FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/11 p. 31
  • Mitera-doza ny Hadisoana Kely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitera-doza ny Hadisoana Kely
  • Mifohaza!—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana no Be dia Be ny Loza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Loza Araka ny Natiora?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ireo Loza Araka ny Natiora — Famantarana ny Fotoana Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Rehefa Mamely ny Loza Araka ny Natiora
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/11 p. 31

Mitera-doza ny Hadisoana Kely

NANAMBOATRA ny simba tamin’ny fantsona mitondra gaza ny mpiasan’ny Piper Alpha, toerana fitrandrahana solika tany amin’ny Ranomasina Avaratra, tamin’ny 6 Jolay 1988. Mbola tsy vitan’izy ireo ilay asa. Nampiasa ilay fantsona avy hatrany anefa ny mpiasa nandimby azy ireo, satria tsy nilazana izy ireo hoe mbola tsy vita izy io. Nirehitra ny afo. Avo be ny toerana nisy ireo mpiasa, teny ambony ranomasina, sady tsy afa-niala izy ireo, ka olona 167 no maty.

Tamin’ny 25 Jolay 2000, 12 taona tatỳ aoriana, dia nandeha mafy teo amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle, any Frantsa, ny fiaramanidina Concorde iray. Nipoaka ny kodiarany iray raha iny izy nandeha mafy iny, satria nisy potika titane (karazana vy mafy) teo amin’ilay lalana. Loaka ny fitoerana solika tao ambany elany noho izany, ary tafiditra tao anatin’ny maotera havia ny solika. Nijanona ilay maotera ary nirehitra, ka nahatratra 60 metatra ny lel’afo. Nidona tamin’ny hotely iray ilay fiaramanidina, roa minitra teo ho eo taorian’izay. Maty ny mpandeha rehetra, sy ireo olona vitsivitsy tetỳ an-tanety.

Nisaintsaina ny loza toy izany i James Chiles, ka nilaza toy izao, tao amin’ilay bokiny momba ny fandrosoan’ny teknolojia: “Mila miaiky isika fa mety hiteraka fahavoazana lehibe dia lehibe ny hadisoana kely, satria tsy voafehintsika indraindray ireo milina mameno ity tontolo vaovao misy antsika ity.” Namakafaka ny bokin’i Chiles ny gazety Siansa (anglisy) ka nilaza hoe: “Nampientam-po ny fandrosoana goavana sy haingana vitan’ny siansa sy ny teknolojia, nandritra ireo zato taona vitsivitsy farany. Izany dia nahatonga antsika hieritreritra fa kely sisa dia ho afaka hamantatra sy hampiasa ny zavatra hita maso araka izay tiantsika isika. Tokony hotadidintsika [anefa] fa manao hadisoana toy ny tamin’ny lasa ihany isika.”

Hoy ny Siansa, mahakasika ireo fitaovana maoderina mampidi-doza kokoa: “Na hadisoana kely aza dia vidina lafo rehefa mety hampidi-doza. Mitaky fahatanterahana avy amin’ireo mampiasa azy, ireny fitaovana maoderina ireny.” Azontsika tratrarina ve anefa izany fahatanterahana izany raha ny zava-bita hatramin’izay no jerena? Tsy izany velively! Azo antoka àry fa hisy foana ny loza maro samihafa vokatry ny hadisoana kely.

Hifarana ihany anefa izany indray andro any. Afaka manantena ireo olona matahotra an’Andriamanitra, fa amin’ny hoavy dia tsy hisy intsony hamoy ny ainy amin’ny fomba mampalahelo, satria fotsiny hoe tsy nahomby ny olombelona, na koa voafetra ny zavatra mety ho vitany. Nahoana? Satria ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no hitondra, ka hofoanany izay rehetra miteraka fahafatesana sy alahelo ary fanaintainana.—Matio 6:9, 10; Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

AP Photo/Toshihiko Sato

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara