Inona no Vahaolana avy Amin’Andriamanitra Momba Ireo Habibiana?
AHOANA no azo anakanana ny habibiana? Inona no vahaolana? Rehefa mandinika ny tantara isika, dia manjary miharihary fa tsy nahomby ny vahaolana avy amin’ny olombelona. Raha ny marina, dia misy fifanoheran-javatra lehibe, raha tsy fihatsarambelatsihy tsotra izao mihitsy aza, eo amin’ny fihetsiky ny mpitondra olombelona manoloana ilay raharaha.
Hevero, ohatra, ny taona 1995. Nanamarika ny tsingerin-taona faha-50 nifaranan’ny Fandripahana Tambabe nataon’ny Nazia sy ny Ady Lehibe Faharoa ary ny fipoahan’ny baomba ataomika, izy io. Tamin’io taona io, dia nisy lanonam-pahatsiarovana natrehin’ny mpitondra eto amin’izao tontolo izao, natao tany amin’ny faritra maro teto an-tany. Noho ny antony inona? Mba hampitana fahatsapana rikoriko noho ireny habibiana ireny, ka tsy hamerenana azy ireny intsony mihitsy. Nahamarika fifanoheran-javatra maharikoriko anefa ireo mpandinika sasany tamin’ireny lanonana ireny.
Fihatsarambelatsihy
Naniry ny ho hita ho mpanao asa soa na, fara faharatsiny, naniry ny tsy hoheverina ho mpanao ratsy, ireo solontena ara-pivavahana sy ara-panjakana rehetra, nandritra ireny lanonana nalaza dia nalaza ireny. Kanefa, ireo firenena izay nanameloka ireo habibiana tamin’ny lasa dia nanangona tahirim-pitaovam-piadiana, ka nanokana vola tsy toko tsy forohana ho amin’izany zava-kendrena izany. Etsy an-danin’izany, dia tsy nahavaha ny olana faran’izay lehibe, toy ny fahantrana sy ny fikororosiana ara-pitondran-tena ary ny fandotoana, izy ireo, fa nilaza matetika hoe tsy manana tahirim-bola ampy.
Mitady hanarona ny fanginany naharitra teo anoloan’ny habibian’ireo mpitondra tsy refesi-mandidy sy hanafina ny firaisany tsikombakomba amin’izy ireo, ny fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Tsy nisakana ny mpiray finoana tsy hifandripaka ireny fivavahana ireny. Ohatra, tamin’ny Ady Lehibe Faharoa, dia namono Katolika ny Katolika, ary namono Protestanta ny Protestanta, noho izy ireo samy hafa firenena, sy any amin’ny andaniny mpifahavalo. Samy nilaza ny tenany ho Kristianina ny andaniny sy ny ankilany, nefa nanao zavatra nifanohitra tanteraka tamin’ny fampianaran’i Jesosy. (Matio 26:52; Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 3:10-12; 4:20, 21). Nanao toy izany koa ny fivavahana hafa. Amin’izao andro izao, any amin’ny faritra maro samihafa amin’ny tany, dia mbola mampiseho habibiana ihany ny mpikambana ao amin’ireny fivavahana ireny.
Nihatsaravelatsihy ireo mpitarika ara-pivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Niampanga azy ireo toy izao i Jesosy: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ny mpaminany hianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ny olona marina, ka hoy hianareo: Raha niara-belona tamin’ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-dra ny mpaminany. Ka dia miampanga tena hianareo fa zanak’izay namono ny mpaminany.” (Matio 23:29-31). Nihambo ho tia an’Andriamanitra ireo mpitarika ara-pivavahana, nefa mpihatsaravelatsihy nanenjika an’i Jesosy sy ny mpianany.
Lesona omen’ny Baiboly
Misy lesona azo tsoahina avy amin’ny tantara tsy ara-pivavahana, nefa ny Baiboly no loharano anovozana lesona mahasoa indrindra. Tsy araka ny fomba fitsarana na ny fitsarana an-tendron’ny olombelona no anazavany ny tantara. Manazava ny tantara sy ny hoavy araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny Baiboly. — Isaia 55:8, 9.
Miresaka momba ny fisehoan-javatra tsara sy ratsy, ary koa momba ny olona tsara fanahy sy ratsy fanahy ny Soratra Masina. Matetika no misy lesona, mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, azo tsoahina avy amin’ireny fitantarana ireny. Nanatsoaka hevitra toy izao ny apostoly Paoly, rehefa avy nanonona fisehoan-javatra maromaro teo amin’ny tantaran’ny Isiraely fahiny: “Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika”. (1 Korintiana 10:11). Nanatsoaka lesona avy tamin’ny tantara ny tenan’i Jesosy mihitsy koa, rehefa nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” — Lioka 17:32.
Izay tsarovan’Andriamanitra sy izay hadinoiny
Nianarantsika avy ao amin’ny Baiboly fa arakaraka ny zavatra ataon’ny olona tsirairay no itadidian’Andriamanitra, na anadinoany azy. ‘Mamela heloka dia mamela heloka tokoa’ an’ireo izay nanota nefa mibebaka, Andriamanitra. (Isaia 55:7). Raha mibebaka ny olona iray ratsy fanahy, ka ‘miala amin’ny fahotany sady manao izay marina sy mahitsy, ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony’. — Ezekiela 33:14-16.
“Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany”, hoy ny nosoratan’i Paoly. (Hebreo 6:10). Noho izany, dia hamaly soa an’ireo izay ananany fahatsiarovana tsara i Jehovah. Nivavaka toy izao i Joba nahatoky: “Enga anie ka hanafina ahy any amin’ny fiainan-tsi-hita [fasana iombonan’ny olombelona rehetra] Hianao (...)! Ary hanendry fetr’andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy!” — Joba 14:13.
Mifanohitra amin’izany fa, araka izao nolazain’Andriamanitra tamin’i Mosesy izao no fomba hifampiraharahany amin’ny mpanao ratsy tsy mibebaka: “Hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko.” (Eksodosy 32:33). Eny, hohadinoin’Andriamanitra mandrakizay ireo ratsy fanahy.
Ilay Mpitsara farany
Andriamanitra no Mpitsara farany ny tantara. (Genesisy 18:25; Isaia 14:24, 27; 46:9-11; 55:11). Ambony ny fomba fitsarany, noho izany dia tsy hanadino ny habibiana maro be nampiharina tamin’ny olombelona izy. Amin’ny andron’ny fahatezerany ara-drariny, dia hotsarainy avokoa ny olona sy ny fikambanana tompon’andraikitra rehetra, izay tsy nibebaka. — Apokalypsy, toko faha-18, 19.
Anisan’izy ireny ny fitambarana manontolon’ny fivavahan-diso, omena ny anarana ara-panoharana hoe “Babylona lehibe” ao amin’ny Soratra Masina. Izao no voasoratra momba azy: “Ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” — Apokalypsy 18:2, 5.
Tokony ho nampianatra ny mpikambana ao aminy hanao ny tsara ireo fivavahana ireo, nefa tsy nanao izany. Noho izany, dia milaza toy izao ny Tenin’Andriamanitra momba ireo fivavahana rehetra eto amin’izao tontolo izao: “Teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany.” (Apokalypsy 18:24, izahay no manao sora-mandry.) Noho izy ireo tsy nampianatra ny mpikambana ao aminy mba ho tia ny mpiara-belona aminy sy ny mpiray finoana aminy, dia meloka ho nandatsa-dra ireny fivavahana ireny.
Antomotra ny tontolo vaovao!
Antomotra ihany rehefa ela ny ela ny fotoana hamongorana ny faharatsiana. (Zefania 2:1-3; Matio 24:3, 7-14). Aorian’izany, dia ho tonga ny fotoana ‘tsy hisian’ny alahelo, na ny fitarainana, na ny fanaintainana intsony’ ho an’ireo mponina sambatra eto an-tany. (Apokalypsy 21:3-5). Tsy hitranga intsony ny habibiana sy ny fandripahana, satria hesorina tsy ho eo am-pelatanan’ny olombelona ny fanapahana itỳ tany itỳ, ka homena ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izay eo am-pelatanan’i Jesosy Kristy, ilay “Andrian’ny fiadanana”. — Isaia 9:5, 6; Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.
Amin’izany fotoana izany, dia ho tanteraka amin’ny fomba feno ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 46:9, manao hoe: “Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany [Andriamanitra]”. Haharitra mandrakizay izany filaminana izany, satria nanambara mialoha toy izao ny Isaia 2:4: “Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Noho izany no anambaran’ny Salamo 37:11 mialoha toy izao: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” Eny, holazaina amin’izany fotoana izany fa “miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; velominy ao ny hoby”. — Isaia 14:7.
Midika izany rehetra izany fa antomotra ny tontolo vaovao. Ary ao amin’izany tontolo vaovao izany, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia hisy fisehoan-javatra hafa iray hitranga — ny fitsanganan’ny maty! Manome izao antoka izao ny Tenin’Andriamanitra: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny [tsy marina, NW ].” — Asan’ny Apostoly 24:15.
Nampiseho izany tamin’ny nananganany olona efa maty i Jesosy, fony izy teto an-tany. Ohatra, milaza toy izao ny fitantarana momba ny nananganany ankizivavy iray: “Nitsangana niaraka tamin’izay razazavavy ka afa-nandeha (...). Niaraka tamin’izay dia talanjona indrindra ny olona [nanatrika teo].” (Marka 5:42). Amin’ny fitsanganan’ny maty, dia hatsangana ireo izay novonoina tamin’ireo habibiana, ary koa ireo maty efa hatramin’ny ela, ka homena fahafahana hiaina mandrakizay eo amin’ny tany zary paradisa. (Lioka 23:43). Ary rehefa mandeha ny fotoana, dia “tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza”. — Isaia 65:17.
Haneho fahendrena ianao raha mandray fahalalana araka ny marina ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra, sy manao ny sitrapony. Amin’izay, dia hotsarovan’Andriamanitra amim-pankasitrahana ianao rehefa hamaha mandrakizay ny olana momba ny habibiana izy, ka hamerina ho amin’ny fiainana ireo maty tamin’izany. Hoy i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” — Jaona 17:3.
[Sary, pejy 8, 9]
Hanova itỳ tany itỳ ho paradisa hilamina Andriamanitra
[Sary, pejy 10]
Hanaisotra ny vokatry ny habibiana tamin’ny lasa Andriamanitra, amin’ny fananganana ny maty