FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/7 p. 14-17
  • Tsy Misy Atahorana ho An’ny Ankizy ve ny Alikanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Misy Atahorana ho An’ny Ankizy ve ny Alikanao?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiofano ny ankizy
  • Folahy ny alika
  • Alika masiaka
  • Ny Fahaizan’ny Alika Mamantatra Fofona
    Nisy Namorona Ve?
  • Alika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Biby Mahafinaritra sa Mpamono Mahatsiravina?
    Mifohaza!—2002
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/7 p. 14-17

Tsy Misy Atahorana ho An’ny Ankizy ve ny Alikanao?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

NANDEHANDEHA nanakaiky loatra ny alika rottweiller masiaka iray izay nifatotra, i Sydney, roa taona. Namely an’i Sydney ilay alika, ka nandratra ny hodi-dohany, ary saika nahafaka ny sofiny havia. Hila ny hasiana grefy maromaro nisesy ny hodi-dohan’i Sydney.

Koa satria mihamaro ny olona mampiasa alika mba ho fiarovana, dia mihamitombo ny tatitra momba ny famelezan’ny alika ankizy. Ny alika sasany fantatra ho nanaikitra ankizy dia ny rottweiller, ny dobermann, ny bull-mastiff, ny berger alemà, sy ny bull-terrier. Nahariharin’ny fanadihadiana iray natao teto Afrika Atsimo fa tamin’ireo raharaha nodinihina, ny ankamaroan’ny ankizy voakaikitra dia nasian’ny alika fantany ihany. Efa ho ny antsasak’izy ireo no nokaikerin’ny alikan’ny mpiara-monina taminy, ary ny ampahefany no nokaikerin’ny alikany ihany. Ny 10 isan-jato monja tamin’ireo alika namely no alika mirenireny. Angamba tsy tsapan’ilay voakaikitra akory, fa matetika dia nisy fomba nampahatezerany an’ilay alika. Miharihary fa maro amin’ireo famelezan’ny alika no azo sorohina raha samy mitandrina mialoha ny tompon’alika sy ny ray aman-dreny.

Ampiofano ny ankizy

Maro amin’ireo mpamolaka alika no manantitrantitra ny amin’ny hoe tsy tokony havela irery tsy misy fanaraha-mason’ny olon-dehibe ny ankizy kely sy ny alika. Tsy hain’ny ankizy kely ny fomba hitondrana ny biby. Tsy maintsy ampianarina izy ireo. Noho izany, dia olona maro no mampihatra ilay fitsipika hoe: Raha tsy misy olon-dehibe mahay mandray andraikitra eo, dia sarahin-toerana ny alika sy ny ankizy kely. Toy izao no fanamarihan’i Brian Kilcommons, mpamolaka alika, ao amin’ilay boky hoe Childproofing Your Dog: “Tamin’ireo fitantarana renay, dia nitranga ny ankamaroan’ny olana rehefa tsy nanara-maso ny olon-dehibe.”

Matetika ireo biby no mila ny harovana amin’ny ankizy! Nantsoina hanampy i Kilcommons rehefa norambasan’ny alikan’ny fianakaviana iray ny zaza iray. Nohazavain’ilay ray nikorontan-tsaina fa nihazakazaka nanatona an’ilay alika natory ilay zanany lahy roa taona sy tapany ary dia nandaka azy io mafy. Niharihary fa narary ilay alika ka namaly tamin’ny fandrambasana ilay zaza. Tamin’io tarehin-javatra io, dia nampiseho fifehezan-tena mendri-piderana ilay alika satria tsy nanaikitra an’ilay zaza. Hoy ny torohevitr’ilay mpamolaka amin’ny ray aman-dreny: “Aza mamela ny zanakareo hanao amin’ny alika ny zavatra izay tsy avelanareo hatao amin’ny ankizy hafa.”

Ampianaro ny fomba hitondrana amin-katsaram-panahy ny biby, ny zanakao. Ampianaro tsy hanorisory alika na oviana na oviana izy. Ilain’ny ray aman-dreny ny ho mailo mba hahatsinjo izay loza mety hitranga rehefa miaraka ny ankizy sy ny alika. Raha voamarikao fa mitady handositra na hiafina ny ankizy iray ilay alika, dia asaivo mijanona tsy hanenjika azy ilay ankizy. Raha manaraka an’ilay alika ka manery azy eo an-joron-trano mantsy ilay ankizy, dia ny mivovò, na ny mierona, na ny manaikitra mihitsy aza, no hany fiarovan-tenan’ilay alika. Tokony hanome fifehezana tsy miovaova ny ray aman-dreny, mba ho fantatry ny alika sy ny ankizy fa hentitra ny tenin’ny ray na ny reny.

Aza ailikilika ilay alika. Rehefa miteraka ny zanany voalohany ny mpivady iray manana alika, dia mety hirona tsy hiraharaha an’ilay alika ka handroaka azy any alatrano. Na dia fahendrena aza ny mitandrina, dia manoro hevitra toy izao i Richard Stubbs, mpamolaka alika: “Tsy tokony hailikilika ilay alika. Hazòny araka izay azo atao kosa ny fahazaran’ilay alika, ary anehoy fiheverana araka ny antonona izy.”

Diniho ny ho fihetsiky ny zanakao eo anoloan’ny alika tsy fantany. Raha mahita olon-tsy fantany mitondra alika mitsangantsangana eny amin’ny arabe ny zanakao, inona no hataony? Hihazakazaka avy hatrany hisafosafo ilay alika ve? Ampianaro tsy hanao izany izy. Tsy maintsy mangata-dalana amin’ny tompon’ilay alika aloha izy. Avy eo, raha manaiky ilay tompony vao mahazo manatona moramora ilay alika izy, mba tsy hampahatahotra azy io. Tokony hampahafantatra ny tenany amin’ilay alika izy amin’ny fijoroana lavidavitra kely sy amin’ny firesahana amim-pahatoniana amin’ilay alika. Hanatona ny zanakao ny alika te hinamana. Tsara indrindra ny tsy hanatonana an’ireo alika mandehandeha eny amin’ny arabe tsy misy miaraka aminy. — Jereo ilay faritra voafefy hoe “Ny Dikan’ny Fihetsiky ny Alika”, pejy faha-16.

Folahy ny alika

Derao foana ny alikanao ary mahaiza mankasitraka. Tsy manafaingana ny fianarany zavatra ny fanasaziana na ny teny henjana fa vao mainka aza mitondra ny vokany mifanohitra amin’izany. Tsara ny hianaran’ny alika hanatona rehefa antsoina izy sy ny hianarany hankatò baiko fototra toy ny hoe: “Mipetraha!” Mianatra manaiky ny tompony ilay alika, ary mahatonga an’ilay tompony hahafehy azy tsara kokoa amin’ny tarehin-javatra mety ho ratsy, izany. Ny teny tsotra no mandaitra indrindra. Aza ovaovana izay teny ampiasainao. Rehefa manao ilay zavatra tianao ny alikanao, dia omeo valisoa avy hatrany izy amin’ny endriky ny fiderana, ny tehatehaka, na ny sombin-tsakafo matsiro. Mba hahazoana ilay vokany tiana hampirisihana azy, dia tsy maintsy omena avy hatrany aorian’ilay zavatra natao ilay valisoa. Ny dingana lehibe manaraka dia ny famerimberenana mandra-paharaikitra tsara an’ilay fihetsika.

Raha mahazo alika ianao, na mbola zanany ilay izy na efa lehibe kokoa, dia mety hila ny hampiana izy io mba ho zatra ankizy. Samy hafa amin’ny an’ny olon-dehibe mantsy ny fihetsiky ny ankizy. Mitabataba kokoa sady mora entim-paniriana tampoka kokoa ny ankizy ary azo inoana fa hihazakazaka hanatona alika, ka hampahatahotra azy io. Tsara ny hanazaranao ny alikanao amin’ny fihetsika miovaova tampoka toy izany. Rehefa tsy eo ny ankizy, dia zaro amin’ny tabataba tampoka ilay alika. Ataovy toy ny kilalao ilay famolahana. Omeo baiko amin’ny feo mafy ilay alika ary mihazakazaha manatona azy. Avy eo dia omeo valisoa avy hatrany izy. Ataovy mihamafy kokoa ny feonao. Omeo tambitamby be izy. Tsy ho ela dia ho tiany io kilalao io.

Tian’ny ankizy kely ny mamihina alika, kanefa tokony hampianarina tsy hanao izany izy, satria misy alika sasany mahatsiaro ho rahonana raha ifampikasohana akaiky toy izany. Raha toa ka tena mamihina ny alikanao ny zanakao, dia azonao folahina hanaiky izany ilay alika. Fihino vetivety ny alikanao, avy eo dia omeo sombin-tsakafo matsiro izy ka derao. Ataovy mihalava tsikelikely ny famihinanao. Raha mierona ny alikanao, dia mitadiava fanampiana avy amin’ny mpamolaka mahay iray.

Alika masiaka

Misy alika sasany toa efa manan-toetra masiaka mihitsy ary mety hampidi-doza ho an’ny mpianakavy. Azo inoana kokoa fa ny alikalahy no hampiseho ireo lafin-toetra masiaka ireo.

Tsy tian’ny alika manjakazaka ny hohazonina, indrindra fa manodidina ny faritra mora ahatsapany zavatra, dia ny tarehy sy ny tenda, ohatra. Amin’ny fotoana hafa anefa, dia mety hanatona anao ilay alika, hitakisina aminao, na hametraka ny tongony eo am-pofoanao mihitsy aza, “mangataka” ny hanehoana fiheverana. Mety hiambina faritra arovany mafy ao an-trano izy, ka tsy hamela na dia ny mpianakavy aza hanatona eo. Matetika izy no mampiseho fa azy ny zavatra toy ny kilalao, ary mety hierona na hampitsahatra ny fanaikitraikerany an’ilay zavatra izy rehefa hatonina eo am-pilalaovany azy.

Mba hanamafisany fa izy no mifehy, dia hinia tsy hiraharaha baiko fantany ny alika toy izany. Mety handona ankizy izy na hanantena ny hiditra aloha eo amin’ny varavarana. Mety hirona hitaingina olona koa izy. Izany, hoy i Brian Kilcommons dia “fanjakazakana” fa “tsy hoe ta hanao firaisana”. Mampitandrina izy fa “izany dia famantarana foana ny amin’ny hoe heverin’ilay alika fa izy no mandidy. Azo antoka fa ho avy ny fahasahiranana”. Mety hanana koa ny fahazarana mandray ny tanan’ny tompony amin’ny vavany ilay alika mba hitakiana fanehoana fiheverana.

Tsy tokony hodian-tsy fantatra ireny famantarana fahasiahana ireny. Tsy ho afaka ho azy amin’izao fotsiny ilay toetra; azo inoana kokoa aza fa hitombo izany, ary mety hotandindomin-doza ny ankizy ao an-trano. Mpamolaka maro no manoro hevitra ny amin’ny hamosirana alika toy izany, na lahy izy na vavy, satria izany manampy hampihena ny fahasiahana, amin’ny ankapobeny.

Tsy mety ny hihaikana alika masiaka mba hampisehoana hoe iza no mibaiko. Mety hampidi-doza tokoa ny fifandonana amin-kasiahana sy ny famaizana henjana. Amin’ny fomba an-kolaka kokoa no azo ampisehoana amin’ilay alika hoe iza no mandidy.

Isaky ny manatona anao ny alika iray masiaka mba hahazoana fanehoam-piheverana ka hanehoanao fiheverana izy, dia manamafy ny fiheveran’ilay alika ianao hoe izy no mandidy. Koa raha mitaky fanehoam-piheverana ny alika toy izany, dia aza raharahaina. Tsy maintsy miara-miasa ny fianakaviana manontolo amin’izany fomba fitondrana azy izany. Ho very hevitra ilay alika eo am-boalohany, ary mety hivovò sy hangata-maso any aminao mihitsy aza, kanefa aza manaiky ho resin’ilay fakam-panahy. Rehefa mihataka izy ary angamba mandeha matoritory eo amin’ny toerany, dia amin’izay vao tsara hanehoana fiheverana kely izy. Amin’izany fomba izany no ianaran’ny alikanao fa ianao no mitondra ary ianao no manapaka hoe rahoviana izy no anehoana fiheverana.

Afaka mandrisika ny fironan’ilay alika hanjakazaka ny lalao mahery setra toy ny fifanintonana tady sy ny fitolomana, ka tokony hohalavirina. Aleo soloana lalao tsy mahery setra izy ireny.

Tsara kokoa ny tsy hatorian’ilay alika ao amin’ny efitra fatoriana. Toerana ahazoan-tombontsoa ny efitra fatoriana, ary mety ho tsapan’ilay alika fa hampisondrotra ny toerany ho ambony noho ny an’ny ankizy ao an-trano ny fatoriany ao. Ataovy ao an-dakozia na ao amin’ny tranony any alatrano kosa ny fatoriany. Matetika no ao amin’ny efitra fatorian’izy ireo no voalohany anaikeran’ny alika masiaka an’ireo tompony.

Raha tsy ahitanao vokany tsara ilay alikanao taorian’ny ezaka nataonao, na rehefa mamolaka azy ianao, na amin’ny fotoana hafa, ka mahatsiaro ho rahonany, dia mitadiava ny fanampian’ny mpamolaka alika izay mahay. Mety ho afaka hanoro anao mpamolaka iray ny mpitsabo biby falehanao. Miresaha aloha amin’ilay mpamolaka ny amin’ny fomba famolahany, ary ataovy azo antoka fa afa-po ianao raha ny amin’ny fahaizany, alohan’ny hanakaramanao azy. Hoy ny fampitandreman’i Richard Stubbs, mpamolaka alika: “Na dia mety hanaiky mpamolaka matihanina iray aza ny alika masiaka iray, dia tsy antoka akory izany hoe hanao toy izany koa izy amin’ny tompony.” Tsy maintsy ataon’ny tompon’alika azo antoka fa afaka mihazona ny fifehezana ny alikany amin’ny fotoan-tsarotra izy.

Hisy alika vitsivitsy mbola hasiaka ihany, na dia rehefa avy nampiasana ny fomba famolahana tsara indrindra aza, ary mety hampidi-doza ny fianakaviana ny fihazonana azy. Rehefa avy niezaka nanao izay tsara indrindra azonao natao ianao, dia mety hihevitra fa aleo halefa ilay alika toy izay hitady loza. Tsara ny hanontaniana ny hevitry ny mpitsabo biby na ny mpamolaka alika. Mety ho afaka hahita toeran-kafa hipetrahan’ny alikanao ianao, kanefa mazava ho azy fa tsy maintsy milaza amin’ilay tompony vaovao momba ireo olana hitanao tamin’ilay alika ianao.

Hoy ny torohevitra nomen’i Peter Neville, mpamolaka alika: “Tsy maintsy atao amim-pitandremana tsara ny fitondrana ny alika manjakazaka ary tombanana amim-pitandremana hoe iza no hotandindomin-doza hatrany ary manao ahoana ny halehiben’ilay loza. Raha tsy azo antoka ny fiarovana an’ilay olona tandindomin-doza indrindra ao amin’ny fianakaviana, dia tsara kokoa amin’izay ny hamindran-toerana an’ilay alika ho any amin’izay ho tompony vaovao voafantina amim-pitandremana, na tsara kokoa ny hamonoana azy.”

Afaka miana-javatra sady mandray soa ara-pihetseham-po avy amin’ny fananana alika ompiana ao an-trano ny ankizy. Amin’ny fanaraha-maso amim-pahaiza-mandray andraikitra, ny ray aman-dreny dia manampy mba hahazoana antoka fa hahafinaritra avokoa ny fahatsiarovan’ny zanany an’ireo biby nompiana tao an-trano.

[Efajoro, pejy 16]

Ny Dikan’ny Fihetsiky ny Alika

Mampiharihary fikasan-dratsy ny fihetsika mampiavaka ny alika masiaka. Amin’ny fampianarana ny zanakao hamantatra io dikan’ny fihetsiky ny alika io, dia afaka manampy azy hisoroka toe-javatra mampidi-doza ianao.

● Ny alika masiaka dia hitady hiseho ho lehibe kokoa. Mety hitsangana ny volon-katony. Mety hierona na hivovò ilay alika sady hampiakariny mahitsy ny rambony. Raha mipelipelika haingana sady mihenjana ny rambony, dia tsy te hinamana izy izany. Tokony havela izy.

● Ny alika matahotra dia mety hamitsaka sady hanondrika ny lohany sy hampidina ny sofiny ary mety hampidina ny rambony na mety hifori-drambo. Raha hatonina io alika io, dia mety hanjary hasiaka noho ny tahotra. Avelao izy.

● Ny alika tony dia mijoro sady tsy ataony ambony loatra na ambany ny lohany, misokatra ny vavany, ary ambany kely kokoa noho ny lamosiny ny rambony, fa tsy miraviravy midina. Mariky ny fitiavany hinamana ny rambony mihetsiketsika. Amin’ny ankapobeny dia tsy mampaninona ny minamana amin’io alika io.

(Notsoahana avy tao amin’ilay boky hoe Childproofing Your Dog, nataon’i Brian Kilcommons sy i Sarah Wilson.)

[Efajoro/Sary, pejy 17]

Fiarovana Amin’ny Alika

1. Araho maso ny ankizy kely sy ny alika.

2. Ampianaro tsy hanorisory alika na oviana na oviana ny zanakao.

3. Mangataha lalana amin’ny tompon’ny alika iray tsy fantatra, alohan’ny hisafosafoana ilay alika.

4. Folahy hankatò baiko fototra ny alikanao.

5. Zaro fihinina ny alikanao.

6. Halaviro ny lalao mahery setra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara