Ny Fiheveran’ny Baiboly
Hafatra avy Amin’Andriamanitra ve ny Nofy?
NANONOFY, hono, i Elias Howe, mpamoron-javatra, ka nahita hevitra hanamboarana ny milina fanjairana. Nilaza i Mozart, mpamorona mozika, fa tao anatin’ny nofiny, hono, no nahitany ny ankamaroan’ny loha hevitra ho an’ny mozikany. Nilaza koa i Friedrich August Kekule von Stradonitz, mpahay simia, fa hitany tao anatin’ny nofy, hono, ny toetoetry ny môlekiolana benzenina. Mateti-piseho ny zavatra toy ireny. Nandritra ny tantara manontolo, dia nino ny kolontsaina maro fa avy amin’ny hery ivelan’ny tontolon’ny olombelona ny nofy. Ny sasany mino fa samy marina sy tena misy na ireo zavatra nofisina, na ireo zavatra iainana.
Ny Baiboly dia mirakitra fitantarana maromaro, milazalaza ny nofy ho loharanom-panazavana iray lehibe — fomba iray nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona. (Mpitsara 7:13, 14; 1 Mpanjaka 3:5). Ohatra, nifandray tamin-dry Abrahama, Jakoba ary Josefa, tao anatin’ny nofy, Andriamanitra. (Genesisy 28:10-19; 31:10-13; 37:5-11). Nahazo nofy ara-paminaniana avy tamin’Andriamanitra koa i Nebokadnezara, mpanjaka babylonianina. (Daniela 2:1, 28-45). Koa mety ho hafatra avy amin’Andriamanitra ve ny nofy sasany, na dia ankehitriny aza? Misy antony marim-pototra inoana izany ve?
Nofy avy tamin’Andriamanitra
Ao amin’ny Baiboly, dia nisy antony manokana foana nahatonga ireo nofy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Marina fa tsy nazava avy hatrany tamin’ilay olona nahazo nofy ny hevitr’ilay nofy, indraindray. Imbetsaka anefa, dia ilay ‘Mpanambara zava-miafina’ mihitsy no nanazava ilay nofy, mba tsy hisian’ny fisalasalana mihitsy ny amin’ny hevitr’izy io. (Daniela 2:28, 29; Amosa 3:7). Tsy tahaka ny nofy rehetra, izay matetika no tsy misy heviny mazava sady tsy hay hazavaina, ny nofy avy tamin’Andriamanitra.
Nampiasain’Andriamanitra ny nofy indraindray, mba hiarovana ireo olona nandray anjara lehibe teo amin’ny fanatontosana ny fikasany. Tsy voatery ho mpanompon’Andriamanitra daholo akory ny olona nahazo nofy toy ireny. Ohatra, tsy niverina tany amin’i Heroda mpamono olona, araka ny nangatahiny, ireo mpanandro nitsidika an’i Jesosy zaza. Nahoana? Nahazo fampitandremana tao anatin’ny nofy izy ireo. (Matio 2:7-12). Noho izany, dia nanam-potoana i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, nandosirana tany Ejipta, niaraka tamin’ny fianakaviany. Izany rahateo no tari-dalana noraisiny koa tao anatin’ny nofy iray. Voavonjy ny ain’i Jesosy zaza tamin’izay. — Matio 2:13-15.
Taonjato maro talohan’izay, dia nanonofy ny farao ejipsianina iray, ka nahita salohim-bary fito feno voa tsara sy omby vavy fito natavy tsara, nifanohitra tamin’ny salohim-bary fito malazo sy ny omby vavy fito mahia kely. Nampian’Andriamanitra i Josefa, ka nilaza ny tena hevitr’ilay nofy: Hisy fito taona hahatondraka ny vokatra ao Ejipta, harahin’ny fito taona hisian’ny mosary. Nahafantatra izany mialoha ireo Ejipsianina, ka afaka niomana sy nitahiry sakafo. Izany indrindra no nahafahana nitsimbina sy nitondra ireo taranak’i Abrahama tany Ejipta. — Genesisy, toko 41; 45:5-8.
Nahazo nofy koa i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona. Nambaran’io nofy io mialoha ny hisandratan’ireo fanjakana matanjaka ho avy sy ny hianjerany, fisehoan-javatra izay hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra. (Daniela 2:31-43). Tatỳ aoriana, dia nahazo nofy hafa iray izy, ary voalaza mialoha tao ny hahalasa adala azy sy ny hampody indray ny sainy. Nanana fahatanterahana lehibe kokoa io nofy ara-paminaniana io, ka nampisongadina ny fiorenan’ny Fanjakana mesianika, izay hoentin’Andriamanitra hanatanteraka ny sitrapony. — Daniela 4:10-37.
Ahoana ny amin’ny ankehitriny?
Eny, tamin’ny lasa, dia nifandray tamin’ny olona sasany tamin’ny alalan’ny nofy tokoa Andriamanitra. Asehon’ny Baiboly anefa fa tena nahalana izany. Tsy ny nofy na oviana na oviana no fomba lehibe indrindra nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona. Maro ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky izay tsy nandray hafatra avy taminy tao anatin’ny nofy mihitsy. Azo oharina amin’ny nampisarahan’Andriamanitra ny Ranomasina Mena ny fampiasany ny nofy mba hifandraisana amin’ny olombelona. Fantatsika fa nanao izany indray mandeha izy. Azo antoka anefa fa tsy izany no fomba nahazatra azy, rehefa nifampiraharaha tamin’ny vahoakany izy. — Eksodosy 14:21.
Neken’ny apostoly Paoly fa, tamin’ny androny, dia nisy vokany maro nahagaga ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ireo mpanompony. Nilaza i Paoly hoe: “Fa ny anankiray nomen’ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin’izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’izany Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.” (1 Korintiana 12:8-10). Tsy voatonona mazava ao ny nofy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, nefa miharihary fa nisy Kristianina maromaro nahazo nofy avy tamin’Andriamanitra ho anisan’ny fanomezan’ny fanahy, ho fahatanterahan’ny Joela 3:1. — Asan’ny Apostoly 16:9, 10.
Izao anefa no nolazain’ilay apostoly mahakasika an’ireny fanomezana manokana ireny: “Fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.” (1 Korintiana 13:8). Koa anisan’ireo fanomezana “ho foana” àry ireo fomba isan-karazany nifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olona. Nony maty ireo apostoly, dia tsy nanao an’ireny fanomezana ireny intsony ho an’ny mpanompony Andriamanitra.
Amin’izao andro izao, dia mbola miezaka hahatakatra ny momba ny nofy ihany ny manam-pahaizana, ary koa hamantatra raha misy heviny manokana izy ireny na tsia. Tsy ambaran’ny Baiboly raha misy heviny manokana ny nofy na tsia, nefa tena mampitandrina an’ireo izay mikiry hitady hifandray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny nofy izy io. Hoy izy io ao amin’ny Zakaria 10:2: “Ny mpanao fankatovana (...) nilaza nofy lainga”. Mampitandrina ny amin’ny fitadiavana hahafantatra ny hoavy amin’ny alalan’ny fambara koa Andriamanitra. (Deoteronomia 18:10-12). Noho ireo fampitandremana ireo, dia tsy manantena ny hanomezan’Andriamanitra azy tari-dalana amin’ny alalan’ny nofy ny Kristianina amin’izao andro izao. Mihevitra kosa izy ireo fa zava-mitranga mandritra ny torimaso fotsiny ny nofy.