FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/5 p. 17
  • Tombano Izay ho Lany Amin’ny Fifindra-monina!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tombano Izay ho Lany Amin’ny Fifindra-monina!
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Tokony Hipetraka any Andafy ve Aho?
    Mifohaza!—2000
  • “Mialà amin’ny taninao sy ny havanao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Manompo Miaraka Amin’ny Fiangonana Miteny Vahiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/5 p. 17

Tombano Izay ho Lany Amin’ny Fifindra-monina!

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ATSY AFRIKA ATSIMO

MIERITRERITRA ny hifindra monina any amin’ny tany iray hafa ve ianao? Efa nanombana izay ho lany ve ianao? Tsy izay ho lany ara-bola fotsiny no tianay holazaina. Raha ny marina, ny ankamaroan’ny olona dia mihevitra ny hifindra monina mba hahitana tsy fananana ahiahy ara-bola na ahoana na ahoana. Ny tianay holazaina dia ny zavatra tsy miharihary, izay tsy miseho raha tsy aorian’ny fifindrana ara-batana. Mazàna dia ho diso aoriana loatra raha amin’izay vao hiverin-dalana. Ireto hevitra manaraka ireto dia tsy natao hampahatahotra anao, nefa mendrika ny hoheverina izy ireo:

“Mitaky fanetren-tena sy fiezahana ny fianarana fiteny vaovao iray. Mahakivy ny olon-dehibe iray ny mahita fa na dia ireo ankizy kely aza dia mihevitra azy ho hafahafa satria tsy azon’izy ireo ny teniny. Ny tsy fitsaharana manao fahadisoana sady ihomehezana tsy an-kijanona noho ireo fahadisoan’ny tena dia fitsapana goavana ny fanetren-tena ho an’ny maro. Mahakivy ka mila tsy ho zaka ny fiainana ho an’ireo vahiny izay tsy mahay ny fiteny eo an-toerana.” — Rosemary, misionera any Japon.

Angamba ianao mihevitra fa ampy fahalalana an’ilay fiteny ny tenanao mba hahombiazana. Azonao antoka ve anefa fa ampy fahalalana an’ilay fiteny ny fianakavianao manontolo ka ho faly hifindra?

Inona no ho vokany eo amin’ilay fianakaviana raha toa ny mpikambana sasany nodrokidrokina hifindra monina tsy araka ny sitrapony? “Ny vehivavy sasany [avy any Meksika], dia tsy nanana anjara mihitsy tao amin’ny fandehan’ny fanapahan-kevitra ny hifindra monina ary tsy naniry hifindra monina velively na naniry hitoetra tany Etazonia taorian’ny fifindra-monina”, hoy ny gazety Psychology of Women Quarterly. Amin’ny toe-javatra toy izany, ny fifindrana an-tery dia mety hanimba ny firaisan-tsain’ny fianakaviana. Ahoana anefa raha ilay mpampidi-bola ihany no mifindra?

Ao amin’ilay boky hoe Population, Migration, and Urbanization in Africa dia notombanana fa ao amin’ny tanàna kely iray ambanivohitra any amin’ny faritra atsimon’i Afrika dia maherin’ny 50 isan-jaton’ny “lehilahy no tsy eo amin’ny fianakaviany amin’ny fotoana iray”. Izay tsy maha-eo azy izay dia afaka manaisotra ny fahafaham-po sy ny tsy fihilangilanan’ny fianakaviana. Izy io koa dia mety hitarika ny mpivady ho tafalatsaka ao amin’ny faharatsiam-pitondran-tena. Tsara lavitra toy inona moa rehefa afaka miara-mitoetra ny fianakaviana, na manapa-kevitra ny hifindra monina izy na tsia! Ny firaisan-tsain’ny fianakaviana dia zavatra tsy voavidim-bola.

Avy eo, dia eo ny enta-mavesatry ny fiatrehana ny fitsarana an-tendrony. “Raha tsy tonga teto Angletera aho, tsy mba nahatsapa ny zava-manahirana ny amin’ny ‘volon-koditra’ ”, hoy ny tsaroan’ny mpifindra monina karàna iray. “[Fahatsapana] nahatsiravina izany. Fahatafintohinana nankarary. Naniry ny hiverina tany aminay aho, mba handosirana izany zavatra izany.” — The Un-melting Pot.

Koa alohan’ny hifindranao monina, dia manontania tena hoe: ‘Inona avy no safidy mipetraka? Tsy afaka manao fanitsiana ve izahay atỳ aminay? Tena mendrika ny hanaovana azy ve ny fifindrana monina any amin’ny tany iray hafa? Mety ho izany, nefa mety tsy ho izany koa, nefa alohan’ny hanapahanao hevitra, dia hevero itỳ torohevitra tsara avy amin’i Jesosy itỳ: “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” — Lioka 14:28.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara