Notapahin’ny Finoana An’Andriamanitra Teto Amin’ny Tany Komonista Iray
NOTANTARAIN’I ONDREJ KADLEC
NANDRITRA ny fahavaratry ny taona 1966, dia nitarika fitsidihana fizahan-tany teto amin’ny tanàna niaviako — Prague, Tchécoslovaquie — aho. Be zotom-po tamin’ilay finoana vao hitako aho, ka niresaka momba an’Andriamanitra teo am-pampisehoana tamin’ilay antokon’olona an’ireo fiangonana sy tempoly manaitra ny maso eto amin’ny tanànanay.
“Vavolombelon’i Jehovah angaha ianao?”, hoy ny fanontanian’ny profesora momba ny toe-karena amerikana iray.
“Tsia”, hoy ny navaliko. “Tsy nahare mihitsy momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Katolika aho.”
Fahatongavana ho mpino an’Andriamanitra
Notezain’ny ray aman-dreny izay fanta-daza teo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny politika ary ny fitsaboana aho. Fotoana fohy taorian’ny nahaterahako tamin’ny 1944 sy taorian’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa ny taona nanaraka, dia tonga Komonista ny raiko. Raha ny marina, dia izy no anisan’ny nanorina ny antoko fanavaozana komonista, ary tamin’ny 1966 dia tonga lehiben’ny Oniversite Momba ny Toe-karena eto Prague izy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana izy dia voatendry ho minisitry ny fampianarana teto Tchécoslovaquie, izay tany komonista sady tsy mpino an’Andriamanitra tamin’izay fotoana izay.
Vehivavy nanao ny marina tamim-pitandremana fatratra sady nanan-talenta, i Neny. Mpandidy maso izy, nalaza ho ny nahay indrindra teto Tchécoslovaquie. Kanefa, nitsabo maimaim-poana an’ireo mahantra izy. Niteny toy izao izy: “Na inona na inona talenta ankinina amin’ny olona iray, dia tsy maintsy ampiasaina ho tombontsoan’ny fiaraha-monina sy ny firenena izany.” Tsy naka fotoana tsy iasana noho ny fiterahana akory aza izy rehefa teraka aho, mba hahafahany hiasa tao amin’ny klinika nisy azy.
Nantenaina hihoatra ny hafa tamin’ny fianarana aho. Nanontany i Dada hoe: “Misy mahay noho ianao ve?” Nanjary nankafy ny fifaninanana aho, satria matetika no nahazo mari-pankasitrahana tany am-pianarana noho izaho faran’izay nahay. Nianatra fiteny rosiana, anglisy, sy alemanina, aho ary nitetitety an’ireo tany komonista sy hafa. Nankafiziko ny nitsipaka an’ireo hevitra ara-pivavahana ho toy ny finoanoam-poana feno fahadalana. Ary na dia nanaraka tamin’ny fomba feno ny tsy finoana an’Andriamanitra aza aho, dia nanjary nankahala ny fanehoana izany teo amin’ny politika.
Nisy vokany lalina teo amiko ny dia iray nankany Angletera tamin’ny 1965, fony aho vao 21 taona monja. Nihaona tamin’olona izay niaro ny finoany ny Fisiana Tampony iray tamim-piekena mafy sy araka ny lojika, aho. Taorian’ny niverenako teto Prague, dia nanolo-kevitra toy izao ny olom-pantatro katolika iray: “Aza mamaky zavatra momba ny Kristianisma. Ny Baiboly vakina.” Izany no nataoko. Nila telo volana aho mba hamitana azy io.
Ny nanaitra lalina ny saiko dia ny fomba nampisehoan’ireo mpanoratra ny Baiboly ny hafatra nambarany. Tsy nisorona sady nitsikera ny tenany izy ireo. Nanjary nino aho fa ilay hoavy kanto noresahin’izy ireo dia zavatra tsy misy afaka mahatsinjo sy manome afa-tsy ny Andriamanitra iray tena persona.
Taorian’ny volana maro namakiana sy nisaintsainana manokana ny Baiboly, dia nahatsiaro ho vonona hiatrika ny raiko sy ny namako aho. Fantatro fa hanohitra ilay finoana vao hitako izy ireo. Taorian’izany, dia nanjary nafana fo aho nitaona olona hanaraka ny finoako. Na iza na iza teo akaikiko — toy ilay profesora amerikana voalaza teo am-piandohana — dia tsy maintsy niatrika ny fitaomako azy hanaraka ny finoako. Nanantona lakroa iray teo amin’ny rindrina ambonin’ny fandriako mihitsy aza aho mba hampahafantarana ny olona rehetra momba ny finoako.
Nanohitra anefa i Neny hoe tsy ho afaka ny ho Kristiana firy aho, satria nitovy be aoka izany tamin’ny raiko, izay Komonista nafana fo. Kanefa, nikiry aho. Namaky ny Baiboly indroa sy intelo aho. Tamin’izay no nahatakarako fa mba hanaovana fandrosoana fanampiny, dia nila tari-dalana aho.
Novalian-tsoa ny fikarohako
Nifandray tamin’ny Eglizy Katolika aho. Ny zavatra nahin’ny pretra tanora iray indrindra dia ny hampianatra ahy ireo foto-pampianaran’ny eglizy, izay nekeko tanteraka. Avy eo, tamin’ny 1966 — zavatra nahamenatra ny raiko — dia natao batemy aho. Taorian’ny namafazana rano tamiko, dia nanolo-kevitra ny amin’ny hamakiako Baiboly ilay pretra, kanefa nanampy teny izy hoe: “Efa nanaiky ny teorian’ny evolisiona ny papa, koa aza manahy; hanavaka ny vary amin’ny tsimparifary isika.” Tafintohina aho tamin’ny hoe nametrahana fisalasalana ilay boky izay nanome finoana ahy.
Tetsy an-danin’izany, tamin’ny fararanon’ny taona 1966, dia niresaka tamin’ny namana iray avy tamin’ny fianakaviana katolika aho ary nizara taminy ny zavatra ninoako. Nahafantatra tsara ny Baiboly koa izy, ary niresaka tamiko momba ny Haramagedona. (Apokalypsy 16:16). Nilaza izy fa nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay sambany vao reko ny momba azy ireo, volana vitsivitsy talohan’izay, fony aho nitarika an’ilay fitsidihana fizahan-tany voalaza terỳ aloha. Kanefa, nihevitra an’io antokon’olona io ho tsinontsinona aho raha nampitahaina tamin’ny Eglizy Katolika mahery, manankarena, be olona, nisy ahy.
Nandritra ny fiaraha-nidinika fanampiny, dia nandinika raharaha niadian-kevitra fototra telo izahay. Voalohany: Moa ve ny Eglizy Katolika no mpandimby ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany? Faharoa: Inona no tokony hoheverina ho fahefana fara tampony — ny eglizy nisy ahy sa ny Baiboly? Ary fahatelo: Iza no marina, ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana sa ny teorian’ny evolisiona?
Koa satria ny Baiboly no loharanon’ny finoana ho anay mirahalahy, dia tsy nahita olana ilay namako nampiaiky ahy fa tena hafa noho ireo fampianaran’ny Kristianisma tany am-boalohany ny an’ny Eglizy Katolika. Ohatra, nianarako fa na dia ireo loharanon-kevitra katolika aza dia manaiky fa tsy miorina amin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ireo apostoliny ilay fampianarana fanta-dazan’ny eglizy momba ny Trinite.
Izany dia nitondra anay ho amin’ilay fanontaniana mifandray amin’izany hoe inona no tokony ho fahefana fara tampony ho anay. Nanisy firesahana ny amin’ny teny notononin’i Md. Augustin toy izao aho: “Roma locuta est; causa finita est”, izany hoe: “Niteny i Roma; vita ilay raharaha.” Nihevitra anefa ilay namako fa ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, no tokony ho fahefana tampony ho anay. Voatery nanaiky ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto aho: “Aoka Andriamanitra no ho marina, fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga”. — Romana 3:4, izahay no manao sora-mandry.
Tamin’ny farany, ilay namako dia nanolotra ahy taratasy tonta nisy soratra natao tamin’ny milina fanoratana, mitondra ny lohateny hoe Evolution Versus the New World. Koa satria voarara teto Tchécoslovaquie ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny faramparan’ireo taona 1940, dia nanao kopia an’ireo zavatra vita an-tsoratra nananany izy ireo ka naneho fitandremana raha ny amin’olona nandray azy ireny. Rehefa namaky io bokikely io aho dia nahafantatra fa nirakitra ny fahamarinana izy io. Nanomboka fampianarana Baiboly tamiko ilay namako. Nampindrana ahy pejy maromaro isaky ny mandeha avy tamin’ilay boky fianarana Baiboly hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” izy, ary niara-nidinika ireny pejy ireny izahay.
Fotoana fohy taorian’ny nanombohanay an’ireny fiaraha-nidinika ireny — nandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy tamin’ny 1966 — dia nisy namana avy tany Alemaina Andrefana tonga teto Prague nitsidika ahy. Tamin’ny iray tamin’ireo fiaraha-nidinika nataonay, dia naneso ny Kristiana hoe mpanetsika ady mpihatsaravelatsihy izy ireo. “Amin’ny maha-miaramilan’ireo tanin’ny OTAN anay, izahay dia afaka miady aminao amin’ny maha-Kristiana anarana anao ao anatin’ny tany komonista iray eo ambanin’ny Fifanekena Tany Varsovie”, hoy izy ireo. Ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo dia hoe: “Aleo tsy matoky olona toy izay mpihatsaravelatsihy.” Nihevitra aho fa angamba marina ny azy ireo. Koa nandritra ny fianarako Baiboly nanaraka, dia nanontany an’ilay namako aho hoe ahoana no fihetsiky ny Kristiana marina eo anoloan’ny ady sy ny fiofanana ho amin’izy io.
Fanapahan-kevitra natrehiko
Zendana aho tamin’ilay fanazavana mazava nomen’ilay namako. Kanefa, hanova be ny fiainako sy ny anton’asa nokendreko ny fanarahana ilay fampianaran’ny Baiboly mba ‘hanefy ny sabatra ho fangady’. (Isaia 2:4). Tao anatin’ny dimy volana dia tokony hahazo diplaoma avy tamin’ny oniversite momba ny fitsaboana aho, ka taorian’izay dia hotakina amiko ny hanao raharaha miaramila tsy maintsy atao mandritra ny fe-potoana iray. Inona no tokony hataoko? Nisafotofoto ny saiko. Koa nivavaka tamin’Andriamanitra aho.
Taorian’ny andro maro nieritreretana lalina sy tamim-pandinihana tsara, dia tsy afaka nahita fialan-tsiny mba tsy hanarahana ny fepetra takina amin’ny Kristiana marina mba ho olona tia fandriampahalemana, aho. Taorian’ny nahazoako diplaoma avy tamin’ny oniversite, dia tapa-kevitra aho fa mandra-panameloka ahy amin’ny maha-olona mandà tsy hanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretana, dia hanaiky toerana iray ao amin’ny hopitaly iray aho. Avy eo anefa aho dia nahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny fifadiana ra. Noho ny fahatakarana fa mety hampiditra ahy tamin’ny fanomezana fampidiran-dra ny asako, dia nanapa-kevitra ny hijanona tsy hiasa tao amin’ilay hopitaly aho. (Asan’ny Apostoly 15:19, 20, 28, 29). Niteraka fizakako laza ratsy ampahibemaso hatraiza hatraiza io fanapahan-kevitra io.
Ny raiko, taorian’ny nahazoany antoka fa tsy tonga mpanakorontana nanao fanahy iniana izay nitady hanimba ny anton’asany ara-politika aho, dia nisalovana ka nanao izay hanemorana herintaona ny raharaha miaramila tsy maintsy nataoko. Sarotra ho ahy iny fahavaratry ny taona 1967 iny. Diniho ny tarehin-javatra nisy ahy: Mpianatra Baiboly vaovao aho ary tsy teo nandritra ilay fahavaratra ny mpampianatra ahy, ilay hany Vavolombelona nifandraisako. Ary tsy namela afa-tsy toko vitsivitsy avy tamin’ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” izy mba hanaovako fianarana manokana. Ireo sy ny Baiboliko no hany loharanon’ny tari-dalana ara-panahy ho ahy.
Tatỳ aoriana, dia nanjary nifankahalala tamin’ny Vavolombelona hafa aho, ary tamin’ny 8 Martsa 1968, dia nampiseho ny fanolorako tena ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa tao anaty rano. Ny taona nanaraka dia notolorana fanohizana fianarana aorian’ny fahazoana diplaoma, fianarana mandritra ny roa taona any amin’ny Oniversiten’i Oxford any Angletera, aho. Nanolo-kevitra ny sasany ny amin’ny hanekeko ilay fanolorana ka handehanako tany Angletera, izay hahafahako handroso teo amin’ny lafiny ara-panahy tao amin’ny tany iray tsy naha-voarara ny asan’ny Vavolombelona. Amin’izay fotoana izay koa, dia ho afaka hiomana ho amin’ny anton’asa matihanina tsara dia tsara aho. Kanefa, nilaza ny loholona kristiana iray fa tsy nilaina loatra tany Angletera toy ny teto Tchécoslovaquie ny fanompoako. Koa nanapa-kevitra aho ny handa io fanolorana mba hanohizana ny fianarako tsy ara-pivavahana io, ary nijanona teto Tchécoslovaquie aho mba hanampy tamin’ny asa fitorianay tamim-piafenana.
Tamin’ny 1969, dia nasaina hanatrika Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana izay nanasongadina toromarika manokana ho an’ny mpiandraikitra kristiana aho. Tamin’io taona io ihany aho dia nahazo vatsim-pianarana, noho izaho manam-pahaizana momba ny fanafody, tanora sady nahay indrindra teto Tchécoslovaquie. Vokatr’izany, dia nanatrika fivoriamben’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Misahana ny Fandinihana Momba ny Fanafody tany Soisa aho.
Niova hevitra ny mpahay siansa iray
Nandritra ny famelabelaran-kevitra iray natrehiko tamin’ny 1970, dia nanazava ilay foto-kevitra sarotra momba ny fampitana onjam-panaitairana amin’ny alalan’ny fitatitra ny mpahay siansa iray antsoina hoe Frantis̆ek Vyskočil. Nilaza izy fa isaky ny misy zavatra ilain’ny zavamananaina iray dia misy vahaolana miavaka omena. “Fantatry ny natiora, ilay Mahasondriana, ny fomba anaovana izany”, hoy ny fanatsoahan-keviny.
Taorian’ilay famelabelaran-kevitra, dia nanatona azy aho. “Tsy heverinao ve”, hoy aho nanontany, “fa Andriamanitra no tokony homem-boninahitra noho ilay drafitra faran’izay tsara ao amin’ireo zavamananaina?” Taitra tamin’ilay fanontaniako izy, satria tsy mpino an’Andriamanitra. Namaly tamin’ny alalan’ny fanontaniana karazany hafa izy. Nanontany izy hoe: “Avy taiza no niavian’ny faharatsiana?”, sy hoe: “Iza no tokony homen-tsiny raha ankizy maro aoka izany no kamboty?”
Rehefa nanome valiny azon’ny saina ekena, miorina ao amin’ny Baiboly, aho, dia taitra ny fahalianany. Nanontany anefa izy hoe nahoana ny Baiboly no tsy manome fanazavana siantifika voafaritra tsara, toy ny filazalazana ny firafitry ny sela iray, mba hahafahan’ny olona hanaiky mora foana fa ny Mpamorona no mpanao azy io. “Inona no sarotra kokoa”, hoy ny navaliko, “ny milazalaza sa ny mamorona?” Nampindramiko azy ilay boky hoe L’homme est-il le produit de l’évolution ou de la création?
Taorian’ny namakiany azy io, nosafosafoiny fotsiny, dia nanaratsy azy io ho tsy ampy fahalalana sy tsy marina i Frantis̆ek. Notsikerainy koa izay nolazain’ny Baiboly momba ny fananana vady maro, ny fanitsakitsaham-bady nataon’i Davida, sy ny fampamonoan’i Davida lehilahy tsy nanan-tsiny iray. (Genesisy 29:23-29; 2 Samoela 11:1-25). Noporofoiko fa diso ireo fanoherany ireo, tamin’ny fanazavana fa ny Baiboly dia mitantara amim-pilazana ny marina an’ireo kileman-toetra, na dia ny an’ny mpanompon’Andriamanitra mihitsy aza, ary koa ny fandikan’izy ireo lalàna tsotra izao.
Tamin’ny farany, tamin’ny iray tamin’ireo fiaraha-nidinika nataonay, dia nilaza tamin’i Frantis̆ek aho fa raha tsy manana antony manosika tsara ny olona iray, raha tsy ampy fitiavana ny fahamarinana izy, dia tsy hisy karazana fanaporofoan-kevitra na fanjohian-kevitra hampiaiky azy ny amin’ny fisian’Andriamanitra. Rehefa nadiva hanainga aho, dia nanajanona ahy izy ka nangataka fampianarana Baiboly. Nilaza izy fa hamaky indray ilay boky hoe L’homme est-il le produit de l’évolution ou de la création? — amim-pahalalahan-tsaina amin’itỳ indray mitoraka itỳ. Taorian’izay, dia niova tanteraka ny fihetsiny, araka ny noporofoin’izao fakan-teny manaraka izao nampidiriny tao amin’ny iray tamin’ireo taratasiny: “Ny fireharehan’ny zanak’olombelona hatao mitanondrika, ary ny fiavonavonan’ny olona haetry; fa Jehovah ihany no hisandratra amin’izany andro izany.” — Isaia 2:17.
Tamin’ny fahavaratry ny taona 1973, dia natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah i Frantis̆ek sy ny vadiny. Amin’izao fotoana izao izy dia manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny iray amin’ireo kongregasiona eto Prague.
Fitoriana tao anatin’ny fandrarana
Nandritra ilay fandrarana izahay dia nasaina hanatontosa tamim-pitandremana lehibe ny fanompoanay teny amin’ny saha. Indray mandeha dia tsy nitsahatra nangataka ahy hiara-mandray anjara taminy tamin’ny asa fitoriana ny Vavolombelona tanora iray. Nisalasala izy raha tena mandeha marina mivoaka ho eny amin’ny fanompoana ny tenan’ireo izay mitarika ao amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao resadresaka tsara dia tsara maro izahay nandritra ny fanompoanay tsy ara-potoana. Tatỳ aoriana anefa izahay dia tojo lehilahy iray, na dia tsy tsapako aza izany tamin’io fotoana io, lehilahy izay nahatadidy ny endriko avy tamin’ny sary iray tao anatin’ny fitahirizan-tsary iray an’ny polisy miafin’ny fanjakana. Na dia tsy nosamborina aza aho, dia nampiharana fanaraha-maso ofisialy henjana nanomboka tamin’izay, fanaraha-maso izay nanakantsakana ny fahitako vokatra teo amin’ny asa fitorianay tamim-piafenana.
Nandritra ny fahavaratry ny taona 1983, toy ny fanaoko tamin’ireo taona teo aloha, dia nandamina andian-tanora Vavolombelona aho mba handany andro vitsivitsy hanaovana fanambarana tsy ara-potoana tany amin’ny faritra lavitra iray teto Tchécoslovaquie. Tsy nanaraka torohevitra nampiseho fahendrena aho, fa nitondra ny fiarako kosa satria tsy nanahirana kokoa noho ny fandehanana tamin’ny fitateram-bahoaka izany. Rehefa niato kely izahay mba hividy entana vitsivitsy tao amin’ny tranombarotra iray, dia nametraka ny fiarako teo ivelany teo anoloan’izy io aho. Rehefa nandoa ny vidin’ireo entana aho, dia nanondro mpivarotra mpanampy tanora sasany ka nanamarika toy izao tamin’ny mpiasa be taona iray: “Amin’ny hoavy, dia ho afaka ny ho tanora isika rehetra.” Nitsiky ilay ramatoa. “Kanefa, tsy vitantsika olombelona izany”, hoy aho nanohy ny teniko. “Tena ilaina ny fanampiana avy any ambony.”
Koa satria tsy nisy valin-teny intsony, dia nanainga aho. Tsy fantatro akory fa ilay mpiasa, niahiahy hoe nampandroso hevitra ara-pivavahana aho, dia nijery ahy teo am-baravarankely rehefa iny izaho nametraka an’ilay fonosan’entana tao anaty fiarako iny. Nampandre ny polisy izy rehefa avy eo. Ora maromaro tatỳ aoriana, taorian’ny nandraisanay anjara tamin’ny fanambarana tsy ara-potoana tany amin’ny faritra hafa tao amin’ilay tanàna, dia niverina teo amin’ny fiara izaho sy ilay namako. Tampoka teo, dia nisy polisy roa lahy niseho ka nitondra anay hotanana.
Tany amin’ny paositry ny polisy, dia nanaovana famotorana nandritra ny ora maro izahay talohan’ny nilazana taminay fa afaka nandeha izahay. Ny zavatra noeritreretiko voalohany dia ny amin’izay tokony hatao tamin’ny adiresin’ireo olona liana azonay tamin’io andro io. Koa nankany amin’ny trano fivoahana aho mba hanariana azy ireny hanaraka ny rano. Talohan’ny nahafahako nanao izany anefa, dia nisakana ahy ny tanana matanjaky ny polisy iray. Nalainy avy tao amin’ny lava-piringa ireo taratasy ka nodioviny. Niteraka fihenjanana fanampiny ho ahy izany, satria tandindomin-doza izao ireo olona izay nanome ahy ny adiresiny.
Taorian’izay, izahay rehetra dia nentina nankany amin’ny hotely nipetrahanay, izay efa nanaovan’ny polisy fisafoana tao amin’ny efitranonay. Tsy nahita adiresy hafan’ny olona liana anefa izy ireo, na dia tsy nafenina tamim-pitandremana aza izy ireny. Tatỳ aoriana, tany amin’ny toeram-piasako tamin’ny naha-neuropharmacologue ahy, dia nolevilevena ampahibemaso aho noho ny fandraisako anjara tamin’ny asa tsy neken’ny lalàna. Afa-tsy izany koa, dia nanome tsiny ahy mafy ny mpiandraikitra ny asa fitoriana teto Tchécoslovaquie izay efa nampitandrina ahy teo aloha mba tsy hampiasana ny fiarako rehefa nandeha lavitra mba handray anjara tamin’ny fanompoana izahay.
Fanekena famaizana
Tamin’ny 1976, dia voatendry hanompo tao amin’ny komity miandraikitra ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Tchécoslovaquie aho. Koa satria nanjary nanara-maso akaiky ny fiainako anefa ny polisy miafina noho ny nanehoako tsy fahaiza-nanavaka tamin’ireo raharaha voalaza teo aloha, dia nesorina tamiko ny fanompoana tao amin’ny komitin’ilay tany sy ny tombontsoa hafa isan-karazany. Iray tamin’ireny tombontsoa ireny izay nolalaiko manokana ny fampianarana tao amin’ny sekolin’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny mpisava lalana, araka ny iantsoana ny mpitory manontolo andro.
Nekeko ny famaizana azoko, kanefa fe-potoana sarotra nanaovako fandinihan-tena io fe-potoana teo antenatenany ka hatramin’ny faramparan’ireo taona 1980 io. Hianatra ny hiasa amim-pahamalinana kokoa ve aho ka hanalavitra tsy fahamalinana hafa? Hoy ny Salamo faha-30, andininy faha-5: “Amin’ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.” Tonga izany maraina izany ho ahy tamin’ny nirodanan’ny fitondrana komonista teto Tchécoslovaquie tamin’ny Novambra 1989.
Fitahiana mahatalanjona
Fiovana toy inona moa izany hoe mandray anjara amin-kalalahana amin’ny fanompoantsika sy ny mifandray malalaka amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York! Tsy ela aho dia voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany, ary nanomboka io asa io tamin’ny Janoary 1990.
Avy eo, tamin’ny 1991, dia nahazo tombontsoa nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tany Manchester, Angletera, aho. Fitahiana toy inona moa izany hoe nandany roa volana nankafizana ny fifaneraserana tamin’ny lehilahy kristiana matotra sy ny fampianarana avy tamin’izy ireo! Nisy fotoana isan’andro nahazoanay mpianatra asa fanendrena, izay nanome fakana aina tamin’ny fampianarana mafy noraisinay. Notendrena hanadio varavarankely aho.
Taorian’ny niverenako avy tany Angletera avy hatrany aho dia nanomboka nanampy tamin’ny fiomanana ho amin’ilay fivoriana lehibe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 9 ka hatramin’ny 11 Aogositra tao amin’ny Kianja Strahov goavana eto Prague. Tamin’io fotoana io dia olona 74 587 avy tany amin’ny tany maro no nivory tamin-kalalahana mba hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah Andriamanitsika!
Nitsahatra tamin’ny asa tsy ara-pivavahana tamin’ny naha-neuropharmacologue aho ny taona nanaraka. Hatramin’ny efa ho efa-taona aho dia miasa ao amin’ny birao eto Prague, izay anompoako indray ao amin’ilay komity miandraikitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto amin’ny République tchèque. Vao haingana izao ny trano vaovao iray misy rihana sivy, natao fanomezana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nohavaozina ka nampiasaina ho biraon’ny sampana. Tamin’ny 28 May 1994, dia notokanana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah io trano tsara dia tsara io.
Anisan’ny fitahiana lehibe indrindra noraisiko ny tombontsoa nizara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny hafa, anisan’izany ireo havako. Hatramin’izao fotoana izao, ny raiko sy ny reniko dia tsy tonga Vavolombelona, kanefa mankasitraka ny asako izy ireo ankehitriny. Nandritra ireo taona vitsy lasa, dia nanatrika ny sasany tamin’ireo fivoriantsika izy ireo. Ny fanantenako mafy dia ny haneken’izy ireo, miaraka amin’ny olona tso-po an-tapitrisany maro hafa koa, ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra ka hahazoany an’ireo fitahiana mandrakizay tahirizin’Andriamanitra ho an’ireo izay mifidy ny hanompo azy.
(Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania ireo zavatra vita an-tsoratra nasiana firesahana tato amin’itỳ lahatsoratra itỳ.)
[Sary, pejy 12]
Fony aho mpianatra tany amin’ny oniversite
[Sary, pejy 13]
Ny raiko, izay tonga minisitry ny fampianarana teto Tchécoslovaquie, sy ny reniko, izay mpandidy maso fanta-daza
[Sary, pejy 15]
Frantis̆ek Vyskočil, mpahay siansa sy tsy mpino an’Andriamanitra, tonga Vavolombelona
[Sary, pejy 16, 17]
Nanomboka tamin’ny nirodanan’ny Komonisma, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao fivoriambe lehibe maro tatỳ Eoropa Atsinanana. Maherin’ny 74 000 no nanatrika itỳ iray teto Prague itỳ tamin’ny 1991
[Sary, pejy 18]
Teo amin’ny asa nanendrena ahy fony nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana tany Angletera
Tranon’ny sampana eto Prague, notokanana tamin’ny 28 May 1994