Ilay Nimo Mahagaga
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY NIZERIA
“ILAY farmasiam-bohitra” — izany no iantsoan’ny olona ny hazo nimo any India. Niantehitra tamin’io hazo io ny olona, any amin’io tany io, hatramin’ny taonjato maro, mba hanamaivanana ny fanaintainana sy ny fanaviana ary ny areti-mifindra. Hindoa maro no manomboka ny taona tsirairay amin’ny fihinanana ravina nimo vitsivitsy, noho ny finoany fa afaka manampy eo amin’ny fanadiovana ny rany, izy io. Mamotsy ny nifiny amin’ny tahona nimo koa ny olona, sy manosotra ranon’ny ravina nimo eo amin’ny aretin-koditra, ary misotro dite natao tamin’ny nimo, ho fampahatanjahana.
Nihanitombo ny fahalianan’ireo mpahay siansa tamin’ilay nimo, tato anatin’ireo taona faramparany. Kanefa, mampitandrina toy izao ny tatitra siantifika iray mitondra ny lohateny hoe Neem—A Tree for Solving Global Problems (Nimo — Hazo Iray Handaminana Olana Maneran-tany): “Na dia toa mila tsy hisy farany aza ny azo ampiasana ny nimo, dia mbola tsy misy zavatra na inona na inona voafaritra mazava momba azy io. Miaiky ireo mpahay siansa mafana fo ny amin’ilay zavamaniry sy ny zavatra mety ho vitan’izy io, fa hatreo amin’izao dingana vita izao, dia mbola tsy azo antoka tsara ny porofo hanohanana ny fanantenan’izy ireo.” Na dia izany aza, dia milaza toy izao koa ilay tatitra: “Ireo 20 taona nanaovana fikarohana dia nampiharihary vokatra mahabe fanantenana, eo amin’ny sehatra maro aoka izany, hany ka mety hitondra soa be dia be ho an’ny firenena mahantra sy manankarena io karazan-javamaniry mifono zava-miafina io. Na dia ny sasany amin’ireo mpanao fikarohana malina indrindra aza dia milaza fa ‘mendrika ny hantsoina hoe zavamaniry manan-kery lehibe ny nimo’.”
Ny anjara asan’ilay hazo
Hita any amin’ny faritra mafana ny hazo nimo ary anisan’ny fianakavian’ny hazo mahogani. Mahatratra 30 metatra ny haavony ary mety hahatratra 2 metatra sy sasany ny refin’ny manodidina ny vatany. Manome alokaloka mandavantaona izy io, noho izy mahalana vao mihintsan-dravina. Maniry haingana izy io, tsy mitaky fanokolokoloana firy, ary maniry tsara eo amin’ny tany tsy mahavokatra firy.
Nampidirina teto Afrika Andrefana izy io, tany am-piandohan’itỳ taonjato itỳ, mba hanome alokaloka sy mba hampitsahatra ny fitaran’ny Efitr’i Sahara mianatsimo. Nampiditra ilay hazo tany Fidji, Maorisy, Arabie Saoudite, Amerika Afovoany sy Atsimo, ary ireo nosy Caraïbes koa ireo mpikarakara ala. Misy faritra nambolena nimo, mba hanaovana andrana, any Etazonia, any amin’ny faritra atsimon’i Arizona sy i Kalifornia ary i Florida.
Azo ataina koa ny nimo any amin’ny toe-tany mafana, ho fanampin’ny fanomezany alokaloka mandavantaona. Ambonin’izany, izy io dia azo ampiasaina amin’ny fanorenana sy ny fandrafetana, noho izy io tsy laitran’ny vitsikazo. Koa, tena ilaina àry ny nimo, rehefa dinihina ny fampiasana fotsiny ilay hazo. Kanefa, vao ny fanombohana fotsiny izany.
Halan’ny bibikely izy io
Koa satria fantatry ny mponina any India hatramin’ny ela fa mampandositra bibikely mpanorisory ny ravina nimo, dia asian’izy ireo azy io ao amin’ny fandriana, ny boky, ny fitoeran-javatra misarona, ny lalimoara fasiana vilia sy sakafo, ary ny efitrano kely fitoeran-javatra. Tamin’ny 1959, dia nanjary tafiditra tao amin’ny fikarohana momba ny nimo ny manam-pahaizana alemà iray momba ny bibikely, sy ny mpianany, rehefa avy nahita ny loza vokatry ny andiam-balala tany Soudan; valala an’arivo tapitrisany maro no nihinana ny ravin’ny hazo rehetra, afa-tsy ny an’ny nimo ihany.
Hatramin’io fotoana io, dia fantatr’ireo mpahay siansa fa mandaitra ny fitaovam-piadiana simika be kojakojan’ny nimo, mba hiadiana amin’ny karazam-bibikely mihoatra ny 200 ary koa ny koroka, ny kankana, ny olatra, ny bakteria maro samihafa, ary na dia ny karazana virosy maromaro mihitsy aza. Nisy andrana iray nampiasan’ny mpikaroka ravina saozà natao tao anaty boaty, niaraka tamin’ny voangory japoney. Nofantsitsirana ranon’ny nimo ny antsasaky ny ravina tsirairay. Nambosibosika ny antsasaky ny ravina tsirairay tsy nisy ranon’ny nimo ireo voangory, nefa tsy nikasika kosa ny tapany nisy. Raha ny marina, dia naleony maty mosary, toy izay hihinana na dia tapany bitika tamin’ireo ravina nisy ranon’ny nimo aza.
Toa manondro ny andrana toy izany fa mety ho azo atao ny hanamboatra zavatra hafa — tsy lafo vidy sy tsy misy poizina ary mora amboarina — azo asolo ny fanafody sentetika sasany famonoana bibikely. Any Nikaragoay, ohatra, ireo mpamboly dia mampifangaro voan’ny nimo voatoto amin’ny rano — voa 80 grama ho an’ny rano iray litatra. Avelany hilona mandritra ny 12 ora ireo voa voatoto, fiazany ireo voa, ary avy eo dia afantsitsitrany eo amin’ny voly ilay rano.
Tsy mamono eo no ho eo ny ankamaroan’ny bibikely ny ranon’ny nimo. Manova ny fizotram-piainan’izy ireny ny ranon’ny nimo, hany ka tsy afaka mihinana, manatody, na miofo intsony izy ireny, amin’ny farany. Raha mandaitra amin’ny bibikely anefa ny ranon’ny nimo, dia toa tsy manimba ny vorona, ny biby mafana ra na ny olona, kosa.
“Ilay farmasiam-bohitra”
Avy eo, dia misy tombontsoa hafa ho an’ny olombelona. Ao amin’ny voany sy ny raviny, dia misy fangaro afaka miady amin’ny mikraoba sy ny virosy ary ny olatra. Misy fanoloran-kevitra hoe mety ho afaka handresy ny firehetana, ny fiakaran’ny tosidra ary ny fery ny nimo. Voalaza fa miady amin’ny diabeta sy ny tazomoka ny fanafody natao avy tamin’ny ranon’ny nimo. Ny tombontsoa hafa mety hisy dia mahatafiditra an’ireto:
Mampandositra bibikely. Misy taharo mahery iray antsoina hoe salannin, ao amin’ny nimo, mampandositra bibikely mpanaikitra sasany. Efa misy azo vidina izao ny fanafody mampandositra lalitra sy moka, izay natao avy tamin’ny menaka nimo.
Fanadiova-nify. Fanaon’ny Karàna an-tapitrisany maro ny manapaka tahona nimo isa-maraina, sy ny manaikitraikitra ny tendrony mba hanalefahana azy, ary avy eo dia mampiasa azy io hikosehana ny nifiny sy ny akanjonifiny. Nasehon’ny fikarohana fa mahasoa izany, satria famonoana mikraoba mahery ny fangaro ao amin’ny hoditr’ilay nimo.
Manan-kery tsy mampiteraka. Famonoana tsirinaina mahery ny menaka nimo, ary voaporofo fa nandaitra teo amin’ny fampihenana ny taham-piterahana tao amin’ny laboratoara fandinihana biby. Nisy andrana natao tamin’ny rajako toa manondro tsy mivantana fa mety ho azo anaovana pilina atelina ho an’ny lehilahy koa ny taharon’ny nimo, mba handrindrana ny fiterahana.
Mazava àry fa tsy hazo tsotra fotsiny ny nimo. Na dia mbola tsy feno aza ny porofo, dia mahabe fanantenana ny nimo — eo amin’ny fisakanana tsara kokoa ny bibikely mpanimba voly, ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny fanampiana eo amin’ny fambolen-kazo, ary angamba, eo amin’ny fifehezana ny fihoaran’ny isan’ny mponina. Tsy mahagaga àry raha nantsoin’ny olona hoe “fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona” ilay nimo mahagaga!
[Sary, pejy 31]
Ny nimo, miaraka amin’ny sary kely mampiseho ny raviny