FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/5 p. 26-28
  • Ny Puma — Hita dia Tsy Hita Tampoka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Puma — Hita dia Tsy Hita Tampoka
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitambaran-kozatra
  • Saika hatraiza hatraiza, nefa tsy hita maso
  • Saka iray manana anarana maro
  • Tokony hofoanana ve izy io?
  • Ny Lelan’ny Saka
    Nisy Namorona Ve?
  • Ilay Sakadia Tsy Fahita Firy
    Mifohaza!—2013
  • Ireo Saka Lasa Mpirenireny
    Mifohaza!—2004
  • Ilay “Mpanjakan’ny Alan’i Amerika”
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/5 p. 26-28

Ny Puma — Hita dia Tsy Hita Tampoka

Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Brezila

NIVADIKA ho sarotra lazaina ny lokon’ny lanitry ny ala mandon’i Amerika Atsimo, fotoana fohy talohan’ny nahatongavany ho maizina. Avy eo, nipoitra tampoka sy mangingina teo ny puma! Niditra maodimaody tao amin’ny fatrana izy ary nijanona tampoka.

Nandritra ny fotoana kelikely, dia tsy nihetsika ilay saka lehibe, afa-tsy ny lohan’ny rambony ihany, izay mihetsiketsika toy ny famafana fitara-piarakodia mamafa moramora. Avy eo, rehefa voamarik’ilay puma fa nisy nandinika izy, dia nitsambikina namakivaky an’ilay fatrana izy, ka nitsofoka tany anaty ala. Tamin’io tolakandro io, taona vitsivitsy lasa izay, dia fantatro hoe nahoana no nitondra ny anaran’izy io ny kiraro fitondran’ny mpihazakazaka sy ny fiara mandeha mafy ary ny fiaramanidina mpiady koa aza. Hita mazava fa ny puma, na cougar, ilay saka lehibe indrindra faharoa any Amerika, dia natao handeha mafy.a

Fitambaran-kozatra

Noho ny lokon’izy io ranoiray, mivolon-tany, ny puma dia mety hampahatsiahy anao ny liona vavy. Tsy mahitsizoro toy ny tarehin’ny liona vavy kosa anefa ny tarehiny. Boribory sady kely kosa ny lohan’ny puma, ary misy sofina boribory sy kely koa eo an-tampony. Raha jerena avy atỳ amin’ny ilany iray, ny lohany dia toy ny bala — mahitsy be sady lava. Mandinika anao amin’ny maso lehibe sy maitsomaitso izy. Ny faritra misy volony fotsy manodidina ny vavany dia mahatonga hieritreritra hoe natsobony tao anaty vilia nisy ronono ny vavany ka hadinony ny namafa azy. Mety hahatratra hatramin’ny 1,5 metatra mahery ny halavan’ny vatany, izay lava mahia, raha tsy isaina ny rambony matevina mainty.

Ny ranjony aoriana lava sy matanjaka dia mahatonga ny vodiny ho avo kokoa noho ny sorony. Ireo ranjo matanjaka ireo dia manome an’io fitambaran-kozatra milanja 60 kilao io ny hery lehibe hiaingana toy ny bala afomanga. Hita ho nitsambikina ambony hatrany amin’ny dimy metatra ny puma, amin’ny fitsambikinana mafy iray. Izany dia toy ny viki-miakatra misy tehina, nefa tsy misahirana mampiasa tehina!

Manaitra toy izany koa ny puma rehefa mitsambikina avy any ambony. Fantatra ho nitsambikina avy any amin’ny 18 metatra ambonin’ny tany izy io. Izany dia saika avo roa heny noho ny haavon’ny toerana itsambikinan’ny mpilomano antsitrika amin’ny lalao olympika, nefa ny puma dia tsy mba manana tombontsoa amin’ny fisian’ny dobo filomanosana feno rano atỳ ambany. Na izany aza, raha vao mikasika ny tany ilay saka, dia vonona ny hitsambikina handositra, toy ny hoe nilatsaka teo ambony kidoro izy.

“Biby matanjaka sy mahatalanjona izy io”, hoy ilay mpandinika bibidia atao hoe Kenneth Logan. “Raha vao fantatrao hoe ahoana no maha-velona an’ireo saka ireo, dia manjary mendrika fanajana be dia be izy ireo.” Tsara homarihina fa, toy ny hoe saika hita tampoka izy ireo, nefa tsy hita tampoka koa.

Saika hatraiza hatraiza, nefa tsy hita maso

Raha vao nanorim-ponenana tany Amerika ny mpanjana-tany voalohany, dia nameno an’ilay kontinanta manontolo, nanomboka tany Atlantika ka hatrany Pasifika, ny kijanan’ny puma. Nipetraka tany an-tendrombohitra, tany an-keniheny sy tany amin’ireo tany lava volo ary tany anaty ala koa, ireo pumas. Na dia noringanin’ireo mpihaza sy ireo mpiompy aza izao ny puma tany amin’ireo faritra maro amin’i Amerika Avaratra, dia mbola mitoetra ho ny saka mampiavaka ny Amerikana, izay mandehandeha avy any Kanada ka hatrany amin’ny tendron’i Amerika Atsimo ihany, izy io. Raha tombananao amin’ny alalan’ny fiparitahany ara-jeografia sy ny fahasamihafan’ny fonenany ny fahombiazan’ny biby iray, dia ho ny puma no biby amerikana mampinono mahomby indrindra amin’izao fotoana izao. Inona no tsiambaratelon’ny fahombiazany?

Ampy fitaovana mba hivelomana ny puma. Manana vavony matanjaka izy ary mampiasa fomba fihazana samihafa. Afaka mihinana izay mety ho karazan-tsakafo rehetra eo an-toerana izy. “Afaka mamono sy mitaritarika biby iray lehibe kokoa avo dimy heny noho ny tenany izy io, nefa koa mihinana valala izy raha tsy misy na inona na inona manodidina”, hoy ny dokoteram-biby iray nandinika ny tao anatin’ny vavonin’ny pumas maro be novonoina teto Brezila. “Raha ny sakafo no resahina, dia ny puma no afaka mihinana zavatra samihafa indrindra noho izay mety ho karazan-tsaka hafa rehetra.”

Mitaky fahaiza-mihaza samihafa koa ny sakafo samihafa. Ohatra, ny fisamborana vorona iray dia mitaky teknika hafa noho ny fisamborana diera iray. Ahoana no anaovan’ny puma izany? Any amin’ny ala atlantikan’i Brezila, dia misarika ny tinamou amin’ny fanahafana ny feon’ilay vorona izy. “Feo mitovy tanteraka”, hoy ny mpandinika iray. “Tsy miantso imbetsaka ny tinamou, fa ny puma kosa dia misioka foana — impolo na indroapolo.” Mahomby anefa ilay izy. Mihevitra ilay tinamou fa nisy vorona lahy mpitabataba iray niditra tao amin’ny tanànany, ka manapa-kevitra ny handeha hiatrika an’ilay fahavalony izy — fifindrana mahafaty.

Na any Amerika Avaratra ianao, na any Afovoany na Atsimo no mitady ny puma, dia matetika izy no afaka miafina — sahala amin’ny rivotra izay misy hatraiza hatraiza, nefa tsy hita maso. Ny mpamari-toetra matetika ampiasain’ny mpanao fikarohana mianatra momba ny puma dia hoe: “miafinafina sy sarotra tratrarina ary feno fitandremana”. Rehefa avy namono pumas 70 teo ho eo ny mpihaza iray, dia niaiky fa “tsy nahita na oviana na oviana ny iray tamin’ireo novonoiny izy raha tsy efa noteren’ireo alika hiakatra tamin’ny hazo iray izy io [talohan’ny namonoany azy]”. Tsy mahagaga raha niantso an’ilay saka hoe “sarotra tratrarina ka mahalasa adala” ireo mpanao fikarohana diso fanantenana!

Saka iray manana anarana maro

Tsy sarotra hita fotsiny anefa ilay saka mampiavaka ny Amerikana fa sarotra faritana koa. Ny puma, hoy ny The Guinness Book of Animal Records, “dia manana anarana maro kokoa noho izay mety ho biby mampinono hafa eo amin’izao tontolo izao”. Ankoatra ireo anarana mahery kelin’ny 40 fantatra amin’ny teny anglisy, “izy io dia manana anarana amerikana tatsimo 18 fara fahakeliny, ary anarana amerikana tavaratra 25 hafa”.

Ny hoe puma, anarana ampiasain’ny manam-pahaizana momba ny biby be indrindra, dia avy amin’ny fiteny quechua, any Peroa. Ny anarana vitsivitsy hafa omena an’io saka io dia ny hoe: lion’ny tendrombohitra, cougar, pantera sy tigra mena ary tigra diera.

Hoy ny nomarihin’ny Dr. Faiçal Simon, tompon’andraikitra ao amin’ny fitahirizam-bibin’i São Paulo, sady manam-pahaizana manokana momba ny puma: “Tsy dia mitovy loatra amin’ny toetra sy fahaizana ara-batan’ny saka lehibe hafa ny an’ny puma”. Tena karazan-tsaka hafa mihitsy izy io, isan-karazany ny habeny sy ny lokony. Karazana pumas hafa misy efa ho 30 no fantatra manerana ireo tanin’i Amerika, ka 6 amin’izy ireo no eto Brezila.

Tokony hofoanana ve izy io?

Ho an’ny mpiompy maro eto Brezila sy any amin’ny faritra hafa, ny puma dia biby tsy faniry ka mendrika ny hotifirina raha vao hita. Tena mendrika ny laza ho mpamono biby fiompy tsy mety reraka ve anefa ny puma? “Raha misy bibidia eo, dia tsy mamono biby fiompy loatra ny puma”, hoy ny nohazavain’ny Dr. Simon. “Ny nitrangan’izany tsindraindray dia azo antoka fa tsy manamarina ny famonoana tsikelikely an’io biby io. Raha ny marina, rehefa mamono pumas ireo mpiompy, dia mandrora mitsilany ihany.” Amin’ny fomba ahoana?

Ohatra, any Pantanal, eto Brezila, ao amin’ny heniheny iray lehibe kokoa noho i Korea Atsimo, izay misy biby fiompy tsy tambo isaina mivezivezy an-kalalahana, dia vonoin’ireo mpiompy ny puma. Ho vokatr’izany, hoy ny tantarain’ny Dr. Simon, dia mitombo haingana ny tatou, izay sakafo tian’ny puma ao amin’io faritra io. Ny tatou dia biby mampinono misy akorany mafy, mitovy habe amin’ny bitro lava sofina ary mpandavaka. Rehefa tsy misy puma manodidina, ny toerana firaofan’i Pantanal rehetra dia manjary avadik’ireo tatous ho saha famonoana. Amin’ny fomba ahoana?

Latsaka ao anatin’ireo lavaka ny tongotr’ireo biby fiompy ka tapaka ary maty izy. “Izao ireo mpiompy ireo dia very biby fiompy maro kokoa noho ny taloha, satria novonoin’izy ireo ny puma”, hoy ny Dr. Simon. “Ohatra hafa iray fotsiny izany, ny amin’izay mitranga rehefa misalovana amin’ny asan’ny natiora ny olombelona.”

Olona maro kokoa hatrany eto amin’ny tanin’i Amerika no maniry hiaro ny puma. Noho izany, ny manam-pahefana any amin’ny faritra sasany any Amerika Avaratra dia nanao lalàna maneho fiahiana ny puma, izay mifehy ny fihazana sy ny fiarovana ny fonenan’ilay saka.

Ho vokatr’izany, any andrefan’i Etazonia, dia miverina indray ny puma, mameno ny fonenany taloha. Marina fa tsy ny rehetra no faly amin’izany, nefa maro kosa no faly. Manamarika ny gazetiboky Smithsonian fa ny puma dia “niova (...) tamin’ny fomba nahafinaritra, tao anatin’ny fotoana fohy ihany, avy amin’ny biby tsy nirina, ho amin’ny biby tena tiana indrindra”.

Na ireo mpitia ny natiora na ny mpihaza dia samy tia ny puma. Ho an’irỳ voalohany, ilay saka dia marika lehibe mampiavaka ny tany efitra. Ho an’itỳ farany kosa anefa, dia mbola mitoetra ho loka azo tamin’ny fandresena izy io. Ny fanontaniana dia hoe: Hafiriana no hahafahan’ny puma ho sady ilay voalohany no ho ilay faharoa?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny saka lehibe indrindra any Amerika dia ny jagoara; jereo ny Mifohaza! 22 Aogositra 1990 (frantsay), pejy faha-25-27.

[Efajoro, pejy 27]

“Vonona ny Hiara-miaina Ve”?

Tsy hoe nampitombo fotsiny ny isan’ny puma na cougar ny lalàna miaro azy any andrefan’i Etazonia, fa nitarika ho amin’ny fitomboan’ny fifandonan’ny olombelona sy ny pumas koa. Mazava ny antony: Olona mitombo isa hatrany no manorim-ponenana any amin’ny sisin’ireo tany efitra — amin’ny tanin’ny puma — ka miteraka zava-manahirana eo amin’ny filaminam-bahoaka. Na izany aza, dia mbola mahalana be ny fanafihan’ny puma.

Voatahirin’ireo mpanao fikarohana fa nisy fanafihana 65 nataon’ny puma tamin’ny olombelona tany Etazonia sy Kanada, nanomboka tamin’ny 1890, izany hoe fanafihana 3 isaky ny dimy taona. Tamin’ireo fanafihana 65 ireo, dia angamba 10 no nahafaty. Ho fampitahana: Any Etazonia fotsiny, dia olona tokony ho 40 isan-taona no maty voatsindron’ny tantely.

“Raha jerena ny fahafahana misy”, hoy ny fanamarihan’ilay manam-pahaizana momba ny biby atao hoe Kevin Hansen, “ny fanafihana ny olona dia mahagaga fa fisehoan-javatra tena mahalana, toa manondro fahavononana lehibe avy amin’ny cougar mba hiara-miaina, fara faharatsiny, amin’ny olombelona.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Sary: Courtesy São Paulo Zoo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara