FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/6 p. 4-7
  • Voagadran’ny Fahantrana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voagadran’ny Fahantrana
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hanoanana sy tsy fahampian-tsakafo
  • Tsy fahasalamana
  • Tsy fananana asa sy karama kely
  • Fanimbana ny tontolo iainana
  • Fianarana
  • Trano ipetrahana
  • Mponina
  • Ezaka Natao Hanafoanana ny Fahantrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ny fitomboan’ny fahantrana​—loza mananontanona ny rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Akaiky ny Faran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/6 p. 4-7

Voagadran’ny Fahantrana

TAMIN’NY taona 33 am.f.i., dia nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy hoe: “Ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva”. (Matio 26:11, Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara). Inona indrindra no tiany holazaina? Nilaza ve izy fa tsy ho resy mihitsy ny fahantrana?

Hoy i James Speth, mpitantan-draharaha ao amin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana Momba ny Fampandrosoana: “Tsy azontsika ekena ho eto amintsika foana [ny fahantrana]. Ny tontolo maoderina dia manana ny loharanon-karena sy ny fahaiza-manao ary ny fahaizana manokana ilaina mba hanilihana ny fahantrana ho tantara fotsiny sisa.” Afaka mamongotra ny fahantrana ve anefa ny tontolo maoderina?

Hita miharihary fa matoky ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana fa afaka manafoana ny fahantrana ny ezaka ataon’ny olombelona, satria nambarany ho ny folo taona voalohany antsoina hoe “Folo Taonan’ny Firenena Mikambana ho Famongorana ny Fahantrana”, ireo taona 1997 ka hatramin’ny 2006. Nanolo-kevitra ny hiara-miasa amin’ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka ary ny fikambanana ny ONU mba hampivoarana ny toe-karena, hanapariahana ny sampan’asa ho an’ny vahoaka, hanatsarana ny toeran’ny vehivavy ary hamoronana fidiram-bola sy asa.

Izany ka tanjona mendri-kaja! Hahatratra azy ireo ve anefa ny fitambaran’olona eto an-tany indray andro any? Diniho ny sasany amin’ireo vato misakana ny ezaka ataon’ny olombelona mba hamongorana ny fahantrana.

Hanoanana sy tsy fahampian-tsakafo

I Ayembe, izay monina any Zaïre, no mpamelona ny mpianakaviny 15. Indraindray, ilay fianakaviana dia mahita hohanina indray mandeha isan’andro — koban-katsaka nolaroana ravi-mangahazo sy sira ary siramamy. Indraindray, dia tsy manan-kohanina izy ireo mandritra ny roa na telo andro. “Andrasako hitomany sakafo ireo ankizy vao mahandro aho”, hoy i Ayembe.

Tsy maningana izy ireo. Atỳ amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, dia olona 1 amin’ny 5 no mandry fotsy isan’alina. Maneran-tany, dia olona tokony ho 800 tapitrisa — ankizy ny 200 tapitrisa amin’ireo — no tsy ampy sakafo lava izao. Tsy mitombo ara-dalàna ireny ankizy ireny; manjary farofy izy ireny. Ambany dia ambany ny fahaizany any an-tsekoly. Mizaka ny vokatr’ireo zavatra ireo izy, rehefa lehibe. Araka izany, dia matetika ny fahantrana no mitarika ho amin’ny tsy fahampian-tsakafo, ary io indray kosa dia anisan’ny mampahantra ny olona.

Tena miely patrana aoka izany ny fahantrana sy ny hanoanana ary ny tsy fahampian-tsakafo, hany ka tsy mahafongana azy ny ezaka ara-politika sy ara-toe-karena ary sosialy. Eny tokoa, tsy mihatsara ny tarehin-javatra, fa miharatsy kosa.

Tsy fahasalamana

Araka ny voalazan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana, dia ny fahantrana no “aretina mahafaty indrindra eto an-tany” sy “antony fototra tokana lehibe indrindra izay mahatonga fahafatesana sy aretina ary fijaliana”.

Nomarihin’ilay boky hoe An Urbanizing World: Global Report on Human Settlements, 1996 fa olona 600 tapitrisa, fara fahakeliny, any Amerika Latina sy Azia ary atỳ Afrika, no mipetraka ao amin’ny trano tsizarizary aoka izany — izay zara raha misy rano sy zavatra fidiovana ary fanarian-drano maloto — hany ka tandindomin-doza tsy an-kijanona ny ainy sy ny fahasalamany. Olona maherin’ny arivo tapitrisa, maneran-tany, no tsy manana rano madio. Zato tapitrisa no tsy afaka mahita sakafo voalanjalanja. Manasarotra ny fisorohan’ny mahantra ny aretina ireo anton-javatra rehetra ireo.

Matetika koa ny mahantra no tsy afaka mitsabo tena. Mety tsy ho afaka hividy fanafody na hahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy ny mahantra, rehefa marary. Maty tanora ny mahantra; mety ho taizan’aretina ireo velona maharitra kokoa.

Hoy i Zahida, mpivarotra an-tsena, any Maldives: “Midika ho tsy fahasalamana ny fahantrana, ary tsy afaka miasa ianao rehefa tsy salama.” Miteraka fahantrana mafy kokoa, mazava ho azy, ny tsy fananana asa. Ny vokany dia tsingerina mampijaly sy mahafaty izay ahitana ny fahantrana miteraka tsy fahasalamana ary ny tsy fahasalamana miteraka fahantrana.

Tsy fananana asa sy karama kely

Lafiny iray amin’ny fahantrana ny tsy fananana asa. Maneran-tany, dia olona tokony ho 120 tapitrisa afaka miasa no tsy mahita asa. Etsy an-danin’izany, dia olon-kafa tokony ho 700 tapitrisa matetika no miasa mandritra ny ora maro mba hahazoana karama kely izay tsy mahasahana ny zavatra ilainy fototra akory.

Mpitondra taxi môtô any Kambodja i Rudeen. Hoy izy: “Amiko ny fahantrana dia midika ho fiasana maherin’ny adiny 18 isan’andro, nefa mbola tsy mahazo vola ampy hamelomako ny tenako sy ny vadiko ary ny zanako roa ihany.”

Fanimbana ny tontolo iainana

Mifamatotra amin’ny fahantrana ny fanimbana ny tontolo iainana. Izao no fanamarihan’i Elsa, vehivavy mpanao fikarohana any Guyana, Amerika Atsimo: “Ny fahantrana dia ny fanimbana ny natiora: ny ala, ny tany, ny biby, ny ony ary ny farihy.” Intỳ koa misy tsingerina mandoza hafa iray — ny fahantrana dia mitarika ho amin’ny fanimbana ny tontolo iainana, izay mampitombo hatrany ny fahantrana.

Fomba fanao hatramin’ny ela ny fambolena mandra-pahalany tsiro ny tany na mandra-pampiasa azy ho amin’ny zava-kendrena hafa. Toy izany koa ny fandripahana ala — ny fikapana ny ala mba hahazoana hazo na kitay na tany hovolena. Koa satria mihamitombo ny isan’ny mponina eto an-tany, dia nanjary faran’izay sarotra ny tarehin-javatra.

Araka ny voalazan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho Fampandrosoana ny Fambolena, nandritra ireo 30 taona lasa, dia efa ho ny 20 isan-jaton’ny nofon-tany azo volena, eto an-tany, no tsy mamokatra intsony. Ny tsy fahampiam-bola sy ny tsy fahampian’ny teknôlôjia ilaina mba hanatanterahana ny fepetra fiarovana indrindra indrindra no nahatonga izany. Nandritra io fe-potoana io ihany, dia tany nirefy an-tapitrisany hektara maro no nanjary ngazana, vokatry ny rafitra fitarihan-drano tsy tsara orina sy tsy voakojakoja tsara. Ala mirefy an-tapitrisany hektara maro no kapaina, isan-taona, mba hanaovana fambolena na mba hahazoana hazo fisaka na kitay.

Mifandray amin’ny fahantrana amin’ny fomba roa io fanimbana io. Voalohany, matetika ireo mahantra no voatery manararaotra loatra ny tontolo iainana satria mila sakafo sy kitay. Ahoana moa no ahafahana miresaka momba ny fampandrosoana maharitra na ny hahasoa ny taranaka fara mandimby amin’ireo izay noana sy mahantra ary voatery manimba ny loharanon-karena voajanahary mba hahavelomana hatrany amin’izao fotoana izao? Faharoa, matetika ny manankarena no manararaotra loatra ny loharanon-karena eo amin’ny tontolo iainan’ny mahantra, mba hahazoany tombony. Koa mampitombo ny fahantrana ny fanimban’ny manankarena sy ny mahantra, ny loharanon-karena voajanahary.

Fianarana

Nilaza toy izao i Alicia, mpanao asa sosialy miasa an-tanàn-dehibe, any Philippines: “Ny hoe fahantrana dia reny iray mandefa ny zanany, tsy hianatra any an-tsekoly, fa hangataka eny an-dalam-be, raha tsy izany, dia tsy hisy ny hohanina. Fantatr’ilay reny fa mamerina tsingerina iray izay mangeja azy izy, nefa tsy hitany izay fomba azony andosirana izany.”

Ankizy 500 tapitrisa eo ho eo no tsy mianatra satria tsy misy sekoly. Olon-dehibe arivo tapitrisa no zara raha mahay taratasy mba hahitana asa. Raha tsy nahita fianarana ny tena, dia sarotra ny hahazo asa tsara. Koa ny fahantrana dia mitarika ho amin’ny tsy fahafaha-mianatra, izay mitarika ho amin’ny fahantrana mafy kokoa.

Trano ipetrahana

Tsy ampy ny trano ipetrahana any amin’ny firenena mahantra, ary na dia any amin’ny firenena manankarena sasantsasany aza. Milaza ny tatitra iray fa efa ho ny ampahefa-tapitrisan’ny mponina ao New York no efa nonina, nandritra ny fotoana tsy voafaritra, tao amin’ny fialofana ho an’ny tsy manan-trano, tato anatin’ny dimy taona. Misy mahantra koa any Eoropa. Olona tokony ho 400 000 no voarakitra an-tsoratra hoe tsy manan-kialofana, any Londres. Olona antsasa-tapitrisa no tsy manan-trano ipetrahana any Frantsa.

Ratsy kokoa ny tarehin-javatra atỳ amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana. Mirohotra mankany amin’ny tanàna sy tanàn-dehibe ny olona, satria voasinton’ny nofinofy hahita sakafo sy asa ary fiainana tsara kokoa. Any amin’ny tanàn-dehibe sasany, dia maherin’ny 60 isan-jaton’ny mponina no monina any amin’ny faritanàna feno trano tsizarizary. Miteraka ny fahantrana any an-drenivohitra ny fahantrana any ambanivohitra, araka izany.

Mponina

Vao mainka manampy trotraka ireo olana rehetra ireo ny fitomboan’ny isan’ny mponina. Nitombo avo roa heny mahery ny isan’ny mponina eto an-tany, tato anatin’ny 45 taona. Tombanan’ny Firenena Mikambana fa hiakatra ho 6,2 arivo tapitrisa io isa io amin’ny taona 2000, ary ho 9,8 arivo tapitrisa amin’ny taona 2050. Ny faritra mahantra indrindra eto an-tany no manana taha-pitomboana avo indrindra eo amin’ny isan’ny mponina. Tamin’ireo zaza sahabo ho 90 tapitrisa teraka tamin’ny taona 1995, dia 85 tapitrisa no teraka tany amin’ny tany zara raha afaka mamelona azy.

Heverinao ve fa, tampotampoka eo, dia hiara-miasa ny olombelona mba hamongorana mandrakizay ny fahantrana, amin’ny famahana ny olana ny amin’ny hanoanana, ny aretina, ny tsy fananana asa, ny fanimbana ny tontolo iainana, ny tsy fahitana fianarana, ny trano tsizarizary, ary ny ady? Angamba tsy izany.

Midika ve izany fa tsy misy fanantenana mihitsy? Tsia, satria efa tsinjo, ary azo antoka fa ho tonga, ny vahaolana. Tsy avy amin’ny ezaka ataon’ny olombelona anefa. Amin’ny fomba ahoana àry? Ary ahoana ny amin’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva”?

[Efajoro, pejy 7]

Ny Mahantra Indrindra Amin’ny Mahantra

Tamin’ny 1971, ilay fitenenana hoe “tany tsy mandroso indrindra” dia noforonin’ny Firenena Mikambana mba hilazalazana ny “tany an-dalam-pandrosoana mahantra indrindra sy osa indrindra ara-toe-karena”. Nisy 21 ny tany toy izany, tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny, dia misy 48 izy ireo, ary atỳ Afrika ny 33.

[Sary, pejy 5]

Olona an-tapitrisany maro no miasa mandritra ny ora maro, nefa kely karama

[Sary nahazoan-dalana]

Godo-Foto

[Sary, pejy 6]

Miara-misy ny fahatondrahan-karena sy ny fahantrana

[Sary, pejy 7]

Olona an-tapitrisany maro no mipetraka ao amin’ny trano tsizarizary

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara