FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/8 p. 4-6
  • Ny Antony Mahatandindomin-doza Ireo Karazana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Antony Mahatandindomin-doza Ireo Karazana
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandravana ny fonenana voajanahary
  • Fanafihana mivantana
  • Karazana Tandindomin-doza — Ny Halehiben’ilay Olana
    Mifohaza!—1996
  • Fiarovana Zavaboary Ampifanoherina Amin’ny Fandaniana Tamingana Azy
    Mifohaza!—1996
  • Ny Soa Azo avy Amin’ny Ala Tropikaly
    Mifohaza!—1998
  • Mbola ho Velona Ihany ve ny Ala Tropikaly?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/8 p. 4-6

Ny Antony Mahatandindomin-doza Ireo Karazana

ANJARY lany tamingana noho ny antony maro samihafa ireo karazana. Diniho ireto antony telo lehibe indrindra ireto. Tompon’andraikitra tsy mivantana amin’ny roa amin’izy ireo ary tompon’andraikitra mivantana amin’ilay iray hafa, ny olombelona.

Fandravana ny fonenana voajanahary

Mandray anjara betsaka amin’ny fihenan’ny isan’ny karazana iray ny fandravana ny fonenany voajanahary. Milazalaza izany hoe “ny fandrahonana lehibe indrindra”, nefa koa “ny sarotra sakanana indrindra”, ny The Atlas of Endangered Species. Manery ny olona hihoa-pefy miandalana hankeo amin’ny tany izay fonenan’ny biby dia teo aloha, ny fitomboana haingan’ny isan’ny mponina eo amin’izao tontolo izao. Ohatra misongadina amin’izany ny ala be orana eo amin’izao tontolo izao.

‘Ao anatin’ny 40 taona dia tsy hisy ala be orana ho tavela intsony’, hoy ny fanombanana mahatahotra izay mampifantoka ny saina amin’izay heverin’ny olona maro ho fahaverezan’ny loharanon-karena sarobidy mampalahelo. Raha ny marina, dia efa ho ny ampahefatry ny fanafody rehetra fantatry ny tontolo tandrefana no avy tamin-javamaniry any an’ala tropikaly be orana. Na dia tsy mandrakotra afa-tsy ny 7 isan-jato monja amin’ny velaran-tanin’ny planetantsika aza, araka ny tombana, ny ala be orana, dia fonenan’ny efatra ampahadimin’ny zavatra maniry amin’ny tany eo amin’izao tontolo izao, izy ireo.

Mandroba amin’ny ala be orana any Afrika Andrefana ny lovany manankarena hazo, ny fikapana hazo sy ny fomba fambolena miova. Nanova ny toetr’andro mihitsy aza ny fandripahana ala tany India, izay sombin-kontinenta lehibe, ka nampihena ny rotsakorana tany amin’ny faritra sasany, fa nahatonga tondra-drano kosa tany an-toeran-kafa.

Rehefa mikapa hazo ny olona mba hampisava ny toerana hanaovana fambolena, dia mifandimby maty ireo zavamaniry, biby, vorona, biby mandady, sy bibikely. Tombanan’i Edward Wilson, profesora any Harvard, fa 1 isan-jato isan-taona ny fandripahana ala, ary miantoka ny hahalany tamingana karazan-javamaniry sy biby an’arivony maro izany, any aoriana. Atahorana ny hoe karazany maro no hanjavona, alohan’ny hahazoany anarana siantifika.

Mitovy amin’izany ny tarehin-javatra eny amin’ireo henihenin’ izao tontolo izao, fonenana voajanahary hafa tandindomin-doza koa. Mandritra ireny faritra ireny ireo mpanitatra tanàna mba hahafahany hanorina trano, na manova azy ireny ho tany azony volena ireo mpamboly. Tao anatin’ireo 100 taona lasa, dia hatramin’ny 90 isan-jaton’ny tany lava volo maina tany Eoropa no nampiasaina mba hanaovana fambolena. Nahatonga fihenana 64 isan-jato teo amin’ny isan’ny grives musiciennes ny fampiasana kijana tany Grande-Bretagne, nandritra ireo 20 taona lasa.

Na dia miantso itỳ nosin’i Madagasikara itỳ hoe “sambo fiaran’i Noa ara-jeolojia” aza ny gazetiboky Time, dia tandindomin-doza ireo biby dia isan-karazany maro be eto amintsika. Rehefa mitombo ny mponina sy ny fitrosana amin’ny firenena maro, dia mitombo ny fanerena mahazo ny mponina eto amin’itỳ nosy itỳ mba hamadika ny ala ho tanimbary. Koa satria ny telo ampahefatry ny fonenan’ny bokombolomena (karazana maky) no nanjavona tao anatin’ireo 20 taona lasa, dia 400 monja amin’ireo biby ireo no sisa tavela.

Azo antoka fa manimba tsikelikely ny biby dia isam-paritra ny fanovan’ny olona tanteraka ny fampiasany ny tany. Raiso ho ohatra hafa ireo Polyneziana, izay tonga tany Hawaii, 1 600 taona lasa izay. Vokatry ny nataon’izy ireo, dia karazam-borona 35 no nanjary lany tamingana.

Nitondra saka fiompy, izay tonga saka dia ny sasany, ireo mpanorim-ponenana tany am-boalohany tonga tany Aostralia sy Nouvelle-Zélande. Araka ny gazetiboky New Scientist, ireny saka dia ireny ankehitriny dia miremby karazam-biby mampinono 64 tera-tany any Aostralia. Izy ireny mbamin’ny alika dia mena nentina avy tany Eoropa dia manafika an’ireo karazana tandindomin-doza sisa tavela.

Fanafihana mivantana

Tsy fisehoan-javatra vaovao akory ny fihazana. Milazalaza ny amin’i Nimroda mpikomy, mpihaza iray izay velona maherin’ny 4 000 taona lasa izay, ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Genesisy. Na dia tsy misy aza firesahana ny amin’ny nandripahany karazana iray manontolo, dia mpanohana nahatahotra ny fihazana izy. — Genesisy 10:9.

Nandritra ireo taonjato, ireo mpihaza dia nandripaka liona tany Gresy sy Mezopotamia, lalomena tany Nubie, elefanta tany Afrika Avaratra, bera sy castors tany Grande-Bretagne, sy omby dia tany Eoropa Atsinanana. “Nandritra ireo taona 1870 sy 1880, ireo mpihaza dia namono elefanta ampahefa-tapitrisa tany Afrika Atsinanana fotsiny”, hoy ny tatitra nataon’ny Radio Times, gazetiboky misy ny lisitry ny fandaharana ao amin’ny BBC. “Nandritra ny antsasa-taonjato, dia nameno an’i Afrika ny firefotra faingan’ny basin’ny olona fanta-daza sy nanankarena ary ambony toerana, izay nitifitra elefanta, tokantandroka, zirafy, saka lehibe, sy izay hafa rehetra sendra tsikariny. (...) Izay toa tena manafintohina amin’izao andro izao dia fihetsika azo nekena tanteraka tamin’izay.”

Aoka hiverenantsika ilay tarehin-javatra misy ny tigra heni-kaja. Notondroin’ny fanisana tamin’ireo taona 1980 fa nahita fahombiazana ireo ezaka natao hiarovana azy ireo. “Na dia izany aza, dia tsy araka ny toa nisehoany ny toe-javatra”, hoy ny fanamarihan’ny 1995 Britannica Book of the Year. “Nahariharin’ny fanisana tamim-pitandremana kokoa fa ireo fanisana teo aloha dia nampitomboin’ny mpitondra fanjakana, izay, na niray tsikombakomba tamin’ny mpihaza tsy nanara-dalàna, na may fotsiny hampifaly ireo lehibeny. (...) Niroborobo ny varotra taovan-tigra an-tsokosoko, satria nampisondrotra avo kokoa ny vidiny ny fihenan’ny taova amidy.” Noho izany, tamin’ny 1995, dia teo amin’ny $9 400 ka hatramin’ny $24 000 ny tombam-bidin’ny tigra iray avy any Siberia — tsia, tsy noho ny hodiny sarobidy be fotsiny, fa koa noho ny taolany, ny masony, ny volombavany, ny nifiny, ny taovany anaty, ny taovam-pananahany, izay samy sarobidy be avokoa eo amin’ny fanafody tatsinanana nentim-paharazana.

Ny varotra ivoaran’elefanta, tandroky ny tokantandroka, hoditry ny tigra, sy taovam-biby hafa, dia varo-maizina ahazoana an’arivo tapitrisany dolara maro ankehitriny, varotra manarakaraka avy hatrany ny fanondranana na ny fanafarana zava-mahadomelina an-tsokosoko, hoy ny fanamarihan’ny Times. Ary tsy voafetra ho amin’ny biby mampinono lehibe ihany izany. Tamin’ny 1994, ny fanafody sinoa nentim-paharazana dia nandany hippocampes mahazendana 20 tapitrisa, ka nahatonga ny isan’ny azo ho nihena 60 isan-jato, araka ny tatitra, tao anatin’ny roa taona tany amin’ny faritra sasany amin’i Azia Atsimo Atsinanana.

Tsy sarotra ny mamantatra hoe iza no tokony homen-tsiny rehefa misy karazana iray hazaina mandra-pahalany tamingana azy. Ary ahoana ny amin’ireo mpanangona? Ahazoan’ny mpanao varo-maizina iray any Brezila $500, araka ny tatitra, ny boloky tandindomin-doza iray, dia ny Aratinga guarouba. Rehefa mivarotra azy io any ivelany anefa izy, dia mahazo maherin’ny avo telo heny sy sasany amin’izany vola izany.

Mandrahona an’ireo karazana tandindomin-doza ny ady sy ny voka-dratsiny, ireo mpialokaloka sesehena mihamitombo, mbamin’ny taham-piterahana mihamiakatra, ny fandotoana mitombo, sy ny fizahan-tany mihitsy aza. Mandratra ny dauphins ireo mpizaha zava-mahaliana mitaingina sambokely mandeha maotera rehefa mirohotra mijery azy ireny, ary afaka manembantsembana ny rafitra marefon’ny dauphins famantarany ny toeran-javatra amin’ny alalan’ny ako, ny feo ao anaty rano ateraky ny sambokely.

Rehefa avy nahita izany lisitra mampalahelo momba ny fanimbana ataon’ny olombelona izany ianao, dia mety hanontany tena tokoa hoe: ‘Inona no ataon’ireo mpiaro zavaboary mba hitsimbinana an’ireo karazana tandindomin-doza, ary manao ahoana ny fahombiazan’izy ireo?’

[Sary, pejy 6]

Mifandimby maty ny zavamaniry, ny biby, ny vorona, ny biby mandady, sy ny bibikely, rehefa mikapa hazo ny olona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara