Teny Henjana, Fanahy Torotoro
“Ikala meda sy dondrina itỳ!”a Tadidin’ny vehivavy iray any Japon tsara loatra ireo teny ireo — Novazavazaina taminy matetika ireo fony izy mbola kely. Novazavazain’iza? Ankizy tany am-pianarana ve? sa mpiray tam-po? Tsia. Novazavazain’ny ray aman-dreniny. Hoy ny tsaroany: “Ketraka aho taloha satria nandratra lalina ny foko ilay anarana fanamavoana.”
Tadidin’ny lehilahy iray any Etazonia fa, fony izy ankizy, dia nahatsapa tahotra sy tebiteby izy isaky ny nody ny rainy. “Hatramin’izao, dia toa mbola reko ihany ny feon’ny kodiarana teo amin’ny lalan-kely nankao an-trano”, hoy ny tsaroany, “ary mampihoron-koditra ahy izany. Niafina ny zandriko vavy. Mpikatsaka ny lavorary ny rainay ary nampitahotra anay tsy an-kijanona izy noho ny tsy nanaovanay tsara ny raharaha rehetra tsy maintsy nataonay.”
Manampy teny toy izao ny anabavin’io lehilahy io: “Tsy tsaroako hoe mba namihina, nanoroka anay na nilaza zavatra toy ny hoe ‘Mamiko anie izany zanako izany e’ na hoe ‘Mirehareha ny aminao aho’ ny iray tamin’ireo ray aman-dreniko. Ary ho an’ny ankizy iray, ny tsy fandrenesana mihitsy hoe ‘Mamiko ianao’ dia mitovy amin’ny fandrenesana hoe ‘Halako ianao’ — isan’andro eo amin’ny fiainany.”
METY hilaza ny olona sasany fa madinika ny fijaliana nozakain’ireo olona ireo fony mbola zaza. Azo antoka fa tsy hoe tsy fahita ny fahazoan’ny ankizy teny henjana sy masiaka, ary ny fitondrana azy amin’ny fomba manorisory. Tsy asongadina ao amin’ny lohatenin-gazety sy ny fandaharana famintinam-baovao manaitra ao amin’ny televiziona akory izany. Tsy hita maso ny fahavoazana entiny. Raha mitondra ny zanany amin’ny fomba ratsy toy izany anefa ny ray aman-dreny isan’andro isan’andro, ny vokany dia mety hanimba izaitsizy, na dia izany aza — ary mety haharitra mandritra ny androm-piainana.
Nisy fandinihana natao tamin’ny 1951, tamin’ny antokon’ankizy dimy taona, momba ny fomba fitaizan’ny ray aman-dreny ny zanany. Diniho ny tohin’io fandinihana io, natao tamin’ny 1990. Ireo mpanao fikarohana dia nanao izay hahitana indray ny maro tamin’ireo ankizy ireo izay efa lazondazony izao, mba hahatakarana ny vokatra naharitry ny fitaizana azy ireo. Nanatsoaka hevitra ilay fandinihana vaovao fa ireo ankizy izay tatỳ aoriana dia nanjary nahita ny fotoan-tsarotra indrindra teo amin’ny fiainany, sy ireo tsy sambatra ara-pihetseham-po, ary ireo nahita fotoan-tsarotra tao amin’ny fanambadiana sy ny fisakaizana, ary tany am-piasana mihitsy aza, dia tsy voatery ho ireo zanaky ny ray aman-dreny nahantra na nanankarena na niharihary fa feno fahasahiranana mihitsy aza. Izy ireo dia zanaka nanana ray aman-dreny nangatsiaka sady tsy nampiseho afa-tsy firaiketam-po kely na tsy nampiseho firaiketam-po mihitsy.
Io vokatry ny fandinihana io dia tsy inona fa taratra malefaky ny fahamarinana iray nosoratana efa ho 2 000 taona lasa izay, manao hoe: “Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Azo antoka fa tena mampahasosotra ny zanaka ny fampijaliana amin’ny teny sy ara-pihetseham-po avy amin’ny ray aman-dreny, ary, ho vokany, dia afaka mahatonga azy ireo hanjary hamoy fo.
Araka ny nambaran’ilay boky hoe Growing Up Sad, dia nihevitra ireo dokotera, tsy ela izay, fa tsy nisy izany fahaketrahan’ny ankizy izany. Ny fotoana sy ny fandinihana nivantana anefa dia nanaporofo ny mifanohitra amin’izany. Amin’izao andro izao, araka ny fanantitranteran’ireo mpanoratra ilay boky dia ekena ny fisian’ny fahaketrahana mandritra ny fahazazana, ary tsy hoe tsy fahita velively izany. Ny fanilihan’ny ray aman-dreny sy ny fitondrany amin’ny fomba ratsy no anisan’ny antony mahatonga azy io. Manazava ireo mpanoratra hoe: “Tamin’ny toe-javatra sasany, ny ray na ny reny dia nampihatra tamin’ilay zaza fanakianana sy fampietrena natao vary raraka sady tsy an-kijanona. Tamin’ny toe-javatra hafa, dia misy banga tsotra izao eo amin’ny fifandraisan’ny ray na ny reny sy ny zanaka: tsy naseho mihitsy ny fitiavan’ny ray na ny reny ilay zanany. (...) Ny vokany dia tena mampalahelo ho an’ny zanaky ny ray aman-dreny toy izany, satria ho an’ny zaza iray — na ho an’ny olon-dehibe iray koa, raha itarina — ny fitiavana dia toy ny tara-masoandro sy rano ho an’ny zavamaniry iray.”
Amin’ny alalan’ny fitiavan’ny ray aman-dreny, raha aseho amin’ny fomba mazava sy malalaka izy io, no ianaran’ny ankizy fahamarinana lehibe iray, dia ny hoe: Maha-te ho tia izy; misy vidiny izy. Maro no mandray amin’ny fomba diso an’io fiheverana io ho endrika fizahozahoana na fitiavana ny tena mihoatra noho ny hafa. Eto amin’itỳ lafin-javatra itỳ anefa, dia tsy izany no tiana holazaina. Milaza toy izao ny mpanoratra iray, ao amin’ny bokiny momba io loha hevitra io: “Ny fomba fiheveran’ny zanakao ny tenany dia misy heriny eo amin’ny hoe karazana namana manao ahoana no fidiny, ahoana no ifanarahany tsara amin’ny hafa, karazan’olona manao ahoana no tiany ho vadiny, ary ny hoe hatraiza no hahombiazany.” Miaiky ny Baiboly hoe zava-dehibe toy inona moa ny manana fomba fijery voalanjalanja sy tsy mifantoka be loatra amin’ny tena, rehefa manonona ny hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”, ho ny didy lehibe indrindra faharoa. — Matio 22:38, 39, izahay no manao sora-mandry.
Sarotra ny iheverana fa hisy ray aman-dreny salama saina maniry hanamontsana zavatra lehibe sy mora simba toy ny fahatsapan’ny zanaka ho mendrika. Nahoana àry no mitranga matetika tokoa izany? Ary ahoana no azo isorohana izany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Noroma baka!, amin’ny teny japoney.