FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/3 p. 14-16
  • Efa Tsinjo ve ny Faran’ny Takilodrano?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Tsinjo ve ny Faran’ny Takilodrano?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsingerim-piainan’ilay katsentsitra
  • Vahaolana sy olana
  • Inona no fanantenana amin’ny hoavy?
  • Sifotra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Hanjavona ve ny aretina indray andro any?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny Akoran’ny Sifo-dranomasina
    Mifohaza!—2011
  • Ny Fahaizan’ny Sifodranomasina Manaparitaka Hazavana
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/3 p. 14-16

Efa Tsinjo ve ny Faran’ny Takilodrano?

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY NIZERIA

NA DIA eo aza ny fandrosoana mahazendana eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny siansa, dia tsy afaka mamaha ireo olana maro efa nahazo azy hatramin’ny ela ny olombelona. Marina izany raha ny amin’ireo ezaka atao mba hampihenana ny takilodrano.

Toa misy avokoa izay ilaina rehetra mba hanaovana izany. Takatry ny dokotera ny fizotran’ny tsingerim-piainan’ilay katsentsitra mahatonga azy io. Mora fantatra ilay aretina. Misy ny fanafody mandaitra mba hitsaboana azy io. Dodona ny hampandroso ireo ezaka hisorohana azy io ireo mpitondra fanjakana. Kanefa, mbola tsy tsinjo ihany ny faran’io aretina io, izay mamely olona an-tapitrisany maro eto Afrika, any Amerika Atsimo, Azia, Caraïbes, sy Moyen-Orient.

Namely ny olombelona hatramin’ny an’arivony taona maro ny takilodrano (antsoina koa hoe bilariziozy). Ireo atody lasa mafy toy ny sokay hita teo amina faty maina voatahiry tatsy Egypta dia manome porofo fa nahavoa ny Egyptiana tamin’ny andron’ireo farao ilay aretina. Taonjato 30 tatỳ aoriana, dia mbola manohy mamely an’i Egypta io aretina io, ka manimba ny fahasalaman’ny mponina an-tapitrisany maro ao amin’io tany io. Any amin’ny vohitra sasany eo amin’ny Vinanin’i Nil, dia olona 9 amin’ny 10 no efa voa.

Iray monja amin’ireo tany 74 na maherin’izany izay misy takilodrano i Egypta. Maneran-tany, araka ny tarehimarika nomen’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), dia olona 200 tapitrisa no voan’io aretina io. Amin’ireo olona 20 tapitrisa manana azy io ho aretina mitaiza, dia tokony ho 200 000 no maty isan-taona. Amin’ireo aretina tropikaly azo avy amin’ny katsentsitra, dia voalaza fa ny takilodrano no manaraka avy hatrany ny tazomoka, raha ny amin’ny isan’ny olona voany sy ny fahavoazana sosialy sy ara-toe-karena aterany.

Tsingerim-piainan’ilay katsentsitra

Rehefa takatrao ny fizotran’ny takilodrano, ary amin’izany dia fantatrao ny fomba fisorohana sy fitsaboana azy, dia midika izany fa takatrao ny momba ilay katsentsitra mahatonga azy io. Zavatra tena lehibe itỳ: Mba hahavelomana hatrany sy hitomboana taranaka, dia mila zavaboary velona roa ipetrahany ilay katsentsitra, ka ao anatin’ireo izy no mivelona sy mitombo. Ny iray dia biby mampinono, na olombelona; ny faharoa dia sifotra an-dranomamy.

Toy izao no fitrangany. Rehefa mivalan-drano na mivalana eo amin’ny kamory, farihy, sakelidrano, na renirano, ny olona iray misy ilay katsentsitra, dia mamoaka atodin’ilay katsentsitra izy — angamba atody hatramin’ny iray tapitrisa isan’andro. Kely loatra ireo atody ireo ka tsy hita raha tsy amin’ny mikiraosikaopy. Rehefa mikasi-drano ireo atody, dia foy ary mamoaka ireo katsentsitra. Mampiasa tsibolo bitika eo amin’ny vatany ireo katsentsitra mba hanatonana sifotra an-dranomamy, izay idirany. Ao anatin’ilay sifotra izy ireo no mitombo mandritra ireo efatra ka hatramin’ny fito herinandro manaraka.

Rehefa mandao ilay sifotra izy ireo, dia tsy manana afa-tsy 48 ora mba hahitana sy hidirana ao amin’ny olombelona na biby mampinono hafa. Raha tsy izany, dia ho faty izy ireo. Rehefa mahatratra zavaboary iray hitoerany izay nirobo-drano ilay katsentsitra, dia mitsofoka amin’ny hoditra ka miditra ao anatin’ny lalan-dra. Mety hiteraka hidihidy eo amin’ilay olona izany, na dia matetika aza no tsy misy ahafantarany hoe nisy katsentsitra tafiditra. Ao anatin’ny lalan-dra, dia mizotra mankany amin’ny lalan-dran’ny tatavia na ny tsinay ilay katsentsitra, miankina amin’ny karazany. Ao anatin’ny herinandro vitsivitsy, dia mihalehibe ireo katsentsitra ka lasa kankandio lahy sy vavy lehibe mahatratra hatramin’ny 25 milimetatra ny halavany. Aorian’ny nivadiany, dia manomboka mamoaka atody ho ao anatin’ny lalan-dran’ilay ipetrahany ny vavy, ka hatreo ny tsingerina iray.

Tokony ho ny antsasak’ireo atody no mivoaka ny vatan’ilay ipetrahany, mivoaka amin’ny diky (amin’ny takilodrano mahazo ny tsinay), na amin’ny fivalanan-drano (amin’ny takilodrano mahazo ny taovam-pamaniana). Mijanona ao anatin’ny vatana ny sisa amin’ireo atody ary manimba taova lehibe. Rehefa mihombo ilay aretina, dia mety ho azon’ny fanaviana, fibontsinan’ny kibo, sy lotsi-dra anaty, ilay marary. Any aoriana dia mety hitarika ho amin’ny kanseran’ny tatavia na ny tsy fiasan’ny aty na ny voa intsony, ilay aretina. Misy olona voan’izy io manjary momba na malemy. Ny hafa maty.

Vahaolana sy olana

Mba hisorohana ny fielezan’ilay aretina, dia zavatra efatra, fara fahakeliny, no azo atao. Raha ampiharina maneran-tany ny iray amin’ireto fepetra ireto, dia ho fongotra ilay aretina.

Ny fepetra voalohany dia ny famongorana ireo sifotra ao anaty rano. Tena ilain’ny katsentsitra ny sifotra mba hitomboany. Raha tsy misy ny sifotra, dia tsy hisy ny takilodrano.

Ny ezaka lehibe indrindra natao dia ny hamokarana poizina izay ampy hery tsara mba hamonoana ireo sifotra, kanefa tsy handoto ny tontolo iainana. Tamin’ireo taona 1960 sy 1970, dia nahomby tamin’ny famonoana ny zavamiaina rehetra tao anatin’ny velaran-drano midadasika ireo ezaka natao mba hamongorana ny sifotra. Nisy ezaka natao tao amin’ny Institut Theodor Bilharz Momba ny Fikarohana atsy Egypta, mba hahitana fanafody famonoana sifotra izay tsy hanimba ny zavamiaina hafa. Hoy ny fanamarihan’ny Dr. Aly Zein El Abdeen, prezidàn’ilay institut, mikasika izany fanafody izany: “Izy io dia hararaka ao anatin’ny rano, izay ampiasaina amin’ny voly sy sotroin’ny olona sy ny biby ary ipetrahan’ny trondro, koa tsy maintsy mahazo antoka tanteraka isika fa tsy misy na dia iray amin’ireo aza ho voakasika.”

Ny fepetra faharoa dia ny famonoana ireo katsentsitra ao anatin’ny olombelona. Hatramin’ny antenatenan’ireo taona 1970, dia anisan’ilay fitsaboana ny fampiasana fanafody izay niteraka voka-dratsiny maro sy fihasarotan’ilay aretina. Matetika no nitaky fanaovana tsindrona naharary misesy, ilay fitsaboana. Nisy nitaraina hoe nampanaintaina kokoa noho ilay aretina ilay fitsaboana! Nanomboka tamin’izay, dia nisy fanafody vaovao namboarina, toy ny praziquantel, ohatra, izay mandaitra amin’ny fiadiana amin’ny takilodrano, ary azo hanina ireo fanafody ireo.

Na dia hita ho nandaitra aza ireo fanafody ireo teo amin’ny tetik’asa nampiasana azy tamin’olona teto Afrika sy tany Amerika Atsimo, dia olana lehibe ho an’ny tany maro ny vidiny. Naneho ny alahelony toy izao ny OMS tamin’ny 1991: “Tsy afaka manomboka ireo fandaharan’asa hifehezana [ny takilodrano] amin’ny ambaratonga lehibe ireo tany any, satria lafo be ilay fitsaboana; ny sanda tsy miovaovan’ilay fanafody mihitsy dia mazàna no mihoatra noho ny tontalin’ny teti-bolan’ny ankamaroan’ny minisiteran’ny fahasalamana any Afrika, natokana ho an’ny mponina tsirairay.”

Na dia any amin’ny toerana anomezana maimaim-poana ireo fanafody ho an’ny marary aza, dia olona maro no tsy mandeha mitsabo tena. Nahoana? Antony iray ny maha-somary ambany ny taham-pahafatesana noho ilay aretina, hany ka tsy heverin’ny sasany ho olana lehibe izy io. Antony iray hafa koa ny tsy fahafantaran’ny olona foana ireo fisehoan’ilay aretina. Any amin’ny faritra sasany eto Afrika, dia mahazatra aoka izany ny fahitana ra ao anatin’ny fivalanan-drano (fisehoana voalohan’ilay aretina), hany ka heverina ho tapany ara-dalàna amin’ny fitomboana ho olon-dehibe izany.

Ny fepetra fahatelo dia ny fisakanana ireo atody tsy hikasi-drano. Raha naorina ny kabine mba hisorohana ny fandotoana ireo sakelidrano sy kamory teo an-toerana ary raha nampiasa kabine ny rehetra, dia mety ho nihena ny mety hahavoan’ny takilodrano.

Asehon’ny fandinihana maneran-tany fa mihena be ilay aretina taorian’ny nametrahana fantsona famatsian-drano sy kabine, kanefa tsy miantoka ny fisorohana ilay aretina ireo zavatra ireo. “Olona iray monja izay mivalana eo amin’ny lakandrano dia ampy mba hanohizana hatrany ilay tsingerina”, hoy ny fanamarihan’i Alan Fenwick, mpahay siansa, izay nanao fikarohana momba ny takilodrano nandritra ny 20 taona mahery. Eo koa ny mety hahavaky ireo fantsona fanariana maloto ka hivoahan’ny diky misy katsentsitra ho any amin’ny rano.

Ny fepetra fahefatra dia ny fisakanana ny olona tsy hikasika rano misy ilay katsentsitra. Tsy mora araka ny toa mety hisehoany koa izany. Any amin’ny tany maro, dia ampiasaina mba handroana sy hampidiran-drano amin’ny voly ary koa hanasan-damba, ny farihy sy ny sakelidrano ary ny renirano, izay mamatsy rano fisotro. Mikasi-drano isan’andro ireo mpanjono. Ary amin’ny hafanana migaingainan’ny tropika, dia mety ho dobo filomanosana manintona aoka izany ny rano ho an’ny ankizy.

Inona no fanantenana amin’ny hoavy?

Tsy isalasalana fa misy olona sy fikambanana tso-po miasa amim-pahazotoana mba hiady amin’ny takilodrano ary koa fa nisy fandrosoana goavana vita. Eo am-piezahana mihitsy aza ireo mpikaroka mba hamorona vaksinin’ny takilodrano.

Na dia izany aza, dia hita ho kely ny fahatsinjovana ny hamongotra ilay aretina. Hoy ny nambaran’ny Dr. M. Larivière tao amin’ilay gazety frantsay momba ny fitsaboana hoe La Revue du Praticien: “Na dia teo aza ny fahombiazana (...), dia mbola tsy hanjavona mihitsy ilay aretina.” Na dia mety ho tena misy aza ny fisorohana sy ny fitsaboana ho an’ny isam-batan’olona, dia angamba tsy ho hita ny vahaolana maneran-tany amin’ny olana entin’ny takilodrano, mandra-pahatongan’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Mampanantena ny Baiboly fa “tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. — Isaia 33:24.

[Sary, pejy 15]

Rehefa mirobo-drano voaloto ny olona, dia idiran’ny katsentsitra izay mahatonga ny takilodrano

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara