FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g00 8/7 p. 31
  • Velona Indray ny “Faty” Iray

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Velona Indray ny “Faty” Iray
  • Mifohaza!—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay Voninkazo Lehibe Indrindra
    Mifohaza!—2012
  • Voatavomonta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tsara Tarehy Sady Matsiro!
    Mifohaza!—2004
  • Zavamaniry Hafakely Manala Hetaheta
    Mifohaza!—2002
Mifohaza!—2000
g00 8/7 p. 31

Velona Indray ny “Faty” Iray

Avy Amin’ny Masoivohon’ny Mifohaza! any Indonezia

TAMIN’NY 17 Jolay 1997 hariva, dia nisy fampandrenesana tsy mahazatra natao tao amin’ny filazam-baovaom-pirenena teto Indonezia. Namelana ny iray amin’ireo voninkazo lehibe indrindra eran’izao tontolo izao. Nahoana no heverina ho mendrika ny holazaina amin’ny vaovao hariva izay fivelaran’ny voninkazo iray? Satria hafa io zavamaniry iray io: Mandritra ny roa na telo andro monja izy io no afaka mamelana, ary intelo na inefatra monja ao anatin’ny fiainany maharitra 40 taona. Nitombo 50 isan-jato ny isan’ny mpitsidika ny Zaridainan-javamanirin’i Bogor, izay misy ilay voninkazo, taorian’ilay fampandrenesana. Raha ny marina, dia nisy olona maherin’ny 20 000 nitsidika io zavamaniry io tao anatin’ny iray andro monja!

Amorphophallus titanum no tena anarana fenon’ilay zavamaniry. Hafohezin’ny sasany hoe araoma goavambe io anarana io, fa ny ankamaroan’ny Indonezianina kosa dia miantso azy io hoe voninkazo faty. Mampahatsiahy azy ireo fofona fatin-trondro lo na fatim-boalavo efa simba mantsy ny fofon’izy io rehefa mamelana. Io fofona maimbo io dia milaza amin’ireo tantely mpamindra vovobony fa mamelana ilay voninkazo.

Zavatra hafa mahatonga ny araoma goavambe tsy hanam-paharoa, ankoatra ny fofony mampiavaka azy, ny habeny. Rehefa tena lehibe ilay zavamaniry, dia efa hihoatra ny halavan’ny olona lava indrindra ny haavony. Nahatratra 2,50 metatra ny voninkazo iray tao amin’ny Zaridainan-javamanirin’i Bogor, ary nipoitra avy tao anatin’ny vody taho mifampidipiditra, miendrika vazy lehibe iray, manana savaivo 2,60 metatra. Misy vodiny milanja efa ho 100 kilao io voninkazo goavana io, ary avy tamin’izany no nitomboany!

Na dia lehibe dia lehibe toy izany aza anefa ny felan’ny araoma goavambe, dia tsy afaka mihambo ho ny lehibe indrindra amin’ny voninkazo eran’izao tontolo izao izy, satria raha ny marina dia voninkazo madinika maromaro mitambatra no mahaforona azy io, fa tsy voninkazo iray akory.

Ny araoma goavambe dia ohatra iray hafa fotsiny, izay mampiseho ny fahamarinan’ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao (...) Jehovah Andriamanitro ô — Tsy misy azo ampitahaina aminao”. — Salamo 40:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara