Ny Akoholahim-bato — Vorona Kanto ao Amin’ny Ala Mikitroka Amazonianina
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Brezila
NA NY mpandinika zavaboary izay tsy be fihetseham-po aza, dia ho lasa poety ihany amin’ny farany, rehefa hilazalaza ilay akoholahim-bato avy any Guyana, vorona fatratra loatra sy tsy be mpahafantatra, ao amin’ny ala tropikalin’i Amazone.a “Lelafo mamiratra”, hoy ny nosoratan’ny olona iray mpandinika ny zavaboary, momba azy io. “Kintana manan-drambo mirehitra”, hoy ny iray hafa. ‘Manintona fatratra izy, ka tsy hisy hahaleo azy raha ny amin’izany lafiny izany’, hoy ny fanatsoahan-kevitry ny fahatelo. Izy rehetra ireo dia samy manaiky fa tsy hay hadinoina izy io, rehefa hitan’ny maso. Inona anefa no mahatonga ity vorona mitovy habe amin’ny voromahailala ity ho tsy hay hadinoina toy izany? Ny antony iray dia ny lokony marevaka.
Mirehareha erỳ ny akoholahim-bato amin’izato sangany volondaoranjy mitovy bika amin’ny fikopaka, izay manakona ny vavany iray manontolo. Misy tsipika mena manopy volontsôkôlà manaraka ny sisin’ilay sanga ka manasongadina ny mahantsasa-paribolana tsy misy tomika azy io. Manomboka eo amin’ny sangany ka hatramin’ny hohony, dia saika volo volondaoranjy avokoa no mandrakotra ilay vorona. Mainty misy faritra fotsy ny elany, ary rakotra volo malemy volondaoranjy mivolombolamena, ka toy ny hoe mibonoka lamba no fijery azy. “Tsy hita izay teny hanambarana ny hakanton’ny bika aman’endriny manaitra”, hoy ny famintinan’ilay boky hoe Birds of the Caribbean. Na izany aza, dia tsy ny fahitana azy ivelany ihany no mahasarika amin’io vorona io. Mampiseho taratry ny toetrany koa ny volony. Amin’ny ahoana?
Hanaiky angamba ianao fa ao amin’ny ala tropikaly maitso antitra, dia tsy ny akanjo volondaoranjy marevaka mihitsy no hanaovana raha tsy te ho voamarika ny tena. Ity vorona jejolahin’ny ala mikitroka ity anefa dia te ho hita. Ampiasainy mba handroahana ireo rafiny, sy hanintonana ireo mitolagaga aminy ny volony marevaka.
Ady sisin-tany sy ady lova
Eo am-piandohan’ny taona, mandritra ny fotoam-pananahany, dia midina eo amin’ny faritra iray voasoritra tsara ao an’ala ny akoholahim-bato. Lek no iantsoana ireny faritra ireny, ary eo no miaka-tsehatra izy ireo mba hanaovana ilay dihy fitadiavam-bady fanaony isan-taona. Azo inoana fa ilay teny hoe “lek” dia avy amin’ilay matoanteny soedoà hoe att leka, izay midika hoe “milalao”. Eny tokoa, nandritra ny taona maro ireo mpandinika ny zavaboary dia nihevitra fa tsy inona tsy akory ny fitsinjatsinjahan’ny vorona rehefa mila vady, fa fisangisangiana fotsiny ihany — fampisehoana mahafinaritra atao eo amin’ny tany, ao an’ala. Vao haingana kokoa anefa, dia fantatr’izy ireo fa tsy faritra fandihizana fotsiny ny lek, fa kianja fiadiana sy fanaovana fampirantiana koa. Fa nahoana?
Rehefa mirohotra mankeo amin’ny lek ny akoholahim-bato maromaro, dia samy mamaritra toerana ho azy manokana ny tsirairay, ka manadio azy io mba tsy hisy ravinkazo nanintsana. Faritany ho azy koa, mba hipetrahany, ny rantsan’ny zavamaniry mandady eo ambonin’ilay faritra, izay lasa miendrika varingarina manana savaivo 1,5 metatra eo ho eo sy haavo 2 metatra. Koa satria vorona 50 eo ho eo no mifanizina eo amin’ny lek iray, hoy ilay mpikaroka atao hoe Pepper W. Trail, dia “anisan’ny lek feno vorona mifanitsa-kitro indrindra” ny azy ireo, miohatra amin’ny an’ny vorona hafa rehetra manana lek. Inona no vokany? Ady sisin-tany sy ady lova.
Mitovy amin’ny dihy fanaon’ny foko nandresy an’ady, dihy feno fahataitairana saingy tsy mandratra, ny ady sisin-tany ataon’izy ireo: fihetsehana tampoka, ka ny loha ampiakarina sy ampidinina haingana, ny vava hidiana tampoka, ny elatra mikapoka tampoka moramora, ary ny volo mamoaka feo mipararetra. Re sy hita mandritra izany rehetra izany ny feo avon’akoholahy maneno sy ny fitsambikimbikinana avo. Rehefa afaka iray na roa minitra, rehefa samy mahatsapa ny vorona tsirairay fa nampahatahotra ny iray hafa, dia samy miala mankany amin’ny sisin-taniny avy ny tsirairay. Mety hisy faritra tsy manan-tompo satria maty ny vorona iray. Rehefa samy maniry hahazo io faritra io anefa ny vorona roa, dia lasa ady lova, toy ny ady lova rehetra ireny, ilay izy.
“Mampifaningotra ny hohony matanjaka izy ireo, mifamely amin’ny alalan’ny elany, ary indraindray dia mifandray eo amin’ny vavany. Mety haharitra hatramin’ny adiny telo ny ady toy izany, ary hampisefosefo ireo mpifanandrina”, hoy ny nosoratan’i Trail ao amin’ilay gazetiboky hoe National Geographic. Raha toa ka ady sahala ilay izy taorian’ny fihodinana voalohany, dia maka aina aloha ireo vorona, nefa mitohy indray ny ady rehefa avy eo, mandra-pahita hoe iza no mafy kokoa ka hahazo ilay lova. Tsy mahagaga àry raha antsoina hoe akoholahim-bato ity vorona ity!
Kanefa, vetivety eo, dia zary sary vongana velona ilay vorona mpiady tia setrasetra, ary tonga toy ny efitrano fampirantiana ilay lek. Inona no dikan’io fihetsika vaovao io? Ny tapany farany amin’ny anaran’ilay vorona, akoholahim-bato, no manome ny valin’izany.
Nandresy an’isa i ...
Raha mbola mifanditra eo amin’ny tany ao an’ala ireo lahy, dia indreo, vorona vitsivitsy, izay tsy madera loko loatra, manamboatra mangina ny simba amin’ny akaniny eny amin’ny toerana voaro, eny amin’ny vatolampy eo akaiky eo. Eny, ireo no akohovavim-bato. Tsy mitovy amin’ny lahy anefa izy ireo, fa tsy ho voalohany amin’ny fifaninanana hatsaran-tarehy. “Vorona tena hafa tanteraka” izy io, hoy ny nosoratan’i David Snow tamim-pahaiza-mandanjalanja. Sanga kely no eo amin’ny lohany, “mitovy amin’ilay sanga kanton’ny lahy, saingy botry kely, ka somary mampihomehy ny fijery ny lohany misy azy”. Ranjo fohy sy tongotra mitalesaka no manohana izato vatana volontsôkôlà antitra izay “somary botrefona sy tsy manintona”.
Na izany aza, ho an’ireto jejolahin’ny ala mikitroka ireto, dia ny akohovavim-bato no mpandresy. Rehefa misosa eo amin’ireo rantsankazo eo ambonin’ilay lek ny vavy, ka manao ilay antso mafy hoe kioo, dia mampiherika ny loha volondaoranjy rehetra ary mahatonga fampirantiana, izay “anisan’ireo filana fitia mahaliana sy mampiaiky volana indrindra eo amin’ny tontolon’ny vorona”. (The Life and Mysteries of the Jungle). Inona no mitranga? Lazain’i Trail fa, vao mahita akohovavim-bato izy ireo, “tampoka eo, dia loko marevaka sy fivezivezena etsy sy eroa ary feom-borona no manenika ilay lek”, satria samy miezaka ny hamiratra kokoa noho ny hafa ny lahy tsirairay, mba hanintonana ny fahalianan’ilay vavy mpitsidika. Manaraka izany, dia miantsambotsambotra avy eny amin’ny rantsankazo ireo lahy ary midoboka sy mihiakiaka mafy eo amin’ny tany, ao amin’ny faritra azy manokana. Misarika ny fahalianan’ny vavy ny elany mikopakopaka, sady manadio ilay faritra misy azy, amin’ny fanesorana ireo ravinkazo nanintsana. Avy eo, tampotampoka eo, dia mitsahatra ny kotaba. Tonga ilay fotoan-dehibe.
Mampiforitra ny tongony amin’ny fomba henjana ny lahy tsirairay, mamelatra tanteraka ny volony ary tsy mihetsika, toy ny hoe azon-javatra. Manakona ny vavany ilay sangany toy ny fikopaka mivelatra, raha mbola tsy ahitana mazava ny tena bikan’ny vatany ny volo malemy mandrakotra azy, ka toy ny voninkazo volondaoranjy latsaka eo amin’ny tany no fijery azy. “Hafahafa be ny akoholahim-bato mila fitia”, hoy ny loharanon-kevitra iray, “hany ka sarotra ny mino hoe vorona izy io, raha vao jerena voalohany.”
Hain’ny vavy anefa ny manavaka ny voninkazo amin’ny mpangata-bady, koa midina izy mba hanatona akoholahim-bato telo na efatra izay sady tsy andrenesam-peo no mihazona ny vatany ho fisaka sy mampitodika lamosiny any amin’ilay vavy. Mitongilana kely anefa ny lohany, mba hahafahan’ny masony iray mijery ambony, any amin’ilay vavy. Minitra maromaro vao tapa-kevitra ny vavy, ka amin’ny farany, dia mifidy ny mpandresy izy. Midina eo amin’ny tany avy ao andamosin’ilay nofidiny izy, mitsambikimbikina manatona azy, mirona kely mankany aloha, ary mitsaingoka ny sisin’ny elany. Amin’izay, dia velona indray ny lahy. Mivady eo amin’ilay faritra an’ny lahy izy ireo, na eny amin’ny rantsankazo iray, eo akaiky eo. Aorian’izany, dia lasa manidina ny vavy. Matetika izy no miverina amin’iny lahy iray iny ihany rehefa tonga indray ny fotoam-pananahana manaraka.
Tsy mieritreritra an’ilay vadiny ilay jejolahin’ny ala mikitroka, sady tsy miraharaha ny hikarakara ny zanany raha tsy rehefa tonga indray ny fotoana manaraka hitadiavam-bady. Tsy miraharaha mihitsy izy, fa miomana ho amin’ny fampirantiana manaraka raha mbola mitaiza irery ny zanany ny vavy. Rariny raha hieritreritra ianao fa toa misy fiangarana tokoa izany fizarana ny anjara asa izany, nefa tena mety tsara amin’ilay vavy sy amin’ireo zanany ny fihatahan’ny lahy. Rehefa dinihina tokoa, dia tsy fahendrena ny hananana vorona volondaoranjy handehandeha manodidina ny akaninao, toy ny tsy mahafahendrena ny fametrahana jiro manondro ny toeram-piafenanao.
Ny taranaka manaraka
Manafina tsara ireo atodiny roa misy pentimpentina manopy volontsôkôlà ny volo matrok’ilay akohovavim-bato. Vita tamin’ny fotaka ilay akany matevina, ary naraikitra tamin’ny rindrin’ny vatolampy tamin’ny alalan’ny roran’ilay vorona. Foy ireo atody rehefa avy nokotrehin-dreniny nandritra ny efatra herinandro. Na dia ratsy tarehy aza izy ireo raha vao foy, dia ampy fitaovana kosa mba hiatrehana ireo andro iainany ao amin’ilay akany. Fotoana fohy aorian’ny ivoahany avy ao amin’ny akoran’atody, hoy ny fanazavan’i Trail, dia mamikitra amin’ny alalan’ny hohony amin’ilay akany izy ireo, ary mikiraviravy amin’ny tongony matanjaka, sao tsy mahita hametrahan-tongotra ny reniny.
Mazoto mamahana ny zanany amin’ny voankazo, ary indraindray amin’ny bibikely na androngo, ilay reny. Mbola volontsôkôlà ihany ny lokon’ny volon’ny akoholahim-bato kely herintaona, fa efa misy sanga kely kosa ny lohany. Rehefa roa taona izy, dia lasa volondaoranjy mivolombolamena ilay volony volontsôkôlà teo iny, ka izany dia manova azy ho tonga “iray amin’ireo vorona faran’izay tsara tarehy indrindra eo amin’izao tontolo izao”, hoy ny nosoratan’ny olona iray mpandinika ny zavaboary.
Na dia ripaka aza ny ala fonenan’ny akoholahim-bato, dia manantena ireo tia ny natiora fa tsy hanaisotra ny fahafahan’ity mpandihy mareva-doko amazonianina ity hanohy ny dihiny mahavariana ho amin’ny fiainana, ny olombelona.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy mitovy amin’ilay akoholahim-bato perovianina, izay monina any amin’ny tehezan’ny Tendrombohitra Andes any Bolivia, Ekoatera, Kolombia, ary any Peroa, ity karazam-borona ity.
[Efajoro, pejy 19]
Kara-panondron’ny Akoholahim-bato
Anarana siantifika: Rupicola rupicola, na “mponina eny amin’ny vatolampy”
Fianakaviana: Cotingidae
Toerana ahitana azy: any avaratr’i Amerika Atsimo, any amin’ny debok’i Amazone, sy ny manodidina azy
Halavana: 30 santimetatra eo ho eo
Akany: Vita amin’ny fotaka sy akora avy amin’ny zavamaniry, natao feta tamin’ny rora, ary milanja 3,9 kilaograma
Taranany: Atody roa isan-taona mazàna; 27 ka hatramin’ny 28 andro ny fe-potoana fikotrehany — “anisan’ny fe-potoana lava indrindra ho an’ny vorona passereau”
[Sarintany, pejy 18]
(Jereo ny gazety)
Ny toeram-ponenan’ny akoholahim-bato avy any Guyana
AMERIKA ATSIMO
[Sary nahazoan-dalana]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Kenneth W. Fink/Bruce Coleman Inc.