Ireo Zava-tsarotra sy Fitahiana Amin’ny Fitaizana Zanaka Fito Lahy
Notantarain’i Bert sy i Margaret Dickman
Teraka tamin’ny 1927 tany Omaha, Nebraska, Etazonia, aho, ary nihalehibe tany Dakota Atsimo. Tsaroako ny fahazazako nandritra ireo taon-tsarotra nisian’ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe (1929-1942). Nahazatra an’i Neny ny nanao ilay nantsoiny hoe lasopin’ny mosary. Nasiany menaka kely teo amin’ny lapoaly, nampiany rano nony avy eo, ary dia natsobokay tao ny mofonay. Sarotra ny fiainana tamin’izany fotoana izany ho an’ny fianakaviana maro.
TSY mpivavaka ireo mpianakaviko, satria be loatra ny fihatsarambelatsihy hitany tao amin’ireo fivavahana protestanta teo an-toerana. Raha ny amiko, dia ireo roa taona naha tao amin’ny tafika ahy nandritra ny Ady Lehibe Faharoa no namolavola ny fisainako. Tamin’izany fotoana izany no nanjary nitiavako zava-pisotro misy alkaola sy nitiavako miloka.
Nandritra ny fialan-tsasatra fohy iray, fony aho tao amin’ny tafika, dia nankany amin’ny toeram-pandihizana iray teo an-toerana aho, ary tao no nihaonako tamin’i Margaret Schlaht, tovovavy nanam-piaviana alemà sy ukrainien. Nifankatia izahay, ary rehefa niaraka telo volana, dia nivady tamin’ny 1946. Niteraka fito lahy izahay tao anatin’ny valo taona, ary hitanay fa mafy izany hoe mitaiza izany.
Tamin’ny 1951, dia niharan’ny voina lehibe tao amin’ny orinasa fanatsofan-kazo aho, ka saika tapaka tanteraka ny sandrin-tanako havia. Voatery nijanona tao amin’ny hopitaly nandritra ny roa taona aho mba hanaovana grefy taolana sy grefy hoditra. Nandritra izany fotoana izany, dia namelona zaza dimy i Margaret. Tafavoaka tamin’izany fotoan-tsarotra izany izy, noho ny fanampian’ireo namana sy mpiara-monina. Fony aho tao amin’ny hopitaly, dia nanam-potoana be dia be nieritreretana momba ny zava-kendren’ny fiainana aho. Niezaka namaky ny Baiboly aho, kanefa tsy nahazo firy ny heviny.
Fotoana fohy taorian’ny nivoahako ny hopitaly, dia nifindra nankany Opportunity, tanàna iray ao amin’ny Fanjakan’i Washington, izahay, ary nanao asa fanorenana niaraka tamin’ny zaodahiko aho. Omeko an’i Margaret indray izao ny fitenenana.
Niasa mafy ireto tanako ireto!
Nihalehibe tao amin’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray aho. Namboly sy nanao fiompiana kely nahazoanay ronono ary nanao voankazo sy legioma am-bifotsy izahay tao. Tena tia niasa aho, ka izany dia nampiofana ahy ho amin’ireo zava-tsarotra hoentin’ny fiainana, izay ho maro tokoa. Tafavoaka tsara kokoa noho ny ankamaroan’ny olona izahay tamin’ilay Fitambotsorana, satria nanan-kohanina foana izahay, fara faharatsiny.
Tsy nanam-potoana ho an’ny fivavahana ny ray aman-dreniko, na dia nanatrika sekoly alahady ihany aza aho indraindray. Avy eo dia nivady izahay sy i Bert, fony izahay 19 taona. Tsy nankany am-piangonana izahay, fa nanao fankalazana tsotsotra fotsiny tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ny ray aman-dreniko, ka mpitondra fivavahana kôngregasiônalista no nitarika ilay izy. Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia niteraka fito lahy aho: i Richard, i Dan, i Doug, i Gary, i Michael, i Ken, ary farany, i Scott, tamin’ny 1954. Maromaro ihany izy ireo!
Rehefa nifindra nankany Opportunity izahay, dia nisy ramatoa iray tonga nitsidika tao an-trano mba hiresaka momba ny Baiboly. Nanontaniako izy raha nino ny afobe mirehitra, izay foto-pampianarana tena nampahatahotra ahy. Nahatsiaro ho maivamaivana erỳ aho rehefa nohazavainy fa tsy fampianarana ao amin’ny Baiboly ny afobe mirehitra, ary na ilay fampianarana ny amin’ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) aza dia tsy ao amin’ny Baiboly! Natahotra mafy ny ho faty mantsy aho, ary hitako ho tsy nifanaraka tamin’ny fisian’ny Andriamanitra fitiavana iray ny afobe mirehitra. Tapa-kevitra aho fa tsy hampianatra lainga toy izany mihitsy tamin’ny zanako.
Tamin’ny 1955, dia nanomboka nianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, aho.a Ary tamin’izay fotoana izay indrindra, tampotampoka teo, dia naneho fiheverana ahy ny mpitory teny pentekotista ka naniry ny hamonjy ahy avy teo an-tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah! Nanao fahadisoana lehibe anefa izy: nanomboka nitory momba ny afobe mirehitra tamiko izy! Nandefasany mpiangona telo mirahavavy mihitsy aza aho, ary niezaka ireo mba handresy lahatra ahy tsy hiara-mianatra amin’ny Vavolombelona.
Tetsy an-danin’izany, dia nihaino ny fianarako Baiboly avy tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny i Bert. Tatỳ aoriana izy dia nanomboka namaky ny New World Translation of the Christian Greek Scriptures (Ny Soratra Grika Kristianina — Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao), ka nanomboka nahita mangirana. Anisan’ny ekipa niasa hatramin’ny misasakalina izy. Mazava ho azy fa efa natory aho isaky ny nody izy. Indray alina, dia nitsaitsaika nidina ny tohatra aho ka nahita azy namaky tamim-piafenana ireo bokiko! Nitsaitsaika niverina teo am-pandriana aho, ary faly fa ny tenany mihitsy no nanamarina. Tatỳ aoriana, dia nianatra ny Baiboly koa izy, ary tonga Vavolombelona vita batisa izahay mivady tamin’ny 1956.
Noho izaho niteraka fito lahy tao anatin’ny valo taona, dia hitako ho zava-tsarotra ny nanao ny raharaha rehetra andavanandro: namahana sy nampiakanjo ireo ankizy ary nanao izay hampadio sy hampilamina foana ny tao an-trano. Nianatra nanao ny anjara raharahany tao an-trano ireo ankizy. Matetika aho no nilaza hoe tsy anankiray, fa fito be izao, ny milina fanasam-bilia nananako! Nifandimby nanao ny anjarany tamin’io fahazarana tena nilaina io ireo ankizy. Mazava ho azy fa tena nanampy tokoa i Bert. Tsy niovaova mihitsy ny fifehezana sy ny fitsipika nampihariny tao an-trano, kanefa navelany hisokatra foana koa ny fifampiresahana. Nanaja ny rainy ireo ankizy, nefa tsy natahotra azy. I Bert dia tsy nanao tsirambina mihitsy ny fampianarana ireo zanakay momba ny lahy sy ny vavy, ary fahatsiarovana mamin’izy ireo ilay fomba nilazany izany hoe “ny vorona sy ny tantely”.
Nanolo-tena hiasa tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower eto Brooklyn, New York, i Richard, lahimatoanay, tamin’ny 1966. Tena fisedrana ho ahy ny nahita ny lahimatoanay nandao ny akany. Nankarary ny foko ny nahita ny toerany banga teo an-databatra isan’andro. Faly anefa aho fa nahazo traikefa sy fampiofanana tsara izy.
Omeko an’i Bert indray ny fitenenana.
Fitaizana ireo zanakay mifanaraka amin’ny foto-pitsipika ara-baiboly
Natao batisa tao amin’ny fivoriambe iray tany Spokane, Washington, izahay sy i Margaret. Fanamby ho anay izao ny nitaiza ireo zanakay nifanaraka tamin’ny foto-pitsipika ara-baiboly — izay mety holazainao hoe fomba efa lany andro. Tsy nilefitra tamin’ny lainga na ny fari-pitsipika roa sosona mihitsy aho, ary fantatr’ireo ankizy izany. Nampianarinay azy ireo ny hoe mendrika ny homena ny tsara indrindra i Jehovah.
Fantatr’izy ireo anefa fa azony natao ny namboraka tsiambaratelo tamiko, satria nanana fifandraisana akaiky izahay, ary niara-nanao zavatra be dia be. Nankafizin’ny fianakavianay ny nankany amoron-dranomasina, ny nitsangantsangana sy nisakafo tany an-tendrombohitra, ary ny nilalao softball. Nanana biby sy zaridaina izahay, ary samy nanampy tamin’izay rehetra tokony hatao ireo ankizy. Tamin’izany no nianarany niasa sy nilalao. Niezaka nandanjalanja hatrany izay nataonay izahay.
dia teôkratika nampientanentana
Teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia niara-namonjy ny fivoriana kristianina tany amin’ny Efitrano Fanjakana izahay mianakavy, ary nanao fianaram-pianakaviana tsy tapaka. Nanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Seattle, Washington, izahay, tamin’ny 1957. Nandritra ilay fandaharana, dia nisy antso ho an’ireo fianakaviana mba hifindra ho any amin’ny toerana nilana Vavolombelona maro kokoa, mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hitan’ny fianakavianay ho hevitra tsara ilay izy, koa nanomboka nanomana ny fifindranay izahay. Nankany Missouri aloha izahay tamin’ny 1958, avy eo nankany Mississippi tamin’ny 1959.
Tamin’ny 1958 no nanaovanay voalohany dia lavitra teôkratika nampientanentana. Nanamboatra tranofiara iray aho. Fiara DeSoto tranainy iray, enina silendira, nisy seza telo, izay nivoaka tamin’ny 1947, no nitarihanay ilay tranofiara. Nandeha tamin’io fiara io izahay sivy mianaka tamin’io taona 1958 io, nankany New York mba hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena. Naharitra herinandro maromaro ny dianay, ka nilasy teny an-dalana izahay avy tao Spokane, any amin’ny Morontsiraka Andrefana, hatrany New York: halaviran-dalana maherin’ny 4 200 kilaometatra! Fahatsiarovana mamin’ireo ankizy erỳ iny dia lavitra iny, sady nisy vidiny no nahafinaritra be.
Fianarana fifehezana avy tamin’ny mofomamy
Nahazo ilay boky hoe Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray izahay tamin’io fivoriambe io.b Io boky io, mbamin’ny Baiboly, no lasa fototry ny fianaram-pianakavianay isan-kerinandro. Nianatra namaky teny hatramin’ny fahakeliny ireo ankizy. Rehefa nirava avy nianatra izy ireo, dia nanokana fotoana i Marge nihainoana azy ireo namaky ny Baiboly. Tsy navelanay hibahana tao an-tsain’izy ireo ny televiziona.
Nanjaka tao amin’ny fianakavianay ny fifehezana sy ny fanajana. Indray mandeha, dia nanao mofomamy lehibe iray, izay anisan’ireo zavatra tena hainy, i Margaret. Nisy karaoty ny sakafo tamin’io andro io. Nampirisihinay foana ireo ankizy mba hanandrana ireo legioma teo an-doviany, fara faharatsiny. Tsy tia karaoty anefa i Doug, zanakay fahefatra. Nilazana izy fa raha tsy nihinana karaoty, dia tsy hahazo mofomamy. Mbola tsy nety nanapitra ny sakafony ihany anefa izy. Hoy àry i Margaret: “Raha tsy hohaninao ireo karaoty ireo, dia homena ny alika ny mofomaminao.” Heveriko fa tsy tena ninoan’i Doug ny tenin’i Margaret, mandra-pahitany an’i Blackie nandrapaka ny mofomaminy! Nahazo fianarana avy tamin’izany izy sy ireo ankizy hafa. Nitana ny teninay foana izahay ray aman-dreny.
Nahafinaritra ny fiainana
Nitari-dalana anay sy i Margaret ireo tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 6:33, manao hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” Niezaka hametraka ny tombontsoan’ilay Fanjakana teo amin’ny toerana voalohany ny fianakavianay. Nankafizinay mianakavy ny niara-nivoaka nitory, ary nifandimby niaraka tamiko isan-trano ireo ankizy. Samy nanana ny kitapony sy ny Baiboliny ary ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ny tsirairay. Noderainay izy ireo isaky ny nanao fandrosoana. Matetika i Margaret no namihina azy ireo mafy. Eny tokoa, naneho ny firaiketam-ponay tsy tapaka tamin’izy ireo izahay mivady. Nanokana fotoana ho an’ireo ankizy foana izahay: nahafinaritra ny fiainana!
Rehefa nihalehibe ireo ankizy, dia nahazo andraikitra, toy ny fakana olona hamonjy fivoriana, ny fanokafana ny Efitrano Fanjakana, sy ny fanampiana tamin’ny raharaha hafa. Nianaran’izy ireo ny nankasitraka ny Efitrano Fanjakana ho toerana fanolorany fanompoam-pivavahana, ka nankafiziny ny nikojakoja azy io.
Nampirisihinay izy ireo mba hanome valin-teny tany amin’ny fivoriana kristianina. Nanao lahateny fohy izy ireo rehefa nahazo anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, izay nianarany tsikelikely ho tonga mpandaha-teny. Tsy mba tian’i Michael, zanakay fahadimy, mihitsy ny nandaha-teny ampahibemaso, ary sahirana izy teny amin’ny lampihazo. Teny antenatenan’ny lahateniny, dia nanomboka nitomany izy, satria kivy fa tsy nahavita ny anjarany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia resiny izany, ary mpiandraikitra mpitety faritany izy ankehitriny, mitsidika kôngregasiôna samy hafa miaraka amin’ny vadiny, ary manao lahateny imbetsaka isan-kerinandro. Fiovana re izany!
Ny fomba niheveran’ireo ankizy ny fifehezana
Nifandray tamin’i Michael ny Mifohaza! mba hanontany ny heviny momba ilay fomba fitaizana lazaina fa efa lany andro. “Mpampihatra fifehezana i Dada, nefa tsara fanahy, araka ny fiheveranay. Tsaroako fa fony aho zatovo, dia nandeha niasa tao amin’ny radio iray aho. Naniry hahazo fiara aho mba hahafahako hirotsaka amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana manontolo andro koa. Nanao fanolorana tamiko ny mpitantana ilay radio: ny fiarany Ford Mustang nisy varavarana roa, azo nesorina ny tafony, izay fiara spaoro tian’ny tanora erỳ. Niriko mafy ny hahazo azy io, na dia fantatro aza fa tsy tena sahaza ho an’ny fanompoana izy io, satria tsy azoko nitondrana olon-kafa. Nankany amin’i Dada aho sady natahotahotra ihany. Rehefa nilazako ny amin’ilay fanolorana izy, dia niteny hoe: ‘Andeha hodinihintsika ny amin’izany.’ Fantatro ny dikan’izany! Nanjohy hevitra tamiko izy, ka nampiseho tamiko ireo tombony amin’ny fananana fiara sahaza kokoa. Koa nividy fiara berilina nisy varavarana efatra àry aho, ary rehefa nahavita maherin’ny [160 000 kilaometatra] tamin’izy io teo amin’ny fitoriana aho, ny hany azoko nolazaina dia hoe: ‘Marina indray ny an’i Dada.’
“Nampientanentana ilay fifindran-toerana fony izahay mbola kely — avy tany Washington nankany Missouri ary avy eo nankany Mississippi. Nankafizinay izany. Na dia tao anaty tranofiara nirefy [2,5 metatra sy 11 metatra] aza izahay sivy mianaka nandritra ny herintaona, dia nahafinaritra be ilay izy, ary nampianatra anay hahay handamin-javatra sy hahay hifanaraka, na dia tao amin’ny toerana tery kely aza. Mazava ho azy fa niezaka hilalao matetika tany ivelan’ilay tranofiara izahay.
“Fahatsiarovana mamiko koa ny fomba nitarihan’i Dada ny fandinihanay ny andinin-teny ho an’ny andro. Tamin’ny 1966 izy dia nanatrika sekoly ho an’ny loholona tany amin’ny Kingdom Farm, any South Lansing, New York, ary hitany fa nanao fikarohana ny fianakavian’ny Betela mba hanomezana fanazavana momba ny andinin-teny ho an’ny andro tsirairay. Nampidiriny tao amin’ny fahazaran’ny fianakavianay koa io fomba io. Notendrena hanolotra fanazavana momba ny fikarohana nataonay ny tsirairay avy taminay fito mirahalahy, isa-maraina. Na dia nimonomonona aza izahay indraindray, dia nampianatra anay hanao fikarohana sy hilaza ny hevitray izany. Maharitra mandritra ny androm-piainana ny fahazarana toy izany.
“Niraikitra lalina tao an-tsaiko ny sorona nataon’i Dada sy i Neny ho anay. Na dia efa afaka nikarama mba hahazoam-bola ho an’ny fianakaviana aza i Richard sy i Dan zokinay, dia nampirisihin’ny ray aman-dreninay hankany Brooklyn, New York, mba hiasa an-tsitrapo tao amin’ny foibe maneran-tanin’ny Fikambanana Watch Tower. Nanangom-bola koa ny ray aman-dreninay mba hahafahan’ny efatra taminay handeha fiaramanidina nankany New York mba hijery ny foibe. Nisy heriny lehibe teo amiko izany. Nampitombo ny fankasitrahanay ny fandaminan’i Jehovah izany.
“Omeko an’i Dada indray ny fitenenana.”
Efa tratran’ny fihemorana izahay
Toy ny fianakaviana hafa rehetra, dia tojo olana sy fihemorana izahay. Rehefa tonga taona hiaraka amin-jazavavy ireo ankizy, dia tsy maintsy nomeko torohevitra mba tsy ho maika hanambady ny tovovavy nanintona azy voalohany. Nataonay azo antoka koa fa nisy olon-kafa nanotrona ny zanakay sy ilay niarahany. Nirinay izy ireo hahita zavatra teo amin’ny fiainana, alohan’ny hifidianany izay ho vadiny mandritra ny androm-piainany. Indraindray dia nisy ranomaso, eny, nisy ratram-po nihelina mihitsy aza, kanefa rehefa ela ny ela, dia takatr’izy ireo fa fahendrena ny torohevitry ny Baiboly, indrindra fa ilay hoe manambady “ao amin’ny Tompo”. Noderainay ireo ankizy noho ny fahendreny. — 1 Korintiana 7:39.
Nampitomany anay i Scott, faralahinay. Voataonan’ny naman-dratsy izy tany am-piasana. Farany, dia voaroaka avy tao amin’ny kôngregasiôna izy. Mafy taminay rehetra ilay izy, kanefa nohajainay ny fanapahan-kevitra ara-pitsaran’ny loholona. Niaritra ny mafy i Scott vao nahatsapa fa ny fanompoana an’i Jehovah no fomba fiaina tsara indrindra.
Tsy nanary toky mihitsy izahay ny amin’ny hiverenany ao amin’ny kôngregasiôna. Soa ihany fa voaray indray tao amin’ny kôngregasiôna izy, rehefa afaka dimy taona. Rehefa mitodika ny lasa izy, dia hoy izy: “Voafetra ho kely dia kely ny fifandraisako tamin’ny fianakaviako, fony aho voaroaka. Na dia izany aza, dia nisy zavatra iray nanampy ahy: fantatro foana fa tia ahy ny fianakaviako.” Nanohy nandroso hatrany i Scott, ary loholona efa hatramin’ny valo taona izy.
Fahavoazana hafa iray koa ny naha voaroaka ny zafikelinay lahy iray teo amin’ny faha-20 taonany tamin’ny 1998. Mahazo fampiononana anefa izahay avy amin’ny hoe afaka miteraka vokany tsara ny famaizan’i Jehovah.
Fiovana lehibe teo amin’ny fiainanay
Farany, tamin’ny 1978, dia nandao ny tokantrano avokoa izy fito mirahalahy. Nahazo traikefa momba ny fanafanana sy ny fanavaozana ary ny fampangatsiahana ny rivotra aho rehefa nandeha ireo taona. Tamin’ny 1980, dia nahazo fanasana nahazendana izahay sy i Margaret hanompo ato amin’ny foiben’ny Fikambanana Watch Tower eto Brooklyn mandritra ny sivy volana. Mbola ato ihany izahay, 18 taona atỳ aoriana!
Nahazo fitahiana tondraka izahay. Tsy mora foana akory ny nitaiza ireo zanakay araka ilay fomba lazaina fa efa lany andro, araka ny foto-pitsipika ara-baiboly, kanefa nitera-boka-tsoa ho anay izany. Dimy amin’ireo zanakay izao no loholon’ny kôngregasiôna, ary mpiandraikitra mpitety faritany ny anankiray. Manana zafikely 20 sy zafiafy 4 izahay, ary ao amin’ny fahamarinana sady mahatoky eo anatrehan’i Jehovah ny ankamaroan’izy ireo.
Hitanay ny fahamarinan’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo. Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.” — Salamo 127:3, 4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1946; tsy atao pirinty intsony ankehitriny.
b Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary, pejy 20, 21]
Miaraka amin’ireo zanakay lahy sy ireo vinantovavinay (ankavanana) ary ireo zafikelinay (farany ankavanana) tamin’ny tsingerin-taona faha-50-n’ny fanambadianay, tamin’ny 1996