“Mba Ampio re Aho e! Ianareo Sisa no Fanantenako”
IZANY NO NAMARANAN’NY DOKOTERA IRAY any amin’ny Oniversiten’i Kaunas Momba ny Fitsaboana, any Litoania, ny taratasy nalefany ho an’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any. Nanazava toy izao izy:
“Nanomboka namaky an’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra aho tany am-piasana. Saika hampiasa fanazavana avy tamin’izy io aho tao amin’ny lahatsoratro. Very anefa ilay boky, angamba nisy naka. Tena nahasosotra ahy izany satria tena very zava-tsarobidy aho. Mba andefaso an’io boky io re aho e!
Tena ilaiko io boky io satria manampy ahy hamaly ny maro amin’ny fanontanian’ny tanora, rehefa mitsidika sekoly sy miaraka amin’izy ireo aho. Raha mahazo aho, dia hotahiriziko ao an-trano ary hotandremako tsara. Mirakitra zava-tsarobidy io boky io, ka izany no nety ho nakan’ny sasany azy. Tena ilaina ny mahazo fampaherezana amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mba ampio re aho e! Ianareo sisa no fanantenako.”
Mamaly an’ireo fanontaniana maro apetraky ny tanora ny boky Manontany ny Tanora, ka anisan’izany ny hoe: “Inona no Azoko Atao mba Hanomezan’ny Ray Aman-dreniko Ahy Fahalalahana Bebe Kokoa?”, “Tokony Hiala ao An-trano ve Aho?”, “Ahoana no Hahazoako Tena Namana?”, “Asa Inona no Tokony Hofidiko Hatao eo Amin’ny Fiainako?”, “Ahoana ny Amin’ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?”, ary ny hoe “Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?” Santionany fotsiny amin’ny lohatenin’ireo toko ao amin’io boky io ireo. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila etsy ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.