FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Voatavomonta”
  • Voatavomonta

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voatavomonta
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Jona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mianatra Amin’ilay Mpampianatra Antsika Lehibe ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Lasa Nahay Namindra Fo Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nianatra Namindra Fo Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Voatavomonta”

VOATAVOMONTA

[Heb.: kikayôhn].

Kikayôhn (heb.) ilay zavamaniry nampanirin’i Jehovah tao anatin’ny indray alina mba hanalokaloka an’i Jona mpaminany, tamin’izy nipetraka tao amin’ny trano rantsankazo ka niandry an’izay hanjo an’i Ninive. Faly be izy mandra-pandefan’i Jehovah kankana hamely an’ilay zavamaniry. Nalazo àry ilay izy, ka nodanihin’ny hainandro i Jona.​—Jo 4:5-11.

Zavamaniry roa mazàna no lazaina fa azo andikana ny hoe kikayôhn. Misy Baiboly (Prot., Kat.) mandika azy io hoe “tanantanamanga” (Ricinus communis), izay maniry mandavantaona sy mitombo haingana ka mety hahatratra 3 m na mahery, ary lehibe ny raviny. Nilaza mantsy i Jérôme fa mety ho tanantanamanga ilay kikayôhn, ary mitovitovy amin’ny teny ejipsianina hoe kiki izy io. Misy kosa manam-pahaizana sy mpandika teny milaza fa “voatavomonta” (TV) izy io. Izany koa no dikany omen’ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy (nataon’i Brown sy Driver ary Briggs, 1980, p. 884).

Zavamaniry lehibe ravina mitombo haingana ny voatavomonta, izay sokajina ho isan’ny Lagenaria siceraria (Cucurbita lagenaria taloha). Hoy ny Diksioneran’ny Baiboly (frantsay, Boky Faha-5, tsang. 1098, nataon’i F. Vigouroux, Paris, 1912): ‘Mitombo haingana be ny voatavomonta any amin’ny tany mafana. Mandrakotra ny rindrin’ny trano sy toeram-pialofana andadizany izy io, ka mamikitra mafy [toy ny tahon-tsaosety]. Miaro amin’ny hafanana izy io satria mifampidipiditra ary lehibe ny raviny. Ahitana azy io foana ny sary hoso-doko mampiseho ny tantaran’i Jona, any amin’ny fasana ambanin’ny tany.’ Zavamaniry efa mitombo haingana àry no nampitomboin’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga tao anatin’ny indray alina, mba hiarovana an’i Jona tamin’ny hainandro.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara