Fivavahana Iza no Ankasitrahan’Andriamanitra?
MAMPALAHELO fa tsy nitsahatra akory ireo fankahalana ara-pivavahana tany Frantsa tamin’ny taonjato faha-16. Tamin’ilay taonjato nanaraka, dia nandrotidrotika an’i Eoropa ireo fitsarana an-tendrony lalim-paka, rehefa namonjy ny vava ady indray ireo Katolika sy Protestanta nandritra ny Guerre de Trente Ans (1618-1648). Tamin’ny anaran’Andriamanitra, dia namerina indray ilay fifandripahany feno habibiana ireo mihambo ho Kristiana.
Tsy nitsahatra ny fankahalana sy ny famonoana noho ny fivavahana. Vao haingana izay, dia nifandripaka ireo Katolika sy Protestanta tany Irlande, ary nanao toy izany koa ireo anisan’ny fivavahana katolika ortodoksa sy romana, any amin’ny faritanin’i Iogoslavia teo aloha. Ary na dia toa tsy mampino aza izany, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany sy Faharoa, ny Katolika sy ny Protestanta dia samy namono mpiray fivavahana taminy ana hetsiny maro avy, tany am-bava ady. Misy antony manamarina io famonoana io ve? Inona no hevitr’Andriamanitra?
Ezaka hanamarinan-tena
Milaza toy izao ny 1995 Britannica Book of the Year: “Tamin’ny 1994, dia antokon’olona maro no nanandrana nanamarina ara-teolojia ny herisetra.” Maherin’ny 1 500 taona lasa izay, dia efa nisy fanandramana hanamarina ny famonoana mitovy amin’izany nataon’ilay filozofa katolika atao hoe “Masindahy” Augustin. Araka ny New Catholic Encyclopedia, dia izy no “niavian’ilay teôria momba ny ady ara-drariny”, ary marihin’ilay encyclopédie fa ny fiheverany dia ‘misy heriny na dia amin’ny andro maoderina aza’.
Ireo eglizy katolika sy ortodoksa ary protestanta dia nanala tsiny, sady nampandroso mihitsy ny famonoana amin’ny anaran’Andriamanitra. Na dia mihosin-dra aza ny tantaran’ireny fivavahana ireny, dia tsy tsara kokoa noho izany ny an’ireo fivavahana lehibe hafa maro manerana ny tany. Ahoana àry no ahafahanao mamantatra ny vahoaka izay manaraka ny fanompoam-pivavahana marina?
Tsy amin’ny fihainoana fotsiny izay lazain’izy ireo fa inoany. Mahakasika izany dia izao no nampitandreman’i Jesosy Kristy: “Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. (...) Ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. (...) Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo”. (Izahay no manao sora-mandry.) — Matio 7:15-20, Fandikan-teny Katolika.
Fantatra amin’ny voany
Olo-marina an-tapitrisany maro no miaiky fa ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao dia “hazo ratsy” izay namokatra “voa ratsy”, indrindra fa tamin’ny fampandrosoana ireo ady nisy ra nandriaka. Ao amin’ny Baiboly, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso dia lazalazaina ho vehivavy janga ara-panahy iray antsoina hoe “Babylona Lehibe”. Milaza ny Baiboly fa “teo anatiny no nahitana ny ran’ny mpaminany sy ny olona masina sy izay rehetra novonoina teny ambonin’ny tany”. — Apokalypsy 17:3-6; 18:24.
Araka izany, dia tsy nankasitraka velively ireo ady izay nahazo tso-drano tamin’ireo mpitondra fivavahana Andriamanitra, fa hampihatra tsy ho ela kosa ny didim-pitsarany amin’ireny fivavahana izay namono olona tamin’ny anarany ireny. Hanao izany izy ho fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly manao hoe: “Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.” Rehefa hitranga io fisehoan-javatra mahafaly io, dia ho efa “nitsara ilay vehivavy janga lehibe” Andriamanitra, sady ho efa “namaly azy noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany”. — Apokalypsy 18:21; 19:2.
Ny olona izay tsiravina noho ny famonoana rehetra natao tamin’ny anaran’Andriamanitra dia mety hanontany tena raha misy Kristiana izay tena miaina mifanaraka amin’ny faminanian’ilay Baiboly hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” (Isaia 2:4). Moa ve ianao mahafantatra olona tena matahotra an’Andriamanitra tokoa ka tsy mety manao ady?
Ilay fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra
Nilaza toy izao ny fandinihana iray momba ny sosiolojia nitondra ny lohateny hoe “Bebe Kokoa Momba ny Fanamarinana ny Herisetra”, navoakan’ny Oniversiten’i Michigan: “Hatramin’ny niandohan’itỳ taonjato itỳ, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitana tsy niovaova ny toerany, dia ny ‘Tsy Fomban’ny Kristiana ny Atsy na ny Aroa’ tsy misy herisetra, nandritra ireo ady lehibe roa sy ireo fifandonana ara-tafika nanaraka izany, tamin’ny vanim-potoan’ny ‘Ady Mangatsiaka’.” Raha nampahafantatra ny antony itoeran’ny Vavolombelona ho mialanalana ilay fandinihana, dia nilaza hoe: “Ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia vokatry ny fieken’izy ireo mafy fa tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny Baiboly.”
Eny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia miaina mifanaraka amin’ny Baiboly izay mampianatra hoe: “Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny. (...) Tsy maintsy mifankatia isika, — tsy mba tahaka an’i Kaina, izay (...) namono ny rahalahiny.” — 1 Jaona 3:10-12.
Matetika ny Vavolombelon’i Jehovah no nanintona ny sain’ny olona ho amin’ny trosan-dran’ireo fivavahana eo amin’izao tontolo izao. Izy ireo koa dia nampanakoako ilay fiangaviana maika dia maika ao amin’ny Baiboly hoe: “Mialà aminy [i Babylona Lehibe] hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony.” — Apokalypsy 18:4, 5.
Olona tso-po maro no manaraka ilay fanasana mba hiala amin’ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Raha tafintohina lalina amin’ireo famonoana rehetra natao tamin’ny anaran’ny fivavahana ianao, dia manasa anao izahay hifandray amin’ilay olona nanome anao itỳ gazety itỳ, na hanoratra any amin’ny iray amin’ireo adiresy omena ao amin’ny pejy faha-5. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao hahafantatra ilay fampanantenan’ny Baiboly tontolo vaovao iray hitoeran’ny fahamarinana sy tsy hisian’ny ady intsony. — Salamo 46:8, 9; 2 Petera 3:13.
[Sary, pejy 10]
“Manaiky fa mahalala an’andriamanitra izy, nefa mandà azy amin’ny asany”. Titosy 1:16