FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/3 p. 20-24
  • Tsy Nampitsahatra ny Fitorianay ny Ady

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Nampitsahatra ny Fitorianay ny Ady
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Faniriana hanompo an’Andriamanitra
  • Nanomboka nitory aho
  • Valisoa noho ny fitokisana amin’Andriamanitra
  • Fitoriana nandritra ny Ady
  • Afaka nitory indray
  • Voampanga ho mpitsikilo
  • Fitoriana mandritra ny androm-piainana
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Nandao ny Zava-drehetra Aho mba Hanarahana ny Tompo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Fizarana 3: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Nanome An’i Jehovah Izay Mendrika Azy aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/3 p. 20-24

Tsy Nampitsahatra ny Fitorianay ny Ady

NOTANTARAIN’I LEODEGARIO BARLAAN

Tamin’ny 1942, nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia rafitra ady i Japon sy i Etazonia mba hahazoana an’i Philippines, taniko. Tao Tabonan, vohitra iray an-tendrombohitra, aho rehefa nisambotra sy nihazona ahy ireo mpiady anaty akata nanohitra ny Japoney. Nodarohana aho, nampangaina ho mpitsikilo, ary norahonana hovonoina ho faty. Mamelà ahy hanazava aminareo ny nahatonga ahy ho tao anatin’izany toe-javatra izany sy ny nahatafavoaka ahy tamin’izany.

TERAKA tamin’ny 24 Janoary 1914 tao amin’ny tanànan’i San Carlos, any Pangasinan, aho. Nandefa ahy hianatra momba ny fambolena sy fiompiana i Dada, tamin’ireo taona 1930. Namonjy Lamesa isan’alahady aho, ary ilay pretra dia niresaka foana momba ny Evanjely — Matio, Marka, Lioka ary Joany. Vokatr’izany, dia naniry hamaky azy ireo aho.

Nankany amin’ny tranon’ireo relijiozy aho, indray andro, mba hividy Evanjely tamin’ny vola azoko tamin’ny vidina legioma. Tsy nahazo Evanjely aho, fa bokikely indray no nomena ahy. Mitondra ny lohateny hoe Ny Lalana Mankany An-danitra (anglisy) ilay izy, ary tsy nisy ny Evanjely akory tao anatiny. Nandiso fanantenana ahy izany. Nankany Manille aho, tatỳ aoriana, mbola noho ny faniriako hahazo Evanjely ihany. Nisy dadatoako Vavolombelon’i Jehovah tany. Nomeny Baiboly iray manontolo aho.

Nahita Vavolombelona maromaro aho tany Manille, ary nampiaiky volana ahy ny fahaizany nanonona andinin-teny. Nahazo valim-panontaniana nahafa-po maro avy tamin’izy ireo aho. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nentin’i Ricardo Uson, dadatoako, tany amin’ny fivoriana iray tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, aho. Nandrehitra sigara aho rehefa tonga teny akaikin’ilay toerana. “Ario any iny”, hoy ny dadatoako. “Tsy mifoka sigara ny Vavolombelon’i Jehovah.” Koa nariako ilay sigara ary tsy nifoka intsony aho hatramin’izay. Nihaona tamin’i Joseph Dos Santos, mpiandraikitra ny sampana, mbamin’ny Vavolombelona maromaro hafa aho. Ankehitriny, am-polony taona maro atỳ aoriana, dia mbola tadidiko ihany ireny rahalahy kristianina nahafinaritra ireny.

Faniriana hanompo an’Andriamanitra

Mbola mpianatra tany amin’ny Fianarana Ambony Momba ny Fambolena sy Fiompiana tany Los Baños aho, tamin’ny Oktobra 1937. Tsy namonjy Lamesa intsony aho tamin’izay, fa namaky kosa ny Baiboly niaraka tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra izay nomen’ny dadatoako. Nisy antokona Vavolombelon’i Jehovah nitsidika ny fonenan’ny mpianatra, ka nihamafy ny faniriako hanompo an’i Jehovah Andriamanitra, noho ireo adihevitra nifanaovako tamin’i Elvira Alinsod, iray tamin’izy ireo.

Rehefa nilazako ireo mpampianatra ahy fa nikasa hiala tamin’ny fianarana aho, dia nanontany toy izao izy ireo: “Dia iza no hamelona anao?” Nohazavaiko hoe natoky aho fa hamelona ahy Andriamanitra raha manompo azy aho. Rehefa avy niala tamin’ny fianarana aho, dia nankany amin’ny biraon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana ary nilaza fa mpiasa an-tsitrapo ny tenako ka nanazava hoe: “Efa voavakiko ny boky Tsy Fivadihana [anglisy], sy Harena [anglisy] ary Aiza moa Ireo Maty? [anglisy]. Maniry hanompo an’i Jehovah manontolo andro aho izao.” Nasaina nankany amin’ny Provansin’i Cebu aho mba hiaraka tamin’ny mpisava lalana telo. Izany no iantsoana ny mpitory manontolo andro ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanomboka nitory aho

Tamin’ny 15 Jolay 1938, dia nitsena ahy teo an-tseranan-tsambo i Salvador Liwag, rehefa tonga tany amin’ny nosy Cebu aho. Nanomboka nitory isan-trano aho ny ampitson’iny. Tsy nisy nampiofana ahy. Nasehoko tamin’ny tompon-trano fotsiny ilay karatra fitoriana izay nanazava ny asanay. Raha ny marina, dia teny roa monja no mba haiko tamin’ny fiteny cebuano, ilay fiteny teo an-toerana. Toy izany no niandohan’ny andro voalohany nanaovako fanompoana.

Rehefa nanomboka nitory tao amin’ny tanàna vaovao iray izahay, dia fahazaranay ny nandeha tany amin’ny biraom-panjakana aloha. Ny Rahalahy Liwag no nitory tamin’ny ben’ny tanàna; i Pablo Bautista nitory tamin’ny sefon’ny polisy; ary i Conrado Daclan nitory tamin’ny mpitsara. Ny tenako no niresaka tamin’ny reseveran’ny paositra. Notsidihinay avy eo ny toerana farany ijanonan’ny aotobisy, ny trano fitobian’ny polisy, ny mangazay sy ny sekoly. Fanampin’izany, dia notsidihinay tany an-tranony ny olona. Nanolotra ilay boky fianarana Baiboly hoe Fahavalo (anglisy) izahay. Koa satria naka tahaka ny fomba fanaovan’ireo namako fanambarana aho, dia nianatra tsikelikely niteny cebuano, ary nanomboka nametraka boky. Tao anatin’ny telo volana, dia vitanay ny provansy manontolon’i Cebu, izany hoe tanàna 54. Nanontany an-dRahalahy Liwag aho tamin’izay hoe: “Azo atao batisa amin’izay ve aho izao?”

“Mbola tsy izao aloha, rahalahy”, hoy ny navaliny. Koa nifindra tany Bohol, nosy hafa iray izahay, ary nitory tany nandritra ny iray volana sy tapany, ka namita tanàna 36 fanampiny. Nangataka ny hatao batisa indray aho. Nilazana aho hoe: “Mbola tsy izao aloha, Rahalahy Barlaan.” Koa rehefa avy nahavita an’i Bohol izahay, ary avy eo ny Nosy Camiguin, dia nankany Mindanao, ilay nosy lehibe, ary nitory tany amin’ny tanànan’i Cagayan de Oro.

Efa niaraka taminay i Virginio Cruz tamin’izay fotoana izay. Mpampianatra tany amin’ny sekolim-panjakana izy taloha, ary niala tamin’izany mba ho tonga mpisava lalana. Nanohy nifindra tany amin’ny tanàna hafa izahay, ary farany dia tonga tany amin’ny Farihy Lanao. Raha mbola tany izahay dia nanontany indray aho raha azo atao batisa. Farany, tamin’ny 28 Desambra 1938, rehefa avy nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny enim-bolana teo ho eo aho, dia nataon’ny Rahalahy Cruz batisa tao amin’ny ranon’ny Farihy Lanao, tao amin’ny tanànan’i Lumbatan.

Valisoa noho ny fitokisana amin’Andriamanitra

Niaraka tamin’ny mpisava lalana telo tany Negros Occidental aho tatỳ aoriana. Tsy iza izany fa i Fulgencio de Jesus sy i Esperanza de Jesus ary i Natividad Santos, izay nantsoinay hoe Naty. Niara-nitory tany amin’ny tanàna maro tao amin’io provansy io izahay. Tena tsy maintsy nametraka ny fitokisanay tanteraka tamin’i Jehovah izahay, satria indraindray dia kely dia kely ny volanay. Ta hanao laoka trondro izahay, indray mandeha. Nahita lehilahy iray teo amoron-dranomasina aho ka nanontany trondro hovidina taminy, kanefa efa lasa tany an-tsena avokoa ny trondrony rehetra. Na izany aza, dia natolony ahy ny trondro iray izay natokany ho an’ny tenany. Nanontaniako izy hoe ohatrinona ilay izy. “Tsy maninona fa ento ho anao iny”, hoy izy.

Nisaotra azy aho. Teo am-piaingana anefa, dia azoko an-tsaina fa tsy ho ampy ho an’olona efatra ny trondro iray. Raha nandalo teo akaikin’ny renirano kely izay aho, dia gaga nahita trondro iray teo ambonin’ny vato, mbola lena avy tao anaty rano. Nieritreritra aho hoe: ‘Efa maty angamba izy io.’ Nandeha haka azy aho ka taitra nahita fa hay velona ilay izy. Nosamboriko ilay izy ary nohazoniko mafy sady tadidiko avy hatrany ilay fampanantenan’i Jesosy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:33.

Fitoriana nandritra ny Ady

Rehefa nitombo ka nahatratra sivy ny isan’ny mpisava lalana niaraka taminay, dia nizara ho antokony roa izahay. Ilay nisy anay dia voatendry hankany Cebu. Desambra 1941 tamin’izay, ary efa tonga teto Philippines ny Ady Lehibe Faharoa. Fony izahay tao amin’ny tanànan’i Tuburan, dia tonga tao amin’ny efitranonay tamin’ny misasak’alina ny lietnà iray teratany teto Philippines. “Mifohaza ry zalahy a!”, hoy izy. “Mitady anareo ny miaramila.” Nahiahina ho mpitsikilo japoney izahay ka nalaina am-bavany mandra-maraina.

Natao tao amin’ny fonjam-panjakana izahay, taorian’izay. Ny Tafika Amerikanina tao amin’ny tanànan’i Cebu dia nitaky ny hanomezanay azy boky iray avy tamin’ireo bokinay mba hahafahan’izy ireo hamantatra raha mpitsikilo japoney izahay. Maro ny olona teo an-toerana namangy anay tany am-ponja, noho izy ireo ta hahita fotsiny hoe toy inona izany olona voampanga ho mpitsikilo japoney izany. Nisy nametra-panontaniana, ary dia nitory tamin’izy ireo momba ny Fanjakan’Andriamanitra izahay.

Rehefa avy nandany dimy andro tany am-ponja izahay, dia naharay telegrama ny sefon’ny polisy, avy tany amin’ny foiben’ny Tafika Amerikanina, dia telegrama izay nanome toromarika azy mba handefa ireo Vavolombelon’i Jehovah. Nandidy anay tsy hitory intsony anefa izy, satria efa fotoanan’ny ady tamin’izay. Nohazavainay fa tsy afaka nampitsahatra ny fitoriana izahay satria nirahin’Andriamanitra hanao io asa io. (Asan’ny Apostoly 5:28, 29). Nanjary tezitra ilay sefo ka nilaza hoe: “Raha manohy mitory ianareo, dia avelako hovonoin’ny olona.”

Nandritra ireo andro nanaraka izany, dia nanao izay hahavoasambotra anay indray ilay sefon’ny polisy. Tamin’ny farany, dia nisy andiana miaramilan’ny Tafika Amerikanina nisakana anay, ary nanontany ny Anabavy Santos toy izao ny lietnà iray nantsoina hoe Soriano: “Hitsahatra tsy hitory intsony ve ianareo?”

“Tsia”, hoy izy.

“Ary raha asainay mijoro hotifirina ianareo, dia ahoana?”, hoy izy nanontany.

“Tsy hampiova ny fanapahan-kevitray izany”, hoy ny fanazavan’ilay anabavy.

Tamin’izay dia natao tao anaty kamiao mpitondra entana izahay rehetra ary nentina tany amin’ny tanànan’i Cebu, ka niseho teo anatrehan’ny Kolonely Edmund. Hoy ny lietnà Soriano rehefa nampifankahalala anay taminy: “Vavolombelon’i Jehovah ireto. Mpitsikilo japoney izy ireo!”

“Vavolombelon’i Jehovah hoe?”, hoy ny fanontanian’ilay kolonely. “Fantatro tsara ny Vavolombelon’i Jehovah tany Amerika. Tsy mpitsikilo izy ireo! Tsy momba ny atsy na ny aroa izy ireo.” Nitodika tany aminay izy avy eo nanao hoe: “Noho ianareo tsy momba ny atsy na ny aroa, dia tsy halefanay ianareo.” Tatỳ aoriana, rehefa avy notanana tao anaty efitrano fitoeran’entana nandritra ny fotoana kelikely izahay, dia niteny taminay indray ny Kolonely Edmund, nanontany hoe: “Mbola tsy momba ny atsy na ny aroa ihany ve ianareo?”

“Eny, Tompoko, mbola tsy momba ny atsy na ny aroa izahay”, hoy ny navalinay.

“Tsy halefanay ianareo raha izany”, hoy izy, “satria raha alefanay ianareo, dia mbola hanohy hitory ihany ka izay ho voataonanareo dia hanjary tsy homba ny atsy na ny aroa koa. Ary raha manao izany avokoa ny olon-drehetra, dia tsy hisy olona handeha hiady.”

Afaka nitory indray

Nafindra tany amin’ny fonjan’ny tanànan’i Cebu izahay tatỳ aoriana. Nanafika ilay tanàna ny Japoney tamin’ny 10 Aprily 1942. Nisy zera baomba hatraiza hatraiza, ary nanomboka ny hain-trano be! Nahita ny Anabavy Santos ny mpiambina satria teo akaikin’ny fidirana tao amin’ny fonja ny efitra nigadrany. “Oadray! Hay mbola ao anaty trano ao ny Vavolombelon’i Jehovah!”, hoy ny antsoantsony. “Sokafy ny varavarana, dia avelao izy hivoaka!” Nisaotra an’i Jehovah izahay noho ny fiarovany.

Avy hatrany izahay dia nankany an-tendrombohitra mba hitady Vavolombelona namanay. Nahita iray izahay tao amin’ny tanànan’i Compostela. Loha laharana teo amin’ny asa fitoriana izy io taloha, saingy izao izy dia nanapa-kevitra ny tsy hitory intsony ka nifindra tany amin’ny tanànan’i Cebu ary nanokatra varotra entana samihafa. Ny fanapahan-kevitray anefa dia ny hanohy hitory ny Fanjakan’Andriamanitra, na inon-kidona na inon-kihatra.

Nanana maro tamin’ny bokikely Ampionòny Izay Rehetra Malahelo (anglisy) izahay ka niasa mafy mba hametrahana azy ireo teny an-tanan’ny olona. Maro anefa no nanandrana nampitahotra anay tamin’ny filazana fa raha mahita anay ny Japoney, dia hanapaka ny lohanay. Tsy ela taorian’izay dia nitsangana ny fihetsiketsehan’ny mpiady anaty akata nanohitra ny Japoney, ary voasambotra ilay tsy nitory intsony fa nifindra nivarotra tany amin’ny tanànan’i Cebu. Nalahelo izahay nandre fa voampanga ho mpitsikilo japoney izy ka novonoina ho faty.

Voampanga ho mpitsikilo

Nandritra izany fotoana izany dia nanohy ny fitorianay tany an-tendrombohitra izahay. Indray andro dia renay fa nisy vehivavy liana iray, saingy tsy maintsy nandalo tobin’ny mpiady anaty akata maromaro izahay mba hahatongavana tany aminy. Tonga tao Mangabon, vohitra nisy an’ilay ramatoa izahay, kanefa nahita anay ny andiana miaramila tany ka niantsoantso hoe: “Fa haninona atỳ ianareo?”

“Vavolombelon’i Jehovah izahay”, hoy ny navaliko. “Tianareo ve ny handre ny hafatra entinay amin’ny alalan’ny grafofaonina?” Rehefa nanaiky izy ireo, dia nalefako ilay kapila nanao hoe Ny Hasarobidin’ny Fahalalana (anglisy). Nosavaina sy nanontaniana izahay taorian’izay, ary nentina tany amin’ny foiben’ireo mpiady anaty akata, tany amin’ny vohitr’i Tabonan. Nangataka ny fiarovan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka izahay, satria voalazan’ny olona fa saika maty novonoina avokoa izay rehetra nentina tany.

Nambenana izahay ary natao ratsy fitondra. Izany no nahatonga ilay toe-javatra voalazako teny am-piandohana, fony aho voadaroka ka notondroin’ilay lietnà niteny hoe: “Mpitsikilo ialahy!” Nitohy nandritra ny fotoana kelikely ny fitondrana ratsy natao taminay, kanefa tsy novonoina ho faty izahay fa voasazy hanao asa an-terivozona.

Anisan’ireo mpisava lalana nigadra tao Tabonan i Bernabe, zandriko lahy. Isa-maraina izahay mpigadra dia nasaina nanao ilay hira hoe “Andriamanitra ô, Tahio i Amerika” sy ilay hoe “Andriamanitra ô, Tahio i Philippines”. Ny Vavolombelona kosa nanao ilay hira hoe “Iza no Miandany Amin’ny Tompo?” Niantsoantso toy izao indray mandeha, ilay komandy nifehy anay: “Izay tsy mihira hoe ‘Andriamanitra ô, Tahio i Amerika’, dia hahantona eto amin’ity hazo akasia ity!” Tsy nisy taminay novonoina, na dia teo aza izany fandrahonana izany. Nafindra tany amin’ny toby hafa izahay rehefa nandeha ny fotoana. Farany, dia tonga ny taratasy fanafahana ahy, nitondra ny datin’ny Jolay 1943. Efa nigadra nandritra ny valo volana sy folo andro aho tamin’izay.

Fitoriana mandritra ny androm-piainana

Nanosika anay handeha an-tongotra 60 kilaometatra tany amin’ny tanànan’i Toledo, ny fanirianay hahita ireo olona liana izay efa nitorianay taloha. Nasiana fivoriana tsy tapaka tany, ary olona maro no natao batisa, rehefa nandeha ny fotoana. Nifarana ihany ny ady tamin’ny 1945. Roa taona taorian’izay, izany hoe, efa ho sivy taona taorian’ny batisako, vao mba afaka nanatrika fivoriambe voalohany aho. Tao amin’ny Kianja Santa Ana, tao Manille no nanaovana azy io. Olona tokony ho 4 200 no niara-nivory mba handre ny lahateny ampahibemaso hoe “Ny Fifalian’ny Olon-drehetra”.

Talohan’ny nanombohan’ny ady, dia Vavolombelona 380 teo ho eo izahay teto Philippines, fa 2 700 teo ho eo kosa izahay tamin’ny 1947! Nahazo tombontsoa maro hatrany aho teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, nanomboka tamin’izay. Nanompo tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritany tany amin’ny faritr’i Surigao aho, nanomboka tamin’ny 1948 ka hatramin’ny 1950. Tamin’ny 1951, dia nampakariko ho vady i Natividad Santos, izay nitory tamin-kerim-po niaraka taminay nandritra ny ady. Taorian’ny mariazinay, dia nanao ny asa fitetezam-paritany nanerana an’i Mindanao izahay, nanomboka tamin’ny 1954 ka hatramin’ny 1972.

Lasa mpisava lalana manokana izahay tamin’ny 1972, mba hahafahanay hanakaiky ny ray aman-dreninay efa be taona ka hahafahanay hanampy azy ireo. Na dia samy efa 80 taona mahery avy aza izahay roa, dia mbola manohy ny asan’ny mpisava lalana ihany, ary nandany 120 taona mahery tao amin’ny fanompoana manontolo andro izahay roa, raha atambatra. Toy inona moa ny fifalianay nahita ny isan’ireo mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra teto Philippines nitombo ho 130 000 mahery! Fanirianay ny hanampy olona maro kokoa hahatakatra fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana hahitana tena fiadanana sy fahasambarana eto an-tany.

[Teny notsongaina, pejy 22]

Nahiahina ho mpitsikilo japoney izahay ka nalaina am-bavany mandra-maraina

[Sary, pejy 23]

Tamin’ny 1963, miaraka amin’ireo namanay tany amin’ny Nosy Bohol. Fahefatra sy fahadimy avy eo an-kavanana izahay mivady

[Sary, pejy 24]

Izahay mivady ankehitriny

[Sary nahazoan-dalana, pejy 20]

Sary aoriana: U.S. Signal Corps photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara