Manontany ny Tanora Hoe...
Ahoana ny Amin’ny Fireharehana Ara-pirazanana?
“Miresaka ny amin’ny firazanana sy ny volon-koditry ny hafa foana ny iray amin’ny mpiara-mianatra amiko”, hoy i Tanya, 17 taona, tamim-pisentoana. “Mihambo ho ambony kokoa noho izy ireny izy, amin’ny ankamaroan’ny resany.”
ARA-DALÀNA tsotra izao ny ireharehana ny amin’ny fianakaviana, ny kolontsaina, ny fiteny, na ny toerana niavian’ny tena. “Vietnamiana aho”, hoy ny zazavavy iray 15 taona antsoina hoe Phung, “ary ireharehako ny kolontsaiko.”
Matetika loatra anefa no mifanindran-dalana amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra ny fireharehana ara-pirazanana. Mety hanimba tsikelikely ny fifandraisana àry io fireharehana io, na dia rehefa afenina ao ambadiky ny fahalalam-pomba aza. Hoy i Jesosy Kristy: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” (Matio 12:34). Ary matetika no miseho etỳ ivelany ny fiheverana latsa-paka hoe ambony ny tena — na ny avonavona — ka miteraka ratram-po sy alahelo be.
Mivadika ho herisetra mihitsy aza ny fireharehana ara-pirazanana indraindray. Izy io no nandrehetana ady sy rotaka ary “fanadiovana ara-pirazanana” nandatsahan-dra be, tato anatin’ireo taona faramparany. Kanefa, tsy voatery hanatri-maso fandatsahan-dra ianao mba hahitanao ny lafiny maharikoriko amin’ny fireharehana ara-pirazanana. Ohatra, mahita porofon’izy io ve ianao any am-pianarana, any am-piasana, na eo amin’ny mpiara-monina aminao? “Eny tokoa”, hoy ny tanora kristiana iray antsoina hoe Melissa. “Ny sasany amin’ny mpiara-mianatra amiko dia maneso ny ankizy vahiny tsy mahay manonona tsara ny fiteninay, ary milaza fa tsara kokoa noho izy ireny ny tenany.” Mitantara toy izany koa i Tanya: “Tany am-pianarana aho dia efa nandre ankizy niteny nivantana tamin’ny hafa hoe: ‘Izaho tsara kokoa noho ianao.’ ” Tao amin’ny fanadihadiana iray tany Etazonia, dia efa ho ny antsasaky ny olona namaly no nilaza fa ny tenany mihitsy no efa niharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra, nandritra ny taon-dasa. “Tena mahazo vahana ny fifankahalana ara-pirazanana any am-pianaranay”, hoy ny tanora iray antsoina hoe Natasha.
Aoka hatao hoe mipetraka ao amin’ny tany iray na ny faritra iray nahatongavan’ny mpiavy be dia be ianao, ka izany dia niteraka fiovana lehibe teo amin’ny sekoly, ny fiaraha-monina, na ny kongregasiona kristiana misy anao. Tsy azoazonao ve ny ainao amin’izany? Raha izany no izy, dia angamba lafin-javatra mitana toerana lehibe kokoa ao an-tsainao, tsy araka ny iheveranao azy, ny fireharehana ara-pirazanana.
Fireharehana mety sy tsy mety
Midika ve izany fa ny fireharehana mihitsy no ratsy? Tsy voatery ho izany. Asehon’ny Baiboly fa manana ny toerany ny karazam-pireharehana mety. Nilaza toy izao ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra ho an’ny Kristiana tany Tesalonika: “Reharehan’ny tenanay hianareo eny amin’ny fiangonan’Andriamanitra”. (2 Tesaloniana 1:4). Toy izany koa fa mahasoa sady ara-dalàna ny fahatsapan-tena ho mendrika araka ny antonona. (Romana 12:3). Koa tsy ratsy akory ny mirehareha ihany ny amin’ny firazanana, ny fianakaviana, ny fiteny, ny volon-koditra, na ny toerana niavian’ny tena. Azo antoka fa tsy hotakin’Andriamanitra amintsika ny ho menatra ny amin’ny zavatra toy izany. Rehefa noheverina ho mpanao heloka bevava egyptiana ny apostoly Paoly, dia tsy nihambahamba izy nilaza hoe: “Izaho Jiosy avy any Tarsosy any Kilikia, tompon-tany amin’izay tanàna tsy kely laza”. — Asan’ny Apostoly 21:39.
Kanefa, mivadika ho zava-maharikoriko ny fireharehana ara-pirazanana, rehefa manolokolo fahatsapan-tena tafahoatra ho mendrika, na rehefa mahatonga ny tena hanambany ny hafa. Hoy ny Baiboly: “Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny làlana ratsy ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.” (Ohabolana 8:13). Ary hoy ny Ohabolana 16:18: “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.” Koa maharikoriko an’Andriamanitra àry ny fireharehana hoe ambony firazanana ny tena. — Ampitahao amin’ny Jakoba 4:16.
Ireo zavatra mahatonga ny fireharehana ara-pirazanana
Inona no mahatonga ny olona hirehareha tafahoatra ny amin’ny firazanany? Hoy ilay boky hoe Black, White, Other, nataon’i Lise Funderburg: “Ho an’ny olona maro, ny fiheverana voalohany (sady maharitra indrindra) azony momba ny firazanana dia avy amin’ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany.” Mampalahelo fa matetika loatra no voaolana na tsy voalanjalanja ny fiheverana ampitain’ny ray aman-dreny sasany. Mety hilazana mivantana ny tanora sasany fa ambony ny olona iray firazanana aminy, ary hafa na ambany kosa ny hafa firazanana. Matetika kokoa anefa no mahamarika fotsiny ny tanora fa tsy manana fifandraisana firy amin’ny olona hafa firazanana ny ray aman-dreniny. Mety hanan-kery be eo amin’ny fomba fisainany koa izany. Ahariharin’ny fanadihadiana fa na dia mety tsy hiombon-kevitra aza ny zatovo sy ny ray aman-dreniny, raha ny amin’ny fitafiana na ny mozika, dia tena miray hevitra amin’ny ray aman-dreniny ny ankamaroan’ny tanora, raha ny amin’ny firazanana.
Mety hipoitra koa ny fomba fihevitra tsy voalanjalanja momba ny firazanana, ho setrin’ny tsindry hazo lena sy ny fitondrana ratsy. (Mpitoriteny 7:7). Nisy mpanabe nanamarika, ohatra, fa matetika no mahatsapa tena ho tsy manana haja firy ny ankizy avy amin’ny antokom-pirazanana hafa. Niezaka hanitsy ny toe-javatra ny mpanabe sasany, ka namorona taranjam-pianarana izay ampianarana ny ankizy ny tantaran’ny firazanany. Mahaliana ny fanaporofoan-kevitry ny mpanao tsikera hoe tsy manao afa-tsy ny miteraka fanavakavaham-bolon-koditra io fanantitranterana ny amin’ny fireharehana ara-pirazanana io.
Mety handray anjara koa amin’ny fambolena fomba fihevitra ratsy momba ny firazanana, ny zavatra nodiavin’ny tena manokana. Ny fihaonana tsy nahafinaritra tamin’ny olona iray hafa firazanana dia mety hitarika ny tena hanatsoaka hevitra fa mahatsiravina na be di-doha ny olona rehetra avy amin’io firazanana io. Mety hipoitra toy izany koa ny fihetseham-po tsy tsara, rehefa manasongadina fifandonana ara-pirazanana sy herisetran’ny polisy ary fivoriamben’ny mpanohitra, ny fampitam-baovao, na rehefa mampiseho antokom-pirazanana amin’ny fomba ratsy.
Ilay hevi-dravina momba ny fahamboniana ara-pirazanana
Ahoana ny amin’ilay fihamboan’ny olona sasany hoe manan-jo hahatsapa tena ho ambony kokoa noho ny hafa ny firazanany? Voalohany aloha, dia mampisalasala ilay hevitra hoe tena azo tsinjaraina ho firazanana miavaka tsara ny olona. Nanao tatitra ny lahatsoratra iray ao amin’ny Newsweek hoe: “Amin’ireo mpahay siansa nandinika ilay raharaha, ny firazanana dia zavatra an’eritreritra izay fantatra fa sady mamitaka no sarotra faritana.” Marina fa mety hisy “tsy fitoviana azo marihina eo amin’ny volon-koditra sy ny toetoetran’ny volo ary eo amin’ny maso na ny orona”. Kanefa, nilaza ny Newsweek fa “etỳ ivelany ihany ireny tsy fitoviana ireny — ary na dia niezaka toy inona aza ireo mpahay siansa, tamin’ny ankapobeny, dia tsy afaka nahita tsy fitoviana lehibe maromaro izay mampiavaka ny antokom-pirazanana iray amin’ny hafa, izy ireo. (...) Izao no votoatiny, amin’ny ankamaroan’ny mpahay siansa miasa eo amin’ireo sehatra ireo: Ny firazanana dia ‘zavatra noforonina fotsiny eo amin’ny lafiny sosialy’ — fifangaroan’ny fitsarana an-tendrony sy ny finoanoam-poana ary ny hevi-dravina, dia fifangaroana [manimba]”.
Na dia azon’ny siansa atao aza ny mahita ny fiavahan’ny firazanana samy hafa, dia noforomporonina fotsiny ilay hevitra ny amin’ny firazanana “tsy misy fangarony”. Hoy ny fanamarihan’ny The New Encyclopædia Britannica: “Tsy misy izany firazanana tsy misy fangarony izany; mifangaro tanteraka ireo antokom-pirazanana rehetra misy ankehitriny.” Na ahoana na ahoana, dia ampianarin’ny Baiboly fa “nanao ny firenen’olona rehetra avy tamin’ny lehilahy iray”, Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 17:26, NW ). Na inona na inona volon-koditra, toetoetran’ny volo, na endriky ny tarehy, dia tsy misy afa-tsy firazanana tokana monja — ny an’ny olombelona. Mpihavana avokoa ny olombelona rehetra, avy amin’i Adama, razambentsika.
Fantatry ny Jiosy fahiny tsara fa iray fiaviana ny firazanana rehetra. Kanefa, na dia taorian’ny nahatongavany ho Kristiana aza, ny sasany dia nifikitra tamin’ilay finoana hoe ambony kokoa noho ny tsy Jiosy — anisan’izany ireo mpiray finoana taminy tsy Jiosy — izy ireo! Nanafoana tanteraka ilay fiheverana ny amin’ny fahamboniana ara-pirazanana ny apostoly Paoly, tamin’ny nilazany toy izao, araka ny voatantara ao amin’ny Romana 3:9: “Mpanota avokoa na ny Jiosy na ny jentilisa”. Tsy misy àry antokom-pirazanana afaka mirehareha fa manan-toerana manokana eo anatrehan’Andriamanitra. Eny tokoa, amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy ihany vao afaka manana fifandraisana amin’Andriamanitra ny tsirairay avy. (Jaona 17:3). Ary sitrapon’Andriamanitra ny hoe “tokony ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”. — 1 Timoty 2:4, NW.
Mety hisy heriny lehibe eo amin’ny fomba fihevitrao ny tenanao sy ny hafa ny fanekenao fa mitovy avokoa ny firazanana rehetra eo imason’Andriamanitra. Afaka manosika anao hitondra ny hafa amim-pahamendrehana sy amim-panajana, hahatakatra sy hanana fiheverana ambony momba ny tsy fitoviany aminao, izany. Ohatra, i Melissa tanora, voatonona terỳ aloha kokoa, dia tsy miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminy mba hihomehy an’ireo ankizy vahiny tsy mahay manonona tsara ny fiteniny. Hoy izy: “Hitako ho kinga saina ireo izay mahay fiteny roa. Na dia tiako aza ny hahay fiteny hafa, dia tsy mahay afa-tsy tokana monja aho.”
Tadidio koa fa, na dia tsy isalasalana aza fa manan-javatra betsaka ireharehany ny iray firazanana sy kolontsaina aminao, dia toy izany koa ny hafa firazanana. Ary na dia mety ho azon’ny saina ekena aza ny ireharehana ihany ny amin’ny kolontsainao sy ny zava-bitan’ny razambenao, dia mahafa-po lavitra ny mirehareha ny amin’ny zava-bitan’ny tenanao manokana izay nanaovanao ezaka mafy! (Mpitoriteny 2:24). Raha ny marina, dia misy fanaovan-javatra iray izay anasan’ny Baiboly anao mba hireharehana. Ny tenan’Andriamanitra mihitsy no milaza toy izao, araka ny voalaza ao amin’ny Jeremia 9:23: “Izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah”. Afaka mirehareha toy izany ve ianao?
[Sary, pejy 24]
Manampy antsika hankafy ny fiarahana amin’ny olona hafa firazanana ny fahalalana ny fomba fijerin’Andriamanitra ny firazanana