Mangetaheta Fahalalana Ara-baiboly ve Ianao?
NANDRITRA ny am-polony taona maro dia voarara ny fiaraha-midinika malalaka ny Baiboly tany amin’ireo tany komonista. Rehefa nifarana anefa ny Ady Mangatsiaka, dia olona ana hetsiny maro tany no nanomboka nitady fahalalana ara-baiboly. Na dia mitranga indrindra any amin’ireo repoblikan’ny Firaisana Sovietika teo aloha aza izany, dia mitovy amin’izany ny tarehin-javatra any amin’ireo tany any Eoropa Atsinanana.
Ohatra, nitondra fifaliana lehibe ho an’ny vehivavy iray 45 taona, mpampianatra biolojia sy simia any Pecs, Hongria, ny fiaraha-nidinika ny Baiboly. “Fanandraman-javatra nampientam-po sy nahafaly ny niresaka tamin’ny iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nitsidika an’i Budapest aho”, hoy ny nosoratan’ilay mpampianatra. “Tiako ny mamaky ny Soratra Masina, ary hankasitrahako ny hahazo fampianarana Baiboly. Ho velom-pisaorana aho hanaiky ny fanampianareo.”
Ravoravo ny Vavolombelon’i Jehovah manome fanampiana toy izany ho an’ny olona hatraiza hatraiza. Raha tianao ny hisian’ny olona hitsidika anao ao an-tokantranonao mba hiara-midinika ny Baiboly aminao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-5.