FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/1 p. 23-24
  • Ahoana no Atahoranao Andriamanitra Fitiavana Iray?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Atahoranao Andriamanitra Fitiavana Iray?
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny lanitra sy ny fahalehibeazan’Andriamanitra
  • Andriamanitra mamela heloka
  • Fahatahorana ny fitsaran’Andriamanitra
  • Mianara Hatahotra An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Nahoana moa isika no tokony hatahotra an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Tahotra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mety hitondra soa ho anao ve ny fahatahorana an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/1 p. 23-24

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ahoana no Atahoranao Andriamanitra Fitiavana Iray?

“SAMBATRA NY OLONA IZAY MATAHOTRA AN’I JEHOVAH”. — Salamo 112:1.

RAHA ‘fitiavana Andriamanitra’, araka ny ilazalazan’ny Baiboly azy, nahoana no tena ilaina ny hatahorana azy? (1 Jaona 4:16). Amin’ny ankapobeny, dia heverina ho tsy mety miaraka ny fitiavana sy ny tahotra. Koa inona àry no tokony ho anjara asan’ny tahotra eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra? Nahoana no matahotra Andriamanitra fitiavana iray? Afaka manome antsika fahatakarana tsara kokoa an’io raharaha io ny fijerena akaiky ny fomba ampiasana ny teny hoe “tahotra” ao amin’ny Baiboly.

Amin’ny ankamaroan’ny fiteny, ny teny iray monja dia mety hanana heviny mitovitovy samihafa, miankina amin’ny teny manodidina. Ohatra, amin’ny fiteny sasany, dia azon’ny olona iray atao ny milaza hoe: “Tiako ny gilasy”, ary koa hoe: “Tiako ny zanako.” Misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny hamafy sy ny karazan’ny fitiavana lazaina eo. Toy izany koa ny amin’ny firesahan’ny Baiboly karazan-tahotra samy hafa. Rehefa mampiasa ilay teny mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra izy, dia tsy miresaka ny amin’ny horohoro, tebiteby, na fahatsapana hoe mananontanona ny sazy. Ny fahatahorana an’Andriamanitra kosa dia mampita fihetseham-po mahasoa — tahotra miharo fitalanjonana, fanajana ara-pivavahana, sy fanajana lalina. Miaraka amin’ny fitiavana sy ny fahatsapana ho voasintona hanatona an’Andriamanitra ireo fihetseham-po ambony ireo, fa tsy fironana voajanahary ny handositra na hiafina azy akory.

Mandroaka ny tahotra mankarary sy mampihoron-koditra ny fahatahorana an’Andriamanitra. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo, mikasika ny olona matahotra an’Andriamanitra: “Tsy mba manahinahy hahare loza izy; tafatoetra matoky an’i Jehovah ny fony.” (Salamo 112:7). Tsy misy fandrahonana avy amin’ny ratsy fanahy na avy amin’i Satana mihitsy aza, afaka mandresy ny fanajana ara-pivavahana lalina tsapantsika amin’i Jehovah. (Lioka 12:4, 5). Tsy tokony hatahotra ny hanatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka koa isika. Amin’io lafiny io kosa, ‘ny fitiavana dia mandroaka ny tahotra’. — 1 Jaona 4:18.

Ny lanitra sy ny fahalehibeazan’Andriamanitra

Lehilahy natahotra an’Andriamanitra i Davida Mpanjaka tamin’ny andro fahiny. Feno tahotra izy teo am-pandinihana ny hakanto sy ny maha-be kojakojany ny zavatra noforonina. Hoy ny fihiakany: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.” (Salamo 139:14). Nihiaka toy izao izy teo am-pibanjinana ny lanitra amin’ny alina: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra”. (Salamo 19:1). Heverinao ve fa nampitebiteby an’i Davida izany fanandraman-javatra izany? Mifanohitra amin’izany kosa fa nanosika azy hihira fiderana an’i Jehovah izany.

Manome antsika antony mahery kokoa tokony hahatsapana tahotra ny fitomboan’ny fahalalana momba ny lanitra amin’izao andro izao. Vao haingana izao ireo astrônôma, izay mampiasa ny Teleskaopy Hubble any ambony tsy taka-maso, no nandinika ny lanitra, tamin’ny fomba lalina kokoa noho ny nataon’olona teo alohany. Nofidiny ny ampahany iray amin’ny lanitra izay toa tsy misy na inona na inona, raha jerena amin’ny teleskaopy etỳ an-tany, ka nafantony tamin’ny faritra iray mitovy habe amin’ny singam-pasika ny Hubble. Tsy kintana mandeha tsirairay akory no nameno ilay sary azo, fa vahindanitra — vondron-kintana an’arivo tapitrisany maro midadasika — mbola tsy hitan’ny olona mihitsy talohan’izay!

Mameno tahotra ao amin’ny olona mazoto mandinika, ny halehiben’izao rehetra izao sy ny zava-miafina ary ny zava-mahatalanjona eo amin’izy io. Kanefa, taratry ny voninahitra sy ny herin’ny Mpamorona fotsiny ireny zava-mahatalanjona ireny. Antsoin’ny Baiboly hoe “Ray, mpahary ny fanazavana eny amin’ny habakabaka” i Jehovah Andriamanitra, ary lazainy amintsika fa “milaza ny isan’ny kintana Izy; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny”. — Jakôba 1:17, Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara; Salamo 147:4.

Hita koa eo amin’ny halavam-potoana lanin’ireo fisehoan-javatra eny amin’ny lanitra itetezana ny habakabaka, ny fidadasik’izao rehetra izao. Namakivaky ny habakabaka nandritra ny an’arivo tapitrisany taona maro ilay fahazavana avy amin’ireo vahindanitra nalain’ny Teleskaopy Hubble an-tsary! Moa ve ny maha-vao haingana antsika sy ny hakelintsika, raha oharina amin’ny faharetan’ny lanitra, tsy tokony hahatonga antsika hahatsapa tahotra sy fanajana ara-pivavahana lalina an’Ilay nanao ireo kintana? (Isaia 40:22, 26). Ny fahatakarana ny hoe ‘mahatsiaro ny olona sy mamangy ny zanak’olombelona’ koa ilay Andriamanitra nahary izany rehetra izany, dia mampitombo ny fanajantsika an’ilay Mpamorona antsika sy mahatonga antsika haniry hahalala sy hampifaly azy. (Salamo 8:3, 4). Izany fanajana sy fankasitrahana ambony indrindra izany no antsoin’ny Baiboly hoe fahatahorana an’Andriamanitra.

Andriamanitra mamela heloka

Samy tsy lavorary avokoa isika rehetra. Na dia miezaka hanao izay mahitsy aza isika, dia manota tsy nahy. Rehefa mitranga izany, moa ve isika tokony hatahotra sao hamoy ny fankasitrahan’Andriamanitra? Nanoratra toy izao ny mpanao salamo: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô? Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, mba hatahorana Anao.” (Salamo 130:3, 4). Ny hoe tsara fanahy sy mamela heloka aoka izany ilay ‘Mpanao Lehibe’, dia miteraka fankasitrahana sy fanajana ara-pivavahana lalina ao amin’ny mpivavaka aminy. — Isaia 54:5-8, NW.

Manosika antsika hanao ny tsara sy hitan-tena koa tsy hanao izay lazain’Andriamanitra fa ratsy, ny fahatahorana an’Andriamanitra. Mety ho azo ampitahaina amin’ny fifandraisan’ny ray olombelona tsara fanahy amin-janany ny fifandraisantsika amin’ilay Raintsika any an-danitra. Indraindray ny ankizy dia mety tsy hahatadidy ny antony andraran’ny rainy azy tsy hilalao eny amin’ny arabe. Na dia izany aza, rehefa mahatsapa mafy ho ta hanenjika ny baolina eny amin’ny arabe izy ireo, ny fieritreretana ny fandraran’ny rainy dia hampihemotra azy — angamba hamonjy azy tsy ho faty. Toy izany koa fa mety hisakana ny olon-dehibe iray tsy hanao zavatra izay mety hanimba ny fiainany sy ny an’ny hafa ny fahatahorany an’i Jehovah. — Ohabolana 14:27.

Fahatahorana ny fitsaran’Andriamanitra

Mifanohitra amin’izany kosa fa manana antony tokony hatahorana amin’ny fomba hafa tanteraka, ny olona iray izay tsy sakanan’ny feon’ny fieritreretany hanao zavatra tsy mampifaly an’Andriamanitra. Tsy misy hafa amin’ny anasazian’ny fitondram-panjakan’olombelona ny mpanao heloka bevava no ananan’Andriamanitra zo hanasazy ny mpanao ratsy an-tsitrapo izay tsy mibebaka. Nahatonga ny olona sasany hikiry amin’ny fanaovan-dratsy ny famelan’Andriamanitra vetivety ny hisian’ny faharatsiana. Asehon’ny Baiboly mazava anefa fa indray andro any, tsy ho ela intsony, dia hanaisotra ny mpanao ratsy rehetra amin’ny tany izy. (Salamo 37:9, 10; Mpitoriteny 8:11; 1 Timoty 5:24). Manana antony tokony hatahorana sazy avy amin’Andriamanitra ny ratsy fanahy tsy mibebaka. Kanefa, tsy io karazan-tahotra io no ilay karazany anoroan’ny Baiboly hevitra mba hananana.

Ny Baiboly dia mampifandray kosa ny fahatahorana an’i Jehovah amin-javatra mahafinaritra eo amin’ny fiainana — fihirana, fifaliana, fitokiana, fahendrena, fahelana velona, fatokiana, fitomboan’ny harena, fanantenana, sy fiadanana, raha tsy hanonona afa-tsy vitsivitsy monja aza isika.a Raha manohy mandeha amin’ny fahatahorana an’i Jehovah isika, dia hahazo ireo fitahiana ireo mandrakizay. — Deoteronomia 10:12-14.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Eksodosy 15:11; Salamo 34:11, 12; 40:3; 111:10; Ohabolana 10:27; 14:26; 22:4; 23:17, 18; Asan’ny Apostoly 9:31.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Courtesy of Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara