Fitsidihana Toeram-pambolena Akondro
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO
EFA tia akondro hatramin’izay aho, ary inoako fa toy izany koa ny ankamaroan’ny olona. Sady matsiro ny akondro no be vitaminina sy mineraly ary fibra. Te hahafantatra tsara momba an’io voankazo mahasalama io ve ianao? Vao tsy ela izay, dia nisy mpivady mpamboly nampiseho tamiko ny fomba fanirin’ny akondro. Mahavariana ilay izy!
Mpamboly any Levubu, any Afrika Atsimo, i Tony sy Marie (aseho eo ambony). Mamboly zavatra isan-karazany izy ireo, ao amin’ny sahany mirefy 55 hektara. Akondro anefa no tena ambolen-dry zareo. Hanazava amintsika bebe kokoa momba an’io voankazo be mpitia io i Tony.
Ny toetany tiany sy ny mampaniry tsara azy
Manazava i Tony hoe: “Ny tsara indrindra dia tany somary be tanimanga, sady tsy be fasika sy vato. Nofon-tany matevina sy mifoka rano tsara no tena mety. Mamokatra tsara ny akondro atỳ amin’ny tany mafana, satria tia hafanana izy ireo raha ny tena izy. Manodidina ny 12 ka hatramin’ny 35 degre eo ho eo ny hafanana eto Levubu mandritra ny taona.” Nanontaniako an’i Tony kosa avy eo ny momba ny rotsakorana, ka izao no navaliny: “Mila orana foana ny akondro, fa raha tsy izany dia mila tondrahana isan-kerinandro izy.”
Toy ny hazo angamba ny fijery ny akondro maniry. Tsy hazo anefa izy io, fa ireo tahony mitondra ny raviny no mitambatra ka manome ny vatan’akondro. Milevina any anaty tany ilay tena tahobe, ary avy amin’iny no mipoitra ny fakany. Maniry avy eo amin’iny koa ny raviny sy ilay voniny volomparasy lehibe. Mbola avy amin’iny tahobe iny koa no mitsimoka ny solofony vaovao.
Mizara telo lehibe ny fiainan’ny akondro. Antsoin’ny mpamboly eto hoe “renibeny sy zanany ary zafikeliny” ireo fizarana telo ireo. (Jereo ny sary.) Ny “renibeny” no mamokatra amin’ity taona ity, ny “zanany” kosa amin’ny herintaona, ary ny “zafikeliny” indray amin’ny taona manaraka. Maromaro ireo “zafikeliny” mitsiry eo akaikin’ny “reniny.” Hongotana daholo ireny “zanany” ireny rehefa lavalava hatreo amin’ny lohalika, afa-tsy izay anankiray tena hita fa hamokatra.
Maniry avy amin’ilay tahobe any anaty tany ilay voniny volomparasy izay ho lasa voankazo, ary miakatra tsikelikely ao anatin’ilay vatan’akondro. Mipoitra avy eo ampovoan’ny ravin’akondro roa farany ambony iny voniny volomparasy iny amin’ny farany, ary mihantona eny ambony eny. Mihintsana tsikelikely ireo felambony, ary miseho tsara ireo lafitra kely 10 ka hatramin’ny 15 eo amin’ny tahony. Toy ny mifanao ambony sy ambany ireo lafitra eo amin’ny tahon’akondro, araka ny fahitan’ny olona tsy mahay azy! Mety hahatratra 20 na mihoatra ny isan’ny akondro kely eo amin’ny lafitra tsirairay.
Fotoana fiotazana
Afaka telo ka hatramin’ny enim-bolana aorian’ny fotoana hipoiran’ilay voniny volomparasy, vao azo otazana ny akondro. Miovaova arakaraka ny fotoana haniriany ao anatin’ny taona izany. Mbola maitso ny akondro dia efa otazana, fa andrasana fotsiny ho lasa somary boribory aloha ny bikany. Milanja 35 kilao eo ho eo ny akondro iray tangozany, vao azo aondrana. Atsofoka anaty selofanina ny akondro mbola amin’ny tahony, rehefa otazana, mba hiarovana azy tsy ho simba rehefa taterina mankany amin’ny toerana hanaovana azy anaty baoritra. Zarazaraina ireo lafitra rehefa tonga any, ka atao akondro telo ka hatramin’ny enina isaky ny lafitra ihany, ary asiana fanafody iarovana azy amin’ny aretina.
Fanao atỳ Afrika Atsimo ny mampiditra ireo akondro ao anaty baoritra loadoaka efa nohosorana savoka, sy mametraka azy ao amin’ny fanotrehana. Andefasana etona ao amin’ny toerana fanotrehana akondro, ka mihamasaka haingana kokoa izy ireo.a Atao antonona tsara ny mari-panan’ireo baoritra misy akondro mandritra ny iray na roa andro, ary alefa any amin’ny mpividy avy eo.
Sady nipimaso kely i Tony no niteny hoe: “Angamba aloha miangatra aho, fa amiko dia hafa mihitsy ny tsiron’ny akondron’i Levubu. Ny tany atỳ aminay angamba no mahatonga izany. Indrisy anefa fa izahay eto ihany no afaka mihinana azy io, satria lavitra ny tanàna fanondranana entana atỳ aminay.”
Voankazo mahasalama
Misy potasioma be dia be ao amin’ny akondro. Hoy ny lahatsoratra iray momba ny akondro, tao amin’ny gazetiboky Fahasalamana (anglisy): “Hita tamin’ny fanadihadiana maro natao, fa manamafy ny taolana ny potasioma sady miaro amin’ny tosidra ambony sy ny fahatapahana lalan-dra.” Milaza koa ilay gazetiboky fa “ao amin’ny akondro dia misy karazana vitamina B, izay miaro ny zaza tsy ho sembana hatrany am-bohoka. Tena mila an’io ny vehivavy bevohoka na mbola mety hiteraka.” Misy mineraly tena ilaina hafa koa ao amin’ny akondro, anisan’izany ny manezioma izay manampy ny taolana hifoka kalsioma ka ho mafy foana.
Asidra 18 karazana no manome ny proteinina ao amin’ny akondro, anisan’izany ireo asidra tena ilain’ny vatanao. Tsy vitan’ny vatana mihitsy ny mamokatra ny sasany amin’izy ireny, ary ny sasany ahavitany ihany fa tsy ampy. Gliosida ny 22 isan-jaton’ny akondro, ary vetivety dia ahazoana hery io voankazo io, satria mora levonina. Faly erỳ i Marie niteny hoe: “Be dia be ny vitaminina A sy B ary C ao amin’ny akondro. Toa mahavoky koa izy io, satria tsy misy olona te hihinana azy io be dia be indray mandeha.” Maninona àry raha mihinana iray ianao? Tena voankazo mahasalama io, sady matsiro be an!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mamoaka an’io etona io koa ny akondro rehefa avela ho masaka amin’izao fotsiny, ary izany no manafaingana kokoa ny fahamasahany. Mihamasaka koa àry ny akondro maitso, raha ampiarahina amin’ny akondro masaka.
[Kisary/Sary, pejy 16]
(Jereo ny gazety)
Raviny
Voniny/akondro
Vatany
Tany
Tahobe
Fakany
[Sary nahazoan-dalana]
Kisarisary: Nalaina avy amin’ny The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck
[Kisary/Sary, pejy 17]
(Jereo ny gazety)
Renibeny
Zanany
Zafikeliny
[Sary, pejy 17]
Lasa voankazo ilay voniny lehibe volomparasy
[Sary nahazoan-dalana]
Sary: Kazuo Yamasaki
[Sary, pejy 18]
Fotoana fiotazana (ankavia); akondro kely vao maniry (ambony)