Modely Tokony Harahina
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY SILIA
Manana trano ao Antofagasta, tanàna misy mponina tokony ho 170 000 ao Silia avaratra, i Giacomo Castelli. Avy teo amin’ny lavarangany, tamin’ny Jona lasa teo, dia nandinika antokon’olona teo amin’ny zaridaina teo an-toerana izy. “Ny tsy nampino dia ny fahitana zatovo niara-nihomehy sy niara-nandany fotoana nahafinaritra tamin’ny ray aman-dreniny”, hoy ny nosoratany tao amin’ny taratasy iray ho an’ny gazety El Mercurio. Mba hanamafisana an’io fahitana hafa kely io, dia nidina teny amin’ilay zaridaina izy.
“Zava-nahagaga iray hafa no hitako teny”, hoy ny nomarihin’ilay mpanoratra, liana ta hahalala. “Rehefa nahalany ny sakafony ny sasany tamin’ireo fianakaviana, ny tsirairay taminy dia nanomboka nitsimpona izay latsaka tsy nahy teo amin’ny ahitra ary nametraka izany tao anaty harona fasiana fakon’ny tsirairay. (...)
“Naniry hahalala aho hoe iza ireto olona hafa kely ireto”, hoy ilay mpanoratra nanohy ny teniny. “Nanatona ankizivavy iray faran’izay tsara tarehy aho ary nilaza tamiko tamin’ny fomba nahafinaritra izy hoe: ‘Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary mivory ao amin’ny Kianjam-paritra noho ny fivoriambe iray izahay.’ ” Nandritra ny fiatoana tamin’ny antoandro, ireo antokon’olona avy tamin’ilay fivoriamben’ny fizaran-tany natrehin’ny olona maherin’ny 3 000 ireo, dia nandeha nankeny amin’ilay zaridaina mba hisakafo.
“Katolika Romana Apostolika aho”, hoy ilay mpanoratra. “Mamonjy ny Lamesa masina amim-pahatokiana aho ary nanao fivahiniana masina tany Lourdes, Frantsa, mihitsy aza, taona maro lasa izay.
“Kanefa, ho fanajana ny fitaizana kristiana lalina azoko, dia tsy maintsy manontany tena amim-pahamarinana aho hoe: “Inona no ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy anananay Katolika, izay fivavahan’ny ankamaroan’ny olona eto Silia? Nahoana ireto zatovo ireto no toa mahatsapa ho metimety erỳ miaraka amin’ny ray aman-dreniny, nefa ireo zanako telo vavy mandositra rehefa manolo-kevitra fotsiny ny hiarahanay mivoaka aho?
“Nahoana no mahery setra ireo zanatsika katolika; nahoana no mikiakiaka sy manao toy ny ‘Power Rangers’ izy ireo rehefa milalao, sady mamely ny ankizy hafa, (...) kanefa kosa ireto ankizy ireto tia fihavanana sy misariaka amim-pahatsorana, ary mihevitra ny tontolo iainana? Nahoana, isaky ny tafaraka maro be isika Katolika, no tsy maintsy manao varotra maharikoriko foana, manodidina ny toeram-pivavahana masina indrindra ananantsika, toy ireo toerana masina any La Tirana sy Andacollo, ary ny hafa?”
Namarana ny taratasiny ho an’ilay gazety ilay mpanoratra, Atoa Castelli, tamin’ny fanontaniana hoe: “Ho tahaka azy ireo ve isika indray andro any, dia isika izay mihevi-tena ho Katolika sy ho Kristiana? Enga anie Andriamanitra sy ny Virjiny hanampy antsika hanao izany.”