FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/9 p. 3-4
  • Nahoana no Betsaka Izaitsizy ny Fankahalana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Betsaka Izaitsizy ny Fankahalana?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Karazam-pankahalana tsara sy ratsy
  • Maninona ny Olona no Mifankahala?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Hifarana ve ny Fankahalana Indray Andro Any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Tsy Hisy Intsony ny Fankahalana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/9 p. 3-4

Nahoana no Betsaka Izaitsizy ny Fankahalana?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ALEMAINA

“NAHOANA loatra” — teny fohy, kanefa mitaky valiny. Ohatra, tamin’ny fotoana nahitana azy io teo amin’ny taratasy kely niaraka tamin’ny antontana fehezam-boninkazo sy orsa kilalao, izay napetraka teo ivelan’ny sekoly iray any Dunblane, Ekosy, tamin’ny Martsa 1996. Andro vitsivitsy monja talohan’izay mantsy, dia niriotra niditra tao ny lehilahy iray, ary nitifitra ka nahafaty ankizy 16 sy ny mpampianatra azy ireo. Nandratra olon-kafa maromaro izy ary nitifi-tena avy eo. Miharihary fa feno fankahalana — ny tenany sy ny hafa ary ny fitambaran’olona amin’ny ankapobeny — izy. Ireo ray aman-dreny sy namana malahelo ary koa ny olona an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao dia samy mametraka ilay fanontaniana iray ihany hoe: ‘Nahoana? Nahoana no maty tamin’izany fomba izany ireo ankizy tsy manan-tsiny?’

Azo inoana fa tsy hoe tsy voamarikao fa feno fankahalana an-jambany sy tsy misy antony, izao tontolo izao. Raha ny marina, dia mety ho efa niharan’ny fankahalana ny tenanao, noho ny antony iray na noho ny antony hafa. Ianao koa angamba efa nanontany hoe: ‘Nahoana?’ — mety ho mihoatra ny indray mandeha.

Karazam-pankahalana tsara sy ratsy

Ny “fankahalana” dia faritana hoe “tsy fitiavana sy rikoriko mafy”. Mazava ho azy fa mahasoa ny fahatsapana “tsy fitiavana sy rikoriko mafy” amin’ny zavatra manimba na mety hitondra fahavoazana eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Raha manana io karazam-pankahalana io ny olon-drehetra, dia tena ho toerana hiainana tsara kokoa izao tontolo izao. Mampalahelo anefa fa ny olombelona tsy lavorary dia mirona hankahala ny zavatra tsy tokony hankahalaina, ary noho ny antony tsy tsara.

Miorina amin’ny fitsarana an-tendrony, ny tsy fahalalana, na ny fanazavana diso, ny fankahalana mandrava, ary mazàna izy io no ateraky “ny tahotra, ny fahatezerana, na ny fahatsapana ho voaratra”, hoy ny famaritana iray. Koa satria tsy manana fototra mety io fankahalana io, dia miteraka zavatra mampalahelo sy mampipoitra miverimberina ilay fanontaniana hoe: ‘Nahoana?’

Isika rehetra dia mahalala olona izay manana toetra mampiavaka azy na fahazarana mety hanorisory antsika indraindray, ary olona hitantsika ho sarotra ifandraisana. Zavatra roa samy hafa tanteraka anefa ny hoe fahatsapana ho sorena sy ny hoe faniriana handratra olona ara-batana. Noho izany, dia mety hahita isika fa sarotra ny mahatakatra hoe ahoana no ahafahan’ny olona iray mitahiry fankahalana amin’ny antokon’olona manontolo, izay matetika olona tsy fantany akory. Mety tsy hiombon-kevitra ara-politika aminy izy ireo, na mety ho anisan’ny fivavahana hafa, na antokom-pirazanana hafa, nefa antony tokony hankahalana azy ireo ve izany?

Kanefa, misy ny fankahalana toy izany! Tany Afrika, ny fankahalana dia nitarika ny foko hutu sy tutsi hifandripaka tany Rwanda tamin’ny 1994, ka nahatonga ny mpanangom-baovao iray hanontany hoe: “Ahoana no niangonan’ny fankahalana betsaka izaitsizy tao amin’ny firenena iray kely izaitsizy?” Tany Moyen-Orient, ny fankahalana dia nahatonga ny fanafihana fampihorohoroana nataon’ny mpitolona mirehitra fatratra arabo sy israeliana. Tany Eoropa, ny fankahalana dia nitarika ho amin’ny fisaratsarahan’i Iogoslavia teo aloha. Ary araka ny tatitra nataon’ny gazety iray, any Etazonia fotsiny dia “antokon’olona feno fankahalana sahabo ho 250” no mampiely hevitra feno fanavakavaham-bolon-koditra. Nahoana no betsaka izaitsizy ny fankahalana? Nahoana?

Latsa-paka lalina aoka izany ny fankahalana, hany ka mitoetra ihany izy io, na dia rehefa voalamina aza ny ady naterany. Amin’ny fomba hafa inona no azontsika anazavana ny maha-sarotra ny fihazonana ny fandriampahalemana sy ny fampitsaharana poa-basy any amin’ireo firenena rotidrotiky ny ady sy ampahorin’ny fampihorohoroana? Amin’ny fomba hafa inona no azontsika anazavana izay nitranga taorian’ny nanaovana sonia ny fifanekem-pihavanana tany Paris, tamin’ny faran’ny taona 1995, fifanekem-pihavanana izay nitaky ny hampitambarana ny tanànan’i Sarajevo indray eo ambany fifehezan’ny Fitondrana Federalin’i Bosnia-Herzegovina sy Kroasia? Nanomboka nandositra niala an’ilay tanàna sy ny faritanàna manamorona azy ny ankamaroan’ny Serba nonina tao, noho ny tahotra valy faty. Rehefa nanao tatitra ny Time hoe nandroba sy nandoro ny trano izay nilaozany ny olona, dia nanatsoaka hevitra toy izao: “Tafaray indray i Sarajevo; fa tsy toy izany ny mponina ao aminy.”

Ny fihavanana eo amin’ny olona mifankahala dia fihavanana hosoka, tsy misy vidiny toy ny vola hosoka. Koa satria tsy misy zavatra tena misy vidiny iankinany, dia mety hirodana izy io, eo ambany fanerena faran’izay kely. Betsaka izaitsizy anefa ny fankahalana misy eo amin’izao tontolo izao, ary ny fitiavana, kely izaitsizy. Nahoana?

[Teny notsongaina, pejy 4]

Miorina amin’ny fitsarana an-tendrony, ny tsy fahalalana, na ny fanazavana diso, ny fankahalana mandrava

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara