FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/8 p. 18-20
  • Nahoana Aho no Tsy Afaka Mampifantoka ny Saiko?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Aho no Tsy Afaka Mampifantoka ny Saiko?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miova ny fomba fisainanao
  • Fihetseham-po sy hôrmônina
  • Ny fahazaranao raha ny amin’ny torimaso
  • Sakafo sy fampifantohana saina
  • Ny taranaka amin’izao andron’ny tele sy ôrdinatera izao
  • Ahoana no Ahafahako Mampifantoka ny Saiko?
    Mifohaza!—1998
  • Fitaizana Tanora ho Lasa Olon-dehibe
    Mifohaza!—2011
  • Fa Maninona àry Aho?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Manontany ny Ray Aman-dreny
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/8 p. 18-20

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Tsy Afaka Mampifantoka ny Saiko?

“Tsy ampoizina ilay izy indraindray. Iny eo am-pihainoana tsara ao amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna iny aho, no indro tampotampoka eo, dia manomboka miriorio ny saiko. Folo minitra atỳ aoriana, dia mifantoka tsara indray aho.” — Jesse.

“E! MIHAINOA!” Mandre matetika ny mpampianatra anao na ny ray aman-dreninao miteny toy izany ve ianao? Raha izany no izy, dia angamba manana olana ianao eo amin’ny fampifantohana ny sainao. Mety hisy voka-dratsiny eo amin’ny naotinao izany. Ary mety ho hitanao fa diso fihevitra anao ny hafa, ka manilika anao hoe manonofinofy foana ianao, na hoe tsy mahalala fomba tsotra izao.

Ny mbola zava-dehibe kokoa aza, dia mety hisy voka-dratsiny eo amin’ny fahasalamanao ara-panahy ny tsy fahaizanao mihaino tsara. Rehefa heverina tokoa, dia ny Baiboly mihitsy no mandidy toy izao: “Tandremo ny fihainonareo”. (Lioka 8:18). Didiana ‘hitandrina mafimafy kokoa’ ny fihainoana zavatra ara-panahy ny Kristianina, raha ny marina. (Hebreo 2:1). Ary raha sarotra aminao ny mampifantoka saina, dia mety ho sarotra aminao koa ny manaraka io torohevitra io.

Inona no mety ho olana? Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety ho vokatry ny olana ara-batana ny tsy fahaiza-mampifantoka saina. Inoan’ny mpikaroka sasany, ohatra, fa anisan’ny mahatonga ny trouble déficitaire de l’attention (tsy fahaiza-mampifantoka saina) ny tsy fiasana tsaran’ny rafitra mampita ny hetsiky ny hozatra ao amin’ny atidoha.a Manana olana, toy ny tsy fandrenesana na tsy fahitana tsara, ny tanora sasany, fa tsy fantatra. Mety hanakantsakana ny fahafahan’ny olona iray hihaino tsara koa ireo zavatra ireo. Hitan’ireo mpikaroka fa sarotra kokoa amin’ny tanora noho ny amin’ny olon-dehibe ny mampifantoka saina, amin’ny ankapobeny. Fahita eo amin’ny tanora àry ny tsy fihainoana tsara, nefa matetika izany no tsy vokatry ny tsy metimety ilana fitsaboana.

Miova ny fomba fisainanao

Raha mahita fahasahiranana ianao amin’ny fampifantohana ny sainao, dia tena azo inoana fa noho ianao mandia ny fotoan-tsarotry ny fitomboana. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony efa lehibe aho, dia nariako ny fahazazana.” (1 Korintiana 13:11). Eny, arakaraka ny ihalehibeazanao no iovan’ny fomba fisainanao. Araka ilay boky hoe Adolescent Development, dia “misy fahaiza-mihevitra vaovao (...) mipoitra eo am-piandohan’ny fotoana mahazatovo”. Mihamitombo ny fahaizanao mahatakatra sy mamakafaka eritreritra sy hevitra ankapobe. Manomboka manana fahatakarana lalina kokoa ny fitsipi-pitondran-tena, ny fitsipika arahina ary ny raharaha hafa mivelatra kokoa, ianao. Manomboka mieritreritra momba ny hoavinao, toy ny olon-dehibe, ianao.

Inona no mety ho olana? Mety ho tena mampiriorio saina ny fisian’ireo eritreritra sy hevitra vaovao rehetra ireo mihodinkodina ao an-tsainao ao. Tsy mieritreritra amin’ny fomba tsotra, toy ny zaza intsony ianao. Manosika anao hamakafaka sy hametra-panontaniana momba izay hitanao sy renao izao ny atidohanao. Mety hanosika ny sainao hiriorio sy ho taitaitra ny fanazavana iray nataon’ny mpampianatra na ny mpandaha-teny. Mety hamoy fanazavana sarobidy anefa ianao, raha tsy mianatra ny mifehy ny eritreritrao miriorio. Mahaliana fa lazain’ny Baiboly hoe nandany fotoana nisaintsainana mangina i Isaka, lehilahy marina. (Genesisy 24:63). Angamba mety hanampy anao mba hifantoka kokoa, amin’ny fotoana hafa, ny fanokanana fotoana fohy isan’andro hipetrahana sy hisaintsainana ary hahitana mazava ny fipetraky ny toe-javatra.

Fihetseham-po sy hôrmônina

Mety ho avy amin’ny fihetseham-ponao koa no mahatonga ny sainao hiriorio. Miezaka ianao mifantoka amin’izay vakinao na henoinao, nefa hitanao fa lasa any amin’ny zavatra hafa ny eritreritrao. Mbetika ianao sorisorena, mbetika mientanentana, mbetika ianao kivikivy, mbetika falifaly be. Aza matahotra anefa! Tsy ho lasa adala akory ianao. Azo inoana tokoa fa ny hôrmôninao fotsiny no manakorontana anao. Fiovana mampiavaka ny fe-potoana mahamaoty izao diavinao izao.

Izao no nosoratan’i Kathy McCoy sy i Charles Wibbelsman: “Misy be dia be ireo fihetseham-po mandritra ireo taona mahazatovo (...). Anisan’ny mahatonga izany fiovaovan’ny toe-po izany ny mahazatovo anao. Misy fifandraisana amin’ny fihenjanana vokatry ny fiovana rehetra tsapanao amin’ny tenanao amin’izao fotoana izao izany.” Ambonin’izany, dia mihamanatona ny “fahatanorana vao mivelatra”, izany hoe ny fotoana mahafaran’izay mafy ny faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy, ianao. (1 Korintiana 7:36, NW ). Hoy ilay mpanoratra atao hoe Ruth Bell: “Matetika ny fiovan’ny vatana mandritra ny fe-potoana mahamaoty no mitondra fahatsapana mafy kokoa faniriana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mety ho hitanao fa mieritreritra bebe kokoa momba ny lahy sy ny vavy ny tenanao, ary mora taitra kokoa ny fanirianao, ka indraindray aza dia mieritreritra foana momba ny mahalahy sy ny mahavavy ianao.”b

Niriorio saina toy ny zatovo rehetra i Jesse, voatonona terỳ am-piandohana: “Lasa any amin’ny ankizivavy ny saiko indraindray, na any amin’ny zavatra mampanahy ahy, na any amin’ny zavatra hataoko rehefa avy eo.” Ho tony ihany ny firongatry ny fihetseham-po, amin’ny farany. Mandra-pahatongan’izany aloha, dia miezaha hanitsy tena. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko”. (1 Korintiana 9:27). Arakaraka ny hianaranao hifehy ny fihetseham-ponao no hahaizanao hampifantoka ny sainao.

Ny fahazaranao raha ny amin’ny torimaso

Mila torimaso ampy ny vatanao mihalehibe mba hitomboanao ara-batana, sy mba hamelana ny sainao hahita mazava ny hevitra sy ny fihetseham-po vaovao maro atrehinao isan’andro. Tsy mamela afa-tsy fotoana fohy hatoriana anefa ny fandaharam-potoana arahin’ny zatovo maro. Manazava toy izao ny manam-pahaizana iray momba ny rafi-pitatitra: “Tsy hohadinoin’ny vatana ny ora maro tsy natoriana. Mifanohitra amin’izany aza, fa hotadidiny foana izany, ary hotakiny tampoka. Amin’izay, dia ho very tadidy ianao, sy ho sahirana hampifantoka ny sainao, ary hiadana be ny fiasan’ny sainao.”

Misy mpikaroka sasany mihevitra fa afaka manatsara be ny fahaizan’ny sainao mifantoka ny ora iray na mihoatra amboniny hatoriana, isan’alina. Marina aloha fa manameloka ny hakamoana sy ny fitiavan-torimaso ny Baiboly. (Ohabolana 20:13). Kanefa, fahendrena ny miala sasatra tsara mba hahafahana hiasa amin’ny fomba mandaitra. — Mpitoriteny 4:6.

Sakafo sy fampifantohana saina

Mety ho olana hafa koa ny sakafo haninao. Zatovo betsaka no tia sakafo matavy sy be siramamy. Lazain’ireo mpikaroka fa toa mampihena ny fahiratan-tsaina ny sakafo tsy manjary, na dia mety ho tsara tsiro aza. Mampiseho koa ny fandinihana fa mihena ny zava-bitan’ny saina aorian’ny nihinanana sakafo be gliosida, toy ny mofo, ny voamadinika, ny vary na ny paty. Angamba satria ny gliosida mampitombo ny habetsahan’ny zavatra simika antsoina hoe sérotonine ao amin’ny atidoha, ka mahatonga ilay olona ho rendremana. Noho izany, dia manoro hevitra ny hihinanana sakafo be prôteinina, alohan’ny hanaovana zavatra iray mitaky fahiratan-tsaina, ny manam-pahaizana manokana sasany momba ny sakafo mahavelona.

Ny taranaka amin’izao andron’ny tele sy ôrdinatera izao

Efa tsapan’ny mpanabe maro hatramin’ny taona maro fa manafohy ny fotoana ahafahan’ny tanora mampifantoka ny sainy ny tele sy ny sary haingam-pihetsika asehony. Ary manome tsiny ny ôrdinatera koa ny mpanabe sasany ankehitriny. Mbola misy ady hevitra be eo amin’ireo manam-pahaizana manokana ny amin’ny hoe inona marina no vokatr’ireny teknôlôjia maoderina ireny eo amin’ny tanora. Na dia izany aza, dia tsy hety hahasoa mihitsy ny fandaniana fotoana lava loatra ijerena tele na anaovana lalao amin’ny ôrdinatera. Miaiky toy izao ny tanora iray: “Noho ny lalao vidéo sy ny ôrdinatera ary ny Internet, dia volavolaina hahazo haingana izay ilainay izahay ankizy.”

Izao anefa no olana: Zavatra maro eo amin’ny fiainana no tsy azo raha tsy misy ezaka sy fikirizana ary faharetana heverina ho lany andro. (Ampitahao amin’ny Hebreo 6:12; Jakoba 5:7.) Koa aza mihevitra velively hoe tsy maintsy hihetsika haingana sy hampiala voly ny zavatra vao hisy vidiny. Na dia mety hampiala voly aza ny fijerena tele sy ny fanaovana lalao ao amin’ny ôrdinatera, nahoana raha mba manao sary hoso-doko, sary ataon-tanana, na mianatra mitendry zavamaneno? Mety hampitombo ny fahaizan’ny sainao mifantoka ny fahaizana toy izany.

Misy fomba hafa azonao ampitomboana ny fahaizan’ny sainao mifantoka ve? Eny tokoa, ary handinika ny sasany amin’izy ireny ny lahatsoratra iray amin’ny hoavy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1994, pejy faha-3-12, sy ny Mifohaza! tamin’ny 8 Jolay 1996, pejy faha-11-13, ary ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Febroary 1997, pejy faha-5-10.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent... Comment cesser de penser à l’autre sexe?”, ao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Aogositra 1994 (frantsay).

[Teny notsongaina, pejy 20]

Lazain’ireo mpikaroka fa toa mampihena ny fahiratan-tsaina ny sakafo tsy manjary

[Teny notsongaina, pejy 20]

“Lasa any amin’ny ankizivavy ny saiko indraindray, na mieritreritra momba ny zavatra mampanahy ahy (...), aho”

[Sary, pejy 19]

Hitanao ho sarotra ve matetika ny mihaino tsara any an-dakilasy?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara