Fampiononana ho An’ireo Havana Aman-tsakaiza
REHEFA nianjera tany amin’ny Oseana Atlantika ny fiaramanidina, zotra 800 an’ny TWA, tamin’ny 17 Jolay lasa teo, dia maty avokoa ireo olona 230 tao anatiny. Anisan’izany ireo mpianatra teny frantsay 16 tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, sy olon-dehibe dimy hafa niaraka tamin’izy ireo avy tany Montoursville, tanàna kely ao Pennsylvanie, misy mponina tokony ho 5 000. Tamin’ny fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana natao tao an-tanàna tamin’ny 17 Aogositra, i Rudolph Giuliani, ben’ny tanànan’i New York, iray tamin’ireo nandray fitenenana, dia nanamarika fa raha ny ampahany isan-jato mitovy amin’izany tamin’ny mponin’i New York no maty, dia ain’olona 35 000 no ho nafoy!
Nangatahina handray fitenenana tamin’ny fotoam-pandevenana mpianatra maromaro i Dan Chandler, talen’ny sekoly. Notononiny ny fampanantenan’ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy 21:4 izay milaza fa ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra dia “tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. Raha ny amin’ny hoe nahoana no mitranga ny fahoriana toy izany, dia notondroiny ny Mpitoriteny 9:11 izay miresaka momba ny “fotoana sy ny sampona” izay mahazo antsika rehetra. Gaga ny maro nandre ny talen-tsekoliny nanolotra fanazavana nampionona toy izany.
Mba hanolorana fanampiana fanampiny, dia namelatra latabatra iray tao amin’ilay sekoly i Chandler mba hahazoan’ny olona zavatra vita an-tsoratra, toa an’ilay bokikely 32 pejy hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao sy ilay taratasy mivalona hoe Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry? An-jatony maro tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ireo no noraisin’ny olona, ary naneho fisaorana noho ny fampiononana nomen’izy ireny ny maro.
Ianao koa dia mety hahita ny fampiononana ilainao, ao amin’ilay bokikely na taratasy mivalona voalaza etsy ambony. Raha tianao ny hahazo iray amin’izy io na hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantranonao, dia manorata, aza fady, amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Courtesy of Williamsport Sun-Gazette
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Corey Sipkin/Sipa Press