Ny Zava-miafina Momba ny Volamena
Volamena — efa hatramin’ny fahagola no niheverana an’io metaly malemy, mavo mamiratra io, ho sarobidy, noho ny toetrany miavaka. Ny lokony, ny famirapiratany, ny mahazo tefena azy ary ny fahafahany manohitra harafesina no mahatonga azy io hiavaka amin’ny metaly hafa. Manan-tantara tsy mitovy amin’ny an’ny metaly hafa rehetra ny volamena, satria mihevitra azy io ho sarobidy ireo izay nikaroka azy.
“VOLAMENA! Volamena ho’aho aminareo! Volamena!” Nahita volamena ny olona iray, ka nientanentana sy nidobodoboka ny fony, ary lasa lavitra ny eritreriny. Nitadiavana azy io avokoa na an-tanety, na any anaty ony sy renirano, eny fa na dia any amin’ny an’arivony metatra maro any ambanin’ny tany aza.
Firavak’ireo mpanjaka sy mpanjakavavy izy io, noho izy lafo vidy. Nandravaka seza fiandrianana sy rindrin’ny lapa koa izy io. Nivavahana toy ny andriamanitra ny volamena miendrika trondro sy vorona ary biby sy zavatra hafa. Tsy nety lefy ny fikatsahana volamena. Tonga hatrany amin’ny toerana lavitra be ny fitadiavana azy no sady nisy vokany maro teo amin’ny sivilizasiona.
Ny volamena teo amin’ny tantara
Naniraka ireo mpivaro-mandehany sy tafiny ho any amin’ny faritra nitokana ireo faraon’i Ejipta fahizay, mba hitady volamena, izay noheverina ho fananana fenon’ireo andriamanitra sy faraon’i Ejipta. Feno volamena tsy hay tombanana ny fasan’i Toutankhamon, hita tamin’ny 1922. Na ny vatam-patiny aza, dia vita tamin’ny volamena zara raha nisy fangarony.
“Tamin’ny voalohany, dia ny lazan’ny tahirim-bolamenan’i Persa no nisarika an’[i Aleksandra Lehibe] ho any Azia”, hoy ny mpahay tantara sasany. Voalaza fa noteren’ny tafiny hitondra ny volamena nalainy tany Persa hiverina tany Gresy ny biby an’arivony maro mpilanja entana. Ho vokany, dia nanjary firenena nanana volamena be i Gresy.
Manao tatitra ny mpahay tantara iray fa “nitobatoba nampiasa ny volamenany ireo emperoran’[i Roma], mba hahazoana antoka fa tsy hivadika taminy ireo manamboninahiny, sy mba hitaomana ireo olo-nanan-kaja tany amin’ny tany hafa. Nentiny nampiaiky volana ny vahoakany sy nampitahorana matetika azy ireo ny haben’ny harenany, izay mora hita tamin’ny alalan’ny fampirantirantiana firavaka volamena nampitolagaga”. Nahazo volamena betsaka ny Rômanina noho ny nandreseny an’i Espaina ka nahazoany ireo fitrandrahana volamena tany Espaina, araka ny voalazan’ny loharanon-kevitra iray.
Tsy ho feno anefa ny filazalazana momba ny volamena raha tsy manao fikarohana ao amin’ny tantarany feno fandatsahan-dra isika. Tantaram-pandresena, tantara feno herisetra sy fanandevozana ary fahafatesana izany.
Tantara mitete ra
Rehefa nihanandroso ny sivilizasiona, dia nanomboka ny diany ny sambo lehibe kokoa sy natanjaka kokoa mba hitady tany vaovao, sy hanjanaka tany vaovao, ary hitady volamena. Nanjary tsy nanan-tsaina afa-tsy ny fahitana volamena ny maro tamin’ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra, anisan’izany ilay mpisava lalana mpanamory sambo atao hoe Christophe Colomb (1451-1506).
Tsy nisy dikany tamin’i Colomb ny ain’ireo teratany, rehefa teo am-pitadiavana volamena izy. Ny mpanjaka sy ny mpanjakavavin’i Espaina no namatsy vola azy tamin’ilay dia nataony. Rehefa nitantara tamin’izy ireo ny tsipirian’ny zavatra niainany tao amin’ny nosy iray àry izy, dia izao no nosoratany tao amin’ny firaketany an-tsoratra ny fizotran’ny diany: “Raha ta hanjaka eto ianao, dia tsy mila manao afa-tsy ny manorim-ponenana ary manantitrantitra ny amin’ny fahefanao eo amin’ireo teratany, izay hanatanteraka izay zavatra rehetra handidianao azy. (...) Miboridana sy tsy manam-piarovana (...) ireo Indianina, ka vonona ny handray baiko sy ny hisikina hiasa.” Nino i Colomb fa nahazo ny fitahian’Andriamanitra izy. Nanampy an’i Espaina hamatsy vola ny ady masina nataony ny volamena. ‘Enga anie Andriamanitra hanampy ahy hahita volamena, noho ny famindram-pony’, hoy izy indray mandeha, rehefa avy nahazo fanomezana saron-tava volamena.
Nanaraka ny dian’i Colomb koa ireo conquistadors (mpanani-bohitra) espaniola, ka nandeha an-tsambo tany an-dranomasina mba hitady volamena. Nahazo izao baiko izao avy tamin’i Ferdinand, Mpanjakan’i Espaina, izy ireo: “Itondray volamena aho! Manehoa fangoraham-po rehefa maka azy, raha azonareo atao. Izay fomba hampiasainareo anefa tsy mampaninona ahy fa itondray volamena fotsiny aho.” Nandripaka teratany an’arivony maro, izay sendra azy tany Meksika sy tany Amerika Afovoany sy Atsimo, ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra tsy nifaditra ovana. Nitete ra, amin’ny heviny ara-panoharana, ireo volamena nentin’ireo mpanani-bohitra niverina nankany Espaina.
Avy eo, dia tonga ireo jiolahin-tsambo, nitondra saina tsy an’ny tany na iza na iza. Nandroba ireo sambo espaniola izay nivesatra volamena sy harena sarobidy hafa izy ireo, teny afovoan-dranomasina teny. Tsy nahaleo ireo jiolahin-tsambo nirongo fiadiana ireo sambo espaniola, izay matetika no tsy nanana basy sy vatan-dehilahy firy. Tamin’ny taonjato faha-17 sy faha-18, dia loza nandrahona ny teny an-dranomasina ny halatra nataon’ireo jiolahin-tsambo, indrindra fa tany Antilles sy nanaraka ny moron-tsirak’i Amerika.
Fihazakazahana hitady volamena, tamin’ny taonjato faha-19
Tamin’ny 1848, dia nisy volamena betsaka hita tany ambanin’ny tany, tao amin’ny Lohasahan’i Sacramento, any Kalifornia. Tsy ela dia niely ny vaovao, ary nirohotra nanorim-ponenana tsy an-kiato tany Kalifornia ireo mpifindra monina. Tamin’ny taona nanaraka, dia olona an’aliny maro no nibosesika tany Kalifornia. Mpikatsaka harena tonga avy tany amin’ny faritra rehetra tamin’ny tany izy ireo. Nitombo ny isan’ny mponin’i Kalifornia, avy teo amin’ny 26 000 eo ho eo tamin’ny 1848, ka lasa 380 000 eo ho eo tamin’ny 1860. Nandao ny taniny ireo mpamboly, nandositra niala ny sambo ny tantsambo, nandao ny tafika ny miaramila — tsy haninona akory fa mba handeha hikatsaka harena tamin’ny fitadiavana volamena fotsiny. Ny sasany tamin’izy ireny nolazalazaina ho “olona ratsy fanahy lian-dra”. Nirongatra ny heloka bevava sy ny herisetra noho ny fifangaroan’ny karazan’olona maro samihafa tao amin’io toerana io. Ireo izay sodoka ta hahazo volamena nefa tsy te hiasa mba hahazoana azy io, dia nanjary nangalatra sy nandroba kalesin-tsoavaly sy lamasinina.
Tamin’ny 1851, taoriana kelin’ilay fihazakazahana hitady volamena tany Kalifornia, dia re ny vaovao ny amin’ny volamena be any ambanin’ny tany, hita tany Aostralia. “Tena nampitolagaga ny vokatra hita tao”, hoy ny tatitra natao. Nandritra ny fotoana fohy, dia nanjary mpamokatra volamena lehibe indrindra teo amin’izao tontolo izao i Aostralia. Tsy ela dia namehy ny entany ny sasany tamin’ireo izay nifindra monina tany Kalifornia, ary nidina nankany Aostralia. Niakatra be tampoka ny isan’ny mponina tany Aostralia — avy teo amin’ny 400 000 tamin’ny 1850, no lasa nihoatra ny 1 100 000 tamin’ny 1860. Saika niato tanteraka ny asa fambolena sy fiompiana ary ny asa hafa, satria maro no nirohotra nitady harena tamin’ny fitadiavana volamena.
Rehefa nihananatona ny faran’ny taonjato faha-19, dia nifindra tany Yukon sy tany Alaska ilay vahoaka adalam-bolamena, rehefa nandre fa nahitana volamena tany amin’ireo toerana ireo. Olona an’arivony maro no nankany amin’ny Farany Avaratra, any amin’ny faritr’i Klondike sy any Alaska, niady tamin’ny hatsiaka namirifiry, mba haka anjara amin’ny tany feno volamena.
Harena tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina
Tamin’ny taonjato faha-20, noho ny fandrosoan’ny fisitrihana lalina tany ambany ranomasina, dia nampitodika ny sainy tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina ireo mpitady volamena. Nikaroka tao anaty sisan-tsambo rendrika izy ireo mba hahitana harena: firavaka volamena sy zavakanto, natao taonjato maro tany aloha.
Tamin’ny 20 Septambra 1638 no nilentika tandrifin’ny moron-tsirak’i Saipan, tao amin’ny Oseana Pasifika ny sambo espaniola Concepción, rehefa nidona tamin’ny vato be, noho ny andro ratsy. Am-polony tapitrisa dolara maro, amin’izao andro izao, ny tokom-bidin’ny volamena sy ny harena hafa tao anatin’izy io. Maty ny ankamaroan’ireo olona 400 tao anatiny. Navoakan’ireo mpisitrika an-dranomasina avy tao ny rojo volamena 32, ny tsirairay taminy nirefy tokony ho iray metatra sy sasany ary nilanja kilaograma maromaro. Tamin’ny fitambarany, ireo mpisitrika dia nitondra niakatra firavaka volamena niisa 1 300: rojo, lakroa, zavatra apaingotra, fisisika, peratra ary fampoehana.
Nisy sisan-tsambo hafa koa hita, anisan’izany ny sisan’ilay sambo espaniola Santa Margarita, izay rendrika tamin’ny taonjato faha-17. Hitan’ireo mpisitrika an-dranomasina tandrifin’ny moron-tsirak’i Florida, any Etazonia, izy io tamin’ny 1980. Tamin’ny faran’ilay taona nanaraka, dia efa nahita vongam-bolamena nilanja 44 kilaograma mahery, niaraka tamin’ny zavakanto volamena hafa vita tanana, ireo mpisitrika an-dranomasina.
Volamena norobaina nandritra ny ady
Nilavo lefona ny fitondram-panjakana alemà tamin’ny 1945. Taorian’izany, dia nahita zava-nahagaga tao Kaiseroda, toeram-pitrandrahana sira mineraly any Thuringia, any Alemaina, ny tafiky ny Mpiray Dina. “Nisy vongam-bolamena sy zavakanto, sy vola ary taratasy fanamarinana ny fananana petrabola, nitentina 2 100 tapitrisa dolara be izao tao amin’ilay toeram-pitrandrahana”, araka ny voalazan’ny The Atlanta Journal. Nisy kitapo feno volamena sy volafotsy nampiasaina tamin’ny nify koa hita, efa voarendrika ny sasany taminy. Nalaina avy tamin’ireo olona maty nandritra ny Fandripahana Tambabe izy ireo. Nanampy an’ireo mpitari-tafika nazia hamatsy vola ny ady, izay naharitra tsy araka ny nanampoizana azy, io volamena betsaka nafenina io. Naverina tany amin’ny firenena folo eo ho eo nofehezin’i Hitler teo aloha ny volamena tombanana ho 2 500 tapitrisa dolara, araka ny tatitra nataon’ny Journal. Koa satria nino ny maro fa mbola tsy ny volamena rehetra nafenin’ny Nazia no hita, dia mbola mitohy ny fikarohana.
Azo antoka fa sarobidy tokoa ny volamena. Milaza anefa ny Baiboly fa, toy ny harena ara-nofo hafa rehetra ihany, ny volamena dia tsy afaka manome fiainana ho an’izay mikatsaka azy. (Salamo 49:6-8; Zefania 1:18). Milaza toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena”. (Ohabolana 16:16). Avy amin’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona, ny tena fahendrena, ary ao amin’ny Teniny, ny Baiboly no tokony hahitana azy io. Amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra, ny mpitady izany fahendrena izany dia afaka mahafantatra ny lalàn’Andriamanitra, sy ny foto-pitsipiny ary ny toroheviny, sy mampihatra izany eo amin’ny fiainany, avy eo. Faniry lavitra noho ny volamena rehetra hitan’ny olombelona hatramin’izay ny fahendrena azo amin’izany fomba izany. Mety hidika ho fiainana tsara kokoa ankehitriny sy fiainana mandrakizay amin’ny hoavy izany fahendrena izany. — Ohabolana 3:13-18.
[Efajoro, pejy 25]
Zava-misy Sasany Momba ny Volamena
• Ny volamena no metaly azo tefena sy azo roritina indrindra amin’ny metaly rehetra. Azo kapohina izy io hahazoana zavatra manify mirefy 0,1 micromètre. Azo fisahina amin’ny marotoa ny volamena 28 grama, mba haharakotra faritra tokony ho 17 metatra toradroa. Azo roritina hahatratra 70 kilaometatra ny volamena 28 grama.
• Koa satria malemy loatra ny volamena tsy misy fangarony, dia afangaro amin’ny metaly hafa izy io mazàna, mba hampitombo ny hamafiny rehefa ampiasaina hanaovana firavaka na zavatra hafa vita amin’ny volamena. Amin’ny ampahany 24, atao hoe karà, no ilazana ny volamena misy fangarony; araka izany, ny volamena 12 karà dia ny 50 isan-jato aminy ihany no volamena, ary ny volamena 18 karà dia volamena ny 75 isan-jato aminy, ary ny volamena 24 karà dia volamena tsy misy fangarony.
• Afrika Atsimo sy Etazonia no firenena mpamokatra volamena indrindra.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]
Aleksandra Lehibe: The Walters Art Gallery, Baltimore
[Sary, pejy 24]
Sary hoso-doko mampiseho ny fahatongavan’i Christophe Colomb tany Bahamas tamin’ny 1492 mba hitady volamena
[Sary nahazoan-dalana]
Courtesy of the Museo Naval, Madrid (Espaina), nahazoana lalana tamin’ny Don Manuel González López