“Tsy mba Naniry Hamaky ny Mifohaza! Mihitsy Aho”
Ireo dia tenin’ny mpianatra iray nisoratra tao amin’ny Fianarana Momba ny Tontolo Iainana, ao amin’ny Oniversitem-panjakana any San Jose, Kalifornia. Manohy ny teniny toy izao izy: “Ny tao an-tsaiko dia hoe hitory tamiko ilay gazety — ‘Mandehana miangona’ na ‘Tongava Vavolombelon’i Jehovah’. Kanefa, rehefa namaky io nomerao io (8 Janoary 1996 [frantsay], ‘Notre Planète — Est-elle condamnée?’) aho, dia akory ny fahagagako fa tena milaza zava-misy ilay izy! Ao amin’ireo lahatsoratra dia misy fanehoana an-tsary iray manome fanazavana momba ny hoe ‘Olana Lehibe Sasany Maneran-tany Momba ny Tontolo Iainana’. Mamaritra eo amin’ny sarintany ny toerana mijaly noho ny fandripahana ny ala, ny fako misy poizina, ny fandotoana ny atmôsfera, ny tsy fahampian-drano, ny karazam-biby tandindomin-doza, ary ny fahasimban’ny nofon-tany, izy io.
“Mbola tsy manan-janaka aho, kanefa dia manahy aho raha hanana rivotra madio hofohina, zaridaina hilalaovana, na rano hahafahany ho velona hatrany, izy ireo. (...) Midera anareo aho noho ireo lahatsoratra ireo.”
Ankehitriny, dia 18,3 tapitrisa amin’ny nomerao tsirairay amin’ny Mifohaza! no aely amin’ny fiteny 80, ka ny 56 aminy miara-mivoaka. Raha tianao ny hamaky itỳ gazety itỳ tsy tapaka, dia mifandraisa, aza fady, amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao, ao amin’ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana, na manorata any amin’ny adiresy akaiky anao indrindra, voalaza eo amin’ny pejy faha-5.