FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/12 p. 24-27
  • Nandravona ny Lalanay i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nandravona ny Lalanay i Jehovah
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nanana fanontaniana maro aho
  • Fanambadiana sy fianakaviana
  • Fitadiavana ny fahamarinana ara-baiboly
  • Fahitana ny fahamarinana ara-baiboly
  • Fihazonana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany
  • Nanahirana Sady Nahafaly ny Nitaiza Zaza Valo mba Handeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Afa-po Aho Rehefa Nahalala ny Fahamarinana
    Mifohaza!—2003
  • Notahin’i Jehovah Izahay Satria Tsy Nivadika Mihitsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Nitaiza zanaka valo tao amin’ny lalàm-pifehezan’i Jehovah izahay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Mifohaza!—1997
g97 8/12 p. 24-27

Nandravona ny Lalanay i Jehovah

TERAKA tamin’ny 1924 aho, tany akaikin’i Cham, tanàna iray ao amin’ny faribohitr’i Zug eto Soisa. Nanan-janaka 13 — 10 lahy sy 3 vavy — ny ray aman-dreniko. Izaho no lahimatoa. Maty ny roa lahy fony mbola tena kely. Nahazo fitaizana katolika hiringiriny izahay sisa tavela, tao amin’ny toeram-pambolena iray, nandritra ny Fitambotsorana Ara-toe-karena Lehibe.

Lehilahy nanao ny marina sady tsy mba sarotiny i Dada, saingy nisy fotoana naha-mora nisafoaka be azy. Namono an’i Neny mihitsy aza izy indraindray, rehefa nanome tsiny azy tsy ara-drariny i Neny, noho ny fahasarotam-piarony. Tsy tantin’i Neny mantsy ny nahita an’i Dada nitafa tamin’ireo vehivavy niara-nonina taminay, na dia tsy nanana antony tokony hisalasalana momba ny tsy fivadihan’i Dada aza izy. Tena nampahory ahy mafy izany.

Ninonino foana loatra i Neny. Noheveriny ho famantarana avy tamin’ny “fanahy [âme] mampalahelo any amin’ny afo fandiovana”, na dia ny fisehoan-javatra madinika aza. Halako ny fetezana hinohino foana toy izany. Nampitombo ny finoanoam-poanany anefa ireo mompera tamin’ny nanomezany azy zavatra hovakina izay nanohana ilay fomba fisainany ara-pivavahana diso.

Nanana fanontaniana maro aho

Nanomboka tamin’ny fahazazako, dia nisy fanontaniana maro mikasika an’Andriamanitra sy ny anjaran’ny olombelona, nitana ny saiko. Niezaka ho tonga tamin’ny fanatsoahan-kevitra lojika aho, saingy maro loatra ireo fifanoheran-kevitra! Namaky boky katolika mikasika ny olo-masina sy ny fahagagana ary ny toy izany aho. Kanefa, tsy nahafa-po ny saiko izy ireny. Nahatsapa ny tenako ho toy ny hoe nitsapatsapa tao anatin’ny haizina aho.

Nananatra ahy ny mompera teo an-toerana mba tsy hisaintsaina momba ireo fanontaniako. Nilaza izy fa mariky ny avonavona ny faniriana hahatakatra ny zava-drehetra ary manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra. Ny fampianarana naharikoriko ahy indrindra dia ilay hoe: Hampijalijaly mandrakizay ao amin’ny afobe mirehitra ny olona na iza na iza maty tsy nikonfesy ny fahotany, Andriamanitra. Koa satria nidika izany fa ny ankamaroan’ny olona eto an-tany no hampijalijalina mandrakizay, dia matetika aho no nanontany tena hoe: ‘Ahoana koa no ifanarahan’izany amin’ny fitiavan’Andriamanitra?’

Nahavelom-panontaniana ahy koa ny fahazaran’ny Katolika mikonfesy. Raiki-tahotra aho rehefa nilazana tany amin’ny sekoly katolika fa fahotana lehibe nitaky fikonfesena tamin’ny mompera ny fananana eritreritra tsy madio. Nanontany tena aho hoe: ‘Tadidiko ve ny nikonfesy ny zava-drehetra? Sa nisy hadinoko, ka manjary tsy manan-kery ny konfesiko ary tsy voavela ny heloko?’ Tamin’izany no nipoiran’ny fisalasalana tao am-poko mikasika ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fahavononany hamela heloka.

Nandritra ny telo na efa-taona teo ho eo, dia niady mafy tamin’ny eritreritra nahaketraka, izay nanasatra ahy, aho. Nieritreritra ny hiala tanteraka tamin’ny finoana an’Andriamanitra aho. Avy eo anefa aho dia nieritreritra hoe: ‘Raha maneho fikirizana aho, dia tsy isalasalana fa hahita ny lalana marina.’ Rehefa nandeha ny fotoana, dia nampitombo fatokiana ny fisian’Andriamanitra aho, saingy nanelingelina ny saiko foana ny fisalasalana momba ny zavatra ninoako ara-pivavahana.

Vokatry ny foto-pampianarana azoko tany am-boalohany, dia nino aho fa ny Eglizy Katolika no tao an-tsain’i Jesosy Kristy, fony izy nilaza tamin’ny apostoly Petera hoe: “Eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko”. (Matio 16:18, Fandikan-teny Katolika). Nanjary nino aho fa handresy amin’ny farany ireo lafy tsaran’ny eglizy, ary tamin’ny fikendrena izany, dia niriko ny hiara-miasa amin’ny eglizy.

Fanambadiana sy fianakaviana

Koa satria izaho no lahimatoa ao amin’ny fianakaviana, dia niara-niasa tamin’ny raiko tao amin’ilay toeram-pambolena aho mandra-pahafaky ny zandriko lahy manarakaraka ahy handimby ahy. Avy eo aho dia nankany amin’ny sekoly katolika iray momba ny fambolena, izay nahazoako diplaoma maîtrise. Taorian’izay aho dia nanomboka nitady vady.

Tamin’ny alalan’ny anabaviko iray no nahafantarako an’i Maria. Fantatro fa, hay, nivavaka izy mba hahazo vady izay hiara-miezaka mafy aminy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Izao no nosoratanay teo amin’ny filazana ny fampakaram-badinay: “Tafaray ao amin’ny fitiavana izahay ka mitady fahasambarana, ny masonay mibanjina an’Andriamanitra. Ny lalan’ny fiainana no izoranay, ary fahasambarana mandrakizay no tanjonay.” Nivady izahay tamin’ny 26 Jona 1958, tao amin’ny couvent Fahr, any akaikin’i Zurich.

Nitovy ny fanabeazana azonay sy i Maria. Avy tamin’ny fianakaviana mpivavaka be izy sady vavimatoa tamin’ny ankizy fito. Voatana be tamin’ny raharaha tao amin’ny toeram-pambolena sy tamin’ny fanaovana entimody ary tamin’ny fandehanana niangona izy mianadahy avy, koa tsy nanam-potoana firy hilalaovana. Tsy mora ireo taona voalohany nivadianay. Koa satria nanana fanontaniana maro momba ny raharaha ara-pivavahana aho, dia nanjary nisalasala i Maria raha tokony ho nanambady ahy izy. Tsy nety nametraka fisalasalana momba ny fampianaran’ny eglizy na ny fanohanany ireo ady sy Kroazada ary Inquisitions, izy. Samy nametraka ny fitokianay tamin’Andriamanitra anefa izahay roa, ary niaiky fa raha mbola niezaka hanao ny sitrapony araka izay azonay natao koa izahay, dia tsy handao anay mihitsy izy.

Nanofa toeram-pambolena iray tany akaikin’i Homburg, any atsinanan’i Soisa, izahay, tamin’ny 1959. Io no toeram-ponenanay nandritra ny 31 taona. Tamin’ny 6 Martsa 1960 no teraka i Josef, lahimatoanay. Narahina zandry enina mirahalahy sy vavy iray, i Rachel, izy. Hita ho reny nanao ny rariny sady tsy nanavakavaka i Maria, tsy nivadika tamin’ny foto-pitsipika mafy orina. Tena fitahiana ho an’ny fianakavianay tokoa izy.

Fitadiavana ny fahamarinana ara-baiboly

Nanjary niha-tsy tantinay intsony ny tsy fahalalanay ara-pivavahana. Tamin’ny faramparan’ireo taona 1960, dia nanomboka nanatrika lahateny tao amin’ny Sekoly Ambonin’ny Katolika izahay, kanefa mbola very hevitra tsy nisy toy izany rehefa nody. Namelabelatra ny heviny manokana tsy nisy porofo araka ny Soratra Masina ireo mpandahateny. Nandritra ny tapany voalohany tamin’ny taona 1970, dia nisaintsaina izao tenin’i Jesosy izao aho: “Na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny anarako. (...) Mangataha àry, dia hahazo hianareo”. — Joany 16:23, 24, Kat.

Nahatonga ahy hivavaka imbetsaka toy izao io fanomezan-toky eo ambony avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io: “Ray ô, raha ny Eglizy Katolika no fivavahana marina, dia asehoy ahy izany mba tsy hahadiso hevitra ahy. Fa raha diso kosa izy io, dia asehoy ahy mazava toy izany koa, ary dia hotoriko amin’ny rehetra.” Niangavy matetika aho, nifanaraka tamin’ny toromarik’i Jesosy ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra hoe: “Aza mitsahatra mangataka”. — Matio 7:7, 8, NW.

Nahatonga an’i Maria hanana fisalasalana tamin’ny farany, ireo resadresaka nifanaovako taminy — indrindra fa momba ireo fiovana teo amin’ny fampianarana katolika tamin’ireo taona 1960, mikasika ny fivavahana amin’ny “olo-masina”, ny fihinanan-kena ny zoma, sy ny toy izany. Indray mandeha, fony izy nanatrika Lamesa tamin’ny lohataonan’ny taona 1970, dia nivavaka izy hoe: “Andriamanitra ô, mba asehoy anay re ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay! Tsy fantatray intsony izay lalana marina. Hanaiky ny zava-drehetra aho, fa mba asehoy anay re ny lalana marina ho an’ny fianakavianay manontolo!” Tsy fantatro hoe nanao io vavaka io izy, ary tsy fantany koa ny vavaka nataoko, mandra-pahatakatray fa nohenoina ny vavaka nataonay.

Fahitana ny fahamarinana ara-baiboly

Rehefa nody avy niangona izahay indray alahady maraina tamin’ny voalohandohan’ny taona 1970, dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Nisy lehilahy iray niaraka tamin’ny zanany lahy folo taona teo, nampahafantatra ny tenany hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nanaiky hiara-midinika momba ny Baiboly aho. Nihevitra aho fa ho afaka hanaporofo mora foana hoe diso hevitra izy, satria araka ny zavatra nambara tamiko momba ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy nino aho hoe nanam-pahalalana be izy ireo.

Naharitra adiny roa ny fiaraha-midinika nataonay, saingy tsy nahitam-bokany nahafa-po, ary toy izany koa tamin’ny alahady nanaraka. Tsy andriko ny fiaraha-midinika fahatelo, saingy tsy tonga ilay Vavolombelona. Nilaza i Maria fa tsy maintsy ho takatr’ilay Vavolombelona fa fandaniam-potoana fotsiny ilay izy. Faly aho rehefa niverina izy tapa-bolana tatỳ aoriana. Avy hatrany, dia hoy aho: “Nandritra ny 35 taona aho dia nanontany tena momba ny afobe. Tsy azoko ekena tsotra izao ny hoe hampijalijaly zavaboary amin’ny fomba feno halozana toy izany ilay Andriamanitra fitiavana.”

“Marina ny anao”, hoy ny navalin’ilay Vavolombelona. “Tsy ampianarin’ny Baiboly ny hoe toeram-pijaliana ny afobe.” Nasehony ahy fa manondro fotsiny ny fasana iombonan’ny maty ny teny hebreo sy ny teny grika adika hoe Sheola sy Hadesy, izay matetika no adika hoe “afobe” ao amin’ny Baiboly katolika. (Genesisy 37:35; Joba 14:13; Asan’ny Apostoly 2:31). Afa-tsy izany koa, dia novakiny ireo andinin-teny nanaporofo fa mety maty ny fanahy (âme) olombelona, ary ny fahafatesana, fa tsy ny fampijalijaliana, no sazin’ny ota. (Ezekiela 18:4; Romana 6:23). Tamin’izay no nanombohako nahita mazava fa nohajambain’ny fampianaran-diso ara-pivavahana ny tenako, nandritra ny androm-piainako. Izao aho dia nanomboka nanontany tena raha diso koa ny foto-pinoana hafan’ny eglizy.

Tsy tiako intsony ny ho voafitaka indray, koa nividy diksionera katolika momba ny Baiboly sy boky dimy mirakitra ny tantaran’ireo papa aho. Nanana ny imprimatur ireo boky ireo, izany hoe neken’ny eveka katolika ny hanontam-pirinty azy. Nanjary takatro tamin’ny namakiako ny tantaran’ireo papa fa anisan’ny mpanao heloka bevava ratsy indrindra teo amin’izao tontolo izao ny sasany tamin’izy ireo! Ary tamin’ny nanamarinako tao amin’ilay diksionera momba ny Baiboly no nahafantarako fa tsy miorina amin’ny Baiboly ny Trinite sy ny afobe mirehitra sy ny afo fandiovana ary ny fampianarana hafa maro be ampianarin’ny eglizy.

Vonona hiara-mianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona amin’izay aho. Teo am-boalohany, dia nanatrika teo i Maria mba ho fahalalam-pomba fotsiny, kanefa tsy ela dia nanaiky izay nianarany izy. Rehefa afaka efa-bolana, dia niala tamin’ny Eglizy Katolika aho ary nampahafantatra ny mompera fa tsy hanatrika ny fianarana katesizy intsony ny zanakay. Nampitandrina ireo mpiangona tao aminy momba ny Vavolombelon’i Jehovah ilay mompera ny alahady nanaraka. Nilaza taminy aho fa vonona ny hiaro ireo zavatra inoako, amin’ny fampiasana ny Baiboly, ny tenako, saingy tsy nety nanao ady hevitra toy izany ilay mompera.

Taorian’izay, dia nanao fandrosoana haingana izahay. Tamin’ny farany, dia nanamarika ny fanoloran-tenanay ho an’i Jehovah tamin’ny batisa anaty rano izahay mivady tamin’ny 13 Desambra 1970. Herintaona taorian’izay, dia voatery nandany roa volana tany am-ponja aho noho ny raharaha momba ny fialanalanana kristiana. (Isaia 2:4). Tsy mora ny nandao ny vadiko sy ny zanakay valo mianadahy, na dia nandritra izany fe-potoana fohy izany aza. Vao efa-bolana ka hatramin’ny 12 taona monja ireo zanakay. Ankoatra izany, dia nanana toeram-pambolena sy biby fiompy tokony hokarakaraina izahay. Noho ny fanampian’i Jehovah anefa, dia afaka nisahana ny zava-drehetra izy ireo, na dia tsy teo aza aho.

Fihazonana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany

Tsy nisy mihitsy, na dia iray aza, taminay mianakavy, tsy nahavonjy fivorian’ny kongregasiona, raha tsy hoe narary angaha. Ary nalaminay ny anjara raharahanay mba tsy hahatapaka anay mihitsy tamin’ny famonjena fivoriambe. Tsy ela ny kilalaon’ireo ankizy tao amin’ny rihana ambany tafo dia nifantoka tamin’ny filalaovana izay zavatra nomarihiny tany amin’ireo fivoriana kristiana. Ohatra, nifanendry anjara lahateny izy ireo ary nanao fampisehoana. Soa ihany fa nandray tsara ny toromarika ara-panahy nomenay izy rehetra. Tiako erỳ ny mahatsiaro anay mivady nadinadinina tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray, ary teo koa ny zanakay valo mianadahy nipetraka teo amin’ny laharana iray — nilahatra nanomboka tamin’ny zokiny indrindra ka hatramin’ny zandriny indrindra — nihaino tsara.

Nanjary zavatra nahinay voalohany indrindra ny fitaizana ireo zanakay tamin’ny “lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, NW ). Nanapa-kevitra izahay ny hanaisotra ny televizionanay, ary matetika izahay no nanasa namana kristiana be zotom-po ho ao an-trano, mba hahafahan’ny zanakay handray soa avy tamin’ny fanandraman-javatra sy ny hafanam-pon’izy ireny. Nitandrina izahay mba tsy hanao resaka tsy voahevitra sy tsy hanakiana ny hafa. Raha nisy nanao fahadisoana, dia nifampiresaka momba ilay raharaha izahay ary nitady toe-javatra nanalefaka. Niezaka hanampy ireo zanakay hanombana ny tarehin-javatra iray tamin’ny fomba azon’ny saina ekena sy ara-drariny izahay. Nitandrina izahay mba tsy hampitaha azy ireo tamin’ny ankizy hafa. Ary takatray ny maha-zava-dehibe ny tsy hampihantan’ny ray aman-dreny ny zanany na ny hiarovany azy tsy hiharan’ny vokatry ny nataony. — Ohabolana 29:21.

Kanefa, tsy hoe tsy nisy olana akory ny fitaizana ireo zanakay. Ohatra, indray mandeha, dia nitaona azy ireo haka vatomamy tsy naloany vola tao amin’ny fivarotana iray, ny mpiara-mianatra taminy. Rehefa fantatray izay nitranga, dia nasainay niverina tany amin’ilay fivarotana ny zanakay mba handoa ilay izy sy mba hangata-pamelana. Nahamenatra azy ireo ilay izy, kanefa nahazo fianarana momba ny fanaovana ny marina izy ireo.

Tsy nanery fotsiny ny zanakay hiaraka taminay teny amin’ny asa fitoriana izahay, fa nanome ohatra mihitsy tamin’ny nanaovana izany asa izany ho laharam-pahamehana. Hitan’ireo ankizy fa nametraka ny fivoriana sy ny fanompoana eny amin’ny saha, ho alohan’ny asa nilaina hatao nifandray tamin’ilay toeram-pambolena, izahay. Azo antoka fa nahazo fitahiana ny fiezahanay hitaiza ny zanakay valo mianadahy tamin’ny lalan’i Jehovah.

Loholona kristiana i Josef, lahimatoanay, ary efa nanompo nandritra ny taona maromaro tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Soisa niaraka tamin’ny vadiny. Loholona koa i Thomas, ary mpisava lalana izy sy ny vadiny, araka ny iantsoana ny mpanompo manontolo andro. Loholona koa i Daniel, izay nahafoy ny toerany tamin’ny naha-tompon-daka tamin’ny hazakazaka am-bisikileta azy, ary mpisava lalana ao amin’ny kongregasiona iray hafa izy sy ny vadiny. Mpitory marisika any afovoan’i Soisa i Benno sy ny vadiny. Loholona ao amin’ny kongregasiona misy anay i Christian, zanakay lahy fahadimy. Manambady izy ary manan-janaka roa. Mpisava lalana sady loholona ao amin’ny kongregasiona iray any Bern i Franz, ary i Urs, izay efa nanompo tao amin’ny biraon’ny sampan’i Soisa, dia manambady ary mpisava lalana. I Rachel, ilay zanakay vavy tokana, sy ny vadiny dia efa mpisava lalana nandritra ny taona maromaro koa teo aloha.

Nanaraka ny ohatra omen’ireo zanako aho ka tonga mpisava lalana koa, rehefa nijanona tsy niasa intsony aho tamin’ny Jona 1990. Afaka milaza tokoa aho, rehefa manao jery todika ny fiainako sy ny an’ny fianakaviako, fa nandravona ny lalanay i Jehovah ary nandrotsaka fitahiana “manana amby ampy” taminay. — Malakia 3:10.

Ny andinin-teny ao amin’ny Baiboly tian’ny vadiko malalako indrindra dia ilay hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” (Salamo 55:22). Ary ny ahy kosa dia ilay hoe: “Miravoravoa amin’i Jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Salamo 37:4). Samy nahita ny fahamarinan’ireo filazana kanto ireo izahay roa. Ny tanjonay dia ny hidera mandrakizay an’i Jehovah Andriamanitray, miaraka amin’ireo zanakay mianakavy. — Notantarain’i Josef Heggli.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara