Fijerena An’izao Tontolo Izao
Fanambadiana Voahozongozona
Vehivavy maro any amin’ny faritr’i Kobe, Japon, no sosotra noho ny fitondran-tenan’ny vadiny nandritra sy taorian’ilay horohoron-tany izay nandrava an’io faritra io teo am-piandohan’ny taona 1995. “Nisy triatra nitombo, tsy tao an-tranonay ihany, fa teo amin’ny fifandraisanay koa, satria takatro ankehitriny fa tsy afaka mitoky amin’ny vadiko aho”, hoy ny vehivavy iray izay notononina tao amin’ny Asahi Evening News. Kianina ho mafy fo, ho tsy nanome fampiononana tamin’ny fotoana nilana izany, ary indrindra indrindra, ho tsy niezaka hamonjy afa-tsy ny tenany, ireo lehilahy manambady. Ny vehivavy iray dia “tafintohina fa nihinana ny volavolam-bary rehetra nomena azy ireo ny vadiny, ka tsy namelany izy”, hoy ny tatitra nataon’ny Hyogo Prefecture Women’s Center. Nilaza toy izao tamin’ilay foibe ny vehivavy hafa iray: “Namoy ny fatokiana tanteraka ny vadiko aho taorian’ny niantsoany ny anaran’ireo zanakay fa tsy nanononany ny anarako.” Nanampy teny anefa ilay foibe fa mitovitovy amin’izany ny isan’ny olona milaza fa nohamafisin’ilay horohoron-tany ny fifandraisan’izy ireo.
Ny Fiverenan’ireo Saika Lany Tamingana
“Fahagagana eto Italia” — izany, araka ny gazety Corriere della Sera any Milan, no fomba ilazalazan’ny sasany ny fomba niverenan’ny karazam-biby maromaro avy teo amin’ny hoe saika naha-lany tamingana azy. Noho ireo faritra voaro eny amin’i Alpes sy i Apennins indrindra indrindra, dia mitombo isa ireo biby toy ny diera, ny chamois, ny daim (karazana diera), sy ny chevreuil (karazana diera) any Italia. Ny amboadian’i Apennins, izay mihamitombo isa be, dia miely patrana manomboka any Italia ka tafiditra hatrany amin’i Alpes-Maritimes any Frantsa ankehitriny. Mbola misy anefa ireo karazana tandindomin-doza, toy ny loutre sy ny phoque moine, kanefa miaiky ireo manam-pahaizana fa “tsy afaka ny tsy hitondra vokany maharitra, tena izy, sy manorina” ny fandaharam-piarovana raisina ho zava-dehibe, hoy ny Corriere della Sera.
Ny Kapaotin-dririnina Tonga Lafatra
Mandalo fotoana tena sarotra ireo mpahay siansa miezaka hijery bera (ours) any amin’ny tendron-tany avy eny ambony fiaramanidina — ary tsy hoe fotsiny noho ilay antony miharihary hoe fotsy ireo bera sady mipetraka eny amin’ny faritra rakotry ny ranomandry. Araka ny Popular Science, ireo mpahay siansa dia nanana izay toa vahaolana nampiseho fahakingan-tsaina tamin’io olana io: nampiasa filma infrarouge mora andairan-javatra izy ireo, tamin’ny fanjohian-kevitra fa hahatsikaritra mora foana ny hafanan’ny vatana mivoaka avy amin’ireo zavaboary mafonja ireo ilay izy. Niverina tsy nisy soritra anefa ilay filma! Toa tsy mpampita aratra (isolant) mandaitra aoka izany ny kapaotin’ny bera any amin’ny tendron-tany, hany ka hafanana tena kely no mivoaka avy amin’ilay biby. Manao fanamarihana koa ilay gazety fa toa mampita tsara ny taratra ultraviolet-n’ny masoandro ny volon’ilay kapaoty, misarika an’ireo taratra ho ao anatin’izay mety ho “cellules solaires” ao amin’ilay bera, ka ireo no mahavita manova amin’ny fomba sasany izany fahazavana izany ho hafanana.
Mpankafy Torana
Nahoana no mpankafy maro aoka izany no torana amin’ireo rindran-kira rock? Nanadihady an’io fisehoan-javatra io ny manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra iray ao amin’ny Hopitalin’ny Oniversite any Berlin, Alemaina. Tao amin’ny rindran-kira rock iray tany Berlin natrehina tovovavy indrindra indrindra, dia 400 teo ho eo no torana nandritra ilay fampisehoana. Araka ny gazety Discover, dia hitan’ilay manam-pahaizana fa nipetraka teo amin’ny laharan-tseza anoloana ny 90 isan-jaton’ireo torana. Mba hahazoana an’ireo toerana voafantina ireo, dia niandry nandritra ny ora maro teo amin’ny filaharana lava be ireo ankizivavy, ary maro no tsy nisakafo taloha kelin’izay na tsy natory ny alina talohan’izay. Ny anton-javatra hafa — ny fikiakiahan’izy ireo sy ny faneren’ny vahoaka be avy ao aoriana — dia nahatonga fanerena teo amin’ny tratra, ka nampidina ny tosidra. Izany, rehefa avy eo, dia nisakana ny fahazoan’ny atidoha ny habetsahan-dra ilainy. Fahatoranana no vokatr’izany. Na dia nanoro hevitra aza ilay manam-pahaizana ny mba hisakafoanan’ireo mpankafy rock sy ny hatoriany mialoha, ny hitoerany hipetraka, sy ny hitoerany ho tony sy lavitra ny vahoaka mandritra ilay fampisehoana, dia niaiky izy fa tanora vitsy mpankafy rock no azo inoana fa hanaiky an’izany.
Fiandrasana Zaza Maimaim-poana Ve?
Misy ray aman-dreny tototry ny olana, mipetraka any amin’ny faritanàna manamorona tanàn-dehibe, nahita fomba vaovao hanaovana izay hiambenan’ny olon-kafa ny zanany, hany ka malalaka izy ireo mba hiantsena. Mamela ireo zanany ao amin’ny fivarotana kilalao na fivarotana ordinatera multimédia izy ireo. Ireo ankizy, izay sondriana amin’ireo milina ampiasana teknolojia faran’izay ary fomba, dia milalao an’ireo modely anaovana fampisehoana mandra-piverin’ireo ray aman-dreny. Tsy mahagaga anefa raha tsy faly noho izany fironana izany ireo mpivarotra, hoy ny tatitra nataon’ny gazety Newsweek. Mitaraina izy ireo hoe, fara fahatsarany, ireo ankizy dia misakana an’ireo olona mety hividy tsy hampiasa an’ireo modely anaovana fampirantiana; fara faharatsiny, dia manimba izany izy ireo. Hitan’ny hafa ny hoe miverina ny ray aman-dreny sasany ka mitaraina raha tsy nisy nanara-maso na nitondra nankany amin’ny toeram-pivoahana ny zanany! Noho izany, dia miady amin’ilay fironana ny fivarotana sasany — na mametraka an’ireo ordinatera anaovana fampirantiana ho sarotra takarina kokoa na miantso an’ireo mpiambina raha toa izy ireo ka mahita ankizy tsy misy miaraka aminy.
Tandindomin-doza Ireo Dongom-pasika
“Mandany tanteraka ny fasika i Israely.” Izany no tatitra nataon’ny gazety New Scientist vao haingana. Inona no antony mahatonga an’ilay tsy fahampiana toa tsy azo inoana? Ny fasika dia taharo fototra iray amin’ny rihibato, izay tsy mety afa-po ny filan’ny indostrian’ny fanorenana miroborobo eo amin’ilay tany azy io. Koa nandritra ny 30 taona lasa, noho ny tsy fisian’ny fitsipika mifehy ara-panjakana firy, ireo mpanitatra tanàna dia nitondra fasika nahafeno kamiao avy tamin’ny dongom-pasika lehibe amoron-tsiraka, izay niitatra nanomboka tany Jaffa ka hatrany Gaza teo aloha, any Israely. Ary misy mpangalatra mangalatra fasika iray tapitrisa taonina isan-taona mba hamidy amin’ny varo-maizina. Manahy ireo manam-pahaizana momba ny tontolo iainana hoe simba ny fifandanjana mihena sy marefon’ny zavaboary sy ny tontolo iainany eny amin’ny dongom-pasika, izay karazana zavamaniry sy biby vitsy monja no afa-miaina eny. Ary manomboka manontany tena ireo mpanitatra tanàna hoe aiza no hahazoan’izy ireo fasika rehefa ho lany ny vatsin’i Israely.
Iharan’ny Fitaoman’ny Tandrefana ny Fahasalaman’ireo Japoney
Manana ny androm-piainana lava indrindra eo amin’izao tontolo izao ny olona any Japon, kanefa mety hikiky izany toerana izany ny fitaoman’ny fomba fiaina tandrefana. Nanao tatitra vao haingana ny New Scientist fa tamin’ireo olona 2,1 tapitrisa nanaovana fizahana ny toe-batana tamin’ny 1994, dia 18 isan-jato monja no nahazo filazana toe-pahasalamana tsara. Folo taona talohan’izay, dia 30 isan-jato io tarehimarika io. Araka ny nolazain’ny iray tamin’ireo mpanoratra ny tatitra iray nataon’ny Fikambanan’ny Hopitaly any Japon, ny tompon-keloka dia ny zavatra matavy betsaka sy ny cholestérol ambony ao anatin’ny sakafo araka ny fomba tandrefana, miaraka amin’ny fitomboan’ny fifohana sigara sy ny fisotroana zava-pisotro misy alkaola. Hita teo amin’ireo faritra be indostria, toy ny faritr’i Osaka-Kobe, ny fiharatsiam-pahasalamana lehibe indrindra. Mifanohitra amin’izany, ny faritra salama indrindra dia any avaratra, any amin’ireo faritra ambanivohitra amin’ny nosy Hokkaido.
Mankaiza ny Fotoana
Nankaiza ny fotoana? Maro no mametraka izany fanontaniana izany amin’ny fomba manaitra fotsiny, kanefa niezaka hamaly izany amin’ny fomba siantifika ny fandinihana iray vao haingana. Ny fikambanana mpanao fikarohana iray tany Illinois, Etazonia, dia nitarika fandinihana naharitra telo taona ny zavatra andavanandro fanaon’ny olona 3 000 teo ho eo izay nasaina hihazona firaketana an-tsoratra mitohy momba ny fomba nandanian’izy ireo ny fotoanany. Nanomboka teo amin’ny 18 ka hatramin’ny 90 ny taonan’ilay antokon’olona ary nahafaoka fiaviana maro isan-karazany. Ny torimaso no mpandany fotoana voalohany indrindra. Narahin’ny asa, izay nandany 184 minitra isan’andro, tamin’ny antsalany, izany. Nanaraka izany ny fijerena televiziona sy vidéos, 154 minitra. Nandany 66 minitra ny raharaha ao an-trano, 51 minitra ny fanaovana dia sy ny fivezivezena, 49 minitra ny fikarakarana ny fisehoan’ny tena ankapobe, ary 25 minitra ny fikarakarana ny ankizy sy ny biby ompiana an-trano. Nanakaiky ny farany ambany tamin’ilay lisitra ny fanompoam-pivavahana, izay nandany 15 minitra isan’andro, tamin’ny antsalany.
Fiangonana Maro Kokoa Amidy
Maika hahazo trano fiangonana mahalana vao ampiasaina any Brisbane, renivohi-panjakana avaratra any Queensland, Aostralia, ireo mpampiasa vola, araka ny nolazain’ireo masoivohon’ny fananan-tany sy trano. Anton-javatra roa no lazaina fa mahatonga izany: fihenan’ny isan’ny mpiangona sy fitadiavan’ireo mpampiasa vola hividy “zavatra tsy fahita firy”. Manao tatitra ny gazety The Courier-Mail fa fiangonana maherin’ny roa ambin’ny folo no amidy amin’izao fotoana izao ary koa fa novana sahady ho trano fonenana sy birao ny sasany any Brisbane. Manonona ny tenin’ny talen’ny tsenam-barotra iray ho nilaza toy izao ilay gazety: “Maromaro ihany” tamin’ireo fiangonana no “nampiasaina ho hotely fisakafoana, trano fampirantiana, fivarotana rakitry ny ela, birao, sy trano fonenana.” Nilaza toy izao ny masoivoho irain’ny fananan-tany sy trano: “Raha mba nanana maromaro kokoa tamin’izy ireny mantsy aho mba hamidy.”
Novana ho Tsy Ara-pivavahana Tanteraka
Katolika hirihiriny i Bavière, fanjakana alemanina. Raha ny marina, ny fitsipi-pitondrana ny sekoly any Bavière dia milaza fa tsy maintsy asiana lakroa isaky ny lakilasy ao amin’ireo sekolim-panjakana rehetra. Kanefa, nambaran’ny Fitsarana Momba ny Lalàm-panorenana Federaly ho tsy manan-kery ankehitriny io fitsipi-pitondrana io satria tsy mifanaraka amin’ny Lalàna Fototra any Alemaina izay miantoka ny fahalalahana ara-pivavahana, hoy ny tatitra nataon’ny gazety alemanina iray Süddeutsche Zeitung. “Andro [iray] tena manjombona eo amin’ny tantaran’ny vahoakantsika”, hoy ny Arseveka Meisner any Cologne nilaza ny alahelony, araka ny Westfälische Allgemeine Zeitung. Ilay ady hevitra no nahagaga kokoa ny sasany fa tsy ilay fanapahan-kevitra akory. Rehefa dinihina, ny fitambaran’olona alemanina “dia novana ho tsy ara-pivavahana tanteraka”, hoy ny nosoratan’ny gazety Die Zeit any Hambourg, ary “manolotra fanajana ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo sy ny fampandrosoana ny tombontsoan’ny mpividy ary ny fahavitan-tena tanteraka”.