FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/6 p. 18-20
  • Ny Safidiko Nanoloana Ray Anankiroa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Safidiko Nanoloana Ray Anankiroa
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nihalehibe tao amin’ny tontolo iray feno fankahalana
  • Fiovan’ny fomba fisainana
  • Safidy sarotra ho an’ny olona 17 taona
  • Fijoroana hentitra kokoa
  • Valy faty
  • Nitsoaka tany Gresy
  • Nihaona indray rehefa afaka enin-taona
  • Ilay Fianakaviana Tia Ahy Marina Tokoa
    Mifohaza!—1995
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Tsy Nankahala An’ny Dadanay Intsony Aho
    Manova Olona ny Baiboly
  • Tafavoaka Soa Aman-tsara Aho Noho ny Fanampian’Andriamanitra
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/6 p. 18-20

Ny Safidiko Nanoloana Ray Anankiroa

“Tsy zanako intsony ianao! Izao dia izao, dia mialà amin’itỳ trano itỳ, ary aza miverina raha tsy efa miala amin’io fivavahana io!”

LASA nandeha aho, tsy nitondra afa-tsy ny akanjo teny an-koditro fotsiny. Nirefodrefotra teny amin’ny manodidina ny bala tafondro tamin’iny alina iny, ary tsy fantatro hoe aiza no haleha. Enin-taona mahery tatỳ aoriana aho vao niverina tao an-trano.

Inona no nety ho nampisafoaka aoka izany ny ray iray ka nahatonga azy handroaka ny zanany naterany? Mamelà ahy hanazava ny fomba niantombohan’izany rehetra izany.

Nihalehibe tao amin’ny tontolo iray feno fankahalana

Ny ray aman-dreniko dia nipetraka tany Beyrouth, any Liban, tany izay nalaza taloha noho izy nanintona mpizaha tany. Kanefa, nanomboka tamin’ny 1975 ka hatramin’ny 1990, dia nanjary sehatry ny ady nandrava iray ilay tanàna. Teraka tamin’ny 1969 aho, ary lahimatoa tao amin’ny fianakaviana armeniana iray nisy ankizy telo. Araka izany, dia fotoam-pandriampahalemana no voaloham-pahatsiarovako.

Anisan’ny Eglizy Apostolika Armeniana ny ray aman-dreniko, saingy tsy nitondra anay tany am-piangonana i Neny, afa-tsy indroa isan-taona monja — amin’ny Paka sy Krismasy. Koa tsy dia tena mpivavaka be àry ny fianakavianay. Na dia izany aza, dia nalefa tany amin’ny lise evanjelika izay nandraisako fampianarana ara-pivavahana, aho. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy nahaliana ahy koa ny fivavahana.

Ny zavatra iray nianaran’ny Armeniana maro be tamin’ny fahazazana, dia ny mankahala ny Tiorka. Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nandripaka Armeniana ana hetsiny maro ireo Tiorka ary nifehy ny ampahany lehibe tamin’ny tanin’i Armenia. Tamin’ny 1920, ny tapany atsinanana sisa tavela dia nanjary repoblika iray tao amin’ny Firaisana Sovietika. Tamin’ny naha-tanora ahy, dia tapa-kevitra ny hiady aho mba hahazoana antoka fa tena hisy ny rariny.

Fiovan’ny fomba fisainana

Kanefa, tao anatin’ireo taona 1980, teo antenatenan’ireo taona naha-zatovo ahy, dia nanomboka nanova ny fomba fisainako ireo zavatra nolazain’ny anadahin-dreniko tamiko. Nambarany fa tsy ho ela, dia hanarina ny tsy rariny rehetra ilay Andriamanitra Tsitoha. Nohazavainy fa amin’ny alalan’ilay Fanjakana izay nampianarin’i Jesosy Kristy an’ireo mpanara-dia azy mba hangatahina amin’ny vavaka, na dia ireo novonoina tamin’ny fandripahana aza dia hatsangana ho amin’ny fiainana eto an-tany. — Matio 6:9, 10; Asan’ny Apostoly 24:15; Apokalypsy 21:3, 4.

Nientam-po aho. Ta hahafantatra bebe kokoa aho ka nanohy nametraka fanontaniana taminy. Izany dia nitarika ho amin’ny fianarana Baiboly, izay natao tany an-tranon’ny Vavolombelona iray hafa.

Rehefa nianatra momba an’i Jehovah, ilay Raiko any an-danitra, aho ka nanjary tia azy bebe kokoa hatrany, dia nanomboka natahotra sao hiatrika fanapahan-kevitra sarotra indray andro any — dia ny hisafidy na ny fianakaviako na i Jehovah Andriamanitra. — Salamo 83:18.

Safidy sarotra ho an’ny olona 17 taona

Tamin’ny farany, dia ren’i Neny ny fifandraisako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Sosotra be izy ary nandidy ahy hampitsahatra ny fianarako Baiboly. Rehefa takany fa zava-dehibe tamiko ireo hevitra nekeko mafy, dia nandrahona ny hilaza izany tamin’i Dada izy. Tsy niraharaha izany aho tamin’izay fotoana izay, satria nieritreritra aho fa ho afaka ny hiatrika ilay raharaha ka hampiseho ny safidiko. Diso hevitra anefa aho.

Rehefa fantatr’i Dada fa niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia nisafoaka izy. Nandrahona ny handroaka ahy hiala ny trano izy raha tsy nampitsahatra ny fianarako Baiboly aho. Nolazaiko taminy fa tsy hamela izany aho, satria ny zavatra nianarako dia ny fahamarinana. Rehefa avy nikiakiaka, sy nitabataba ary nanozona izy, dia nanomboka nitomany tahaka ny ankizikely. Nitalaho tamiko ara-bakiteny izy mba hampitsahatra ny fiarahako tamin’ny Vavolombelona.

Voazarazara ara-pihetseham-po aho, sahiran-tsaina teo anoloan’ny ray anankiroa — Jehovah sy izy. Fantatro fa samy tia be ahy daholo izy ireo, ary niriko ny hanome fahafaham-po azy ireo; kanefa toa tsy azo natao izany. Nihoatra noho izay azoko nozakaina ny fanerena. Nilaza tamin’i Dada aho fa hanao izay tiany aho, tamin’ny fanjohiana hevitra fa ho afaka hanohy indray ny fianarako sy ho tonga Vavolombelona, rehefa nihalehibe. Vao 17 taona monja aho tamin’izay.

Tamin’ireo andro nanaraka, dia nahatsiaro henatra noho izay nataoko aho. Tsapako fa tsy faly tamiko i Jehovah ary koa fa tsy natoky ireo tenin’i Davida mpanao salamo aho, teny izay nilaza toy izao: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10). Mbola tany amin’ny lise anefa aho, ary mbola ny ray aman-dreniko no nandoa ny lany tamin’ny fianarako.

Fijoroana hentitra kokoa

Tsy nitsidika ny dadatoako aho ary tsy nanana fifandraisana tamin’ireo Vavolombelona nandritra ny roa taona mahery, satria fantatro fa nanara-maso ny fihetsiko rehetra ny ray aman-dreniko. Indray andro, tamin’ny 1989, teo amin’ny faha-20 taonako, dia nifanena tamin’ny Vavolombelona iray fantatro aho. Nanontany tamin-katsaram-panahy izy raha ho tiako ny hitsidika azy. Koa satria izy tsy niresaka na inona na inona momba ny fianarana Baiboly, dia nandeha nitsidika azy aho tamin’ny farany.

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nianatra Baiboly sy nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Efitrano Fanjakana aho. Tany amin’ny toeram-piasako aho no nianatra, toerana izay tsy nahafahan’iza na iza nanelingelina ahy. Ho vokany, dia nanjary nahatakatra tsara kokoa ny toetra be fitiavana nananan’i Jehovah aho, ary koa nahazo tsara kokoa ny hasarobidin’ny fananana sy ny fihazonana fifandraisana akaiky aminy ao anatin’ny toe-javatra rehetra. Tamin’ny Aogositra tamin’io taona io ihany, dia nanomboka nizara tamin’ny hafa izay nianarako aho.

Tsy nahalala na inona na inona ny fianakaviako hatramin’io fotoana io. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana anefa, dia nifanandrina indray izaho sy ny raiko, saingy tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia voaomana tsara kokoa tamin’ilay izy aho. Niezaka nanontany tamim-pahatoniana izy hoe: “Marina ve, anaka, fa mbola miaraka amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ihany ianao?” Nanganohano ny ranomasony teo am-piandrasana ny valin-teniko. Nitomany mangina ny reniko sy ny anabaviko.

Nohazavaiko fa vao haingana aho no niaraka tamin’ireo Vavolombelona ary tapa-kevitra ny ho tonga iray amin’izy ireo aho. Tamin’izay, dia haingana be ny fitrangan-javatra. Nikiakiaka ireo teny hita eo am-piandohan’itỳ lahatsoratra itỳ i Dada. Avy eo, dia nambeda ahy izy sady nikiakiaka fa tsy hamela ahy ho tafavoaka velona ny trano. Afaka nanafa-tena aho, ary teo am-pihazakazahana nidina ny tohatra aho, dia reko ny zandriko lahy niezaka nampitony an’i Dada. Nivavaka tamin’i Jehovah aho hoe: “Manomboka izao dia ianao no Raiko. Ianao no nofidiko, ka miangavy anao aho hikarakara ahy.”

Valy faty

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nankany an-tranon’ny dadatoako i Dada, tamin’ny fiheverana fa hahita ahy tany. Namely an’i Dadatoa izy sady nitady hamono azy, nefa nisalovana ireo Vavolombelona nitsidika azy. Lasa nandeha i Dada sady nandrahona ny hiverina. Izay tokoa no nataony, fotoana fohy taorian’izay, niaraka tamin’ny miaramila nitondra basy. Nentin’izy ireo tany amin’ny etamazaoro miaramila ireo Vavolombelona sy ny dadatoako izay narary mafy.

Taorian’izay dia natomboka ny fikarohana ireo Vavolombelona hafa tao amin’ilay faritra. Notafihina koa ny tranon’ny iray tamin’izy ireo. Ireo boky, anisan’izany ny Baiboly, dia navangongo teo amin’ny arabe ka nodorana. Tsy izay ihany anefa. Nosamborina ny Vavolombelona enina ary koa ny olona sasany izay niara-nianatra tamin’izy ireo fotsiny. Napetraka tao amin’ny efitra kely iray izy rehetra, nanaovana famotorana, ary avy eo, dia nokapohina. Nodorana tamin’ny sigara ny sasany. Niely haingana be teny amin’ny manodidina ny vaovao nahakasika ireo fisehoan-javatra ireo. Nitady ahy hatraiza hatraiza ireo miaramila. Nangataka azy ireo ny raiko mba hitady ahy sy hampiova hevitra ahy, tsy maninona izay fomba ampiasainy.

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nitsofoka tao amin’ny Efitrano Fanjakana ireo miaramila, raha mbola nanao fivoriana tao ny iray tamin’ireo kongregasiona. Nasain’izy ireo nivoaka ilay efitrano ny kongregasiona iray manontolo — lehilahy, vehivavy sy ankizy. Notanana ny Baibolin’izy ireo ary nasaina nandeha an-tongotra nankany amin’ny etamazaoro miaramila izy ireo, ary tany dia nanaovana famotorana.

Nitsoaka tany Gresy

Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nokarakarain’ny fianakaviana Vavolombelona iray izay lavitra ny toerana nisy hotakotaka, aho. Iray volana tatỳ aoriana, dia nandao ilay tany aho, ho any Gresy. Rehefa tonga tany aho, dia nanolotra ny fiainako ho an’i Jehovah Andriamanitra ary natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenako.

Tany Gresy aho, dia nahatsapa ny fikarakarana be fitiavan’ny fianakavian’ny mpirahalahy ara-panahy izay nahafaoka olona avy tamin’ny firenena maro — anisan’izany ny Tiorka. Niainako ny fahamarinan’ireo tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.” — Marka 10:29, 30.

Nijanona tany Gresy aho nandritra ireo telo taona nanaraka. Na dia imbetsaka aza aho no nanoratra tany amin’i Dada, dia tsy namaly mihitsy izy. Nisy nilaza tamiko tatỳ aoriana fa isaky ny nisy namana tonga nitsidika ka nanontany azy momba ahy, dia nilaza izy hoe: “Tsy manan-janaka manana an’izany anarana izany aho.”

Nihaona indray rehefa afaka enin-taona

Niverina nipetraka teto Beyrouth aho tamin’ny 1992, rehefa nifarana ny ady. Tamin’ny alalan’ny namana iray, dia nampahafantatra ny raiko aho fa naniry hiverina tany an-trano. Namaly izy fa horaisina an-tanan-droa aho — kanefa raha toa ka niala tamin’ny finoako. Koa nipetraka tao amin’ny efitrano nohofana aho nandritra ny telo taona nanaraka. Avy eo, tamin’ny Novambra 1995, dia tonga tampoka tany amin’ny toeram-piasako i Dada ary nangataka ny hihaona tamiko. Tsy teo aho tamin’izay, koa namela hafatra izy nilaza fa naniry ny hodiako tany an-trano. Tamin’ny voalohany, dia hitako ho sarotra ninoana ilay izy. Koa tamim-pisalasalana be no nandehanako nitsidika azy. Fihaonana nampihetsi-po ilay izy. Nilaza izy fa tsy nampaninona azy intsony ny maha-Vavolombelona ahy ary naniry izy ny hodiako tany an-trano!

Ankehitriny aho, dia manompo amin’ny maha-loholona kristiana sy mpanompo manontolo andro ao amin’ny kongregasiona iray miteny armeniana. Matetika aho no mifanena amin’ny olona tahaka ny raiko izay manohitra ireo mpianakaviny noho izy ireo maniry hanompo an’i Jehovah. Takatro fa nino tamim-pahatsorana i Dada fa nanao izay mahitsy izy tamin’ny fanoherana ny fanompoam-pivavahako. Na ny Baiboly aza dia mampiomana ireo Kristiana amin’ny filazana fa azo ampoizina ny fanoheran’ny fianakaviana. — Matio 10:34-37; 2 Timoty 3:12.

Manantena aho fa indray andro any, dia hiara-manana amiko ny fanantenana ao amin’ny Baiboly ny amin’ny tontolo tsara kokoa iray ho avy ny raiko sy ny sisa amin’ny fianakaviako. Amin’izay dia tsy hisy intsony ady sy vonoan’olona, ary tsy hisy intsony olona handao ny taniny na henjehina noho ny rariny. (2 Petera 3:13). Ary amin’izay ny olona dia tsy ho voatery hanao safidy manoloana zavatra roa izay samy hankamamin’ny fony aoka izany. — Nisy nanome.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara