FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/8 p. 18-20
  • Nahoana no Izaho Foana no Diso?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Izaho Foana no Diso?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony itenenan’ny ray aman-dreny
  • Fianakaviana mikorontana
  • Fiatrehana fanomezan-tsiny tsy ara-drariny
  • Ahoana no Hataoko mba Tsy Hahavoateny Foana Ahy Intsony?
    Mifohaza!—1997
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Inona no Hataoko Rehefa Miady i Dada sy Neny?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/8 p. 18-20

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana no Izaho Foana no Diso?

“Tsy mahazaka fofon-tsigara ny dadanay ary anefa tsy maintsy miara-miasa amin’olona mifoka sigara. Rehefa mody izy, dia sorena be indraindray. Manarinary zavatra izy ary izaho no omeny tsiny amin’izany. Rehefa milaza aminy aho fa izy no nanary izany, dia tezitra izy ka milaza amiko fa tsy tokony hanitsy azy aho.” — Zatovovavy iray.

TSAPANAO ve indraindray fa ianao no ifatraran’ny rihitra ao amin’ny fianakaviana? Toa ianao ve no mahazo tsiny, na inona na inona tsy mety? Toa izany no izy ho an’i Joy, 14 taona. Ny rainy irery no mitaiza azy mianadahy avy ary matetika i Joy no mikarakara ny zandriny lahy sy vavy. “Any ambany rihana aho rehefa manomboka miady izy mianadahy”, hoy izy mitaraina. “Mitondra tena toy ny adala sady tsy matotra mihitsy ry zareo, kanefa rehefa mody i Dada, dia milelalela amiko izy noho izaho tsy teo mba hisakanana ilay izy.”

Raha toa ny ray aman-dreninao ka miantso anao hoe zaza mihanta loatra, kamo, na tsy mahatsapa andraikitra, na raha toa izy ka manome anaram-bosotra hafa izay toa mampiseho fa tsy mety afaka ny kileman-toetranao, dia mety ho toy ny hoe ampoiziny mihitsy indraindray ny tsy hahavitanao zavatra. Nantsoin’ny fianakaviany hoe profesora lasam-borona — anaram-bosotra nahalotika azy — i Ramon. Toy izany koa fa mety hahatezitra anao ny anaram-bosotra manasongadina ny kileman-toetranao, na dia lazaina amim-pitiavana aza izany. Tsy manosika anao hihatsara ilay anaram-bosotra mahasosotra fa vao mainka mety hanamafy fotsiny ilay fahatsapana hoe ianao foana no omen-tsiny.

Mankarary indrindra ny fanomezan-tsiny rehefa toa vokatry ny fiangarana ilay izy. “Izaho no lahiaivo”, hoy ny zatovo iray antsoina hoe Frankie, “ary izaho foana no bedibedesina lava.” Toa tsy mety diso mihitsy ny mpiray tam-po aminao, fa ianao no lazaina fa diso raha vantany vao misy tsy mety.

Ny antony itenenan’ny ray aman-dreny

Mazava ho azy fa ara-dalàna tsotra izao raha manitsy ny zanany manao fahadisoana ny ray aman-dreny. Fomba iray itaizan’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra ny zanany “ao amin’ny lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah” ny fanolorana fanitsiana mahasoa sy manorina. (Efesiana 6:4, NW ). Indraindray anefa, na dia ny ray aman-dreny tsara indrindra aza dia mety hanao fihetsika tafahoatra na ho maika hanao fanatsoahan-kevitra diso mihitsy aza. Tsarovy ny fisehoan-javatra iray nitranga fony i Jesosy mbola ankizy. Tamin’io fotoana io, dia tsy hita i Jesosy. Hay, tao amin’ny tempolin’Andriamanitra izy, nanao dinika momba ny Baiboly. Na dia izany aza, rehefa nahita azy ny ray aman-dreniny, dia nanontany ny reniny hoe: “Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao!” — Lioka 2:48.

Koa satria lavorary i Jesosy, dia tsy nisy antony tokony hatahorana sao nanao ditra izy. Tahaka ny ray aman-dreny be fitiavana rehetra anefa, dia nahatsiaro ho tompon’andraikitra ny amin’ilay zanany ny reniny ka nampiseho fihetsika tafahoatra, angamba natahotra sao notandindomin-doza ny zavatra hahasoa indrindra an’i Jesosy. Toy izany koa fa mety hanao fihetsika tafahoatra ny ray aman-dreninao indraindray, tsy hoe noho izy mitady hanorisory na ho lozabe, fa satria fotsiny izy tena miahy anao.

Aoka ho takatrao koa fa miaina amin’ny ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ isika. (2 Timoty 3:1, NW ). Mahatsapa fihenjanana mafy ny ray aman-dreninao miasa sy mikarakara ny ao an-tranonareo, ary mety hisy akony eo amin’ny fomba itondrany anao izany. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 7:7.) Hoy ny nomarihin’ny vehivavy iray mpiasan’ny fahasalaman’ny saina: “Ao amin’ny fianakaviana sasany, rehefa misy fotoan-tsarotra diavina, dia mety hisafoaka ny ray aman-dreny ka hanao fanapahan-kevitra maimaika, na dia olona tsy miangatra aza izy ireo, raha ny marina.”

Ny ray na ny reny mitaiza irery ny zanany no mety hirona indrindra hamoaka amin-janany ny fahasosorany, satria fotsiny izy tsy manana vady hiaraha-midinika ny toe-javatra. Ekena aloha fa tsy mahafinaritra ny iharan’ny fahasosoran’ny ray na ny reny. Hoy i Lucy, 17 taona: “Raha nisy zavatra nataoko ka mendrika ny hosazina aho, dia tsy mampaninona ahy izany. Kanefa rehefa voasazy aho satria sorisorena ny reniko, dia tena tsy rariny izany.”

Anton-javatra iray hafa ny fiangarana. Na dia tia ny zanany rehetra aza mazàna ny ray na ny reny iray, dia tsy mahalana ny hahavoasintona azy bebe kokoa ho amin’ny zanaka iray.a (Ampitahao amin’ny Genesisy 37:3.) Ny fahatsapana fotsiny hoe ianao ilay zanaka tsy tiana kokoa dia efa mankarary. Kanefa, raha toa ka tsy raharahaina ny zavatra ilainao, na raha ianao no matetika omen-tsiny noho ny zavatra nataon’ny mpiray tam-po aminao, dia azo antoka fa ho tezitra ianao. “Manana izay zandriko lahy izay aho, i Darren no anarany”, hoy i Roxanne tanora. “Anjely kely izy amin’i Neny. (...) Izaho foana, fa tsy i Darren mihitsy, no omeny tsiny.”

Fianakaviana mikorontana

Ao amin’ny fianakaviana matanjaka, dia mety hitranga indraindray ny fanomezan-tsiny tsy ara-drariny. Ao amin’ny fianakaviana mikorontana anefa, dia mety hisy hatrany ny fanomezan-tsiny, ny fanalam-baraka, sy ny fampietren’ny ray aman-dreny. Indraindray aza ilay fanomezan-tsiny dia arahin’ny ‘fo lentika sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana ary ny fitenenan-dratsy’. — Efesiana 4:31.

Moa ve ny tanora iray azo omen-tsiny amin’ny fipoahan’ny fahatezerana toy izany avy amin’ny ray aman-dreny? Marina fa mety ‘hampalahelo’ ny ray na ny reny ny zanakalahy na ny zanakavavy tsy mankatò. (Ohabolana 17:25). Kanefa, ny ray aman-dreny no ilazan’ny Baiboly hoe: “Aza mampahatezitra ny zanakareo”. (Efesiana 6:4). Toy ny amin’ny Kristiana rehetra, ny ray na ny reny dia tsy maintsy maneho fifehezan-tena, “mahatan-tena ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy”. (2 Timoty 2:24, NW ). Koa rehefa tsy mahafehy tena ny ray na ny reny, dia tsy azony omen-tsiny ny kileman-toetran-janany.

Mety ho porofon’ny fananan’ny ray na ny reny fahoriam-po, fahaketrahana, na fiheveran-tena ho tsy mendrika ny famelezana amin’ny teny. Mety hanondro koa izany fa misy olana ao, toy ny fijaliana am-panambadiana na ny alkaolisma. Araka ny loharanon-kevitra iray, dia matetika ireo zanaky ny ray aman-dreny miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina no manjary ifatraran’ny rihitra. “Tsy misy mety mihitsy izay ataon’izy ireo. Mety hantsoina hoe ‘adala’, ‘ratsy toetra’, ‘tia tena’, sy ny toy izany izy ireo. Avy eo dia io ankizy io (na ireo ankizy ireo) no ifantohan’ireo mpianakavy hoe izy izany ilay fototry ny ‘olana’, ary dia tsy mieritreritra intsony ny fihetseham-po sy ny olana an’ny tenany manokana izay manelingelina azy, izy ireo.”

Fiatrehana fanomezan-tsiny tsy ara-drariny

Hoy ny fanamarihan’ny Dr. Kathleen McCoy: “Ny fanomezana anaram-bosotra, ny fanambaniana sy ny fanakianana ny toetran’ny zanaka [iray], (...) dia afaka ny ho anton-javatra iray mahatonga ny zatovo iray hahatsiaro tena ho tsy mendrika, ho ketraka sy mahatonga azy tsy hiresaka.” Na, araka ny filazan’ny Baiboly azy, ny fitondrana henjana dia afaka “mampahasosotra” ny zanaka ka hahatonga azy ‘hamoy fo’. (Kolosiana 3:21). Mety hanomboka hihevitra ny tenanao ho toy ny olona tsy mahomby sady tsy misy vidiny, ianao. Mety hampitombo tsikelikely fihetseham-po tsy manorina amin’ny ray aman-dreninao koa ianao. Mety hanatsoaka hevitra ianao fa tsy misy azonao atao firy mba hampifaliana azy ireo ary tsy misy antony tokony hanandramana hanaovana izany akory aza. Mety hiorim-paka ny fahatezerana sy ny lolompo, ka hahatonga anao hanilika ny famaizana rehetra — na dia ny fitsikerana mampiorina aza. — Ampitahao amin’ny Ohabolana 5:12.

Ahoana no azonao iatrehana izany? Miankina be dia be amin’ny toe-javatra manokana misy anao izany. Nahoana no tsy miato kely ka manombana azy io amin’ny fijerena ny zava-misy? Ohatra, tena marina tokoa ve fa ianao foana no omen-tsiny? Sa mety hirona ho somary hanakiana tafahoatra fotsiny ny ray aman-dreninao indraindray ka hilaza zavatra diso? “Tafintohina amin’ny zavatra maro isika rehetra”, hoy ny Baiboly, ary tafiditra amin’izany ny ray aman-dreny. (Jakoba 3:2). Koa na dia somary manao fihetsika tafahoatra aza ny ray aman-dreninao indraindray, dia ilainao koa ve ny hanao fihetsika tafahoatra? Mety ho azo ampiharina tsara izao torohevitry ny Baiboly ao amin’ny Kolosiana 3:13 izao: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.”

Afaka manampy anao hanao izany ny fahaiza-mahatakatra ny fihetseham-pon’ny ray aman-dreninao. Hoy ny Ohabolana 19:11: “Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany, ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.” Raha toa kitokitoina tsy toy ny mahazatra ny rainao rehefa mody avy niasa ka manome tsiny anao noho ny zavatra tsy nataonao, dia ilaina ve ny hanaovana ady hevitra be ny amin’izany? Ny fahatakaranao hoe azo inoana fa mahatsapa fihenjanana sady reraka izy dia mety hanampy anao tsotra izao ‘tsy hamaly fahadisoana’.

Ahoana anefa raha tsy fahasosorana indraindray fotsiny ilay fanomezan-tsiny tsy ara-drariny fa sady tsy mety miova no tsy mety lefy? Handinika ireo fomba hanatsarana ny tarehin-javatra misy anao ny lahatsoratra iray manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Les jeunes s’interrogent... Pourquoi ai-je tant de mal à supporter mes frères et sœurs?”, ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) 22 Jolay 1987.

[Sary, pejy 19]

Tsy hoe tsy ara-drariny raha manolotra torohevitra fanitsiana ny ray na ny reny rehefa ilaina izany

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara