Ny Fiheveran’ny Baiboly
“Renin’Andriamanitra” ve i Maria?
“MITADY FIALOFANA EO AMBANY FIAROVAN’NY FITAHIANAO IZAHAY, RY RENIN’ANDRIAMANITRA Ô; AZA MANDÀ NY FITALAHOANAY AMIN’NY FOTOANA ILANAY FANAMPIANA, FA MAMONJE ANAY RE AMIN’NY FAHAVEREZANA, RY ILAY HANY VOATAHY Ô.”
MAMINTINA ny fihetseham-pon’ny lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany maro mampiseho fifikirana amin’i Maria, renin’i Jesosy Kristy, ny vavaka toy izany. Araka ny fomba fihevitr’izy ireo, izy dia reny misolo tena amin-katsaram-panahy izay afaka manelanelana amin’Andriamanitra ho azy ireo sy manalefaka amin’ny fomba sasany ny didim-pitsarany amin’izy ireo.
Kanefa, tena “Renin’Andriamanitra” tokoa ve i Maria?
Maria — “Feno fahasoavana” avy amin’Andriamanitra
Tsy isalasalana fa “feno fahasoavana” i Maria — feno fahasoavana kokoa noho ny vehivavy hafa rehetra izay velona hatramin’izay, raha ny marina. (Lioka 1:28, Kat.). Niseho taminy ny anjely Gabriela ka nanazava fa hahazo tombontsoa tokoa izy. “Indro, hitoe-jaza hianao”, hoy izy, “ka hiteraka zazalahy, ary Jeso no hataonao anarany. Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra”. Ahoana no netezan’io fisehoan-javatra nahagaga io? Nanohy ny teniny toy izao i Gabriela: “Ny Fanahy Masina, (...) no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.” — Lioka 1:31, 32, 35, Kat.
“Hoy i Maria: Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.” (Lioka 1:38, Kat.). Araka izany, i Maria dia nanaiky tamim-panetren-tena io fitarihan’Andriamanitra io ary tamin’ny farany dia niteraka an’i Jesosy.
Nandritra ireo taonjato maromaro nanaraka izany anefa, ireo mpifikitra mafy taminy dia nanandratra azy avy tamin’ny naha-“ankizivavin’ny Tompo” nanetry tena azy ho amin’ny toeran’ny “mpanjakavavy reny” manana hery lehibe any an-danitra. Nanambara azy tamin’ny fomba ofisialy ho “Renin’Andriamanitra” ireo filohan’ny eglizy tamin’ny 431 am.f.i., tao amin’ny Konsily tany Efesosy. Inona no nitarika io fiovana io? Manazava ny anton-javatra iray toy izao ny Papa Jean Paul II: “Ny fifikirana marina amin’ny Renin’Andriamanitra (...) dia mamaka lalina dia lalina amin’ny Misterin’ny Trinite Masina.” — Crossing the Threshold of Hope.
Noho izany, ny fanekena an’i Maria ho “Renin’Andriamanitra” dia miankina amin’ny finoana ny Trinite. Kanefa, fampianarana ao amin’ny Baiboly ve ny Trinite?a Diniho, raha sitrakao, izay nosoratan’ny apostoly Petera ao amin’ny Baiboly. Nampitandrina izy fa ireo “mpampianatra sandoka (...) dia hampiditra an-kolaka herezia mampidi-doza [ka] hanandrana hanararaotra anareo koa amin’ny fanaporofoan-keviny tsy izy”. (2 Petera 2:1, 3, The New Testament in Modern English, nataon’i J. B. Phillips). Iray tamin’ny herezia toy izany ny fampianarana ny amin’ny Trinite. Raha vantany vao nekena izany, dia tena lojika ilay hevitra hoe “Renin’Andriamanitra” (Grika: Theotokos: midika hoe “niteraka an’Andriamanitra”) i Maria. Ao amin’ny bokiny The Virgin, i Geoffrey Ashe dia milaza fa “raha toa i Kristy ka Andriamanitra, ilay Persona Faharoa Amin’ny Trinite”, araka ny fanjohian-kevitr’ireo Mpanohana ny Trinite, “dia Renin’Andriamanitra àry ny reniny tamin’ny fisehoany tamin’ny naha-olombelona azy”.
Raha toa ka “Andriamanitra manontolo sy feno” i Jesosy, araka ny filazan’ny Catechism of the Catholic Church (Katesizin’ny Eglizy Katolika) vaovao azy, dia azo antsoina ara-drariny hoe “Renin’Andriamanitra” àry i Maria. Tsy maintsy lazaina anefa fa Mpanohana ny Trinite tany am-boalohany maro no nahita fa sarotra ny nanaiky io fampianarana io rehefa natolotra voalohany izy io — toy ny fahitan’ny Protestanta mpanohana ny Trinite azy amin’izao andro izao. Nantsoina hoe “fifanoheran-kevitra ara-pivavahana ny hoe: ‘izy izay tsy omby azy ny lanitra dia omby tao an-kibo[n’i Maria]’ ”. (The Virgin). — Ampitahao amin’ny 1 Mpanjaka 8:27.
Tena “Andriamanitra manontolo sy feno” tokoa anefa ve i Jesosy Kristy? Tsia, tsy nilaza izany na oviana na oviana izy. Niaiky mandrakariva ny amin’ny toerany ambany noho ny Rainy kosa izy. — Jereo ny Matio 26:39; Marka 13:32; Jaona 14:28; 1 Korintiana 15:27, 28.
‘Manolora fanompoam-pivavahana amin’ny fomba mendrika ny olona misaina’
Ny Baiboly anefa dia mampirisika ny Kristiana mba hampiasa ny fahaizany manjohy hevitra eo amin’ny fanompoam-pivavahana. Tsy asaina hanana finoana an-jamba an’izay mody aseho ho mistery isika. Tokony ‘hanolotra fanompoam-pivavahana amin’ny fomba mendrika ny olona misaina’ kosa isika, hoy ny apostoly Paoly. — Romana 12:1, The Jerusalem Bible.
“Tsy nampirisihina mihitsy izahay mba hieritreritra momba azy io”, hoy i Anne, izay notezaina tamin’ny naha-Katolika. “Tsy nametraka fanontaniana momba azy io mihitsy izahay. Nino fotsiny izahay hoe Andriamanitra i Jeso, koa ‘Renin’Andriamanitra’ izany i Maria — zavatra nahagaga indrindra izany!” Tadidio fa milaza ny Catechism of the Catholic Church fa ny mpikambana tsirairay amin’ny “Andriamanitra Tokana” dia “Andriamanitra manontolo sy feno”. Milaza izy io fa tsy misy andriamanitra miavaka telo. Tokony hino àry ve isika fa, rehefa nizarazara tao an-kibon’i Maria ireo sela velona, ilay “Andriamanitra manontolo sy feno” dia tao anatin’ny fanjary tsaika iray izay, nandritra ny volana voalohany nitondran’i Maria vohoka, dia nitombo ho latsaka ny enina milimetatra ny halavany sady mbola tsy ary fomba ny masony sy ny sofiny?
Tadidio ao an-tsaina fa nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa tokony hantsoina hoe “Zanaky ny Avo indrindra” sy “Zanak’Andriamanitra”, fa tsy hoe “Andriamanitra Zanaka”, ilay zanany. Raha toa àry ka Andriamanitra Tsitoha i Jesosy, nahoana ny anjely Gabriela no tsy nampiasa ilay teny mitovy amin’izay ampiasain’ireo Mpanohana ny Trinite amin’izao andro izao — dia ny hoe “Andriamanitra Zanaka”? Tsy nampiasa ilay teny i Gabriela satria tsy hita ao amin’ny Baiboly ilay fampianarana.
Voafetra isika, mazava ho azy, eo amin’ny fahatakarantsika ny asan’Andriamanitra. Manampy antsika anefa ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny Soratra Masina mba hinoana fa ilay Andriamanitra Tsitoha, Mpamorona ny aina rehetra, dia nanan-kery hamindrana tamin’ny fomba nahagaga ny ain’i Jesosy Kristy, Zanany malala, ho tao an-kibon’i Maria, ary avy eo dia hiarovana ny fitomboany tamin’ny alalan’ny heriny miasa, na fanahiny masina, mandra-pahatongan’i Maria ho renin’i Jesosy — dia ilay Zanak’Andriamanitra.
Eny, notahina tamin’ny fomba lehibe i Maria tamin’ny naha-renin’ilay tonga Kristy azy. Tsy hoe tsy fanajana azy ny manaiky fa ny fampianarana mazava ao amin’ny Baiboly — anisan’izany ilay fitantarana momba ny fanetren-tenan’i Maria mihitsy — dia misakana ny fanomezana azy ilay anaram-boninahitra hoe “Renin’Andriamanitra”.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo, aza fady, ilay hoe Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Museo del Prado, Madrid