FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/11 p. 26-27
  • Ara-drariny ve ny Fampiasan’Andriamanitra ny Heriny?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ara-drariny ve ny Fampiasan’Andriamanitra ny Heriny?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampiasan-kery tsy ara-drariny
  • “Ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa”
  • An’Andriamanitra ny fahefana
  • Didim-pitsaran’Andriamanitra—Porofo ve Ireny fa Ratsy Fanahy Izy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Hery Fotsiny ve Andriamanitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Nahoana Andriamanitra no Nandringana ny Kananita?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Inona moa ny Fanahy Masin’Andriamanitra?
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/11 p. 26-27

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ara-drariny ve ny Fampiasan’Andriamanitra ny Heriny?

NANAMARIKA ny tantaran’olombelona foana ny fampiasan-kery nahafatesana olona. Tombanana ho 170 000 000 ny olona novonoin’ny fitondrana tao amin’ny taniny, nandritra ny taonjato faha-20. Araka ny voalazan’ny Baiboly, rehefa manapaka ny namany ny olona dia mampiditra loza aminy.—Mpitoriteny 8:9.

Mety hanakiana ny fampiasan’Andriamanitra hery mba handringanana ny fahavalony ny sasany rehefa mahita ny herisetran’ny olombelona. Tsy Andriamanitra tokoa ve no nibaiko ny Jiosy hanafika sy hamono ny Kananita, mponina tao amin’ny Tany Nampanantenaina? (Deoteronomia 20:16, 17) Tsy Andriamanitra ihany ve no nilaza fa hotorotoroiny sy holevoniny ny fanjakana rehetra manohitra azy? (Daniela 2:44) Manontany tena ny olona tso-po sasany raha ara-drariny foana ny fampiasan’Andriamanitra ny heriny.

Fampiasan-kery tsy ara-drariny

Tena ilaina ny mahatakatra fa tsy maintsy manana fahafahana hampiasa hery ny fitondram-panjakana iray. Raha ny tena marina dia tsy manan-kery ny fitondrana iray izay tsy afaka mampihatra ny lalàna avoakany. Olona firy, ohatra, no handa ny fiarovana avy amin’ny polisy, na dia efa nisy aza polisy sasany nanampatra ny fahefany? Ary iza moa no tsy manaiky fa tena ilaina ny fahefam-pitsarana afaka mampihatra sy miantoka ny rariny?

Nalaza noho ny fankahalany herisetra i Mohandas Gandhi, nefa hoy izy: “Misy olona romotra iray, ohatra, mihazakazaka mitondra sabatra, ary mamono izay rehetra mifanena aminy, nefa tsy misy sahy misambotra azy. Izay mamono izany olona adala izany dia hahazo ny fankasitrahan’ny olona, ary hoheverina ho toy ny mpanao asa soa.” Na dia i Gandhi aza dia nahita fa ilaina ny mampiasa hery amin’ny tarehin-javatra sasany.

Miharihary fa tena zava-dehibe ao amin’ny fitambaran’olona milamina iray ny fahafahana mampiasa hery. Amin’ny ankapobeny, rehefa mitaraina noho ny fampiasan-kery ny olona, dia ny

fampiasan-kery tsy ara-drariny no tena tsy tian’izy ireo.—Mpitoriteny 4:1-3.

“Ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa”

Mbola tsy nisy porofo mihitsy hoe nampiasa tsy ara-drariny ny heriny Andriamanitra tamin’ny lasa. Tsy manao fitondrana jadona izy, ary iriny isika hanompo azy noho ny fitiavana. (1 Jaona 4:18, 19) Tena tsy mampiasa ny heriny mihitsy aza Andriamanitra raha azony ialana sy tsy tena ilaina izany. (Jeremia 18:7, 8; 26:3, 13; Ezekiela 18:32; 33:11) Rehefa mifidy ny hanao izany anefa izy, dia mandefa fampitandremana maro be aloha, ka afaka manitsy ny lalany izay rehetra te hiova. (Amosa 3:7; Matio 24:14) Andriamanitra mpanao jadona sy masiaka ve dia hanao toy izany?

Tsy mitovy amin’ny herisetra tsy ara-drariny ataon’ny olombelona akory ny fampiasan’Andriamanitra hery. Hoy i Mosesy momba an’i Jehovah: “Ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy.” (Deoteronomia 32:4) Tsy didin’ny be sandry toy ny fanapahan’olombelona tsy refesi-mandidy ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Mifandanja amin’ny fitiavany sy ny fahendreny ary ny rariny tonga lafatra foana ny heriny.—Salamo 111:2, 3, 7; Matio 23:37.

Rehefa nandringana ny ratsy fanahy tamin’ny Safodrano, ohatra, Andriamanitra, dia efa nandefa fampitandremana taona maro mialoha. Afaka ny ho voaro tao amin’ny sambo fiara avokoa ny olona tsirairay, ka ho voavonjy. Valo monja anefa no nanao izany. (1 Petera 3:19, 20; 2 Petera 2:5) Tamin’ny andron’i Josoa koa, ny Isiraely dia nanatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra momba ireo Kananita ratsy fitondran-tena, ary efa nambara 400 taona mialoha izany! (Genesisy 15:13-21) Nandritra izany fotoana ela be izany, ireo Kananita dia tsy maintsy nahita porofo nazava fa vahoaka voafidin’Andriamanitra ny Isiraelita. (Josoa 2:9-21; 9:24-27) Na izany aza anefa, dia tsy nangataka famindram-po na niezaka hitady fihavanana tamin’ny Isiraelita ireo firenena kananita, ankoatra ny Gibeonita. Naleon’izy ireo kosa nanamafy ny fony hanohitra an’Andriamanitra.—Josoa 11:19, 20.

An’Andriamanitra ny fahefana

Tsy maintsy mahafantatra ny toerana tanantsika eo anatrehan’Andriamanitra isika, mba hahatakarantsika tsara ny fampiharany ny heriny. “Izahay dia tanimanga, ary Hianao no mpanefy anay”, hoy ny mpaminany Isaia tamim-panetren-tena. (Isaia 64:7) Mazava ho azy fa afaka mampiasa ny heriny araka izay tiany Andriamanitra, satria izy no Mpamorona izao rehetra izao. Amin’ny fanekena ny fahefan’Andriamanitra àry, isika dia afaka milaza toa an’i Solomona hoe: “Ny tenin’ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?”—Mpitoriteny 8:4; Romana 9:20, 21.

Koa satria Mpamorona manana ny hery rehetra Andriamanitra, dia manana zo izy hanome na hanaisotra ny ain’olombelona. Tsy ampy fahaizana sady tsy manan-jo hanakiana ny fomba ampiasan’Andriamanitra ny heriny àry ny olombelona. Tsy maintsy mianatra ny hifanaraka amin’ny fomba fisainan’Andriamanitra izy. Nanontany toy izao i Jehovah: “Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?”—Ezekiela 18:29; Isaia 45:9.

Ny fitiavan’i Jehovah ny olombelona sy ny rariny no hanosika azy hanaisotra izay mampiasa hery tsy ara-drariny sy manitsakitsaka ny zon’ny hafa. Izany fampiasan-kery izany dia hanorina, fiainana faran’izay tsara eto an-tany ho an’ny olombelona tia fihavanana rehetra maniry izany. (Salamo 37:10, 11; Nahoma 1:9) Ho voaporofo amin’izay, fa ara-drariny ny fanjakan’Andriamanitra ary ho voamarina mandrakizay.—Apokalypsy 22:12-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara