“Misaotra Noho ny Fanampiana Ahy Hianatra Momba An’i Jehovah!”
Izany no teny avy amin’ny fo nataon’ny zazavavy iray 16 taona avy any Floride, Etazonia. Taorian’ny namakiany zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanoratra toy izao izy:
“Tsy tadidiko ny anaran’ilay izy, fa namaky boky iray momba ny fiainan’i Jesosy izay inoako fa navoakanareo aho. Talohan’ny namakiako io boky io, dia nihevitra aho fa nahafantatra ny zava-drehetra nilaiko hofantarina. Mino an’Andriamanitra sy i Jesosy aho, mivavaka alohan’ny sakafo hariva ary koa amin’ny alina, ary manana fiainana tsara ihany. Taorian’ny namakiako an’io boky io anefa, dia takatro fa tsy mahafantatra zavatra betsaka mihitsy aho ka mila mamaky sy mianatra hatrany momba an’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy ary ireo hafa ao amin’ny Baiboly.
“Manova moramora ny sasany amin’ireo fanaoko aho mba hahafahako ho mpanompon’Andriamanitra tsara kokoa. Raha tsy noho ny Fikambanana Watch Tower, dia mbola ho tsy nahalala an’Andriamanitra sy ireo tantara ao amin’ny Baiboly ihany aho. Misaotra noho ny fanampiana ahy hianatra momba an’i Jehovah!”
Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany no lohatenin’ilay boky noresahin’ilay zazavavy. Ao amin’izy io dia natao ny ezaka mba hampisehoana ny fisehoan-javatra tsirairay tamin’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany izay tantaraina ao amin’ireo Filazantsara efatra. Raha tianao ny hahazo iray amin’izy io na hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana any an-tokantranonao, dia manorata, aza fady, amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5.