Manontany ny Tanora Hoe...
Tokony Hiditra ao Amin’ny Ekipa Mpanao Fanatanjahan-tena ve Aho?
“INONA moa ny zavatra tena manokana amin’izany hoe ao anatin’ny ekipa iray izany?”, hoy ny fanontanian’ny lahatsoratra iray ao amin’ny gazety Seventeen. Ho valiny, dia hoy ilay lahatsoratra: “Miara-miasa ho amin-java-kendrena iombonana ianareo, koa manjary tena mifanakaiky be ianareo. Mianatra ny fahaizana mifandray amin’ny olona koa ianareo, toy ny hoe ahoana no amahana olana miaraka amin’ny antokon’olona iray, ahoana no atao mba ho mora milefitra sy haneho fiheverana, sy ny hoe ahoana no ifanarahana.”
Araka izany, ny fanaovana fanatanjahan-tena voalamina dia toa mitondra soa, ary tsy ny kely indrindra amin’izany ny fahafinaretana sy ny fampiasan-tena.a Milaza mihitsy aza ny sasany fa manampy ny tena hampitombo ny toetra maha-izy ny tena ny fanaovana fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa. Noho izany, dia manana izao teny faneva izao ny ligin’ny tanora manao base-ball iray: “Toetra Maha-izy ny Tena, Herim-po, Tsy Fivadihana”.
Ny olana dia izao: tsy mifanaraka foana amin’ny filamatra ambony toy izany ny fanatanjahan-tena voalamina. Hoy ilay boky hoe Kidsports: “Amin’ny ohatra sasany dia misy tanora mora tairina izay mianatra manompa, manambaka, miady, mampitahotra, sy mandratra ny hafa.”
Fandresena ve na inona na inona vidiny?
Niaiky toy izao ny lahatsoratra iray tao amin’ny Seventeen: “Misy lafiny ratsy kokoa amin’ny fanatanjahan-tena, izay anomezan’ny olona vidiny be loatra ny fandresena.” Mifanohitra mivantana amin’ireto tenin’ny Baiboly ireto izany: “Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.” (Galatiana 5:26). Na dia afaka manampy fahalianana amin’ny lalao iray sy fankafizana azy io aza ny fifaninanana kely amim-pisakaizana, ny toe-tsaina tia mifaninana tafahoatra kosa dia afaka miteraka fototra ho amin’ny fankahalana — ka manesotra ny fahafinaretana amin’ny filalaovana.
Izao no tsaroan’i Jon, mpilalao fotibaolina amerikana tany amin’ny lise taloha: “Izahay dia nanana an’io mpanazatra io izay tena adalam-baolina izaitsizy; nikiakiaka sy nilelalela foana taminay (...). Raiki-tahotra aho nandeha hanao fanazarana. (...) Nahatsiaro ho toy ny hoe tao amin’ny toby fitanana iray aho.” Na dia tsy ny mpanazatra rehetra aza no manao teny mankarary, dia maro no manantitrantitra be loatra ny amin’ny fandresena. Nanatsoaka hevitra toy izao ny mpanoratra iray: “Atleta maro (...) no tonga eo amin’ny dingana iray izay anomezan’ny fifaliana amin’ny fifaninanana toerana ho an’ny enta-mavesatra iray tsy zaka, dia ny hoe hahomby.” Inona no mety ho vokatr’izany?
Ny Science News dia nanao tatitra ny amin’ny fanadihadiana iray izay nampiharihary fa teo amin’ireo mpilalao fotibaolina amerikana sy baskety tany amin’ny sekoly ambony, dia “12 isan-jato no nilaza olana teo amin’ny lafiny roa, fara fahakeliny, amin’izao dimy izao: fahoriana ara-tsaina, fahoriana ara-batana, fahasahiranana eo amin’ny fanalavirana ny zava-mahadomelina na ny zava-pisotro misy alkaola, fitondrana ratsy ara-tsaina sy ara-batana, sy zava-bita tsizarizary any an-tsekoly”. Mitovy hevitra amin’izany ihany, dia manao tatitra toy izao ilay boky hoe On the Mark: “Saika ny olona rehetra mifandray amin’ny atletisma voalamina dia manaiky fa misy olana lehibe momba ny fidorohana zava-mahadomelina eo amin’ny fanatanjahan-tena amin’ny ambaratonga rehetra.”
Fanekena lembenana ara-pitondran-tena
Mety hahatonga ny mpilalao tanora iray koa hampanaiky lembenana ny fari-pitsipika azon’ny saina ekena ny amin’ny tsy fiangarana sy ny fanaovana ny marina, ny fanerena handresy. Hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe Your Child in Sports: “Eo amin’ny tontolo maoderin’ny fanatanjahan-tena, dia tsy hoe tsara fotsiny ny hoe mandresy; izany no hany zavatra azo ekena. Tsy hoe ratsy fotsiny ny hoe resy, fa tsy azo ekena izany.”
Zava-misy henjana hafa iray: Matetika ireo mpanazatra no mametraka an’ireo mpilalao ho eo ambany fanerena faran’izay mafy mba handratra an’ireo mpifanandrina aminy. Nilaza toy izao ny lahatsoratra iray ao amin’ny Psychology Today: “Mba haha-tsara anao eo amin’ny fanatanjahan-tena, dia tsy maintsy ho ratsy toetra ianao. Na izany no inoan’ny atleta sy ny mpanazatra ary ny mpankafy fanatanjahan-tena maro.” Milazalaza ny toetrany andavanandro ho “malefa-peo sy maneho fiheverana ary sariaka” ny mpilalao fotibaolina amerikana matihanina iray. Eo amin’ny kianja filalaovana anefa, dia mandalo fiovana tanteraka izy. Milazalaza ny toetrany eny ambony kianja izy, ka hoy izy: “Ratsy toetra sy ratsy fanahy aho amin’izay. (...) Lozabe aoka izany aho. Tsy manaja tanteraka an’ilay ankizy handeha hasiako aho.” Matetika ireo mpanazatra no mampirisika ny hananana fironana toy izany.
Mampirisika ny Kristiana toy izao ny Baiboly: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana”. (Kolosiana 3:12). Afaka mamboly toetra toy izany ve ianao raha mahazo isan’andro, kabary kely fanentanana izay mampirisika mafy anao handratra, hanosika, sy hampisy takaitra an’ireo mpifanandrina aminao? Miaiky toy izao i Robert, 16 taona: “Nanao fanatanjahan-tena voalamina aho. Tsy miraharaha ianao hoe iza no voaratranao, raha mbola mandresy koa ianao.” Izao izy Kristiana vita batisa izao, dia niova ny fijeriny. Hoy izy: “Tsy hiverina amin’izany mihitsy aho.”
Fanazarana ny vatana sa fandratrana ny vatana?
Tsy tokony hodian-tsy hita koa ireo loza ara-batana mety hihatra. Marina fa ny fanatanjahan-tena dia tsy afa-misaraka amin’ny mety hahavoa ny tena, na dia rehefa atao miaraka amin’ny namana aza mba hahazoana fahafinaretana fotsiny. Mitombo be anefa ireo loza rehefa ampiofanina mafy hiezaka hahavita zavatra efa ho toy ny matihanina ireo tanora.
Hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe Your Child in Sports: “Mety haratra ireo mpilalao matihanina. Tena kinga anefa izy ireo, tsara toe-batana, olon-dehibe matotra izay minia misetra ratra ary mahazo karama be noho ny fanaovana izany. Ambonin’izany, izy ireo mazàna dia mahazo ny karazana fanazarana tsara indrindra sy mampiseho hakingana indrindra, ny fitaovana tsara indrindra, sy ny fikarakarana ara-pitsaboana tena akaiky sy tsara indrindra. (...) Tsy manana tombontsoa toy izany ireo ankizy any an-tsekoly.” Ilazana ny Kristiana mba ‘hanolotra ny tenany ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra’. (Romana 12:1). Tsy tokony hieritreritra amim-pitandremana ve ianao raha tokony hamela ny vatanao hiharan’ny loza tsy tena ilaina na tsy araka ny antonona?
Anton-javatra hafa tokony hodinihina
Na dia rehefa toa faran’izay kely aza ny loza ara-pahasalamana mety hihatra, dia mbola mandany fotoana ihany ny fanatanjahan-tena voalamina. Tsy hoe mety hampihena fotsiny ny fiarahana mahafinaritra amin’ny namanao ireo fotoam-panazarana, fa mety haka be dia be koa amin’ny fotoana tokony hatokana ho amin’ny fianarana sy ny enti-mody izy ireo. Nanao tatitra ny Science News fa nirona hanana “naoty somary ambany kokoa” noho ireo mpianatra hafa izay nirotsaka tamin’ny zavatra fanao ivelan’ny fandaharam-pianarana, ireo atleta tany amin’ny sekoly ambony. Ny mbola zava-dehibe kokoa, dia mety ho hitanao fa manasarotra ny fikatsahana an’izay antsoin’ny Baiboly hoe “ny zavatra lehibe indrindra” — ireo tombontsoa ara-panahy — ny filalaovana ao amin’ny ekipa iray. (Filipiana 1:10, NW ). Manontania tena hoe: ‘Hitaky ny tsy hamonjeko fivoriana kristiana ve ny fidirana ao amin’ilay ekipa, sa hametra ny fandraisako anjara amin’ny asa fitoriana izany?’
Lanjalanjao amim-pitandremana koa ireo mety ho vokatry ny fandaniana ora maro miaraka amin’ireo tanora sy olon-dehibe izay tsy mitovy fijery aminao raha ny amin’ny fitsipi-pitondran-tena, ny fiteny madio, na ny fifaninanana. Rehefa dinihina, dia tena milaza ny Baiboly fa “ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara”. (1 Korintiana 15:33). Diniho, ohatra, ny lahatsoratra iray ao amin’ny pejim-baovao manokana ao amin’ny The New York Times: “Ny efitra fisoloana akanjo (...) dia toerana iray iresahan’ny lehilahy momba ny vatan’ny vehivavy amin’ny teny manome sary mazava tsara ao an-tsaina ny amin’ny lahy sy ny vavy, toerana izay ireharehany ny amin’ny ‘nahavitany nanao firaisana’ sy ivazivaziany momba ny fikapohana vehivavy.” Hanao ahoana ianao eo amin’ny lafiny ara-panahy raha mifidy ny ho ao anatin’ny rivo-piainana toy izany? — Ampitahao amin’ny Jakoba 3:18.
Fanaovana fanapahan-kevitra amim-pahendrena
Nieritreritra ny hiditra ao amin’ny ekipa mpanao fanatanjahan-tena ve ianao? Raha izany no izy dia angamba hanampy anao hanombana ny vidin’ny fanaovana izany ireo zavatra voalaza teo aloha. Asio fiheverana ny feon’ny fieritreretan’ny hafa rehefa manao ny fanapahan-kevitrao ianao. (1 Korintiana 10:24, 29, 32). Mazava ho azy fa tsy misy fitsipika hentitra azo atao, satria tsy mitovy ny toe-javatra maneran-tany. Any amin’ny faritra sasany, dia mety hotakina amin’ny mpianatra ny handraisany anjara amin’ny fanatanjahan-tena. Raha misalasala anefa ianao, dia miaraha midinika ilay toe-javatra amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny Kristiana matotra iray.
Tanora kristiana maro no nanao ilay fanapahan-kevitra sarotra ny tsy hanao fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa. Tsy mora izany raha tomady ianao sady tena mankafy fanatanjahan-tena! Mety hanampy trotraka ny tsy fahafaham-po ny fanerena avy amin’ny mpampianatra sy ny mpanazatra ary ny ray aman-dreny. Miaiky toy izao i Jimmy tanora: “Hitako ho ady mafy amin’ny tenako ny tsy manao. Atleta nalaza ny raiko tsy mpino tamin’ny fotoana nandehanany tany amin’ny lise. Manjary sarotra ho ahy indraindray ny tsy fidirana ao amin’ny ekipa iray.” Na dia izany aza, dia afaka mahavita zavatra be dia be mba hanampiana anao hifikitra amin’ny fahatapahan-kevitrao ny fanohanan’ny ray aman-dreny mpino sy ny Kristiana matotra ao amin’ny kongregasiona. Hoy i Jimmy: “Velom-pisaorana an-dreniko aho. Indraindray aho dia ketraka noho ny fanerena hanao fanatanjahan-tena. Eo foana anefa izy mba hampahatsiahy ahy ny amin’ny tena zava-kendreko eo amin’ny fiainana.”
Mety hampianatra an’ireo mpilalao fiaraha-miasa sy famahana olana ny fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa. Misy fahafahana be dia be hianarana ireo zavatra ireo anefa amin’ny fiasana ao anatin’ny kongregasiona kristiana. (Ampitahao amin’ny Efesiana 4:16.) Mety hahafinaritra koa ireo fanatanjahan-tena ao amin’ny ekipa, kanefa tsy voatery ho ao amin’ny ekipa iray ianao mba hankafizana azy ireo. Azo ankafizina miaraka amin’ny namana kristiana eo an-tokotany na eo amin’ny toerana fanarian-dia iray eo an-toerana ny fanatanjahan-tena sasany. Mety hanome fahafahana fanampiny hanaovana lalao mahasoa ny fitsangantsanganan’ny fianakaviana. “Tsara lavitra ny milalao miaraka amin’ireo hafa avy ao amin’ny kongregasionanao”, hoy i Greg 16 taona. “Atao mba hahazoana fahafinaretana fotsiny izany, ary miaraka amin’ireo namanao ianao!”
Marina fa ny lalao iray eo an-tokotany dia azo inoana fa tsy hanome ilay fientanentanana mitovy amin’ny hoe ao anatin’ny ekipa mpandresy iray. Aza hadinoina mihitsy anefa fa, fara fahatsarany, dia “mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny [fifikirana amin’Andriamanitra, NW ] no mahasoa amin’ny zavatra rehetra”. (1 Timoty 4:8). Mampitomboa fifikirana amin’Andriamanitra, dia ho mpandresy marina tokoa eo imason’Andriamanitra ianao!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny “Manontany ny Tanora Hoe... Fanatanjahan-tena ao Amin’ny Ekipa — Tsara ho Ahy ve Izy Ireny?”, niseho tao amin’ny Mifohaza! tamin’ny 8 Martsa 1996.
[Teny notsongaina, pejy 22]
“Izahay dia nanana an’io mpanazatra io izay tena adalam-baolina izaitsizy; nikiakiaka sy nilelalela foana taminay (...). Raiki-tahotra aho nandeha hanao fanazarana”
[Sary, pejy 23]
Matetika loatra ireo mpanazatra no manantitrantitra ny amin’ny fandresena — na dia midika ho fandratrana ny hafa aza izany