FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/1 p. 17-19
  • Tokony Hanatrika Rindran-kira Rock ve Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony Hanatrika Rindran-kira Rock ve Aho?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Famantarana ilay mozika
  • Tsy voafehy
  • Ny herin’ny toe-javatra manodidina
  • Mitandrema Tena Amin’ny Mozika Tsy Mahasoa!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Be Loatra ve ny Fotoana Ihainoako Mozika?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Ahoana no Ahafahako Mihazona ny Mozika ho eo Amin’ny Toerany?
    Mifohaza!—1993
  • Mety Hanimba Ahy Tokoa ve ny Mozika?
    Mifohaza!—1993
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/1 p. 17-19

Manontany ny Tanora Hoe...

Tokony Hanatrika Rindran-kira Rock ve Aho?

Tonga ao an-tanànanao ny tarika fanta-daza iray. Mandeha haingana ny fivarotana karatra, koa tsy maintsy manapa-kevitra ianao izao. Handeha hanatrika ve ianao?

METY hahafinaritra ny mozika mahasoa ao anatin’ny faritra manodidina mifanentana. Rehefa heverina tokoa, i Jehovah Andriamanitra dia namorona antsika hanana fahaizana mankafy mozika, ary mozika maro isan-karazany no azony ekena.

Eo amin’ireo tanora amin’izao andro izao, dia mazàna ny mozika rock, na inona na inona amin’ireo karazany maro amin’izy io, no mozika tian’izy ireo kokoa. Maro no mankafy azy io, indrindra rehefa aseho an-tsehatra izy io. Na dia izany aza, ankoatra ny zavatra hafa, ireo tatitra momba ny herisetra tsy amin’ny antony sy ny fitondran-tena tsy voafehy any amin’ireo rindran-kira rock dia mampipoitra fanontaniana ilana fieritreretana be ho an’ny tanora matahotra an’Andriamanitra. Inona marina moa no mitranga any amin’ireo rindran-kira rock? Hevitra tsara ve ny manatrika izany?

Famantarana ilay mozika

Voalohany, dia andeha isika handinika ny mozika mihitsy. Afaka maneho — sy manaitra — fihetseham-po mahery maro isan-karazany ny mozika. Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia matetika no nampiasa mozika ny vahoakan’Andriamanitra mba hanehoana ny fitiavany an’Andriamanitra. (Salamo 149:3; 150:4). Nampiasaina koa mba hanehoana fifaliana sy fahataitairana ary alahelo ny mozika. (Genesisy 31:27; Mpitsara 11:34; 1 Samoela 18:6, 7; Matio 9:23, 24). Mampalahelo anefa fa tsy nahasoa foana akory ny mozika, na dia tamin’ny andron’ny Baiboly aza. Mety ho nanana anjara asa tamin’ny fandrisihana ny Isiraelita sasany hanota ny mozika tsy voafehy, nandranitra ny filan’ny nofo, rehefa nitoby teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ilay firenena. — Eksodosy 32:1-6, 17, 18, 25.

Raha lazaina amim-pahatsorana, ny maro amin’ny mozika rock dia mampandroso toy izany koa zava-dratsy — faharatsiam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy, zava-mahadomelina, fikomiana, spiritisma. Tsy voatery hidika akory izany hoe tsy maintsy mifady mozika ianao, kanefa tena milaza amin’ny Kristiana ny Baiboly mba ‘hamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo’. (Efesiana 5:10). Koa tsy maintsy mahay mifantina sy mahay manavaka ianao raha ny amin’ny mozika.a

Amin’ny ahoana no misy fiantraikany eo aminao ny fifidiananao mozika? Mahatonga anao ho faly, tony, na tsy tia ady ve izy io? Sa mahatonga anao ho tezitra, hikomy, na ho ketraka izy io? Tsaroan’ny lehilahy kristiana iray any Danemark ireo andro naha-mpitia fatratra heavy metal, endriny iray amin’ny mozika rock, azy. Hoy izy: “Nihaino izany aho teo am-piasana. Ary raha nanao fahadisoana aho, dia nanjary romotra aoka izany ka nopotehiko ilay zavatra niasako ary nariako tamin’ny fipoahan’ny fahatezerana!” Hoy ny fieken’ny tanora hafa iray: “Nihaino [mozika] rap sy heavy metal be dia be izay nanindrahindra ny momba ny lahy sy ny vavy ary ny fomba fiaina araka an’izao tontolo izao, aho. Nameno ny saiko io mozika io, ary ny vokany dia ny faniriana mafy hahazo ireo zavatra nohirainy.” Koa raha horonam-peo fotsiny aza manana vokany toy izany, dia eritrereto ny herin’ny fampisehoana an-tsehatra!

Diniho koa izao: Hanao ahoana marina ny hamafin’ilay mozika? Marina aloha fa samy manana ny tiany ny olona amin’io lafiny io. Ary tsy misakana ny mozika mafy amim-pahalalana ny antonona ny Baiboly. Tamin’ny fitokanana ny tempolin’i Solomona, ireo mpitsoka trompetra fotsiny dia niisa 120! (2 Tantara 5:12). Tsy maintsy ho mafy tamin’ny fomba nanaitra izany! Kanefa, misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny akora mafy fiderana an’Andriamanitra sy ny mozika rock mankarenin-tsofina. Amin’itỳ farany, dia matetika no ampiasaina mba hanentanana ny vahoaka ho amin’ny hafanam-po tsy voafehy ny hamafin’ny feo. Manameloka ny “filalaovan-dratsy”, na ny “lanonana tsy voafehy”, anefa ny Baiboly. (Galatiana 5:21; Byington). Ary ny fanajana ny vatanao dia hisakana ny fihainoana mozika izay mafy aoka izany ka mety hanimba ny fandrenesanao. — Romana 12:1.

Ny lafiny hafa iray tokony hodinihina dia aseho ao amin’ny Joba 12:11. Manontany toy izao ao ny Baiboly: “Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?” Mifanaraka amin’izany, dia tokony ‘hamantatra’ ny tonon-kira ianao! Hoy ny fieken’ny tanora kristiana iray: “Nanomboka nihaino ny tonon’ny sasany tamin’ireo hira tiako aho, ary gaga fa tsy nety ho an’ny Kristiana ny nihaino izany. Hitako ho tena nilaina ny nanesotra an’io mozika io.” (1 Korintiana 14:20; Efesiana 5:3, 4). Aoka ianao hahafantatra mialoha koa fa mpihira maro no mampiasa ny rindran-kira mba hampandrosoana ny hira navoakany farany indrindra — hira izay mety hiharihary fa hafa noho ny mozikany taloha kokoa, izay angamba mahasoa kokoa.

Fanampin’izany, dia tokony hanao izay hahazoana antoka ianao fa tsy mifono hevitra araka ny an’ny demonia — zavatra izay misongadina amin’ny fomba miavaka amin’ny endriky ny mozika heavy metal — ilay mozika. Malaza ratsy ho mandravaka ny tenany sy ny fonon-kapilany amin’ny marika araka ny an’ny demonia sy amin’ny kojakojan-javatra satanika ireo tarika heavy metal. (Jakoba 3:15). Ny fanatrehana rindran-kira ataon’ny tarika toy izany dia tsy azo inoana fa hampifaly an’Andriamanitra, izay mandidy antsika ‘hanohitra ny Devoly’! — Jakoba 4:7.

Tsy voafehy

Inona no mety hitranga ao amin’ilay rindran-kira mihitsy? Niaraka tamin’ny namany ny zatovovavy iray atao hoe Stacey mba hijery tarika iray izay noheverin’izy ireo fa nanao karazan-kira somary tsy misy tsininy. Teo antenatenan’ilay rindran-kira anefa, dia mody namoha angatra ilay mpihira lehiben’ilay tarika ka nanasa ny mpijery handray anjara tamin’ilay fanandramana hifandray tamin’ny tontolon’ny fanahy! Vazivazy fotsiny ve? Angamba. Noho ny Baiboly manameloka ny spiritisma amin’ny endriny rehetra anefa, dia nahatsiaro tena ho voatery hiala i Stacey sy ireo namany. — Levitikosy 19:31; Deoteronomia 18:10-13; Apokalypsy 22:15.

Nahita fanandraman-javatra nahasosotra toy izany koa ny tanora kristiana hafa, satria, na dia mety ho somary tsy fahita firy any amin’ireo rindran-kira rock aza ny spiritisma an-karihary, dia fahita ny fitondran-tena tsy voafehy. Tany amin’ny rindran-kira iray dia nanampy hampirisika ny hanaovana rotaka izay niteraka ratra ho an’ny olona 60 sy fahasimbana nitentina maherin’ny $200 000, ilay tarika! Tany amin’ny rindran-kira hafa iray koa, dia voatsindry ka maty ny tanora telo. Marina fa tsy miafara amin’ny firotahana, ratra, na fahafatesana ny ankamaroan’ny rindran-kira rock. Miharihary anefa fa ilaina ny mitandrina. Hoy ny Ohabolana 22:3: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.”

Koa raha tokony hieritreritra ny hankany amin’ny rindran-kira iray ianao, dia manadihadia. Manana laza ho mampirisika ny hanehoana fitondran-tena tsy voafehy ve ilay tarika? Manintona karazana mpijery manao ahoana ilay tarika? (1 Korintiana 15:33). Tonga hatraiza ny fampiasana alkaola sy zava-mahadomelina? Ary ahoana ny amin’ilay efitrano fanaovana rindran-kira mihitsy? Nahitana zava-nanahirana momba ny fiarovana ve izy io tamin’ny lasa? Hanao ahoana ny fandaharana ny fipetrahana? Raha misokatra ho an’ny rehetra ny fipetrahana, dia azo inoana fa vao mainka hitombo ny mety haharatra ny olona iray.

Mihanaka any amin’ireo rindran-kira rock ny zava-mahadomelina sy ny fibobohana alkaola. “Tsy tonga ho an’ilay mozika ny olona”, hoy ny lehilahy kristiana iray diso fanantenana izay nanatrika rindran-kira nataon’ny tarika rock mahazatra iray, fony izy tanora. “Tonga mba himamo izy ireo.” Nanapa-kevitra izy fa io no rindran-kira rock hatrehiny farany. Manao tatitra toy izany koa ny zatovovavy kristiana iray hoe: “Tadidiko ny nankanesako tany amin’ny rindran-kira iray izay nihiran’ny tarika ‘liam-pivoarana’ iray. Naharikoriko aoka izany ilay izy! Nifoka rongony ny olona. Nahatsiravina ny teny ratsy, ary maro tao no hita ho tahaka ny mpivavaka tamin’i Satana noho ny fomba fitafiny.” Na dia any amin’ny toerana andrarana mafy ny zava-mahadomelina sy ny alkaola aza, dia fahita ny hoe maro amin’ireo mpijery no efa mamo eo am-pahatongavany. Mety hifanaraka amin’ny fandidian’ny Baiboly mba “handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony” ve ny fanatrehana zavatra manafintohina toy izany? — Titosy 2:12.

Ny herin’ny toe-javatra manodidina

Mety hihevitra anefa ianao fa tsy misy ilana ny hanahianao momba ny fomba fitondran-tenan’ireo manodidina anao, raha mbola tsy mandray anjara amin’ilay herisetra tsy amin’ny antony ny tenanao. Kanefa, misy fiantraikany eo aminao ny toe-javatra manodidina anao. Ao amin’ny Efesiana 2:2, ny Baiboly dia miresaka ny amin’ny “[ fahefana, NW ] eny amin’ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin’ny zanaky ny tsi-fanarahana”. Mariho fa manana “fanahy”, na toe-tsaina manapaka, itỳ tontolo itỳ. Hatraiza hatraiza izy io, mihanaka toy ny rivotra ihany. Diniho koa anefa fa io fanahy, na toe-tsaina, io dia manana “fahefana” — ilay hery afaka manova ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao ary ny fitondran-tenanao — raha mitono tena amin’izy io ianao! Tsy afaka tsotra izao mifoka io rivotra mahery io ianao ka hoe tsy hisy fiantraikany eo aminao izy io.

Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia fitonoan-tena lalina amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao ireo rindran-kira rock. Mety ho voasarika mora foana ho amin’ilay rivo-piainana anjakan’ny tsy fahalalam-pomba izay mazàna no mahazo vahana, ny tena — na ho amin’ny fikiakiahana sy ny fanofahofan-tanana izay mitovy amin’ny fanolorana fanompoam-pivavahana amin’ireo mpihira. Mandà ny fanolorana fanompoam-pivavahana izay an’Andriamanitra, raha ny ara-drariny, ny fiderana tafahoatra toy izany. Mitovy amin’ny fanompoan-tsampy, zavatra melohina mazava ao amin’ny Soratra Masina, izany. (1 Korintiana 10:14; 1 Jaona 5:21). Tianao ve ny hanao vivery ho tafidipiditra amin’izany?

Tsy hisy hanohitra ny filazana fa ny ankamaroan’ny rindran-kira rock dia mahafaoka loza izay mihoatra ny tombontsoa rehetra mety ho azon’ny tena amin’ny fanatrehana azy ireny. Mazava ho azy fa an’ny ray aman-dreninao ny hanao ny fanapahan-kevitra farany raha ny amin’ny hoe hanomezan-dalana amin’ny fanatrehana rindran-kira manokana iray na tsia. Raha manana fahalalahana hanao izany fanapahan-kevitra izany anefa ianao, dia manaova safidy amim-pahendrena. Misy fomba maro ampifaliana ny tena izay mahasoa sy tsy mampiditra ny loza entin’ny fanatrehana rindran-kira rock.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ireo lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...” momba ny mozika hita ao amin’ny Mifohaza! No. 2/1993 sy No. 3/1993.

[Sary, pejy 18]

Fahita any amin’ireo rindran-kira rock ny alkaola sy ny zava-mahadomelina ary ny fitondran-tena tsy voafehy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara