FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/5 p. 32
  • Fahazakana Fahafatesan-janaka Kely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahazakana Fahafatesan-janaka Kely
  • Mifohaza!—1999
Mifohaza!—1999
g99 8/5 p. 32

Fahazakana Fahafatesan-janaka Kely

NANORATRA ho fankasitrahana noho ilay bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao ny reny iray, avy any Grande-Bretagne. “Tena sakafo tonga amin’ny fotoana mety tokoa ilay bokikely ho an’ny fianakavianay.” Avy eo, dia nanazava toy izao izy:

“Azonay nampifandraisina tamin’ny toe-javatra nitranga taminay ny zavatra niainana voatantara tao amin’ilay bokikely. Nampionona erỳ ny nahalala fa nahatsapa, ary tena mahatsapa, izay tsapatsika ny hafa.

“Nankasitrahako indrindra ilay tapany izay niaiky fa fahafatesana ny fahafahan-jaza, ka miteraka alahelo. Koa satria mbola tsy niaina ivelan’ny tranon-jaza ilay zazakely, dia tsy olombelona izy, araka ny fiheveran’ny olona maro, hany ka tsy takatr’izy ireo ny haben’ny alahelo aterak’izany.

“Tsy tena hoe afa-jaza aho, araka ny fahazoan’ny maro ny hevitr’izany teny izany (...). Indroa no tsy maintsy natao izay hampihetsi-jaza ahy, ary niteraka zazakely efa maty aho. Averiko eto ny tenin’i Veronica (eo amin’ny pejy faha-10 amin’ilay bokikely), izay nilaza hoe: ‘Ny fiterahana zazakely efa maty iray dia zavatra mahatonga alahelo be ho an’ny reny iray.’ ”

Angamba ianao, na olona iray fantatrao, hahazo fampiononana koa avy amin’ny famakiana io bokikely 32 pejy be mpankasitraka io. Azonao atao ny mahazo ny bokikely Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, raha toa ianao mameno ny tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tokantranoko.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara