FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/9 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—2002
Mifohaza!—2002
g02 8/9 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fankaherezana An’ireo Marary Misaotra noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Fankaherezana An’ireo Marary.” (8 Febroary 2001) Niharan-doza tampoka aho, efa-taona lasa izay. Imbetsaka aho no nieritreritra hoe naleoko maty. Sorena aho matetika satria be dia be ny zavatra tsy tadidiko intsony. Tena nankahery ahy ny famakiana iny fitohitohizan-dahatsoratra iny.

T. M., Japon

Vao 15 taona aho dia efa voan’ny aretina mampanaintaina ny vanin-taolana. Takatro avy amin’ilay fanazavana fa mila mianatra mitoky bebe kokoa amin’i Jehovah aho, satria izy no “fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana.”—Nahoma 1:7.

Y.F.R., Kolombia

Mpitory ny filazantsara manontolo andro aho. Taoriana kelin’ny nandehanako nanompo tany amin’ny toerana vaovao iray, dia fantatro fa voan’ny diabeta aho. Mahavariana erỳ ny fomba ilazanareo ny fihetseham-po isan-karazany tsapan’ny olona manana aretina mitaiza! Nanampy ahy hihevitra ny toe-javatra misy ahy amin’ny fomba voalanjalanja kokoa ireo lahatsoratra, ka nahafahako nanamboatra ny fiainako.

L. A., Italia

Tsy marary izahay, nefa nanampy be anay hiatrika olana iray ny toro lalana tao amin’ilay lahatsoratra. Toy ny mitranga matetika, dia valin’ny vavaka nataonay mihitsy ilay gazety.

R. P. sy L. P., Sri Lanka

Vao herinandro vitsivitsy lasa izay no nilazana tamiko fa voan’ny kansera ny atiko. Salama tsara aho hatramin’izay, ka azonareo an-tsaina angamba ny nanjo ahy rehefa nandre izany. Nalaiko ilay gazety 8 Febroary androany, ary tena nankafiziko ireo lahatsoratra. Asehony ao daholo ny fanahiako, ny eritreritro, sy ny fihetseham-poko. Atorony miaraka amin’izay koa anefa ny fijerena lafy tsaran-javatra.

J. E., Espaina

Tantara Tena Nisy Momba ilay tantara mampihetsi-po niainan’i Bill sy Rose Meiners no anoratako, dia ilay hoe “Mamera Tanjona eo Am-piatrehana ny Fiharatsian’ny Fahasalamana.” (8 Febroary 2001) Mampahery ny mahafantatra fa manam-paharetana izy ireo, efa 50 taona mahery izao. Manohina lalina ny foko ireny tantaram-piainana ireny. Tiako ho fantatr’i Bill sy Rose fa mivavaka manokana ho azy ireo aho.

V. G., Italia

Mampientam-po erỳ ho antsika izay salama tsara ny tantaran’io lehilahy io, izay miady amin’ny aretiny, efa 50 taona mahery izao. Nanampy ahy hahatakatra izy io fa tokony hoheveriko ho sarobidy ny fahasalamana tsara ananako, ary tokony hampiasaiko amin’ny fomba feno ny fiainako.

P. V., Repoblika Tseky

Efa ho 20 taona izao no nahararian’ny reniko. Mamoy fo izy ankehitriny, ka manontany tena hoe nahoana izy no tsy mba mahazo na dia fanamaivanana kely fotsiny aza. Novakiko taminy io lahatsoratra io, nefa nandray soa tamin’izany koa aho. Takatro izao hoe nahoana izy no kivy amin’ny ankamaroan’ny fotoana.

G.O.A., Nizeria

Be herim-po i Bill sy Rose, ary ireo maro hafa koa izay tsy maintsy miatrika aretim-be! Mino aho fa afaka mandray lesona avy amin’ny ohatr’izy ireo isika, izay manana aretina madinidinika. Hazòny hatrany ny tanjakareo ry Bill sy Rose! Ohatra ho anay ianareo!

I. S., Alemaina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara