FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/5 p. 25-27
  • Paraky — Tsy Manimba ve Izy Io?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Paraky — Tsy Manimba ve Izy Io?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandraisana ilay hafatra
  • Ireo vaovao ratsy
  • Za-dratsy!
  • Mba hendre
  • Mandefa ny Balaoniny Feno Hevitra Rivotra Ireo Mpiaro ny Sigara
    Mifohaza!—1995
  • Sigara sy fanasivanana
    Mifohaza!—1990
  • Miomàna Hiatrika Olana
    Mifohaza!—2010
  • Sigara sy fitsipi-pitondrantena
    Mifohaza!—1991
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/5 p. 25-27

Manontany ny Tanora Hoe...

Paraky — Tsy Manimba ve Izy Io?

‘REHEFA nifindra nankany amin’ny afovoany andrefana amin’i Etazonia i Cord 13 taona, dia hitany haingana fa tsy nanana zavatra iray mahazatra anisan’ny forongon-dehilahy ao amin’ny kilasy faha-8 izy: tongobolom-paraky. Mpihinam-paraky ny ankamaroan’ireo namany vaovao, ary te ho anisan’izy ireo i Cord. Koa rehefa nanolotra azy fonosam-paraky kely ny iray tamin’ireo ankizy, dia noraisiny ilay izy ka nanisihany avy tamin’ilay vovo-paraky teo anelanelan’ny molony ambany sy ny hihiny, sady tsy rototra akory izy toy ny hoe efa ela nanaovana.’ — Gazetiboky Listen.

Tsy maningana akory i Cord tanora. Milaza ny Dr. Christopher A. Squier, profesora momba ny fandinihana ny aretina mpahazo ny aty vava, fa tovolahy mihamitombo isa no manomboka mihinam-paraky. Na dia tsy niakatra intsony aza ny varotra paraky teo amin’ny faramparan’ireo taona 1980, dia “mitombo indray ny fihinanana vovo-paraky mandomando”, hoy ny Dr. Squier.a Manao tatitra, ohatra, ireo mpanao fikarohana, fa 1 amin’ny mpianatra lahy 5 any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa any Etazonia sy 1 amin’ny tovolahy 3 any Soeda — tanora an-tapitrisany maro — no mihinam-paraky ankehitriny. Nahoana no mitranga izany?

“Tsy misy atahorana kokoa noho ny fifohana sigara izy io.” “Tsy misy porofo fa mampidi-doza izy io.” “Mihinana azy io ireo namako. Tsy manimba azy ireo izy io.” “Tsy hanimba ahy ny fihinanana kely fotsiny tsindraindray.” “Tsy nisy matin’izy io.” Araka ny Fikambanana Amerikana Momba ny Kansera, dia ireo no sasany amin’ny antony matetika omen’ny tanora hoe mahatonga azy ireo hitodika amin’ny paraky.

Inona no nahatonga ny tanora hieritreritra fa tsy misy atahorana kokoa noho ny fifohana sigara ny fihinanam-paraky? Izany tokoa ve no izy?

Fandraisana ilay hafatra

Nandritra ny taona maro ny indostrian-tsigara matanjaka dia nanototra ny tanora tamin’ny dokam-barotra izay nanondro fa ny paraky dia tsy dia manimba toy ny fitsakoana siligaoma sy tena ilaina toy ny marika tsara amin’ny kiraro adidas. Nisy dokam-barotra, toy ny hoe “Fonosam-paraky iray hanina fa aza mifoka”, “Mahazo tena fahafinaretana avy amin’ny sigara aho kanefa tsy mandrehitra sigara akory”, sy hoe “Iray tsongo ihany dia ampy”, te hilaza tamim-pahakingana saranga ambony ara-tsosialy.

Taorian’ny nandrarana ny dokam-barotra toy izany tao amin’ny televiziona sy ny radio tany Etazonia, ny indostrian-tsigara dia nanohy nandefa tamim-panerena mafy ny hafany tamin’ny alalan’ireo dokam-barotra an-gazetiboky. Misy sary malama mamirapiratra izay mampiseho lehilahy tomady, mandany fotoana mahafinaritra mihaza, mianika vatolampy, sy mandeha lakan-jejo eny amin’ny rian-drano — misy tongobolo nasisika miharihary tsara eo amin’ny paosiny eo aoriana — nampita hafatra mahery sy mazava: “Tsara tarehy, ara-dalàna, sy fomba ahatongavana ho lehilahy lehibe, ny paraky!”

Milaza ny tatitra nataon’ny lehiben’ny fahasalamana amerikana tamin’ny 1994, mitondra ny lohateny hoe Fisakanana ny Fifohana Sigara sy ny Fihinanam-paraky eo Amin’ny Tanora, fa tanora maro be ankehitriny no mino fa “tsy misy atahorana sady eken’ny fiaraha-monina ny paraky”. Nasehon’ny fandinihana iray teo amin’ny mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fa “tokony ho ny 60 isan-jaton’ny mpihinana any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra sy ny 40 isan-jaton’ny mpihinana any amin’ny lise no nino fa tsy nety hahitan-doza na nety hahitan-doza kely fotsiny ny fihinanam-paraky tsy tapaka”. Ary na dia ireo mpihinana any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa aza, izay nanaiky fa mety hanimba ny paraky dia “tsy mahatakatra hoe lehibe ny loza mety ho hita”. Tafita ny hafatra ampitain’ireo dokam-barotra. Marina anefa ve ireo dokam-barotra?

Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Na, araka ny filazan’ny ohabolana hafa iray azy, ‘ny mahira-tsaina rehetra miasa amin’ny fahalalana’. (Ohabolana 13:16; 14:15, izahay no manao sora-mandry.) Inona àry no asehon’ireo zava-misy momba ny paraky?

Ireo vaovao ratsy

Na dia mety hanondro aza ireo dokam-barotra fa hanatsara ny fiheveran’ny besinimaro anao ny fihinanam-paraky ary koa fa tsy atahorana ho an’ny vatanao izy io, dia mampiseho ny tena mifanohitra amin’izany ireo zava-misy. Voalohany aloha, ny fihinanam-paraky dia tsy hanatsara kokoa ny fisehoanao ivelany. Raha tsy mino izany ianao, dia tazony fotsiny ao amin’ny takolakao ny lelanao ka mijere fitaratra. “Manja ve?” Tsia dia tsia. Ary izany no ataony aminao etỳ ivelany fotsiny! Ratsy lavitra izay ataony aminao ao anatiny.

Ohatra, ireo izay mitsako na mihinam-paraky tsy tapaka dia mahazo molotra vakivaky, nify misy tasy, fofon’aina maimbo, sy hihy mamaivay — tsy mampitsiky izany. Fanampin’izany, dia mihena ny fahafahany mandre tsiron-javatra sy manambolo sady mitombo ny fitepon’ny fony sy ny tosi-drany — vaovao ratsy tokoa. Ny tena vaovao ratsy anefa dia izao: Asehon’ireo fandinihana natao tany Eoropa sy India ary Etazonia fa miteraka kansera eo amin’ny takolaka sy ny hihy ary ny lalan-kanina ny paraky. Tsy mahagaga ny manam-pahaizana manokana ireo vokatry ny fandinihana ireo. Manao fanamarihana toy izao ny fandinihana iray: “Ny vovo-paraky dia manana ny taha ambony indrindra raha ny amin’ny mpiteraka kansera ao amin’ny zavatra namboarina na inona na inona ampidirina ao amin’ny vatana.” Tsy mahagaga raha “manan-tombo 50% ny mety hahavoan’ny kanseran’ny aty vava an’ireo mpihinam-paraky hatramin’ny ela noho ireo tsy mpihinana”.

Rehefa manomboka ny kanseran’ny aty vava, dia zava-doza ireo vokany. Tsy vitan’ny hoe simba ny fahasalaman’ilay mpihinana fa mihafohy koa ny androm-piainany. Milaza izao tantara mampalahelo izao ny zavatra vita an-tsoratra iray navoakan’ny Fikambanana Amerikana Momba ny Kansera: ‘Nanomboka nihinam-paraky teo amin’ny faha-13 taonany i Sean. Nihevitra izy fa tsy natahorana kokoa noho ny fifohana sigara izy io. Taorian’ny dimy taona nihinanana iray tongobolo na mahery isan’andro, dia nisy vay teo amin’ny lelany. Kanseran’ny aty vava ilay izy. Nanesotra tapany tamin’ny lelany ny dokotera, kanefa nihanaka tamin’ny tendany ilay kansera. Nisy fandidiana hafa nanaratsy endrika natao, kanefa tsy nisy vokany — maty teo amin’ny faha-19 taonany izy. Talohan’ny nahafatesany, i Sean dia nanoratra hafatra tsotra teo amin’ny fehezan-taratasy iray hoe: “Aza mihinam-paraky.” ’

Za-dratsy!

Taorian’ny namakian’i Cord tanora, voalaza terỳ aloha, an’io fitantarana nanaitra momba an’i Sean io, dia voarainy, rehefa ela ny ela, ilay hafatra. Tapa-kevitra ny hiala izy. Sarotra anefa ny fanandramana hiala. “Mahatsiaro toy ny hoe tsy maintsy mahazo an’ilay izy tsotra izao aho”, hoy ny nolazain’i Cord tamin’ny gazetiboky Listen. “Na dia ankehitriny aza, volana maromaro taorian’ny nialako tamin’ny fomba ofisialy, dia mbola mitsapatsapa ny paosiko ihany aho mitady ilay fonosam-parakiko. Mitsako siligaoma be dia be aho. Manampy izany, kanefa tsy manesotra ilay faniriana mafy.”

Manamafy toy izao ny Ca-A Cancer Journal for Clinicians: “Teo amin’ny fandinihana an’ireo tanora izay niezaka hitsahatra tsy hihinam-paraky, dia ampahany isan-jato kely monja no afaka nanao toy izany.” Inona anefa no manasarotra aoka izany ny fialana amin’ny fihinanam-paraky? Ilay zava-mahadomelina izay manasarotra aoka izany ny fialana amin’ny fifohana sigara: ny nicotine.

Ny nicotine, zava-mahadomelina iray hita ao amin’ny sigara ary koa ny paraky, dia poizina mahery izay manaitaitra an’ilay mpihinana. Isaky ny 30 minitra eo ho eo, ilay mpihinana dia mila maka tsongo iray indray mba hahatonga an’io fahataitairana io tsy hifarana. Mahatonga anao ho za-dratsy ny nicotine. Misy mpihinana sasany za-dratsy aoka izany, hany ka manisy paraky iray tsongo ao am-bavany andro aman’alina izy ireo — na dia rehefa matory aza.

Mifanohitra amin’izay mety hoheverin’ny tanora, ny fihinanam-paraky dia tsy mampihena ny nicotine tafiditra. Mamoaka nicotine toy ny avoakan’ny sigara 60 ny paraky iray tongobolo isan’andro! “Ireo mpihinam-paraky”, hoy ny fanamarihan’ny Fisakanana ny Fifohana Sigara sy ny Fihinanam-paraky eo Amin’ny Tanora, ‘dia mahazo, fara fahakeliny, nicotine mitovy amin’ny an’ireo mpifoka sigara — angamba hatramin’ny avo roa heny ny habetsahany’. (Izahay no manao sora-mandry.) Ankoatra ny nicotine, ny paraky dia misy nitrosamines (raha mahery miteraka kansera) avo folo heny noho ny sigara.

Mba hendre

“Tsy misy isalasalana tanteraka fa zavatra namboarina manimba izy ireny”, hoy ny Dr. Roy Sessions, mpandidy loha sy tenda. “Miteraka fiankinan-doha izay heverin’ny ankamaroan’ny olona fa sarotra ialana lavitra noho ny fifohana sigara, izy ireny.” Nanatsoaka hevitra toy izao ny Dr. Oscar Guerra, manam-pahaizana manokana momba ny kanseran’ny nify: “Tsy tia paraky tsotra izao ny vatana.” Miombon-kevitra ireo manam-pahaizana manokana maneran-tany ny amin’ny hoe: Mihoatra noho ny fahasahiranana kely ny fihinanam-paraky. Afaka mamono anao izy io!

Manana antony vao mainka manery kokoa noho ny fanahiana ny fahasalamana mba hanalavirana ny zavatra namboarina tamin’ny ravim-paraky ny tanora kristiana — ny faniriany hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra. Mandidy toy izao ny Teniny: “Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” — 2 Korintiana 7:1.

Mamintina tsara ilay raharaha ilay gazetiboky hoe Aviation, Space, and Environmental Medicine, ka manao hoe: “Zavamaniry mampandoa ny paraky, izay hanin’ny zavaboary roa monja — olitra maitso kely iray sy ny olombelona. Tsy mahafanta-javatra ny amin’izany ilay olitra maitso kely.”

Ianao anefa dia mahafantatra. Koa mba hendre — aza manomboka akory.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Roa karazana ny paraky fampiasa matetika: vovo-paraky sy paraky tsakoina. Misy ny vovo-paraky maina sy mandomando. Eo amin’ireo tanora, dia ny vovo-paraky mandomando — paraky voatetika madinika nolaroana zavatra manamamy, zavatra mampisy tsirony, sy zavatra manamanitra, ao anaty tongobolo na fonosana tahaka ny fonosan-dite — no endriny be mpitia indrindra amin’ny paraky. Ny hoe mihinam-paraky dia milaza hoe mametraka tsongo iray — ny habetsahan’ny paraky voaray eo anelanelan’ny ankibe sy ny fanondro — eo anelanelan’ny molotra na ny takolaka sy ny hihy.

[Teny notsongaina, pejy 27]

‘Talohan’ny nahafatesany, i Sean dia nanoratra hafatra tsotra: “Aza mihinam-paraky” ’

[Sary, pejy 26]

Nanomboka nitombo ny fitiavana paraky tsakoina eo amin’ny tanora. Tokony hanandrana azy io ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara