaka mivantana momba ny hipnotisma koa. Hanampy antsika hahita ny fomba fijerin’Andriamanitra anefa ny toro lalana ao amin’ny Teniny.

Mifandray ve ny hipnotisma sy ny asan’ny maizina?

Foronin’ny saina fotsiny ve ilay fiheverana fa mifandray ny hipnotisma sy ny asan’ny maizina? Toa izany no hevitra ampitain’ny tantara tsy mampino hita amin’ny sarimihetsika sy ny boky. Misy antony anefa ilazana fa mifandray ny hipnotisma sy ny asan’ny maizina. Manazava toy izao mahakasika ny hipnotisma ny Rakipahalalana Momba ny Asan’ny Maizina sy ny Fahaizana Mahagaga (anglisy): “Mifamatotra tanteraka ny tantaran’ny hipnotisma sy ny asan’ny maizina.” Heverina ho toy ny hipnotisma ny zava-miseho mandritra ny fotoam-pivavahana sasany. Misy olona sasany mantsy tsy tompon’ny tenany intsony, fa toy ny ao anaty torimaso lalina. Fanao tamin’ny famosaviana sy ny mazia izany taloha. Nanao hipnotisma koa ny pretra tany Ejipta sy Gresy fahiny, rehefa nanandrana nanasitrana tamin’ny anaran’ireo andriamani-disony.

Hoy koa ilay rakipahalalana: “Mbola heverina ho ‘Fifandraisana amin’ny fanahy ratsy’ ihany ny hipnotisma, na dia amin’izao fotoana izao aza.” Saro-pantarina ny tena fifandraisan’ny karazana hipnotisma sasany amin’ny asan’ny maizina. Milaza mazava tsara anefa Andriamanitra fa ratsy ny fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, na inona na inona karazany. (Deoteronomia 18:9-12; Apokalypsy 21:8) Mazava àry fa misy lafiny amin’ny hipnotisma tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina, ka tsy azon’ny Kristianina odian-tsy hita.

Ny vokany eo amin’ny fitondran-tena

Ahoana ny amin’ny vokatry ny hipnotisma eo amin’ny saina sy ny fitondran-tenan’ny olona iray? Mety hampidi-doza ve izany? Ny azo antoka dia hoe tsy afaka mifehy loatra ny fitondran-tenany ny olona rehefa iharan’ny hipnotisma. Mampiasa izany ireo mpanao hipnotisma rehefa manao fampisehoana, ka asainy manao zavatra tsy fanaony mihitsy ilay olona mandray anjara, ary manjary toy ny mamo mihitsy aza.

Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy) momba ireny fampisehoana ireny: “Ny olona iharan’ny hipnotisma dia mety ho mora mankatò, na dia baiko an-kolaka aza. Mety ho vonona kokoa izy hanatanteraka ireo faniriany mafy, izay voafehiny mazàna. Mety hihevitra koa izy fa tsy misy fitsipika intsony mifehy ny fiaraha-monina sy ny tenany.” Hoy ny Rakipahalalan’i Collier (anglisy): “Mifantoka amin’ny zavatra tokana ny sain’ilay olona iharan’ny hipnotisma, hany ka mitandrina fatratra izay lazain’ilay mpanao hipnotisma sy manatanteraka izany izy.”

Tsy mampaninona ve izany? Mety amin’ny tena Kristianina ve ny mamela ny sainy hobaikoin’ny hafa, amin’ny alalan’ny hipnotisma? Izany dia mifanohitra amin’ny fananaran’ny apostoly Paoly hoe: “Ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.

Afaka ny ‘hanana fieritreretana tsara’ ve ny Kristianina iray, raha misy zavatra ekeny hoe atao aminy, ka lasa tsy voafehiny tsara intsony ny eritreriny na ny faniriany, ary na dia ny zavatra ataony aza? (1 Petera 3:16) Mampitandrina ny Baiboly mba “samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ny fahamasinana sy ny voninahitra.” (1 Tesaloniana 4:4) Mazava àry fa hanakantsakana ny olona iray tsy hanaraka io torohevitra io ny hipnotisma.

Fanantenana fahasalamana tonga lafatra

Manalavitra ny fanao rehetra mifandray amin’ny hipnotisma ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ireo toro lalan’ny Baiboly voalaza tetsy aloha ireo. Arahiny koa ilay didy ao amin’ny Deoteronomia 18:10, 11. Miresaka momba ny “masimbava” ny Baiboly malagasy ao, nefa ny teny hebreo nilazana izany tany am-boalohany, dia misy heviny hoe mifehy ny sain’ny hafa. Ho an’izay marary, dia maro ny fitsaboana azony arahina, nefa tsy mifandray amin’ny asan’ny maizina, na mahatonga ny saina hofehezin’ny olon-kafa.

Afaka manantena fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao sy marin’Andriamanitra ny Kristianina, rehefa manalavitra ireo fanao mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Amin’izay ny olona dia hanana fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina tonga lafatra, tsy misy fampiasana hipnotisma.—Apokalypsy 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Olona roa matetika no tafiditra amin’ny hipnotisma, ka ilay anankiray mifehy ny sain’ilay iray hafa. Ataony toy ny matory ilay olona, ka tsy mahatadidy zavatra sasany na very tadidy tanteraka. Mety hahita zavatra tsy tena misy koa izy, ary ho mora baikoina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara