FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/2 p. 32
  • Boky Iray Tiana Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Boky Iray Tiana Indrindra
  • Mifohaza!—1997
Mifohaza!—1997
g97 8/2 p. 32

Boky Iray Tiana Indrindra

Ilay hoe Books We Love Best (Boky Tianay Indrindra), navoaka tokony ho dimy taona lasa izay tany Californie, Etazonia, dia fitambarana filazan-kevitry ny tanora momba ireo boky tiany indrindra. Nifidy ilay hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra, ho ny boky tiany indrindra ny tanora iray. Nohazavain’ilay mpanoratra tanora toy izao ny antony:

‘Io boky faran’izay tsara io dia momba ireo fanontaniana sy valiny apetraky ny tanora amin’ny tenany amin’izao andro izao, toy ny hoe “Nahoana ny ray aman-dreniko no tsy mahatakatra ny fomba fihevitro?” “Tokony hanandrana zava-mahadomelina na alkaola ve aho?” “Ahoana no ahafantarako raha tena fitiavana izao?” “Inona no hoaviko?” “Ahoana ny amin’ny firaisana alohan’ny fanambadiana”? Vitsivitsy amin’ireo lohatenin’ny toko ao amin’io boky io ireo. Tiako io boky io satria tsy vitan’ny hoe manana fanontaniana momba ny tena manokana izy io, fa mamaly azy ireny koa amin’ny alalan’ny valiny mora izay mahafa-po ny tena hatrany. Ho tian’ny ankizy izy io.’

Nampiasainy ho ohatra ny amin’ny fakam-panahy atrehin’ny tanora amin’izao andro izao ny alkaola sy ny zava-mahadomelina. ‘Mampiseho ny zava-pisotro sy ny alkaola amin’ny fomba mampaniry anao hanaiky azy ireny ny gazetiboky sy ny fandaharana ao amin’ny tele’, hoy ny fanazavan’ilay tanora. ‘Maka fanahy anao hanaiky azy ireny ny tanora hafa sy ny mitovy taona aminao. Koa tsy mahagaga àry raha toa ka sanganehana ny amin’izay tokony hataony ireo ankizy. Mamaly ireo karazam-panontaniana ireo io boky io. Koa fantatrareo izao ny antony itiavako an’io boky io. Miara-mianatra azy io foana izaho sy ny reniko isaky ny alakamisy. Eo amin’ny antsasak’io boky io eo ho eo izahay izao.’

Tsy isalasalana fa ianao koa dia handray soa betsaka avy amin’io boky 320 pejy misy sary natao tamin’ny fomba manintona io. Raha tianao ny hahazo iray amin’izy io na hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana ao an-tokantrano, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara