Ny Fomba Namoizan’ireo Incas ny Empira Volamenany Niroborobo
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY PEROA
Niposaka ny masoandro. Nanopy mavokely tanora ny tandavan-tendrombohitra Andes nisatroka oram-panala, noho ny tara-pahazavana niposaka teny amin’ny lanitra. Nankafy ny hafanana izay nampisinda ny hatsiakan’ny alina namirifiry any amin’ny haambo 4 300 metatra, ireo Indiana mpifoha maraina. Nipaka tsimoramora teo amin’ny tempolin’ny masoandro, any Cuzco (midika hoe “Votoatin’izao Tontolo Izao”), foiben’ny renivohitry ny Empira Inca, ny tara-masoandro. Namerina ireo tara-masoandro ireo izay voarainy, ireo rindrina volamena. Namirapiratra teo an-jaridainan’ny Inca,a teo anoloan’ilay tempoly, ny sary vongan’ny biby mampinono atao hoe lamà sy ny an’ny vigogne ary ny an’ny voromahery vaventy, vita tamin’ny volamena ranofotsiny. Nanoroka ny tanany ny mpandalo, ka nitsoka ilay oroka ho any amin’ny masoandro, andriamaniny, ho fanompoam-pivavahana. Velom-pankasitrahana erỳ izy ireo satria velona sy notahin’ny masoandro izay nanome azy ireo ny fivelomany, koa dia nino izy ireo!
TEO anelanelan’ny taonjato faha-14 sy faha-16, dia nanapaka tatỳ amin’ny moron-tsiraka andrefan’i Amerika Atsimo ny empira lehibe volamena niroborobo iray. Mpanao mari-trano sy teknisiana nahira-tsaina no nanapaka teo amin’ireo Incas, izay vahoaka voalamina mba hiara-monina tamin’ny fomba tsara kokoa. Nanitatra ny sisin-taniny hatrany amin’ny efa ho 5 000 kilaometatra ilay Empira Inca nahatalanjona, nanomboka tany amin’ny tapany atsimon’i Kolombia amin’izao andro izao ka nidina hatrany Arzantina. Raha ny marina, dia “nihevitra ny Inca fa nifehy saika izao tontolo izao manontolo izy ireo”. (National Geographic). Nino mantsy izy ireo fa tsy nisy na inona na inona mendrika ny horesena tany ivelan’ny sisin-tanin’ilay empirany. Kanefa, ny sisa tamin’izao tontolo izao dia tsy nahalala akory ny fisian’io empira io.
Iza moa ireo Incas? Ahoana no niandohan’izy ireo?
Iza no tonga talohan’ireo Incas?
Ireo zava-tsarobidy hitan’ny arkeôlôjia dia mampiseho fa tsy ireo Incas no mponina voalohany teto amin’itỳ kontinanta itỳ. Nisy kolontsaina nivoatra tsara hafa nialoha azy ireo, an-jatony taona maromaro ka hatramin’ny an’arivony taona maromaro. Nosokajin’ireo arkeôlôgy ho ny kolontsaina lambayeque, chavin, mochica, chimu, ary tiahuanaco, izy ireo.
Nivavaka tamin’ny biby samihafa — jagoara, pumas, ary trondro mihitsy aza — ireo antokon’olona tany am-boalohany ireo. Niely patrana teo amin’izy ireo ny fanajana ara-pivavahana an’ireo andriamanitra tendrombohitra. Nasehon’ireo asa tanimangan’izy ireo fa nivavaka tamin’ny maha-lahy sy maha-vavy ny foko sasany. Teo akaikin’ny Farihy Titicaca, izay avo toerana eo amin’ny sisin-tany manelanelana an’i Peroa sy i Bolivia, ny foko iray dia nanorina tempoly nirakitra marika maro nampiseho ny filahiana, izay nivavahana nandritra ny fombafomba momba ny fahavokarana, mba hahazoana antoka fa ho tsara ny vokatra avy tamin’i Pacha-Mama, izay midika hoe “Tany Reny”.
Ny angano sy ny zava-marina
Tokony ho tamin’ny taona 1200 no nipoitra ireo Incas. Nilaza ilay mpitantara atao hoe Garcilaso de la Vega, zanakalahin’ny printsy vavy inca sy ny andriana sady tompon-tany espaniola iray, fa araka ny angano, i Manco Capac, Inca voalohany, dia nirahin’ny rainy, ilay andriamanitra masoandro, hidina tany amin’ny Farihy Titicaca, niaraka tamin’ny anabaviny sady vadiny, mba hitaona ny vahoaka rehetra hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ny masoandro. Mbola tantaraina amin’ny ankizy any amin’ny sekoly sasany ihany io angano io, amin’izao andro izao.
Raha tsy jerena anefa ny angano, ireo Incas dia nety ho niandoha avy tamin’ny iray tamin’ireo foko teo amin’ny Farihy Titicaca, ny foko tiahuanacos izany. Rehefa nandeha ny fotoana, ilay empira nihaniitatra dia nandray an-tanana ny maro tamin’ireo asa voalamina tsaran’ireo foko resy, ka nanitatra sy nanao izay hahatonga lafatra ireo lakandrano sy tany misy ambaratonga efa voaorina. Faran’izay havanana ireo Incas teo amin’ny fanorenana rafitra goavana. Misy hevitra maro momba ny fomba nahafahan’ireo mpanao mari-tranony nanorina ny tempoly mimandan’i Sacsahuaman, izay manerinerina eny ambonin’ny tanànan’i Cuzco, avy eny amin’ny lembalemba avo. Natambatambatra ny vongam-bato goavana nilanja 100 taonina. Tsy nisy fampiasana rihitra mba hampiraikitra azy ireo. Tsy nisy vokany firy tamin’ilay rary vato nifampiditra tsara, hita teo amin’ireo rindrin’ilay tanàna tranain’i Cuzco, ny horohoron-tany.
Namirapiratra ilay tempolin’ny masoandro
Tany Cuzco, tanànan’ny mpanjaka, ireo Incas dia nandamina fitambara-mpisorona mba hivavahana tamin’ny masoandro, tao amin’ny tempoly iray natao tamin’ny vato voalambolambo. Noravahana volamena sy volafotsy tsy nisy fangarony ireo rindrina anatiny. Niaraka tamin’ilay fitambara-mpisorona, dia nisy couvents manokana naorina, toy ilay namboarina indray tao amin’ny tempolin’ny masoandro any Pachácamac, eo ivelan’i Lima indrindra. Nisy virjiny nanana hatsaran-tarehy niavaka nampiofanina hatramin’ny fahakeliny mihitsy, teo amin’ny fahavalo taonany, mba ho tonga ‘virjinin’ny masoandro’. Manondro ny porofo arkeôlôjika fa nanolotra sorona olombelona koa ireo Incas. Nanao sorona zaza ho an’ny apus, na andriamanitra tendrombohitra, izy ireo. Nisy fatin’ankizy vitsivitsy nohamafisin’ny hatsiaka, hita teny an-tampon’i Andes.
Na dia tsy nahay nanoratra mihitsy aza ireo Incas sy ireo foko tany aloha kokoa, dia tena nampivoatra tsikelikely fomba firaketana fitantarana zava-bita izy ireo, tamin’ny fampiasana ilay nantsoina hoe quipu. Izany dia “fitaovana vita tamin’ny tady lehibe, misy tady kely maro loko, nafatotra sy navòna ary nampiasain’ireo Peroviana fahiny” ho fanampiana ny fitadidian’ireo olona voatendry hitahiry filazana isan-javatra sy fitantarana zava-bita. — Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary.
Ahoana no nihazonana an’ilay empira ho tafaray?
Nampiorina mafy an’ilay hany fitondram-panjakana foibe ny nisian’ireo lalàna hentitra sy tetika maty paika. Zavatra voalohany tena nilaina ny fianaran’ny rehetra ny quechua, ny fitenin’ireo Incas. Ny “quechua”, hoy ilay boky hoe El Quechua al Alcance de Todos (Quechua, Fiteny Mety ho Hain’ny Rehetra), dia heverina ho “ny fitenim-paritra mahafaoka be indrindra, manana endriny samihafa indrindra, ary koa ny kanto indrindra amin’ireo fitenim-paritra atỳ Amerika Atsimo”. Mbola ampiasain’ny olona tokony ho dimy tapitrisa any amin’ireo tendrombohitr’i Peroa, sy olon-kafa an-tapitrisany maro any amin’ny tany dimy izay anisan’ilay empira teo aloha, izy io. Misy antokon’olona any atsimo-atsinanan’ny Farihy Titicaca mbola miteny aymara, fiteny avy tamin’ilay fiteny quechua nampiasaina talohan’ny andron’ireo Incas.
Nampiray an’ireo foko resy efa ho 100 ny fampiasana ny fiteny quechua, ary nanampy an’ilay curaca (na tompom-bohitra) izay nanapaka ny antokon’olona tsirairay. Nisy tany nanendrena ny fianakaviana tsirairay hovoleny. Taorian’ny fandresena, dia namela ny hitohizan’ny dihy sy fetim-poko teo an-toerana ny Inca ary nanome fampisehoana sy lalao an-tsehatra mba hihazonana ireo olona rehetra lasa eo ambany fifehezany ho afa-po.
Ny fanompoana mita
Tsy nisy vola nampiasaina nanerana ilay empira, midika izany fa tsy nisy vidiny tamin’ny isam-batan’olona ny volamena, raha izy io fotsiny amin’izao. Ny nanintona azy ireo tamin’izy io dia noho izy io namerina ny tara-masoandro voarainy. Ny hany fanompoana notakina dia ny mita (“anjara ifandimbasana”, amin’ny teny quechua). Notakina ny hifandimbasan’ireo olom-pehezina hanao asa an-tery vozona any amin’ireo tetik’asa maro fanamboaran-dalana sy fanorenan-trano. Indiana an’arivony maro, araka izany, no voantson’ny lalàna, mba hiasa.
Nampiasa ireo mpiasa manao mita ireo Incas, lehiben’ny mpanao fanorenana, ka nanamboatra fitambaran-dalana nirefy 24 000 kilaometatra mahery! Nanomboka tany Cuzco, ireo Incas dia nanorina fitambaran-dalana izay nasiana vato ny fanambaniny, mba hampifandraisana ireo faritra farany lavitra indrindra tamin’ilay empira. Mpihazakazaka voaofana sady mpitondra hafatra, nantsoina hoe chasquis, no nampiasa azy ireny. Nasaina hiandry tao amin’ny trano bongo naorina isaky ny iray na telo kilaometatra eo ho eo izy ireo. Rehefa tonga ny chasqui iray nitondra hafatra, dia nanomboka nihazakazaka teo anilany ny chasqui nanaraka, toy ny mpihazakazaka mpandimby toerana. Tamin’izany fomba izany, dia nahavita halaviran-dalana 240 kilaometatra izy ireo, tao anatin’ny indray andro. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia naharay tatitra avy tany amin’ny faritra rehetra tamin’ilay empirany ilay Inca nanjaka.
Nanorina trano lehibe fanatobiana entana nanaraka ireo lalana ny Inca. Nofenoina tahirin-tsakafo sy fitafiana hatrany izy ireny mba hisy hampiasain’ireo tafika incas nandritra ny dia mba hiady. Nisoroka ny ady ny Inca, rehefa azo natao izany. Nampiasa tetik’ady izy ka nandefa iraka mba hanasa ireo foko ho tonga eo ambany fanjakany, raha toa ka hanaiky hivavaka amin’ny masoandro. Raha nilefitra izy ireo, dia navela hitoetra tao amin’ny fokon’ny tenany ihany, notarihin’ny mpampianatra inca voaofana. Raha nanda izy ireo, dia nanjary niharan’ny ady tsy nisy indrafo. Nampiasaina ho kaopy nisotroana chicha, zava-pisotro mahery, natao tamin’ny voa madinika, ny karandohan’ny fahavalo maty.
Teo ambany fanjakan’i Pachacuti, emperora inca fahasivy (nanomboka tamin’ny taona 1438), sy i Topa Inca Yupanqui, zanany lahy, ary i Huayna Capac, mpitondra fanjakana mpandresy, no nanitaran’ilay empira haingana ny sisin-taniny sy nahatratrarany ny farany avaratra ka hatrany amin’ny farany atsimo tamin’ilay empira. Kanefa tsy naharitra izany.
Mpanafika avy tany avaratra
Tokony ho tamin’ny taona 1530, dia nidina avy tany Panama i Francisco Pizarro, mpanani-bohitra espaniola, sy ny miaramilany, voataonan’ny tatitra momba ny volamena tao amin’io tany tsy fantatra io, izay efa voasaratsaraky ny ady an-trano tamin’izay. Resin’i Atahuallpa, rahalahiny hafa reny, izay nizotra nankany an-drenivohitra, ny Printsy Huáscar, mpandova ara-dalàna ny seza fiandrianana, ary nataony an-tranomaizina.
Taorian’ny fandehanana an-tongotra sarotra niditra ho ao amin’ny tanànan’i Cajamarca, afovoan-tany, i Pizarro sy ny miaramilany dia noraisin’i Atahuallpa, mpandroba fahefana, tsara. Na dia izany aza, dia namadika azy, ilay Espaniola ary nahavita nisintona azy avy tao amin’ny filanjana fitondrana azy, sy nihazona azy ho babo sady nandripaka an’arivony maro tamin’ireo antoko miaramilany gaga sy tsy niomana hiady mihitsy.
Kanefa, nanohy ny ady an-trano i Atahuallpa, na dia voahazona ho babo aza. Naniraka olona tany Cuzco izy mba hamono an’i Inca Huáscar, rahalahiny hafa reny, ary koa olona an-jatony maro anisan’ny fianakavian’ny mpanjaka. Nanao izay hahamora tsy nahy ny teti-pandresen’i Pizarro izy.
Hitan’i Atahuallpa ny fierenan’ny Espaniola volamena sy volafotsy, ary nampanantena ny hameno efitrano iray lehibe amin’ny sary sokitra madinika volamena sy volafotsy izy, ho takalon’ny fanafahana azy. Tsy nisy vokany anefa izany. Niditra an-tsehatra indray ny famadihana! Rehefa voangona ny takalo nampanantenaina, dia natao batemy mba ho Katolika aloha i Atahuallpa, ilay Inca faha-13, izay noheverin’ireo moanina ho mpanompo sampy, ary nokendaina ho faty avy eo.
Ny fanombohan’ny farany
Loza nahafaty an’ilay Empira Inca ny nisamborana sy namonoana an’i Atahuallpa. Nanohitra an’ireo mpanafika anefa ireo Indiana, ka naharitra 40 taona fanampiny ny fialan’ny ain’ilay empira.
Rehefa tonga ny miaramila fanampiny, dia dodona ny ho any Cuzco i Pizarro sy ny miaramilany rehetra mba haka volamena inca bebe kokoa. Tamin’izany fikatsahan’ireo Espaniola volamena izany, dia tsy niahotra izy ireo nampijalijaly lozan-tany mba hamoahan’ireo Indiana tsiambaratelo momba ilay harena, na mba hampahatahotra sy hampanaiky ny mpanohitra, na iza na iza.
Niaraka tamin’ny Printsy Manco II, rahalahin’i Huáscar, izay tokony ho Inca manaraka (Manco Inca Yupanqui), i Pizarro dia nanohy nankany Cuzco ary nanao sava hao azy io ary nandroba ny volamena be rehetra tao. Narendrika ho vaingam-bolamena ho an’i Espaina ny ankamaroan’ireo sary vongana volamena. Tsy mahagaga àry raha dodona ny hisambotra an’ireo sambo espaniola nitondra ny harem-ben’i Peroa ireo jiolahin-tsambo anglisy! Niainga nankany amin’ny moron-tsiraka i Pizarro, navesatry ny harena, ary nanorina ny tanànan’i Lima tany, tamin’ny 1535, ho foiben’ny fitondram-panjakany.
Nanomana fikomiana i Manco Inca Yupanqui, izay efa nahatakatra tamin’ny fomba feno tamin’izay fa mpierina sy mpamadika ireo mpanani-bohitra. Nisy hafa koa nikomy tamin’ireo Espaniola, nefa tamin’ny farany ireo Indiana dia voatery nihemotra nankany amin’ny toerana nitokana mba hanohitra araka izay azony natao. Nety ho anisan’ny iray tamin’ireny toeram-pialofana ireny ny tanàna masin’i Machu Picchu, miafina any amin’ireo tendrombohitra.
Ilay Inca farany
Tamin’ny farany, dia tonga Inca (1572) i Tupac Amarú, zanakalahin’i Manco Inca Yupanqui. Governora espaniola izao no nitondra an’i Peroa. Tanjona napetraky ny governora Toledo ny hanapitra ny tantaran’ireo Incas. Niditra tao amin’ny faritr’i Vilcabamba izy, niaraka tamin’ny tafika lehibe. Voasambotra tany anaty ala nikitroka i Tupac Amarú. Nentina hovonoina tany Cuzco izy sy ny vadiny bevohoka. Indiana cañari no nanainga ny sabatra hamonoana an’i Tupac Amarú. Nitoreo noho ny alahelony ireo Indiana an’arivony maro tafavory teo amin’ilay kianja, raha notapahin-doha natao indray mamely monja ilay Inca. Nampijalijalina ho faty na nahantona ireo kapitenin’i Tupac Amarú. Nifarana haingana sy tamin-kalozana ny fanapahan’ireo Incas.
Ireo governora voatendry sy ireo moanina ary mompera katolika maro dia nampiely tsimoramora ny hery mitaonany, ho amin’ny tsara sy ho amin’ny ratsy, teo amin’ireo Indiana, izay noheverina ho toy ny andevo fotsiny, nandritra ny fotoana lava. Maro no noterena hiasa tao amin’ireo tobim-pitrandrahana volamena na volafotsy, iray tamin’izy ireny ny tendrombohitra iray nisy mineraly feno volafotsy, any Potosí, Bolivia. Mba hahavelomana ihany na dia tao anatin’ny toe-piainana tsy nisy antra aza, ireo Indiana nentina tamin’ny fomba ratsy ireo dia nampiasa ravina kôkà noho ny hery mahadomelina ao aminy. Tsy nahazo ny fahaleovan-tenany avy tamin’i Espaina, i Peroa sy i Bolivia, raha tsy tamin’ny fanombohan’ny taonjato faha-19.
Taranaka maoderin’ireo Incas
Manao ahoana ny tarehin-javatra misy ireo taranak’ireo Incas amin’izao vanim-potoana maoderina izao? Misy olom-pirenena an-tapitrisany maro any Lima, tanàna peroviana renivohitra, toy ny tanàna maoderina hafa maro. Kanefa any ivelany, any amin’ireo provansy, indraindray dia toy ny hoe nijanona efa hatramin’ny zato taona ny famantaranandro. Mbola maro ihany ny vohitra mitokana fehezin’ny mompera katolika. Ho an’ny Indiana mpamboly, ny eglizy katolika ao amin’ny kianjan’ny vohitra, dia zava-mahasarika fototra. Ireo sary vongana maro mampiseho an’ireo olo-masina manao fitafiana kanto, ireo jiro maro loko, ny alitara volamena, ireo labozia mirehitra, ny hirahiran’ny mompera mandritra ireo fombafomba mifono zava-miafina, ary indrindra fa ireo dihy sy fety — ireo rehetra ireo dia manintona azy noho izy mila miala voly. Kanefa, tsy nanaisotra velively ny zavatra ninoany fahiny izany fialam-boly manintona ny maso izany. Ary mbola manan-kery eo amin’ny fiainan’ny maro ihany ny fampiasana ravina kôkà izay noheverina ho manan-kery mifono zava-miafina.
Noho ny toe-tsaina tsy manaiky ho resy ananan’ireo taranaka Incas ireo — maro amin’izy ireo izao no metisy — dia nahavita niaro ny dihiny maro karazana sy ny mozika huaino mampiavaka azy, izy ireo. Na dia tsy miresaka firy amin’ny vahiny aza izy ireo eo am-boalohany, dia miseho ihany ny fitiavana mandray vahiny raiki-tampisaka ao aminy. Ho an’ireo izay mahafantatra manokana ireo taranaky ny Empira Inca ireo — mandinika ny tolona ataon’izy ireo isan’andro mba hahavelomana, sy afaka maneho fiheverana azy ireo ary miahy azy — ny tantarany dia mampalahelo mafy tokoa!
Mitondra fiovana ny fampianarana
Tao amin’ny fanadinadinana iray nataon’ny Mifohaza! tamin’i Valentin Arizaca, taranak’ireo Indiana miteny aymara, avy amin’ny vohitr’i Socca, eo amin’ny Farihy Titicaca, dia nitantara toy izao izy: “Katolika anarany fotsiny aho, talohan’ny nahatongavako ho Vavolombelon’i Jehovah. Nanohy nitana fanao maron’ny mpanompo sampy niaraka tamin’ny sasany tamin’ireo namako aho. Nitsako ravina kôkà koa aho, nefa nialako izany rehetra izany ankehitriny.”
Tadidin’i Petronila Mamani, 89 taona, tsara ireo finoanoam-poana maro izay nahatonga azy ho tao anatin’ny tahotra tsy an-kijanona ny tsy hampifaly ny apus. Hoy izy: “Nanolotra fanatitra tsy tapaka aho mba hampitonena an’ireo andriamanitra tendrombohitra sy mba hiantohana ny fahavelomako. Tsy naniry velively ny tsy hampifaly azy ireo sy ny hisetra ireo loza vokatr’izany aho. Ankehitriny, amin’izao fahanterako izao, dia nianatra ny hanana fomba fijery hafa aho. Noho ny Baiboly sy ireo Vavolombelon’i Jehovah, dia afaka amin’ny fiheverana toy izany aho.”
Mampianatra Indiana maro miteny quechua sy aymara hamaky teny ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireo Indiana ireo indray kosa, avy eo, dia mampianatra Baiboly ny hafa. Amin’izany fomba izany no ampianarana Indiana inca sy espaniola an’arivony maro, mba hanatsara kokoa ny fiainan’izy ireo. Mianatra ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly koa izy ireo, fampanantenana ny amin’ny tontolo vaovao iray hisian’ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fahitsiana, izay haorina tsy ho ela manerana ny tany. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-4.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny teny hoe “Inca” dia mety hanondro ny mpanapaka fara tampony tao amin’ny Empira Inca, ary mety hanondro ireo tera-tany koa.
[Sarintany, pejy 15]
(Jereo ny gazety)
Ny Empira Volamena Niroborobon’ny Incas
AMERIKA ATSIMO
Cuzco
Potosí
EMPIRA INCA
RANOMASIN’I CARAÏBES
OSEANA PASIFIKA
KOLOMBIA
EKOATERA
ANDES
PEROA
Cajamarca
Lima
Pachácamac
Vilcabamba
Machu Picchu
Cuzco
Farihy Titicaca
BOLIVIA
SILIA
ARZANTINA
[Sary, pejy 16]
Ambony: Ampiasaina ho fototry ny eglizy katolika any Cuzco ilay tempolin’ny masoandro voalohany
[Sary, pejy 16]
Ankavia: Sary mampiseho ny mariky ny filahiana, tamin’ny vanim-potoana talohan’ny Inca, ao amin’ny tempoly iray any Chucuito
[Sary, pejy 16]
Ankavanana: Nikoriana teo amin’ireo sokitra vato ireo ny ran’ireo Incas natao sorona
[Sary, pejy 17]
Ankavanana: Tany misy ambaratonga ampidiran-drano any Machu Picchu, akaikin’i Cuzco
[Sary, pejy 17]
Ambany: Zavatra taza-maso avy eo amin’ny varavarana tranainy iray, any Machu Picchu
[Sary, pejy 17]
Ambany ankavanana: Vongam-bato milanja 100 taonina amin’ilay tempoly mimandan’i Sacsahuaman